Fantaro i Samuel Ratany
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
15 jolay 2019
 
sary nindramina Fantaro i...
Samuël Ratany
(1901-1926)
Pôeta
Mpanoratra

Hoy Samuël Ratany tao amin’ny "Vakio ity" lah 12, Avrily 1922, raha nilaza ny nofy mahazendana :

"Ny mpifankatia dia tsy mba manam-piadanana tanteraka, fa ny fahoriana mandalo sy ny loza mihelina no tohatra hiakarany ho amin’ny fahasambarana".
— Fandalinan'i Tsikimilamina Rakotomavo 
Teraka ny 16 jolay 1901 tao Ankadibevava Antananarivo i Samuël Ratany. Zanaka lahimatoan-dRatsimamakitany na Ratany sy Ramariavero izy. Mpampianatra tao amin’ny sekoly M.P.F. (Mission Protestante Française) tao Ambatobevanja ny rainy taorian’ny naha kômandy mpampandry tany azy. Namolavola azy tamin’ny fitiavana hira sy zava-maneno ny rainy toy ny fitendrena harmonia sy ny fitsofana sodina.

Teo amin’ny tontolon’ny fitiavana dia tsy tanteraka ny fikasany hanambady tovovavy iray tena naharevo azy sy efa nifanao voady taminy noho ny fisakanana nataon-drainy. Mbola niainana loatra tamin’izany ny fanajana sy fanoavana ny tenin’ireo loharano nipoirana. Na izany aza anefa dia tojo an-dRasoazananohatra izay isan’ny nafana fo tao amin’ny fikambanan’ny tanora teo anivon’ny Fiangonana Protestanta Avaratra Andohalo izy. Nampakariny ho vady ny tovovavy ny marsa 1926.

Efa nandindona an’i Samuël Ratany ny fahafatesany ka nahatonga azy hikalo ny "Raozy sy Vonimboasary" ny volana avrily tamin’io taona io izay nanehoany ny tsiambaratelon’ny fitiavany. Ny volana Aogositra no nanoratany ny ”izay ho feoko eo am-pialana aina”. Nolazoin’ny tsy fahasalamana izy ny Septambra. Nanatrika ny fotoana farany niainany moa ireo sakaizany toa an-dRabearivelo izay nifankahazo am-po taminy, nanatona ny farafara nitoerany sy nametraka ny tanany tamin’ny handriny izy tamin’izany. Ny alahady 10 oktobra 1926 no nandaozany ny tany ary tao Lazaina Avaradrano no nandevenana azy. Ny 3 jolay 1971 kosa no nafindra tany Maharavoravo - Vonizongo ny taolambalony.


FIANARANA SY ASA
Tao amin’ny sekoly Ambatobevanja no nanomboka nianatra i Samuël Ratany ary nanohy izany tao amin’ny sekoly Paul Minault Ambohijatovo Avaratra. Nanomboka nandalina ny haisoratra izy tao amin’io sekoly io. Noho ny fifaneraserany matetika tamin-dRandrianjafitrimo anadahin-dreniny no nironany bebe kokoa teo amin’ny tontolon’ny soratra.

Teo amin’ny sehatry ny asa dia mpitana bokim-bola tao amin’ny fikambanam-barotra "Vassilou" teto Antananarivo izy. Marihina fa "Tain-jiro" no niantsoan’ny ankamaroan’ny olona izany fikambanam-barotra izany.


SAMUËL RATANY MIANGALY
Ny solon’anarana TANICUS no angaly voalohany nentin’i Samuel Ratany teo amin’ny fanoratana. Mampahatsiahy ny anaran’ny olon-kendry tamin’ny fanjakana romana hoy ny mpandinika izany.
Ankoatra ny maha pôeta an’i Samuël Ratany dia nanoratra sombin-tantara izy. Miresaka ny fihetseham-po teraky ny zava-misy hita sy iainana eo amin’ny fiarahamonina izany toy ny "Nofy mahazendana", "resaky ny mandrakizay", "nandevina", "mandiniha", "aretin-dratsy", "afaka ny helony", "vita ho azy", "Imbalanony", "Vovoka isika", "Ela nitadiavana".
Nisy ihany koa ny fandalinana ny tononkiran’ny Ntaolo izay nanehoany ny rary, ny sasy, ny antsa, ny vazo, ny kalo sy hira araka ny famaritany avy sy ny ampahany tamin’izay noforoniny mifandraika amin’ireo voambara ireo. Ohatra iray amin’ireny ny ANTSA izay nanazavany fa fiderana na fandokafana, fankalazana na fanamboniana, na fananarana na fanoroan-kevitra no votoatin-kevitra ao. Vehivavy mpanotrona sy mpanaraka ny mpanjaka no miantsa. Hoy ny ampahany :


Anatra
Anaran-tany no Tsianolondroa
Tsy ny tany no Tsianolondroa
Fa ny vady no Tsianolondroa

Anaran-tany no Ankeramadinika
Tsy ny tany no Ankeramadinika
Fa ny Hendry no mahadinidinika

Anaran-tany no Analakely
Tsy ny tany no Analakely
Fa ny Hendry no tsy mba kely

Maro ireo gazety sy revio namoaka ny sorany : Vakio ity, Ny Tanamasoandro, Akon’Iarivo, Journal de Madagascar, Sakaizan’ny Tanora, Ny Mpandinika, Ny fandrosoana vaovao, Kalokalo Tatsinanana, Tsarahafatra, Ny fandrosoam-baovao.
SAMUËL RATANY MALEMY FANAHY "Fa hay ve ny rivo-mandalo dia sahy
nanaitra tsy satry ny foko natory
Ka nety nitondra fitserana ho ahy
Dia tsetra nipongatra tsy hitako akory (…)
Misosa misosa eny ihany ny taona
Ka toa tsy tadidy ‘lay ora sy daty
Tomoetra ny fo dia alana ny saona
Ny fahatsiarovana anefa tsy maty" (…)

Ny mpandinika lah 123 avrily 1926
ary novalian’i J.J. Rabearivelo tamin’ny tsy embona akory.

"Tena zavatra vao
Sy mbola tsy hita hatramin’ny ela
Ny torak’izao
Ny rano efa ritra-tsy nisy tavela
Na fotaka monja!
Nankaiza? Nankaiza? - navalon’ny onja!
Lehilahy mahate ho tia i Samuël Ratany ary nahay nihavana tamin’ny olona. Tao anatiny ny firehetam-po hanondrotra ny mpiray tanindrazana aminy. Nihevitra ny hanondrotra ny pôezia malagasy izy. Nanana fanantenana izy fa ho afaka amin’ny hevitra teritery ny pôezia malagasy ary handroso amin’ny lalan’ny fahatsarana tanteraka.
SAMUËL RATANY AKAIKY AN'I J.-J. RABEARIVELO
Anisan’ny olona akaiky an-dRabearivelo i Samuël Ratany ka nilazany hoe : “Akaiky dia akaiky ahy loatra ity olona resahiko anio ity satria azo lazaina ho niara-nitombo toy ny hazo kambana izahay hatramin’ny fahakely”.
Noho ny fifaneraserana sy fifandraisana teo amin’izy ireo dia nisy ny fifamaliana tononkalo toy ny embona izay teraky ny "Coupes des cendres". Hoy indrindra ny ampahany :

Nisy ihany koa ny tononkalo hafa “vetsovetso misasakalina“ natolony an-dRabearivelo :
"… Ny eritreritra entin’ny alina mangina
Dia mampisaintsaina ny ao ankoatra ao
Heverina izany, ka nony tontalina
Dia hay tsy misy antony izao tontolo izao…"

Nisy ihany koa ny tononkalo amin’ny teny frantsay izay mbola natolony ho an-dRabearivelo izay milohateny hoe : ”Elégie de minuit


sary nindramina
"Je n’entends plus la brise secrète
Venue entretenir la tristesse de mon âme
Mon cœur a fait une chute trop violente
A cause de la trahison de ma bien-aimée"
Revue de Madagascar n° 28, 1941

SAMUËL RATANY MANEHO
Maro ireo hevitra hita taratra ao amin’ny tononkalon’i Samuël Ratany.
Voalohany amin’izany ny tononkalo miendrika vavaka izay manaiky ny fanendrena ny fiainan’ny tsirairay. Apetraka eo am-pelantanany izay rehetra mety hiseho amin’ny hoavy na dia eo aza ny fahakiviana mitambesatra ao am-po :
"Ry Tompoko, ’Zay Tokin’ny androko sisa
Ry Hery mitondra ny tanja-panahy
Ianao no mitantana sady manisa
Izay tombon’andro voafetra ho ahy"
Tonombavaka, Sakaizan’ny Tanora lah 424, Febroary 1925

Hita taratra ny fisarihana ny olona hahay hionona eo anoloan’ny fisarahana aman’aina izay lalana tsy maintsy izorana. Tsy ampoizina ny fiavian’ny fahafatesana ka ampiomanana ny mpiara-belona sahady izany.

"Raha lasa ny tsy foy
Ka misaona ilay namoy
Tsy fahorian’ny fo
No hanala ny manjo
Na ny onin-dranomaso
No handresy ny ankaso
Fa ny fiononan-tsaina
Io no fanafodin’aina”

Izao fiainana izao,
Akon’Iarivo
lah 5 Janoary 1924


Nanoratra tononkalo ho fahatsiarovana ny olona akaiky izay nandao azy ihany koa i Samuël Ratany. Mipololotra eo avokoa ny tsiahy ireo fifandraisana teo amin’ny mpisakaiza izay miteraka alahelo lalina tsy hay sitranina.

"Veloma sakaiza, f’izay no anjara
Izany no didy sy toeram-boazara
Ny soa izay nataonao fony tety
Tsy very tadidy ka dia matoria!"
In memoriam, Ny fandrosoana Vaovao, 19 Aogositra 1926

Miresaka ary milaza ny endrika isehoan’ny fahafatesana eo amin’ny olo-mandalo ny tononkalo. Ambara ao avokoa ny zava-miseho rehetra hatreny am-pandevenana. Miharihary ao anatin’izany ny fanomezan-tsiny ny fahafatesana izay maka tsy miera ny velona.

"Ry fahafatesana
Ry fahafatesana ratsy filana
Tsy mena-mijery ny fo mitoreo
Valio hoe ny fanontaniako mazàna
Mba inona kosa no karamanareo?"
Fanaovam-beloma ny maty

Ankoatra izay tononkalo mitanondrika ambaran’ity pôeta malahelo ity dia maneho toe-javatra mahatsikaiky izy. Toe-javatra tsy ampoizina sy tsy nosainina velively no hisarihinay ny mpamaky amin’izany. Milaza ireo endrik’olona manelingelina ny masony ny mpanoratra :

"Ny volony vody kifafa
Ny endriny toy ny sahafa
Ny handriny petaka toko
Ny pandany sahala amin’ny loko
Ny sofiny sofin’ampondra
Mivelatra toy ny sahondra
Ny masony mivontirika be…"
Rabiby ramena

Fanampin’izay voambara dia mikalo ny hakanton’ny fitiavana i Samuël Ratany. Ny famonjena, ny fampitoniana, ny fampaherezana, ary ny fitoerana eo anilan’ny olona tena tia sy mahay mitia no tena fitiavana ambarany.

"Be dia be ny alahelo eto;
Maro koa ny ora mampisento
Hany hery ataoko fitokiana
Ny mitoetra anilan’olon-tiana"
Ny eo anilany, Ny Tanamasoandro, lah 106, 18 septambra 1923

Tsy ny hevitra raketina ihany no manasongadina ny kalon’i Samuël Ratany fa eo ihany koa ny fanehoany ny kanton’ny feo amin’ny alalan’ny rima izay tsy fandre mahazatra.

"Ry tsotso-drivotra manelohelo
Ry ako mozika ka manelohelo
Ry telegrafiko “tsy ambaratelo”
Mba rotsirotsio ny “fo malahelo”"
Mba rotsirotsio

Tsikaritra fa misy lohatenin-tononkalo izay miendrika fehezanteny :
"Arosy kely fohy elatra ela ihany vao tody any Itasy" ("Vakio ity" lah 15, 15 Janoary 1923)

Hamaranana izao sorapiainan’i Samuël Ratany izao dia hita fa na dia mbola tanora aza izy dia nanandratra ny fanevan’ny haisoratra malagasy.
Indramina ny ampahany tamin’ny sombintantara "Mandiniha raha mampieritreritra ny lehilahy".

“Ry lehilahy ô Eva ihany tokoa no voafitaka voalohany. Nefa raha tsy nisy anao Adama hakana taolan-tehezana, ary raha tsy nety handray voankazo ianao, dia tsy ho voaozona akory ny tany. Ianao no loharano iandohan’ny soa sy ny ratsy, ka mandiniha vao manome soketa”.
Ny Tanamasoandro, lah 178 , 17 jan 1924

Loharanon-kevitra
* Boky
- Rakotonaivo, F. (1995), Samuël Ratany 1901- 1926. Antananarivo : Ambozontany Fianarantsoa
* Gazety sy revio
- Akon’Iarivo, lah 5 Janoary 1924
- Ny fandrosoana Vaovao, 19 Aogositra 1926
- Ny mpandinika, lah 123, avrily 1926
- Ny Tanamasoandro, lah 106, 18 septambra 1923
- Ny Tanamasoandro, lah 178 , 17 jan 1924
- Revue de Madagascar, n° 28, 1941
- Sakaizan’ny Tanora, lah 424, Febroary 1925
- Vakio ity, lah 12, Avrily 1922
- Vakio ity, lah 15, 15 Janoary 1923

_______________________________
Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja


poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 14/08/2019

×