varavarana

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

23 Desambra 2014


RAZAFIARIVONY Wilson (AMPAMOHA) - 22 janoary 2010

 

RAZAFIARIVONY WilsonAndriamatoa RAZAFIARIVONY Wilson na AMPAMOHA no filoha vaovaon'ny HAVATSA UPEM nandimby an-dRAHAINGOSON Henri na i DI. Efa mpitam-bola lefitra tao amin'ny fikambanana izy izay ampatsiahivina fa poety, mpanoratra ary mpamorona tantara tsangana. Mpamorona tantara fandefa amin'ny onjam-peo koa no tena ahalalana azy. Mitapatapak’ahitra ato amin’ny tranonkalan’ny POETA MALAGASY izy ka i Toetra RAJA, izay mpikambana ao amin’ny HAVATSA rahateo moa no mitafa aminy eo amorom-patana. Fisaorana lehibe tokoa no atolotra azy izay nahafoy fotoana na dia eo aza ny adidy lehibe iantsorohany amin’ny maha filoha azy. Ialana tsiny dien'ny mialoha fa noho ny tsy fahampian'ny fitaovana ary nohon'ny tsy ahitana firy ny sanganasany eto anivon'ny aterineto dia boky "AMBOARA", nosoratany tamin'ny taona 1966 hany eto ampelatananay, no ivelaran'ny resadresaka etoana.

Voalohany indrindra tompoko, namoaka boky hafa ve ianao tao aorian'io "AMBOARA" io ?

Tsy mbola nahavoaka  boky hafa aho noho ny fahasahiranana. Ny revio FAMPITAHA kosa dia nanokana ny laharana faha-29 ho ahy. Saingy ny fikambanantsika nampirisika ny mpikambana mba hamoaka ny atao hoe FELAN-TATAMO, boky manify kely eo amin’ny roapolo takila fotsiny ny tsirairay. Namoaka iraika ambin'ny folo (11) tamin'ireny aho. Ato ho ato kosa aho manam-pikasana hamoaka boky roa (2) matevitevina :

-         Ny iray fanadihadiana mitondra ny anarana hoe : Ny Poeta RABENJA Solomon. Namako akaiky mantsy izy io.

-         Ny ankiray kosa amboaran-tononkalo atao hoe FAMOA.

Misy tianao hanampiana ve ny mombamomba anao ankoatra ireo voalaza etsy ambony ireo ?

Somary ampy ihany io aloha. Marihiko fotsiny fa efa namoaka gazety atao hoe NY VAHOAKA MALAGASY aho. Maty herotrerony izy io, fa sady tsy ampy fotoana aho no tsy ampy vola nikarakarana azy tamin'izany.

Mpikambana tao amin’ny SEROI (Société des Ecrivains de l'Océan Indien) fa manoratra amin'ny teny frantsay ihany aho indraindray. Ny Filoha R.RAJEMISA RAOLISON sy ny Dokotera RANDRIAMAROZAKA no nampiditra ahy tao.

Filohan'ny HAVATSA UPEM ianao. Azonao ampatsiahivina amin'ny mpisera ve ny tarigetran'izany fikambanana lehibe sady zokiny indrindra amin'ny haisoratra izany ?

Ny tarigetran'ny fikambanana HAVATSA UPEM dia ny hiaro, hanabe voa ary hanitatra sy hampiely ny kolontsaina malagasy indrindra ny teny.

Tsy fahita loatra eto anivon'ny aterineto ny sanganasanao. Inona no antony ?

Izaho aloha hatramin'izao dia mankafy kokoa ny boky. Na izany anefa dia mikasa raha vao manam-potoana aho mba hamoaka ny soratro amin’ny aterineto ihany.

Hiresaka momba ny "AMBOARA" indray isika raha tsy mahadiso. Poeta vao nisondrotra ianao tamin'io taona 1966 nivoahan’ny boky io. Hoy indrindra RAJEMISA RAOLISON raha nanao ny Teny Fanolorana : "Raha tsy nisy afa-tsy ry Rabearivelo sy ry Ny Avana ve teto anivon'ny riaka, ho nanana an-dry Jean NARIVONY sy ry DOX isika ? "Ankehitriny kosa ianao dia fanilon'ireo zandry miroso amin'ny fanandratana ny poezia malagasy. Mahaliana ny mpisera ny fomba fanampiana ataonao azy ireo.

Ho fanampiana ireo tanora vao misandratra dia manentana azy ireo matetika aho hamokatra asa soratra, hiezaka hanatsara hatrany ny asany. Ho azy ireny indrindra no mba itolomako mafy ny hananantsika HAVATSA revio. Raha tsy misy ny sampona hivoaka ato ho ato ny laharana voalohany amin'izy io. HAVATSA ihany no anaran'io reviontsika io. Mahafaly ahy ny milaza fa maro ny tanora manatevin-daharana antsika.

Hoy ihany RAJEMISA RAOLISON : "... nisy sy misy ary mbola hisy betsaka ny poety malagasy". Ahoana ny fahitanao ny sanganasan'ireo zandry ankehitriny ? 

Mahabe fanantenana. Misy amin'izy ireo mantsy no tena mandalina tokoa.

Fanontaniana adaladala ihany ity : poeta ve sa poety no iantsoana ireo mpamorona tononkalo ?

Tsy adaladala mihitsy ny fanontanianao. Samy ampiasaina na ny hoe poety na poeta. Izaho misafidy kokoa ny hoe poety. Tsara faneno ao an-tsofiko kokoa izy. Ny  mpitononkalo malaza RANDZA ZANAMIHOATRA kosa nampiasa bebe kokoa ny hoe poeta. Nanavanana bebe koa ny HAVATSA UPEM ny hoe poety. 

Ny tononkalonao "Tanàna iray" dia mifameno amin’ilay tononkalon’i Dox hoe "Nankaiza ny olon-tety ?". Miteraka ny alahelo ny fandaozana ny ambanivohitra. Mahatsapa fivoarana ve ianao eny amin’ny tontolo ambanivohitry Madagasikara ?

Misy fa mbola kely. Efa misy mantsy ny tanora nahavita fianarana no mitodi-doha mamelo-maso ny ambanivohiny. Misy koa ireo zanaka am-pielezana no manao trano sy mamboly hazo indrindra any ambanivohiny.

Poetin'ny fitiavan-tanindrazana ianao raha dinihana ireo tononkalo ao amin'ny boky : "Iriko marina ianao", "Ny firaisan-kina ankehitriny", "Manenoa", "Ry tanora mifohaza"sns. Mbola mahaliana ny poeta zandriny ve izany lohahevitra izany ?

Marina ny anao, fa io fitiavan-tanindrazana io no anisan'ny mamoha ny aingam-panahiko. Taratro, fa tsy vitsy ny tanora mpanoratra no mitrandraka io foto-kevitra io.

Ny an-dalana roa voalohany ao amin'ny tononkalonao "Faniriako" dia milaza hoe : "Faniriako ny hahita ny Malagasy manontolo mifanara-tsaina tsara"... Ny krizy politika ankehitriny anefa no porofo fa tsy tratra velively izany fanirianao tamin'ny 1966 izany. Amin'ny maha filohan'ny fikambanana lehibe anao, misy teny tianao ampitaina amin'ny mpanao politika ve ?

Teny mba tiako hambara amin'ny mpanao politika malagasy dia tafahoatra loatra ny herisetra eto Madagasikara ankehitriny. Aoka re tsy ny fankahalana tafahoatra no hibahana ao am-po. Mijaly ny valala tsy mandady harona.

Fisaorana mitafotafo no atolotry ny tranonkalan’ny POETA MALAGASY anao nanaiky nitafatafa taminay ary namaly an-kitsi-po an'ireo fanontaniana. Mirary fahombiazana ho anao amin’ny adidy lehibe iantsorohanao izahay ato amin’ny tranonkala, dia ny fanandratana ny kolontsaina Malagasy izany. 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety
×