Sorapiainana

Poetawebs
Toetra Ràja sy Tsikimilamina Rakotomavo — 30/04/2023

RATSIMAHOLY FRANCINET



"Io no Teny Malagasy entiko mirehareha,
Iresahana, ampiasaina, n'aiza n'aiza tany aleha"

15 Jona 1949, mbola maizina ny tany, eny sarotra lazaina fa tsy mbola hary takona ny ratra sy ny fery noho ny vesatry ny tolona nasedra ireo mpanjanaka. Volon’andro hafa mihitsy anefa no tao amin-dry Razafindrakoto Jules François sy Ranadivelo Louise vadiny io alarobia andro ririnina io satria andro voalohany nisantaran’ny zanak’izy ireo ny hazavan’ny masoandro.

Teto Iarivo (Befelatanana) no nanomboka ny tantara; Ratsimaholy Francinet no natao anarany, ilay lasa pôeta mpisava lalana, nentanin’ny fahalalahana hitarika mankany amin’ny zava-baovao. Malalaka rahateo ny hevitry ny "Francinet"[1], anarana avy amin’ny teny arabo sy latina “franci”, manambara fivononana mandrakariva hiatrika ireo tranga rehetra ary matetika aza miroso amin’ny fitsapana goavana eo amin’ny fiainana. Mety ho tafahoatra indraindray ny fahamatoran’ny ataony; kanefa tsy miahotra mametraka fanamby izy ary mahatontosa izany. Miasa izy fa tsy mba mpitoetoe-poana, izany hoe mikaroka zavatra hatao lalandava. Liam-baovao ary mankafy ny tsidika ara-kolontsaina hono ny Francinet fahakeliny. Mifandraika amin’izay koa ny mety hanazavana ny anarana Ratsimaholy[2]. Kamo na mavozo mantsy hoy R. Rajemisa-Raolison (1985) no hevitry ny maholy. Tsy mba mpirona any amin’ny fahalainana kosa ity pôeta ity ka hahafahana mamaritra ao anatin’ny sorapiainany ny maha pôeta miatrika sy ny maha pôeta mitarika azy.


1. POETA MIATRIKA

Francinet Ratsimaholy sy Lalie

Pôeta izy, nobeazina teto Antananarivo. Zanaka fahenina tamin’ireo sivy mianadahy mpiray tampo, roa vavy sy fito lahy. Nampakatra an-dRasoandraibe Elisabeth (Lalie) izy ny 06 Febroary 1982 ary niteraka efatra ry zareo araka izao filaharana ara-jokiny izao: Ratsimaholy Ianto, Ratsimaholizanany Fafy I., Ratsimaholizanany Sakaizasoa (maty tamin’ny 31 Marsa 2021 teo amin’ny faha-34 taonany), Ratsimaholizanany Ifaharana. Rasolondraibe Nantenaina Prisca (zana-drahavavin’ny vadiny) kosa no taizany.

Avy amin’izy ireo indray no nahazoan’izy mivady zafikely 5 (tarehimarika 2023) : Faniry, Miora, Fanamby, Fehizoro, Fanasina.

Nonina teny Andrononobe Analamahitsy izy, niaraka tamin’ny ankohonany izay mbola mitoetra sy manohy ny asa eny sady toerana ahitana ny Foiben’ny Vondrom-panabeazana sy ny Kolejy tsy miankina Le Lauréat rahateo.

Niovaova sekoly izy fony kely: tao amin’ny sekoly Atsimon’i Mahamasina aloha, nifindra tao amin’ny EPP Andrefan’Ambohijanahary, ary niakatra teny amin’ny EPP Ambohimitsimbina avy eo ka nahazoany ny diplaoma CEPE. Nanohy izany tao amin’ny Lisea Rabearivelo izy nahazoany ny Bakaloarea. Tao no nampivelatra ny fitiavany ny Soratra sy ny Kanto ary nitarihany ny “Recital de poèmes” tao amin’ny Chorale Lovasoa J.J. Rabearivelo. Namaranany ny fianarany teny amin’ny Onivesiten’Antananarivo Ankatso, sampana malagasy ka nahazoany ny diplaoma “Licence”.



Mpiara-mianatra taminy tao amin'ny lisea J.-J. Rabearivelo

 

Mpampianatra tamin’ny sekolim-panjakana C.E.G. sy Lisea manerana ny Nosy izy ary nampianatra tamina sekoly tsy miankina maro koa nandritra ny androm-piainany. Fa nifanara-dalana tamin’izany ny naha Tale Mpanorina ny Vondrom-panabeazana Le Lauréat Ratsimaholy azy nanomboka ny taona 1978 hatramin’ny 2013, taona nametrahany tanteraka ny peniny.

Raha mbola tsy tafiditra ny sekoly garabola akory izy dia efa nitsiry tao anatiny ny hetaheta hanoratra. “Penina, Dada!”, hoy ny fiangaviany tamin-drainy, araka ny fitantaran-dRatrema William[3] azy. Tsy mahagaga raha nifantoka tamin’ny fanoratana tononkalo teo amin’ny faha-15 taonany izy, raha mbola mpianatry ny ambaratonga faharoa. Manamafy ny toetra iraisany amin’ireo misalotra ny anarana Francinet izany fironam-piainana amin’ny kolontsaina izany ka nahatonga azy hamoron-tsoratra tsy miato ary hiatrika fanamby hatramin’ny taona nandaozany ny tany.

 

1.1. FAMORONANA TSY MIATO

 

Mpanoratra bokin-tononkalo, boky fampianarana, tantara foronina, sombintantara, tantara fihaino an’onjam-peo Ratsimaholy Francinet. Namoron-kira ihany koa izy ary misy ireo tononkalony nasian’ireo mpanakanto samihafa feony.

1.1.1. Boky fampianarana

 

Tale Mpanorina ny Vondrom-panabeazana Le Lauréat Ratsimaholy i Francinet Ratsimaholy. Ny taona 1978 izy no mamoaka ny boky voalohany “Tsangana”. Raha Tranom-pamoaham-boky tany am-piandohana dia niitatra ho Orinasa fanontana niampy Sekoly taty amin’ny tapatapaky ny taona sivifolo ny Vondrona Lauréat.

Miisa 60 mahery ny bokim-pampianarana nosoratan-dRatsimaholy Francinet. Ao aloha ireo natokana ho an’ny mpianatra hanala fanadinana ofisialy CEPE, BEPC ary ny Bakalaoreà, ao koa ireo boky ho an’ny kilasy hafa rehetra. Nahafahany nametraka ny “label” voaaro (OMAPI N°19857) “Lauréat Ratsimaholy Francinet” (fantatra amin’ny hoe “Boky Lauréat”) izany asa mivaingana izany ary ampiasain’ny mpianatra sy mpampianatra manerana ny Nosy.

Mahasoa mpianatra maro noho ny fahatsoran’ny fampitana fahalalana ny bokiny, izay tsy ho an’ny taranja Malagasy ihany fa mahasahana ny taranja rehetra. Mahafolaka teny Frantsay koa izy ary efa namoaka boky fampianarana ampiasaina any ivelan’ny Nosy mihitsy.

Nandova tsangambato makadiry ireo zanany antsoina hoe Ratsimaholizanany ka manohy sy mamelomaso ny faneva ho an’ny fanoratana sy famokarana boky fampianarana. Boky vaovao miisa 20 mahery (antontanisa 2023) no navoakan’ny Editions Le Lauréat Ratsimaholy nanomboka ny taona 2013 (taona nahafatesan-dRatsimaholy Rainy). Nohavaozina ny fomba fanontana sy ny fomba fanapariahana ny Boky Lauréat manerana ny Nosy ary nampitombo tokoa ny isam-boky Lauréat Ratsimaholy eny am-pelatanan’ny zaza malagasy izany. Teo koa ny ady amin’ireo hosoka mahakasika ny boky sy anaram-barotra voaaro “Lauréat” manerana ny lafy valon’ny Nosy ka nahatrarana piraty 20 mahery ny taona 2022. Ny ankamaroan’izy ireo dia voasazin’ny Fitsarana sazy mihatra an-tranomaizina miampy onitra sy lamandy araka ny tatitra tao amin’ireo gazety samihafa toa ny Midi Madagasikara[4], ny Lakroan’i Madagasikara on-line[5].

Azo lazaina ho miitatra any amin’ny boky tononkalo aza ny fampianarana mba hahamora ny fampitana fahalalana. Anisany ny fitanisana voambolana tekinika toy ny maribava (Amboara tak 16). Miverimberina koa ny famelomana anaran-tanàna sy toerana... izay fampiasa amin’ny taranjam-pianarana toy ny hita ao amin’ny “Mba ento aho...” (Amboara tak 106).

 

1.1.2. Bokin-tononkalo

Teo amin’ny faha-15 taonany tokoa dia efa nankafizin’ny mpamaky gazety ny asasorany, tao amin’ny gazety Vaovao sy Hehy no niandohany, ary taty aoriana kely ny Madagascar Matin, Midi Madagasikara, Tribune, Le Quotidien. Nianoka izany koa ireo mpihaino ny Radio Madagasikara.

“Vetson’ny eto” no tokonkalon-dRatsimaholy Francinet nivoaka an-gazety voalohany.

Mivetsovetso anao ny eto
Mikalokalo anao mazàna
Matetika toa sentosento
Sy alahelo no tsy tana
Maniriniry anao hiverina
Ny eto ka tomany lava
‘Reo tsiahy no mitamberina
Tsy hita ‘zay mba hampisava...
Gazety Vaovao, 1966 (Antosifafy tak 25)

 

Ireo bokin-tononkalo nosoratany

 
Antosifafy. Nanolotra ny boky i Rado na Andriamanantena Georges tamin’ny 30 Aogositra 2003. Ahitana ny fintin’ny sorapiainany nataon’izy tenany eny am-piandohana. Voasoratra eny amin’ny fiafaran’ny tononkalo tsirairay avy ny daty na ny taona nanoratana azy. Mirakitra takila 125 ity boky natonta tamin’ny 2004 ity.

Amboara, 2004. Nanao ny sasin-teniny i Nalisoa Ravalitera. Ity boky natokana ho an’ny ankizy ity dia miavaka noho ireo sary vita tamin’ny pinsilihazon’i Bibah eo ankilan’ny tononkalo tsirairay avy. Mifanaraka tsara amin’ny lohahevitra ny sary ary mora raisina. Mirakitra takila 116 ny Amboara ary natonta tamin’ny 2004.

Fraicheurs d’enfance, 2004. Boky amin’ny teny Frantsay natokana ho an’ny ankizy. Mirakitra takila 110 ity boky ity ary natonta tamin’ny 2004.

Lahatsoratr'i HaRy Razafindrakoto mahakasika ireo bokin'i Francinet Ratsimaholy, nipariaka tao amin'ny gazety Taratra

1.1.3. Sombintantara sy Tantara foronina

 

1969. Teo amin’ny faha-20 taonany no nahazoany ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny “Club des amis de la Star”. Sombintantara “Ditra” (ahitana takila 8) : maneho lohahevitra “vaovao” milaza ireo zavatra tena niainan’ny tanora tamin’ny taona 70, saingy notakotakonana tamin’ny anatranatra tanaty asasoratra. Ratsimaholy Francinet kosa no isan’ny voalohany sahy nampiseho izany miharihary.


1987. Loka tantara anonjam-peo nokarakarain’ny Radio Madagasikara tamin’ny sanganasany “BILOKA”, mamboraka ireo zava-tsy mety maro ao anaty fiarahamonina.

1988. Sang d’écrivain. Tantara foronina amy teny Frantsay manontolo ahitana takila 111. Tamin’io dia efa niseho fa “antso” ny maha-mpanoratra fa tsy haitraitra na kiry akory.


2013. Nahazo ny loka faharoa tantara foronina ny “Sehatra” nandritra ny fifaninanana nampanaovin’ny Akademiam-pirenena raha nankalaza ny faha-110 taona nijoroany. Teraky ny aingam-panahy noho ny fitetezana firenena maro[6] sy ny fampitahana ny kolontsain’ireny amin’ny antsika Malagasy ny “Sehatra”, ahitana takila 159. Miresaka indrindra momba ny hery miafina “antso”, izay mitovy lenta amin’ny tsiny, tody, anjara, lahatra ity boky ity. “Manana ny safidiny ny olona tsirairay amin’izay asa sy zavatra samihafa tiany hatao kanefa rehefa mifanandrify ny Safidy sy ny Antso dia izay no antsoina hoe Tanteraka eo amin’ny fiainanan’ny olona iray”.

 

1.1.4. Boky samihafa

 
Boky ho an’ny Ankizy “Collection Les Premiers Pas” :

Titi sy Tôtô (2006), tantara sy sary miloko ho an’ny ankizy madinika, amy teny malagasy sy teny frantsay, ahitana takila 31.

Lezama et les pommes de terre (2007), tantara amy teny frantsay ravahan’ireo sary nataon’i Max Hariman, ahitana takila 28.

 

Ankoatra ireo dia nifarimbona tamin’ny mpanoratra fanta-daza toa an-dry Clarisse Ratsifandrihamanana, Célestin Andriamanantena, Rado, Rabenja Salomon, Ener Lalandy izy ka nahafahana namoaka ny boky “Ho an’ny fandriampahalemana” sy ny “Diam-penina” (Antosifafy, tak 4)

 

1.1.5. Hira

Maro ny tononkira sy feonkira noforonin-dRatsimaholy Francinet hoy Lalie vadiny. Isan’izany ny hiran’ny Tanora AKFM tamin’ny fotoan’androny, ny hira fanevan’ny CEG Ambohimanarina, CEG Avaradrova, hiran’ny FTD, Fanevan’ny Vondrom-panabeazana Lauréat sy hiram-piderana samihafa: Isaorako ny Anaranao (Antosifafy tak 93) izay niarahany tamin’ny zanany lahimatoa Fafy ny nanisy ny feony.

Tsy vitsy koa ireo mpanakanto malaza, raha nahita ny tononkalony tao anaty gazety na boky, no nanisy feony avy hatrany satria “mandona ny fo” hoy i Gaby (tarika Jeneraly) :

 

“Izaho ankehitriny
 Ilay olom-baovao
 Narenin’ny Fitiavana
 Izaho ts’ilay fahiny
 Mpidoro-dava izao
 Tsy mahalala havana...”
 Ratsimaholy Francinet (1979)
 Antosifafy tak 42

 

Fa mampiavaka azy hatrany ny hira ho an’ny ankizy. Singanina amin’izany ny hira “Azoko ry Dada” izay niarahan-dRatsimaholy Francinet namorona niaraka tamin’ny zanany lahy tany ho any amin’ny taona 2005 tany, ary ravahan’ny gitaran’i Bouboul.

 

Solfan'ny hira "Azoko ry Dada", noforonin'i Francinet Ratsimaholy

 

1.2. FAMORONANA TSOTRA NEFA MIAVAKA

 

Tsy mba tia fomba fanoratra sarotra be Ratsimaholy Francinet. “Ny tsotra indrindra ihany no tsara indrindra” hoy ny filazany ary matetika ao anatin’ny fahatsorana no tena ahitana ny kanto.

 

1.2.1. Fanehoan-kevitra manintona

 

Mirona amin’ny tononkalo fohy andalana ary tsy saro-takarina izy araka izao fanazavany izao:

“Farany, ny tononkalo dia resaka sy adihevitra ifanaovan’ny Poety sy ny Mpamaky. Noho izany, tsy tsara, araka ny hevitro, ny tononkalo saro-takarina be satria tapaka eny antenantenany ny resaka. Apetraky ny mpamaky tsy satry ilay asasoratra”. (Antosifafy, tak 3)

 

Tsy lava ny tononkalony, araka ny fanazavany ao amin’ny “Tenin’ny mpanoratra” eny am-piatombohan’ny Antosifafy: “tsy dia mirona firy amin’ny tononkalo lavareny koa aho satria mahamonamonaina ireny” (Antosifafy, tak 2). Mahitsy ny fomba fampianarany ary mivantana ny tononkalony ka mora voarain’ny mpamaky araka ny fanamafisany izany ao amin’ny “Be resaka”:

“Angamba tsy ny teny lava
 No ahafahana mandrava
 Ny tsy rariny iainana
 Ny kabary lava loatra
 Tsy ahafahana mamboatra
 Ito rafitra fisainana.”
 (Antosifafy, tak 59)

 

Mino ny herin’ny soratra

Mitaona ny pôeta hisolanga izy, izany hoe miasa sy miady mba hahafahana mamokatra literatiora manandratra ny fiarahamonina. Pôeta misolanga (Antosifafy, tak 2)

Manamafy izany ny tononkalo “Mino ny herin’ny soratra” izay miendrika “Fanekem-pinoana” (Antosifafy, tak 16), mba hanintona satria zava-manan-danja loatra no lazainy dia ny toerana tokony homen’ny fiarahamonina ny soratra: fandriampahalemana, fitoviana sy zo, firahalahiana... Mametraka ny soratra ho lanitra ety an-tany izy ka tsy ho levon’ny hetraketraky ny fiainana, eny fa na dia ny ankason’ny fanjanahantany aza.

 

Manintona koa ny fomba fanehoany hevitra noho ireo tononkalo miharo hatsikana mazàna. Manamafy izay hoe “manintona” izay koa ny fampiasany tamberin’andalana:

 

“Izay maloto anie rankizy,
 Ihomehezo!
 Fa voretra ka tsy izy,
 Ihomehezo!
 Fahavalon’ito rano,
 Ihomehezo!
 Be tsikoko ka tazano,
 Ihomehezo!”
Ny maloto (Amboara, tak 24)

 

Tsy afaka imolotra ny tononkalony miendrika tsianjery, hany ka manampy ihany koa amin’ny fitadidiana. Matetika ahitana tamberin-teny na tamberin’andalana izy ireny satria mahatsara ny teny averimberina... “Mafy be ny Dadanay” (Amboara, tak 58). Avy amin’ireny koa no natao hitadidiavana lesom-piainana toy ny hita ao amin’ny “Raha afa-panadinana aho...” (Amboara, tak 54), izay sady maneho fanamby no iraiketana ao an-tsaina ireo singa miavaka ao amin’ny tanànan’i Toamasina. Taratra ao amin’ “Ny madio” ihany koa io tamberin’andalana io:

 

“Ny madio anie ry zaza,
 Ianaro!
 Tsy mba mampivazavaza,
 Ianaro!
 Mahafinaritra ka soa,
 Ianaro!
 Kilonga mamy, mpankato,
 Ianaro!”
 (Amboara, tak 26)


Anisan’ny fisintonan’ny mpanoratra ny mpamakiny ny valin-kira natolony ho an’i Rado tamin’ilay tononkalo “Maty ilay mpiavaro-tena” (Antosifafy, tak 38) izay nalaza tokoa ary nanakoako matetika tamin’ny Radiom-pirenena noho ny fihiran’i Bessa sy Lola azy. Ny pôeta Ratsimaholy Francinet kosa izay tompon’ny tononkalo “Tsy maty ilay mpivaro-tena”, no nanitsy mivantana ny tsy fahatsiarovan-tenan’ny fiarahamonina voatsindrom-paingotra. Tamin’ny alalan’ny rafitra sy voambolana nampiasain’i Rado ihany no nanatanterahany izany toy ity andininy voalohany ity:

 

“Tsy maty ilay mpivaro-tena
 Aoka isika hifanontany
 Tsy maty, indrisy! Mahonena
 Mitomania ianao ry TANY”.
Ratsimaholy Francinet
“Maty ilay mpivaro-tena
 Maty tsisy mpanontany
 Maty tsisy mpahonena
 Maty tsisy mpitomany”
Rado

 

Raha nanoratra i Rado hoe “Ny iray niantso an’Andriamanitra sy nivantambantan-teny” dia ny mifanohitra amin’izany no tokony ho nitranga hoy Ratsimaholy Francinet amin’ny hoe “Ny hiantso an’Andriamanitra Mahavahotra tokoa”. Marihina fa tsy dia nataon’ity pôeta ity loharanon-tsoratra ny lafiny ara-pinoana[7] fa naleony nampidadasika ny aingam-panahiny tamin’ny fanabeazana, ny ankohonana sy ny olan’ny fiarahamonina.

 

1.2.2. Lohahevitra midadasika

 

Midadasika ny saham-pamoronan-dRatsimaholy Francinet toy ny fiarahamonina, tanindrazana, fanabeazana sns. Mahavantana azy ny fametrahana ny asasoratra ao anatin’ny vanim-potoana iainan’ny mpanoratra. Na dia tandra vadin-koditry ny fiainana hatramin’izao fotoana izao aza ny fahamaroan’ny “Katimia” (Amboara tak 98) dia fantatra ny fotoana niatombohan’ny firoboroboany ka nomarihiny. Toy izany koa ny herin’ny “Tsolotra” (Antosifafy, tak 90), samy nosoratana tamin’ny 1986. Nentina nanasongadinana ny vokatry ny tsy rariny eo amin’ny fiarahamonina ireo tononkalo ireo. Natsidiny koa anefa fa miendrika tambin-karama ny tsolotra ho antoky ny fivelomana noho ny fidangan’ny vidim-piainana tsy mifandanja amin’ny karama raisina isam-bolana.

“Ny tsolotra hoy ianao ka ratsy, tena ratsy tsy manjary
 Nefa raha tsy teo ny tsolotra, manao ahoana ny mosary
 Nahazo ny fianakaviako? Tsy nihinana izahay”


Etsy an-kilany, mampitombo isa ireo zaza “Katimia” mameno tsena ny fahatrotrahana ateraky ny rotorotom-piainana. Asongadin’ny mpanoratra ny elanelam-piainana misy eo amin’izy ireo sy ny zaza “manan-dray mpananatra”, “manan’efitrano”, “miadana ao an-tokantrano”...

Azo tanisaina ao anatin’izay lohahevitra manaraka vanim-potoana izay koa ny taona 1979 iraisam-pirenena ho an’ny ankizy. Anisan’izany ny zo hahazo fahalalana amin’ny alalan’ny fahafahana manontany ao amin’ny “Omeo anay ’lay zo” (Amboara, tak 42). Pôeta miaro ny zon’ny ankizy tokoa i Francinet satria tsy vitsy ireo tononkalo anindronany paingotra ny hasiahan’ny mpampianatra sy ny herisetra manjo ireo hoavin’ny firenena ireo toy ny ao amin’ny “Mpampianatra masiaka” (Amboara, tak 48). Amin’ny maha mpanoratra azy dia tsapany ny lanjan’ny boky ka nanomezany toerana manokana ny andro iraisam-pirenena momba ny boky ny 14 Avrily 2004. Mampiasa voambolan’ny fiarahamonina koa izy toy ny “bavinay” (Amboara tak 76), “Radada sy Ramama” (Amboara tak 50). Mampiditra voambolana tekinika amin’ny teny vahiny koa izy izay tsy nadikany. Ohatra ny hoe “rock” sy ny feom-“bateria” (Amboara tak 72).

 

1.3. MPIATRIKA FANAMBY

 
Mifandraika tsara amin’ny famoronana tsy miato, voalaza tetsy ambony, ny fiatrehana fanamby satria ananany tsara ny hery amam-panahy entina miroso amin’izany vinam-pahombiazana izany. Mpisava lalana eo amin’ny fiarahamonina izy ary tsy vitan’ny niaina fanamby fa nampiaina izany ho an’ny hafa. Fa mialoha ny hirosoana amin’izany, tsara raha ampahafantarina aloha ny loharano nipoiran’izany pôeta mpiatrika fanamby izany amin’ny alalan’ny fiavian’ireo nahitany masoandro: Razafindrakoto Jules François sy Ranadivelo Louise.

 

1.3.1. Loharanony

 Araka ny taratra tao amin’ny sehokaroka nataon-dRakotoarisoa N. O. (2014)[8] dia avy any Ankerambe Manjakandriana Razafindrakoto Jules François rainy. Nampiakatra an-dRanadivelo Louise ho vadiny izy tamin’ny 1930, izay zanaka governora avy any Imerintsiafindra Ambohimanga. Niorim-ponenana tany Anosibe an’Ala Moramanga izy roa ary nivelona tamin’ny fitantanana fambolena sy fiompiana manaraka ny toetr’andro. Voatery niakatra teto Antananarivo izy mianakavy ny tapatapaky ny taona efapolo noho ny fianaran’ny zanany satria “ny zanaka no harena”[9] hoy ny rain-dRatsimaholy Francinet ka nalaminy hifanaraka amin’ny hoavin-janany ny toerana sy asa aman-draharahany. Niasa tao amin’ny Hopitaly Befelatanana ny rain-dRatsimaholy Francinet fa ny reniny kosa nikarakara tokantrano sy nitaiza azy 9 mianadahy.

 

1.3.2. Mpisava lalana

 

Tsy pôeta mpitoetoe-poana fa mpamorona asa mivaingana ilain’ny fiarahamonina Ratsimaholy Francinet. Mpikaroka lalam-baovao izy fa tsy mpanaraka lala-masaka falehan’ny daholobe, raha zohina ny tian’i Mahefa Rakotomalala (2013) hambara. Tsy mandala ny fotoana izy raha izany no ilaina hahafahana mampivady ny gadona sy rima, ankoatra ny fitsinjovana ny mpamaky tsy ho very fa hifantoka tsara amin’ny atin-kevitra. Nanompanany toerana tany amin’ny fiandohan’ny boky Antosifafy ny asa, izay mitondra any amin’ny fandresena. Nambarany fa asa sarotra ary tsy asa an-tselika akory ny asasoratra (Antsosifafy, tak 17).

Toy izao ny “Antso ho an’ny mpanoratra” (Antosifafy, tak 13) hitarihana ny olona hiasa sy ho vonona:

“’Ndeha ny fanentanana ny olona hiasa
 no imasoantsika. Aoka tsy ho fikasa
 fotsiny ihany ny ASANAO MPANORATRA
 fa ASA LEHIBE, natao hanova soratra”

 
Mpanome lanja ny asan’ny saina izy, taratra ao amin’ny “Ny zaridainantsika” (Antosifafy, tak 21) izay anisan’ny voa afafy mba hiteraka voka-tsoa eo amin’ny fiainana sy ny fiarahamonina. Iray amin’ireny voa nafafy ireny ny herijikan’ny fanamby.

 

1.3.3. Fanamby niainana

 
Ampahatsiahivina fa dimy taona tao aorian’ny nanombohany nanoratra dia efa notolorana loka izy (Ditra, 1969, Loka voalohany, Club des Amis de la Star). Tsy niato izany satria tamin’ny taona nahafatesany, mbola nahazo izany izy (Sehatra, 2013, Loka faharoa, Fankalazana ny faha-110 taonan’ny Akademiam-pirenena Malagasy).

Miainga amin’ny nofinofy ny vinany ary anisany ny nahafantarany fa maro amin’ireo teraka 15 jona no lasa lavitra teo amin’ny kanto toa an-dry Johnny Hallyday, Claude Brasseur, Guy Bedos… Nihevitra izy teo amin’ny faha-15 taonany fa tokony hahakasika ny mpanoratra sy ny pôeta koa izany fahombiazana izany[10] ary anisany ny tenany. Etsy andanin’izany, ny zanany lahimatoa izay nanankinany ny fitohizan’ny asan’ny Vondrom-panabeazana Lauréat Ratsimaholy dia teraka 15 jona ihany koa. Taloha kelin’ny nahafatesany, hoy izy namerimberina tamin’ny Ratsimaholizanany: “manohy ialahisany dia manatsara...”

Mpilalao tantara tsangana koa izy araka ny fanazavan’i Nalisoa Ravalitera tamin’ny resaka nifanaovany tamin’ny Pôetawebs. Tao amin’ny Tropy Antananarivo teatra notantanan-dRabarinjaka Henri no nitanany ny toeran’i Joro mpilalao fototra tao amin’ny sanganasan’Andriamanjato Richard mitondra ny lohateny hoe “Fitiavan-tanindrazana”.

“Nampiaiky ny olona ny fomba filalaovany ny tantara. Izany rahateo no fotoana nahafantaran’ny olona ny firehan-kevitra politikany”.  Nalisoa Ravalitera[11]

 

Nanaovana sehokaroka teny amin’ny anjerimanontolo Antananarivo ny asasorany izay nanaporofo ny fifandraisany tamin’ny tanora. “’Ny olombelona’: lafika tokan’ny amboaran-tononkalo Antosifafy nosoratan-dRatsimaholy Francinet” no notohanan-dRakotoarisoa Njaraniaina Onjamalala tamin’ny “mémoire” nahazoana ny “Certificat d’Aptitude Pédagogique de l’Ecole Normale” (CAPEN) fanomen’ny Ecole Normale Supérieure” (ENS) tamin’ny 30 Oktobra 2014. Anisan’ireo tafiditra ao amin’ny laza adina amin’ny fanadinam-panjakana koa ny asasorany toy ny lahatsoratra “Lalana” (Sehatra, tak 93-94) tamin’ny 2020.

 

Ireo mariboninahitra azony

Commandeur de l’Ordre National Malagasy

Chevalier de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture, nosoniavin’ny ministra Elia Ravelomanantsoa tamin’ny 21 Mey 2012.

 

Ny Ministra Elia Ravelomanantsoa sy Francinet Ratsimaholy

 

1.3.4. Fanamby nampitaina

 

Tsy nofihininy ho azy samirery ny fanamby fa nozarainy hositrahan’ny maro. Mitarika ny hafa hiezaka izy ary miatrika ny zava-misy iainan’ny fiarahamonina. “Raha afa-panadinana aho...” (Amboara, tak 54).

Tsotra ny fitarihana ny mpianatra hahatanteraka ny fanambiny: atsidika dieny am-boalohany ny “Raha” ary tohizina ao anatin’ny andininy 5 voalohany. Miova kely izany eny amin’ny andininy fahenina satria mirona kokoa amin’ny fahatanterahana mihitsy mba hiatrehana ny ady ary hitarika mankany amin’ny tena fandresena:

 “Fa ho afa-panadinana aho

 Am’ity taona ity.
 Satria izaho dia miezaka
 Fa tsy zaza mitofezaka.”

 

Zava-dehibe amin’ny mpanoratra mihitsy ny fampitana fahalalana sy ny fanamby hahatanterahan’izany amin’ny maha mpampianatra azy:

 

“Hianatra tsara isan’andro ry Dada
 No tena tanjona k’aza manahy
 Angamba ny feoko no mibadabada
 Fa ny ao an-tsaiko; mazoto sy sahy!”
  Vitako izany, Amboara tak 16
 

Manampy ny fiarahamonina hitraka sy tsy ho kivy manoloana izay mety ho sakana izy, toy ny taratra ao amin’ny “Manja be” (Amboara tak 108), manoloana ny mety ho tsy fahatomombanan’ny vatan’olombelona na amin’ny endrika na amin’ny asan’ny singa tsirairay avy.

Miavaka amin’ny asa famoronana ny maha Pôeta miatrika an-drRatsimaholy Francinet. Mpiatrika fanamby koa izy, fanamby tsy notazoniny ho azy irery fa hainy nozaraina amin’ny maha pôeta mpitarika azy koa.



2. POETA MITARIKA

Tsy mpitondra ny mpamakiny amin’ny nofinofy fa misaina ny zava-misy marina sy ny azo tanterahina mankany amin’ny fandresena Ratsimaholy Francinet. Mifandraika tsara amin’ny asa fanabeazana iantsorohany izany andraikitra fitaritana izany ka taratra ao amin’ny asa fampianarana sy ny asasorany. Tsy eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny literatiora ihany no maha mpitarika azy fa eo amin’ny fiarahamonina mihitsy.

 

2.1. FANABEAZANA

Hoy Ratsimaholy Francinet tao aorian’ny teny fanolorana ny bokiny “Amboara”:

Manan-danja aminy ny toeran’ny ankizy eo amin’ny fiarahamonina. Tsy nandalo teo imasony fotsiny ohatra ny fankalazana ny taona iraisam-pirenena ho an’ny ankizy tamin’ny 1979 araka ity andalan-tononkalony ity:

 

“Izaho no zaza dongadonga
 Dongadonga ka harena
 Izaho izao no ho tonga
 Tanjakao ry Firenena”
 Amboara, tak 22.

 

Miteny ho azy ny sary nandravahana io tononkalo io (tak 23) izay maneho an’i Madagasikara lolohavin’ny ankizy iray. Miavaka amin’ny fomba fampitana fahalalana Ratsimaholy Francinet ary mpaneho izany koa amin’ny tononkalony.

Miteny ho azy ny sary nandravahana io tononkalo io (tak 23) izay maneho an’i Madagasikara lolohavin’ny ankizy iray. Miavaka amin’ny fomba fampitana fahalalana Ratsimaholy Francinet ary mpaneho izany koa amin’ny tononkalony.

 

2.1.1. Fampianarana matotra

Eo aloha ny fanabeazana amin’ny fampianarana. Mpampianatra izy aloha. Miavaka ny kalitaom-pampianarany (Rakotomalala M., 2013), taratra amin’ny fahatsoran’ny fomba fampitany fahalalana izay mora raisin’ny mpianatra. Eo ihany koa ireo bokim-pampianarana maro be efa voalaza tetsy ambony nosoratany.

 

2.1.2. Fanabeazana an-tononkalo

 
Samy mahazo ny anjara fanabeazany sahaza azy avy ny sokajim-piarahamonina: ankizy sy lehibe, manana sy malahelo, mpitondra sy entina, matanjaka sy marefo... Miavaka ao anatin’ireo andalan-tononkalony izany. Marina fa mitodika amin’ireo ankizy Ratsimaholy Francinet ao amin’ny boky “Amboara”. Tsy vitsy anefa ireo tononkalo mitodika an-kolaka na mivantana amin’ny olon-dehibe na amin’ny ankohonana. Anisany ny fiderana ny raim-pianakaviana niova fitondran-tena ka afaka tanteraka tamin’ny fisotroana toaka:

“Tsy mamo lava intsony
 Fa dada tena miavaka
 Niova koa ny fony
 Dada tia mivavaka!”

 

Mitodika amin’ny fiarahamonina ifaneraseran’ny ankizy koa izy toy ny fampahatsiahivana ny voka-dratsin’ny fahasiahan’ny mpampianatra mandritra ny fampitana fahalalana:

“Masiaka ilay mpampianatra
 Sazy lava izao
 ‘zaho malaina mianatra”
 Ka inona no hatao?!...
 Mpampianatra masiaka, Amboara tak 48

 

Miafara amin’ny mari-piatoana telo ny tononkalo. Fitadiavam-bahaolana ny baraingo eto, arahin’ny tsoraka maneho alahelo ary teboka telo hamalian’ny mpamaky ny fanontaniana. Asongadina ao amin’io tononkalo io ny hafonjan’ny herisetran’ny fahasiahana sy ny voka-dratsin’izany satria sady hampandamoaka ny fampitam-pahalalana no hampisy fiantraikany amin’ny hoavin’ny ankizy.

Mandray adidy amin’ny fisarihana ny olona hitia ny teny malagasy koa izy amin’ny maha mpampianatra sady mpanoratra azy.

Teny malagasy, Amboara tak 114

Ny azy ireharehana ny fampiasana ny teniny manoloana ny fironana ankehitriny hanatsofoka voambolana vahiny eny antsefatsefan’ny fehezanteny toy ny fandre tsindraindray amin’ny hira malaza sasany.  Fitahirizana ny teny sy ny soatoavina ny tononkalo. Taratra amin’ireo voambolana mety ho very nofantenany izany izay anisan’ny singa fototry ny fiarahamonina.

Ohatra amin’izany ireo karazan-dalao mahazatra voatanisa ao amin’ny “Kidaombaramita”, Amboara tak 110, toy ny fampitaha, avy mangataka, fangala-piery, Raosy jamba, kivarivary, katro... Ao anatin’ny fanabeazana ampitainy koa ny fitandroana ny fahasalamana sy ny fahadiovana:

“Ny zaza salama
 Dia mazoto homana
 Ka he! finaritra ery ny ankohonana”
 Zaza salama, Amboara tak 38

 

Asongadiny ny lanjan’ny antsoiny hoe “vavahadin-tsaina” (Amboara, tak 52) ka tokony hitandroana azy ireo: maso, sofina, orona, hoditra ary lela.

Ankoatra ny fahadiovan’ny vatana, ny fikajiana ny fitaovana sy ny tontolo toy ny kahie taratra ao amin’ny Tandremo (Amboara, tak 18) sy ny “Fahadiovana” (Amboara, tak 44). Mifanaraka amin’izany ny fanajana ny fitaovana am-pelantanana araka ity ao amin’ny Ny kitapoko ity:

 

“Ity kitapoko ity
 Dia ataoko tsara hidy
 Tsy foiko, mamiko, satria
 Misy zava-tsarobidy”
 Amboara, tak 30

 

Tsindrom-paingotra kosa no nasetrin’ny mpanoratra ao amin’ny “Soratsora-poana” (Amboara, tak 46) izay maneho ny tsy fanajana fotodrafitrasa. Efa diso tafahoatra mantsy ny tsy fahatsiarovan-tena satria rindrina no atao solaitrabe fanoratana teny maloto sy mamohehitra. Tsy vitan’izany fa tsy laitran’ny fananarana sy fanitsiana ny nahavanon-doza fa naneho fitondran-tena tsy mendrika amin’ny alalan’ny ompa. Maro tokoa ireo tanora mirona amin’ny fiteny maloto ka mety hataon’ireo zandry sy ny taranaka fakan-tahaka mihitsy (Lakolosy, Antosifafy, tak 95).

 

Miainga ao an-tokantrano anefa ny anatra tsara indrindra: ao no misy ny modely akaiky indrindra. Mitodika any amin’ny ankizy ireo ray aman-dreny mananatra.

“O! Rankizy a!
 Tianao Dada sy Neny?
 Mianara! Mianara!
 Io no lova izay nomeny
 Ho an’ny zanaka amam-para.”
 Mianara, Amboara tak 14
 
“Manga ny lanitra, tsara ny andro!
 Mamiratra ery ingahibe Masoandro!
 Tsara sy manga tahaka azy ireny,
 Ny anatra omen’i Dada sy  i Neny.”
 Ny anatr’i Dada sy i Neny, Amboara tak 40

 

Anisan’ny fomba fitaizana ny zanaka malagasy ny fanaovana raharaha ao an-trano. Sady fanampiana sy fanajana ireo nahitana masoandro izany no fandraisana andraikitra (Manao raharaha, Amboara tak 104).

 

Irin’ny mpanoratra hitohy ny maha fatra-panaja zokiolona ny tanora malagasy:


“‘Reo olon-dehibe, tsy maintsy hajaiko
 Ka arahabaiko
 Raisiko ny anatra omen’izy ireny
 Ka henoiko teny”
 ‘Reo olon-dehibe, Amboara tak 36

 

Filazana mandidy “tsy maintsy” no nampiasaina teto, ilay maneho finiavana hahatanteraka azy fa tsy miandry olon-kafa hibaiko. Fitakiana amin’ny ray aman-dreny kosa no taratra amin’ny tononkalo “Omeo anay ’lay zo” ao amin’ny Amboara (tak 42), ka ahitana ny filazana mandidy “henoy”, “valio”, “omeo”. Zo ahafahana manontany ho an’ny fahalalana no angatahan’ny ankizy. Izany indrindra no mety hifandraika amin’ilay fombam-pitenenana hoe: “tsy tsiny ny tsy fahalalana, ny tsy manontany no diso”.

 

Endriky ny fifandraisana eo amin’ny ankizy sy ny lehibe izany ary tsy voatery hiseho am-pitoniana hatrany toy ilay “Mpampianatra masiaka” (Amboara, tak 48) sy ny “Bedy aho izao (Amboara, tak 50).

 

Manana ny endriky ny fifandraisany koa ireo ankizy samy ankizy toy ity finamanana taratra amin’ny resak’ankizy ity:

 

“Bao kely izao no namako
 Jereo fa raisiny ny tanako
 Tsiky kely no omeny
 Malefaka izy raha miteny”
 Namako, Amboara tak 32

 

Omban-tsarin’ankizy roa mifampitantana sady mivingitra kitapo ity tononkalo ity. Ankoatra ny fanambarana ny fifankatiavan’ny ankizy dia maneho ny fahatsoram-piainana any amin’ny tontolo ambanivohitra ny sary ary taratra amin’ny endriky ny trano gasy sy sarety ary ny tongotra tsy mikiraro. Mpampianatra sy pôetan’ny tontolo rehetra Ratsimaholy Francinet ka tsy manadino ireo ankizy izay mitana ampahany lehibe amin’ny isan’ny mponin’ny Nosy. Ireny faritra ireny indrindra no ankafizana ny hasoan’ny tontolo iainana: “Eny ambanivohitra” (Amboara, tak 80) sy ny “Eny an-drenivohitra” (Amboara, tak 82-84), “Tanàna mamiko” (Amboara, tak 86). Fitiavana ny toerana niaviana izany, tanindrazana, miampy ilay tanindrazana iombonan’ny Malagasy rehetra ary ananganana ny “Faneva sy hiram-pirenena” (Amboara, tak 10). Nosoratana hitovitovy endrika amin’ny Hiram-pirenena malagasy ity tononkalo ity, nentina hitaomana ny ankizy hankafy ny fiarahamonina misy azy sy ny fiarahamonina iraisany amin’ny mpiray firenena.

 

 

2.2. FIARAHAMONINA

 

Ny ankohonany sy ireo akaikiny no fiarahamoniny voalohany indrindra. Mitana toerana lehibe ao amin’ny boky tononkalony izy ireo, dia ny vady aman-janany sy ireo nahitany masoandro.

 


Ankohonan'i Francinet Ratsimaholy

 

Natolony ny vadiny Rasoandraibe Elisabeth sy ny ray aman-dreniny, Razafindrakoto Jules sy Ranadivelo Louise ny boky Antosifafy. Maneho ny anaran-janany roa voalohany, Ianto sy Fafy, ny lohatenin’io boky io. Manambara hevitra “afovoany” hoy izy ny “anto” ka nahazoana ny antoandro sy ny antonony ohatra. Ny fafy indray, araka ny voalazan’ny rakibolana dia “fampielezana na fanaparitahana zavatra toy ny voa madinika, na fasika, na rano”. Ny famaritana naroson’ny mpanoratra ny “anto sy fafy” dia mirona bebe kokoa any amin’ny asa izay antoky ny famafazana. Izao mantsy no voalazany:

“Ny ‘Antosifafy’ ary dia milaza ny Fo tony sy ny Saina mieritreritra ary ny vatana manatanteraka amin’ny alalan’ny ASA: tsy vitan’ny hoe ’Misaina aho dia olombelona’ fa MISAINA sy MIASA ary mandray andraikitra aho vao OLONA”. Marihina fa olon’ny asa rahateo ny mpanoratra satria tsy mpitoetoe-poana. Azo anampiana izany famaritana izany koa ilay fatran’ny asa sy ny vokatra mety ho zakan’ny tena sy ny fiarahamonina, izany hoe antonony.

 

Tsy vitsy ireo tononkalo niresahany momba an-janany izay iavahan’ny “Ho an’ireo zanakay”, Antosifafy tak 112, itanisany ireo anaran-janany 4: Fafy, Ifaharana, IAnto ary Sakaizasoa. Ahitana izao teny izao koa eny am-piandohan’ny bokiny “Amboara”: “Atolotro ho an’Ianto Ratsimaholy zanako vavimatoa”. Nanoratany tononkalo manokana mihitsy ity zanany vavimatoa ity toy ny “Afa-panadinana” (Antosifafy, tak 96) noho ny nahazoany ny BEPC sy ny Ianto (Antosifafy, tak 109):

 

“Antony nisainako
 Lalina dia lalina
 Ka raha mamindra aho
 Dia mailo sady malina
 Ianto”.

 

Tsy mahagaga raha “Silaky ny aiko”, Amboara tak 7, no lohatenin’ny tononkalo manaraka izany, heverina ho maneho teny fampidirana ireo soa sy tso-drano ho an’ny zanaka voarakitra ao anatin’ny boky.

 

“Ry Silaky ny Aiko,
 Indreto ny teny novolavolaiko
 Noeritreretin’ny fo sy ny saiko
 Atolotro anao”
 (...)

 

Mbola “Ianto”, voalohan’otin’izy mivady, no lohatenin’ny tononkalony ao amin’ny Antosifafy (tak 109), ary anton’ny zavatra maro eo amin’ny fiainan’ny mpanoratra ka iavahan’ny fisainana sy fiainana ary fisiana. Nanoratra tononkalo ho an’i Sakaizasoa zanany fahatelo koa izy ary fomba iray nanehoany ny anton’ny safidiny tamin’ny niantsoany azy:

 

“Manana sakaiza fitarainana aho.
 Sakaiza tiako loatra manafaka talaho
 Sakaiza iray fa ampy anankinam-po
 Manana Fitiavana : Sakaiza tena soa”

 
Miavaka ihany koa amin’ny asasorany ny lohahevitra fanehoam-pitiavana sy hantahanta toy ny taratra ao amin’ny “Neny” (Amboara tak 56). Taratra ao amin’ny boky Amboara koa ny fanehoam-pitiavan’ny zanaka: “Mafy be ny dadanay” (tak 58), Rugby (tak 60), Dada vaovao (tak 62).

Manamarika ny boky sy ny tononkalon’ny pôeta ny anarana sy ny momba an-janany. Na dia mavesatra aza ny adidy aman’andraikiny eo amin’ny asa sy fiarahamonina dia aharihariny fa raim-pianakaviana mitoetra mandrakariva eo anivon’ny ankohonany izy ary mahavita ny adidy mifandraika amin’izany araka ny voambara ao amin’ny sehokaroky Rakotoarisoa N. O. (2004)[12].

Hiakan’ny faha-20 taonany

Nandalo kihon-dalana lehibe tamin’ny fiainana sy ny soratra Ratsimaholy Francinet teo amin’ny faha-20 taonany ka nahatonga ny hiakany hanao tohy vakana: hafaliana sy alahelo. Tanora vao herotrerony mantsy izy no nahazo ny loka sombintantara nokarakarain’ny “Club des Amis de la Star” (1969). Tamin’ny faran’io taona io koa, ny 22 Desambra, no nodimandry ny rainy, Razafindrakoto Jules. Kihon-dalana mety ho niainany teo amin’ny tantaram-pitiavany koa io manodidina ny faha-20 taonany io[13] raha dinihina ireo tononkalo maneho hiakam-pitiavana voarakitra tao amin’ny boky Antosifafy: Eny isanandro (1967), ... Ho fanaperana (1967), Dia satria (1968), Korontana (1968), Avy amiko (1969), Tsiaro (1969)... Mahakasika ratram-po sy alahelo ny ankabeazany ka mety hampitombina ny setram-pitia nosedrainy. Tsy mifanohitra amin’izany no hita ao amin’ny sehokaroky Rakotoarisoa N. O. (2014) fa vao mainka manamafy aza[14].

 

Efa ho 20 taona taorian’izay indray no nisongadina ireo andian-tononkalo maneho hiakam-pitiavana ka namoronany ny tononkalo “Vehivavy” (1979):

 

"Ny vehivavy manontolo
 Efa hitako aminao
 Ianao no ‘lay tontolo
 Manam-bika jaojao".
 Antosifafy, tak 41

 

Toy izany koa ny “… Fotoana” (Antosifafy, tak 39) nosoratany ho an’ny olon-tiany. Tsy an-daniny, mihevitra izy fa hanimba ny fotoana arakaraka ny firosoana aminy satria hiteraka fahanterana sy fahatrotrahana. Etsy ankilany, mety hampandamina kosa ny firosoan’ny fotoana satria hampamatotra hatrany hatrany ny haren’ny saina ka hampisy maminy ny fiainan’izy roroa:

 

“Hanampy fa satria
 Hitaiza ireto saina
 Saina mifandranitra
 Hanan-karena ho manitra
 Ho mamy akia ny miaina!”

 

Telo taona mialoha ny fanambadiany no nanoratana izany, toy ny hoe efa voakajy sy natao teny ierana mihitsy mba hirosoana any amin’ny lavitra sy matotra indrindra. Fantatra ny tohin’ny tantara tao amin’ny tononkalo “Vady” (1982) izay namariparitany ny halalin’ny fitokisany an-dRasoandraibe Elisabeth, nakariny ho vady tamin’ny 6 Febroary 1982. Voafintina tao ireo endri-pahasambarana ho tineraky ny tena fitiavana. Mpivady vao ry zareo teto, izany hoe tsy mbola nahazo an’Ianto sy ireo zandriny, kanefa dia nametrahany fitokisana sahady ilay vadiny ho antoky ny hoaviny:

Hatreto aloha dia tsy misy zava-mahagaga loatra satria “ny anambadian-kiterahana, ny iterahan-ko dimby”. Ny manintona ny eritreritra koa dia ny tamberin’andalana “Andry anorenako fiainam-baovao” teny am-piandohana ary nohamafisina teny am-pamaranan’ny tononkalo. Manamafy ny fisiana fiainana teo aloha mety ho nandiso fanantenana angamba izany ary ho ainga vaovao nanorenana ny ho avy. Tantely amam-bahona anefa ny fiainana satria tamin’ny faran’io taona io ihany, ny 5 Desambra 1982, no naha kamboty fanindroany an-dRatsimaholy Francinet noho ny nandaozan’ny reniny azy. Tao anatin’ny fahatanorana tanteraka (33 taona) izy teo ary niondrika kanefa nanam-pinoana tamin’ny alalan’ny tononkalony “Mionona ny fo” (Antosifafy, tak 76), nosoratany tamin’io andro io ihany. Mahatalanjona ny fiainany satria tranga roa mitovitovy no niseho tamin’ny fahalavoan’ireo nahitany masoandro. Samy taona niainany fihetseham-po faratampony ara-pitiavana. Tsy voafetran’ny fahafatesana ny soratra natokany ho an’ireo nahitany masoandro ka anisany ny “Ho an’i Dada sy i Mama” tamin’ny 27 Avrily 1984 (Antosifafy, tak 87). Mafaitra indrindra eo amin’ny fiainana ny fandaozan’ireo nahitana masoandro ka nahavitany andinin-tononkalo mahakasika ny tambitambin’ny ray aman-dreny rehefa manavy ny zanaka: Manavy (Amboara, tak 66). Tsy diso anjara aminy koa ireo havana akaiky ankoatra ny ankohonana izay manan-danja tokoa: Havana (tak 68), Dadabe (tak 64).

 

2.2.2. Vitrika ara-pikambanana

 

KOMAHAA

FIMAMIRE (FIkambanan’ny Mpanoratra sy ny Artista MIaro ny REvolisiona) nahitana an’i Clarisse Ratsifandrihamanana. Tsy miafina amin’ny loko politikany izy araka izany ary tombony ho an’ny seraserany rahateo izany.

AEdiM (Association des Editeurs de Madagascar) niarahany nanangana tamin-dRabenoro Claude, Razakasoa Jean sy ireo maro hafa.

SYNAEL (SYnergie Nationale des Auteurs, Editeurs et Libraires)

 

2.2.3. Akon’ny seraserany

Hotanisaina miandalana etoana ny seraserany tamin’ireo pôeta sy mpanoratra ary mpampianatra ary hotohizina amin’ireo olom-pantany izany.

Nifanerasera tamin’ny mpanoratra maro izy ka nahafahany niaraka namoaka boky tamin-dry Clarisse Ratsifandrihamanana, Célestin Andriamanantena, Rado, Rabenja Salomon, Ener Lalandy.

 

Ratrema William

Teo amin’ny lafin’ny fampianarana no nifaneraserany tamin-dRatrema William, vavolombelona nahafantarana ny fiandohan’ny rohy mamatotra an-dRatsimaholy Francinet sy ny soratra. Voarakitra ao amin’ny tranonkala manokan’ity pôeta ity izany:

“Teo amin’ny fahazazany, ‘Penina, Dada!’ hoy Ratsimaholy Francinet nitaky penina tamin-drainy izay voalohany nampirisika sy nitso-drano azy amin’ity lalana ity: ’manoratra’”

 

Nalisoa Ravalitera

Akaikiny koa i Nalisoa Ravalitera satria samy mpampianatra sy pôeta izy mirahalahy. “Sakaizako” no nilazany an-dRatsimaholy Francinet tao amin’ny Teny fanolorana ny boky Amboara:

 

“... Mitombo indray ny isan’ny BOKY MALAGASY ka izany indrindra no iderako sy isaorako ary ampirisihako ny sakaizako Ratsimaholy Francinet...”

 

Noho izay rohy mampifanakaiky azy ireo izay no anton’io safidin’ny teny fanolorana io. Anisan’ny tsiaro mamy notaterin’i Nalisoa Ravalitera tamin’ny Pôetawebs ny fitetezam-paritra nataon’izy ireo toy ny tany Toliary nanaovan-dRatsimaholy Francinet varotra sy fampirantiana boky. Talen’ny Boky sy ny teny tao amin’ny Ministeran’ny Kolontsaina rahateo moa i Nalisoa Ravalitera tamin’izany fotoana izany. Anisan’ny voatanisa koa ny fizahana ifotony nataon’izy ireo tany Isalo. Fa efa taloha ben’izany no liana tamin’ny talenta sy fahombiazany i Nalisoa Ravalitera. Teo aloha ilay loka voalohany azony nampanaovin’ny Club des amis de la Star tamin’ny fifaninanana sombintantara. Nanamarika an’i Nalisoa Ravalitera koa ilay tantarana mpivarotena milohateny hoe “Ditra”. Tsy tantara nentina hampiontana noho ireo karazana fihoaram-pefy akory fa tena tantara fanabeazana mihitsy ahatsapana ny andraikitry ny fiarahamonina ka mampivarilavo ireny tanora ireny.

 

Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana

Ao anatin’izay fanabeazana izay hatrany ny tononkalo “Lehibe” nosoratany ho an’i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana, ao amin’ny Antosifafy (tak 91) ary nivoaka tao amin’ny gazety Midi Madagasikara koa. Raha fintinina dia tsy ny haben’ny harena, ny hery ary ny saina no maha lehibe fa ny fahaizana mikolokolo, manarina ary mamela zava-tsoa ho an’ny taranaka sy ny mpiara-monina. Misy antony ny iompanan’ny asasoratra ho an’ny olona iray. Ny azo lazaina dia mitovy firehana politika izy ireo, samy pôeta ary samy mpampianatra.

 

Rado (Georges Andriamanantena)

Nanolotra ny boky Antosifafy. Nanaovany tononkalo valin-kira momba ny tononkalo “Maty ilay mpivaro-tena” (Antosifafy, tak 38). Natolony ho an’i Rado ny tononkalo “Pao-tsatroka” (Antosifafy, tak 106-107) tamin’ny 21 Jolay 2003 sady nampahatsiahivana ireo bokin’i Rado toa ny Dinitra sy Sedra ary Zo.

 

Hary Razafindrakoto (HaRy Razaf, Gazety Taratra)[15]

"Namako akaiky Ratsimaholy Francinet fahavelony! Andrarezin'ny fanabeazana sy ny fampianarana izy. Olona tsotra sy tia mifanakalo hevitra. Iray amin'ireo mpanabe manome lanja ny boky. Anisan'ny nanamarika ny fifandraisana teo aminay ny nahatongavako sy ny zaobaviko teny aminy. Mpampianatra ihany koa io zaobaviko io. Tena nafana tanteraka ny fifanakalozan-kevitra momba ny olana atrehin'ny fanabeazana amin'izao fotoana izao, sy ny fitadiavana vahaolana ho fanarenana izany. Tena tsy nifarana ny resaka. Lava dia lava, naharitra dia naharitra! Tsy tsaroana hatramin'ny ora tokony hisakafoanana... "Izany olana rehetra izany, tsy hampihemotra antsika", hoy Ratsimaholy. "Aza hadinohina fa matoa vanona ny firenena iray dia noho ny mpampianatra sy ny mpanabe", hoy ihany izy. Taorian'io, nandalo matetika tao am-piasako izy. "Mila mandray andraikitra isika manoloana ny fanabeazana ny taranaka", hoy hatrany izy. Nitondra sy nanome boky ahy izy hoentiko maneho hevitra aminy, ny amin'ny fahitako ny boky tsirairay. Tsy nisalasala aho nilaza ny hevitro rehefa voavakiko ireny boky ireny! "Zava-dehibe ny fifanakalozana tahaka izao", araka ny nay. Tia mifanakalo hevitra izy!"

 

Havana aman-tsakaiza

Ramboatiana Etienne na Bouboul, notolorany ny tononkalo hoe “Misy” (Antosifafy, tak 69). Izy mirahalahy koa no namorona ny hira “Azoko ry Dada”

Ramisamanana Harinosy, namany akaiky niantefan’ny tononkalony “Finaritra aho r’ise!”, Mpampianatra sy mpanabe ary mpanoratra.

Gaby (Nanangana ny tarika Jeneraly), nanisy feony ny tononkalony “Izaho ankehitriny…”

Andriamady Tovo Mahefa sy Andrianaivomanjato Dina Lala tamin’ny fisoratam-panambadiana ny 30 Aogositra 2003, nanoratany ny tononkalo “Sonia”.

 

Nodimandry ny alatsinainy faha-2 Desambra 2013 tao Andrononobe Ratsimaholy Francinet. Tsy nahazo aina tampoka tao an-tranony izy io andro io noho ny fitroaran’ny aretina nitaiza azy hatramin’ny taona 2000 mahakasika ny fo sy ny lalan-dra[16]. Milevina eny amin’ny fasan-drazany eny Ankerambe Manjakandriana izy.

 

FISAORANA

Fianakaviana Ratsimaholy nanolotra tahirin-kevitra sy nanampy tamin’ny angona

Ramisamanana Harinosy, naman-dRatsimaholy Francinet

Ravalitera Nalisoa, naman-dRatsimaholy Francinet

Hary Razafindrakoto, naman-dRatsimaholy Francinet

 

LOHARANON-KEVITRA

Parents. (2022). “Le prénom Francinet“. Tsikaritra ao amin’ny https://www.parents.fr/prenoms/francinet-41117

Rajemisa-Raolison R. (1985). “Rakibolana“. Ambozontany

Rakotoarisoa N. O. (2014). “Ny olombelona: lafika tokan’ny amboaran-tononkalo Antosifafy nosoratan-dRatsimaholy Francinet (boky faharoa)”. Sehokaroka ahazoana diplaoma CAPEN tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure)

Rakotomalala M. (2013). “Ratsimaholy Francinet a déposé définitivement sa plume“ L’Express

HaRy HR. (2004), “Famoahana sy fanolorana boky nosoratan’i Francinet Ratsimaholy” Gazety Taratra

Rakotoarivelo J. (2004), “Francinet Ratsimaholy sort trois livres pour le prix d’un” L’Express de Madagascar

Ramambazafy J. (2004), “Ratsimaholy Francinet : tokony hampiharina ao amin’ny programan-tsekoly, Madagascar Tribune

Andriamahenina R. (2004), “Ratsimaholy Francinet : Amboaran-tononkalo telo no indray hatolony ny sabotsy izao”, Tia Tanindrazana (17/06/2004, takila faha-7)

Ratrema W. (2010). “Penina, Dada!”. Lahatsoratra an-damosin’ireo boky Sujets-types Lauréat

Ratsimaholy F. (1969). Ditra, takila 8

Ratsimaholy F. (1988). Sang d’écrivain, takila 111

Ratsimaholy F. (2004). Antosifafy, takila 125

Ratsimaholy F. (2004). Amboara, takila 116

Ratsimaholy F. (2004). Fraîcheurs d’enfance, takila 114

Ratsimaholy F. (2006). Titi & Tôtô, takila 31

Ratsimaholy F. (2007). Lezama et les pommes de terre, takila 28

Ratsimaholy F. (2013). Sehatra, takila 159


[1] araka ny hita ao amin’ny tranonkala parents.fr

[2] Araka ny taratra tao amin’ny sehokaroka nataon-dRakotoarisoa N. O. (2014), boky faharoa tak 121, dia efa anaram-pianakaviana mihitsy ny “Holy” sy “Maholy” izay hita amin’ny Raibeny Rainisoamaholy sy ao amin’ireo iray tampo aminy toa an-dry Raholidina L., Ramaholisoa L. W. ary Raholijaona J. Toy izao no fanazavany momba ny “Tsy Maholy”: “Voalaza tao anatin’izany, fa olona mahery vintana RATSIMAHOLY Francinet ka nanosi-joky roa mifanesy, ary izay no nanaovana ny anarany ho mitory fandresena sy mitsipaka : “TSY” MAHOLY”.

[3] Tsikaritra ao amin'ny tranonkalan-dRatsimaholy Francinet

[4] Midi Madagasikara Lah. 11940 (11/01/2023)

[5] Lahatsoratry Rasolonjatovo Willy (Janoary 2023)

[6] Nitety firenena maro toa an’i Sina, Israely, Frantsa sy ireo firenena manodidina azy ao Eoropa, Vietnam, Thailand, Afrika Atsimo, Maorisy sy ny maro hafa RATSIMAHOLY Francinet. Isan’ny nampivelatra sy nampiavaka ny fomba fanorany izany.

[7] Na ny resaka politika ihany koa, eny fa na dia mpikamban’ny FIMAMIRE (FIkambanan’ny Mpanoratra sy ny Artista MIaro ny REvolisiona) aza izy. Mpiangona tsotra koa izy fa tsy naka andraikitra makadiry tamin’ny fiangonana ankoatra ny sekoly alahady amin’ny maha olon’ny fanabeazana azy. Manamafy izany ny voalazan-dRakotoarisoa N. O. (2014) ao amin’ny tak 141 hoe : “Tsy niditra resa-pivavahana be loatra ihany koa izy, fa matetika mantsy miafina anaty fivavahana araka ny fomba fijeriny ny olona tia tena sy mpandainga. Noho izany, mpivavaka tsotra, tsy niditra antokom-pikambanana tao am-piangonana izy, fa ny tena andraisany andraikitra dia ny sampana Sekoly Alahady noho ny fahatsapany ny fahatsoran’ny zaza".

[8] Sehokaroka “Ny olombelona: lafika tokan’ny amboaran-tononkalo Antosifafy nosoratan-dRatsimaholy Francinet (boky faharoa)”, tak 119

[9] Nitana diary boky Volamena RAZAFINDRAKOTO Jules Francois izay nitantarany ny lalam-piainany. Tsara soratra tokoa io rain-dRATSIMAHOLY Francinet io ary taratra tamin’izany fa efa nifandovana mihitsy ny fitiavany manoratra.

[10] Tsikaritra ao amin’ny sehokaroka nataon-dRakotoarisoa N. O. (2014), tak 129-130

[11] Resaka nifanaovana tamin’i Jean Nalisoa Ravalitera ny 9 Desambra 2022 tamin'i Tsikimilamina Rakotomavo

[12] Toy izao no voasoratra ao amin’io sehokaroka io, nalaina tao amin’ny tak 135: ”Nahatsiaro ho afa-po avokoa izy ireo tamin’ny fitiavana sy ny fitaizana ary ny fanabeazana azony tamin’ny rainy. Azo lazaina ho “Ray feno izy”, hoy i Fafy raha nilaza momba ny adidy amin’ny maha loham-pianakaviana azy”.

[13] Rakotoarisoa N. O. (2014), tao amin’ny tak 124, aza moa dia nanambara ny taloha lavitra izany amin’ny hoe: “Tany amin’ny fahefatra ambin’ny folo taona tany izy dia efa mba nanonofinofy an’eritreritra olona hotiavina… Antony tsy nahasahiany koa, ny elanelam-piainana nisy teo aminy sy ilay tovovavy mba niantefan’ny faniriany“.

[14] Rakotoarisoa N. O. (2014) tak 130 “Teo amin’ny faharoapolo taonany, izay fotoana tena niroboroboan’ny fitiavany ihany koa, dia efa nisy tovovavy niaraka taminy nandritra ny fotoana maharitra, valo taona eo ho eo izany faharetany izany”.

[15] Araka ny resaka nifanaovan'i Toetra Ràja tamin'i HaRy Razafindrakoto

[16] Rakotoarisoa N. O. (2004), tak 141 "Ny taona 2000 izy no tratran’ny aretina “attaque cardiaque” voalohany; niverina izany taty amin’ny taona 2007, ary ny 2013 tsy voavonjy intsony, ka iny nitarika fahafatesana ho azy iny”.

 

Fandalinan'i Toetra Ràja sy Tsikimilamina Rakotomavo

Date de dernière mise à jour : 04/02/2024