Tenin'i Faniry Ezeckiel

Poetawebs 2026

Tenin'ny Poetawebs 2026
Faniry Ezeckiel — 12/01/2026

Poetawebs

"Ny Poeta indrindra no fantsom-panovana ny tontolo bobongolo", izany teny izany no voizin'ny Poetawebs mandritra ity taona 2026 ity. Miainga avy amin'izany teny isarihana ny olona hanova toe-tsaina izany no isainan'ny mpikambana tsirairay ny teniny manokana. Hoy indrindra mantsy i Faniry Ezeckiel hoe:

"Sahia manorina fiarahamonina vaovao amin'ny fisainana marina sy madio."

Sakana voalohany tsy hahafahana manao dingana iray ny tahotra. Tsy vitan'ny tsikera fotsiny ny hafa ny fanovana endrika ny tontolo ho any amin'ny tsara kokoa. Aretina mikiky ny fitiavan-tena tafahoatra sy manao fitaovana ny namana mba hakana tombotsoa manokana ary indrindra ny fialonana ny fandrosoan'ny hafa. Ny fijoroana ho fitaratra amin'ny fandalana ny marina, tsy matin-kenamaso no anisan'ny balisama manasitrana io rofy mandozoka miadana ny fiarahamonina io. Tsy vitan'olon-tokana fa mila fiombonana sy firaisan-tsaina lalina izany adidy masina izany : sahia mitarika, manorina fiombonana, mampiorim-paka izany amin'ny sehatra rehetra.
Farany, miainga amin'ny madinika sy tery ny lalana mankany amin'ny hahalehibiazana ka ilaina ny manesotra ny hakiviana amin'ny sembana mandalo. Meteza ho erika kely mahatondra-drano, ho ravina kely hahatsangana akany eo andalam-panovana ny toe-tsaina amam-panahy fa fotoanany izao.

Ireo mpikamban'ny Poetawebs mifarimbona mandritra ny taona 2026 amin'ny hoe:
"Ny Poeta indrindra no fantsom-panovana ny tontolo bobongolo"

Poetawebs










Faniry Ezeckiel - Poetawebs
• TENIN'NY POETAWEBS 2026

Ajouter un commentaire