varavarana

poeta_malagasy

THINA ANDRIAFALY - 27 jolay 2009
  • Tnina AndriafalyTHINA ANDRIAFALY, na RAFALIMANANA Jeannie Berthina araka ny anarany feno, dia mpanoratra sy poeta malagasy manana traikefa tsy zoviana amin'ny maro eo amin'ny haisoratra. Nahaliana ny tranonkala poeta.webs ny lalana nodiaviny teo amin'ny diam-penina. Lohahevitra telo no entina hamaritra ny dinidinika etoana :
    ny fandaharana "Diam-penina sy Ritsoka" notontosainy tao amin'ny radio Feon'ny Merina; ny anjara birikiny ao amin'ny fikambanana Havatsa Upem; ireo loka maro be nosalorany nanomboka tamin'ny 1998. Miarahaba anao THINA ANDRIAFALY ary maneho fisaorana anao nanaiky hitapatapak'ahitra miaraka amin'ny tranonkala poeta.webs. Azonao hazavaina fohy ve ny nahatonga ny solonanaranao ? 

 

Miarahaba ny tranonkala poeta.webs. THINA ANDRIAFALY. THINA aloha dia avy amin'ny fanampin'anarako hoe BERTHINA fa ny ANDRIAFALY dia ny fitiavako ny anarana hoe ANDRY amin'ny heviny, ary taty aoriana aza dia nahafaly fa ny anaram-badiko misy azy, ka natambatro amin'ny anarana nolovaiko tamin-draiko hoe FALY.

  • Efa 35 taona nanoratana ianao (1974 - 2009) ary efa nahavita tononkalo eo amin'ny 500 eo ho eo. Azonao lazaina ve ny fomba nampielezanao azy ireo ?

Ny tononkaloko dia isan'ireo novakiana tao amin'ny Radio Tana, Radio Feon'Imerina amin'ireny fandaharana mampanonja ny kanto malagasy ireny. Nantsaina ihany koa rehefa misy sehatra ahafahana manao izany amin'ny lanonana isan-karazany.

 

  • Araka ny voalaza etsy ampiandohana dia anisan'ireo mpanatontosa ny fandaharana "Diam-penina sy Ritsoka" tao amin'ny radio Feon'ny Merina ianao. Azonao hazavaina fohifohy ve ny andraikitrao tao amin'io fandaharana io ?

Ahitsiko kely ny voalaza fa tsy niasa tao amin'ny Radio Feon'Imerina akory aho ary tsy tompon'andraikitra tao ihany koa fa nandray anjara kosa tamin'ny fandaharana Diam-penina sy Ritsoka noho ny antson'ny namana Ro Andriamaneva tamin'ny famakiana tononkalo sy famelomana tantara.

 

  • Ny tena marina koa dia nahavita fandaharana tomombana ianao sy ireo mpiasa tao amin'ny radio. Midika koa ve fa betsaka ireo mpakafy sy mpandray anjara ?

 

Mahaliana tokoa ho an'ny mpandala ny maha-Malagasy sy ny zava-kanto malagasy indrindra ny fanandratana ny teny malagasy ny fandaharana toy ireny.

 

  • Azo lazaina ary ve fa tia tononkalo ny Malagasy ary mahazo aina ny poeta Malagasy ankehitriny ?

 

Tia tononkalo ny ankamaroan'ny Malagasy satria manaitra ny fanahy ary mamelombelona ny fo ny fomba famoahan-kevitra sy ny fitanisana ny fiainana amin'ny alalan'ny tononkalo.

  • Tsy azo iadian-kevitra fa ny poeta no voalohany amin'izany. Inona kosa àry no nahatonga anao hiditra ao amin'ny HAVATSA UPEM fa tsy tao amin'ny fikambanana hafa ?

Efa taona maro no nanarahako mangina io Fikambanana io teo amin'ireo fotoana notontosainy ary be ireo Poeta manan-daza izay tena nahaliana ahy tao toa an'i Rado, Ener Lalandy, Rajemisa ... Isan'ny Fikambanana zokiny ihany koa izy. 

 

  • Nanomboka oviana ary inona no andraikitra sahaninao ao ?

 

Ny taona 2000 teo aho vao niditra ho mpikambana satria tena te-handray anjara sy andraikiktra ao anatin'ilay Fikambanana. Mpikambana ao amin'ny Birao aho ankehitriny ary mpitahiry vola mpanampy no andraikitro ao.

 

  • Tsy nitsahatra nisalotra lokam-pifaninanana samihafa ianao nanomboka tamin'ny 1998. Azonao azavaina ve ny momba azy ireo ?

 

Isan'ny nahafinaritra ahy ny mandray anjara amin'ny fifaninanana fa isan'ny tombana ho ahy sy ny sangan'asako izy ireny. 

  • 1998 : “Fitiavana” Tononkalom-pitiavana – Prix par la Radio Fréquence Plus et le Salon de Mariage (Saint Valentin)
  • 2000 : “Mais si, il existe !” Concours de nouvelle ‘Fête de l’Internet’ – CCAC / SEROI  - Prix unique d’encouragement et mise en ligne sur Librothèque
  • 2001 : “Ma Rivale Tolérée” Concours de nouvelle ‘Madagascar à l’ère du virtuel’ – CCAC / SEROI  - 2è prix
  • 2003 : “Si J’étais” Concours de nouvelle Chant des Brise-Si en français – Mairie de Palaiseau France – Extrait mis en ligne et édité dans un livre
  • 2006 : “Ampela Manga” Fandikana amin’ny teny malagasy ny tononkalon’i Leopold Sédar Senghor – Direction du Livre MCC – Loka fahatelo
  • 2007 : “You and Yours” tononkalom-pitiavana (teny anglisy) – Radio Feon’Imerina – Loka voalohany (Saint Valentin)
  • Fantatra koa ny famolahanao tenim-pirenena maro.Manamafy izany ireo loka maro azonao na tamin'ny fandikana asa soratra vahiny, na teo anivon'ny fifaninanana iraisam-pirenena. Inona no nahasarika anao hirona amin'ny endri-pifaninana toy izany ?

     

    Ny talenta efa ao anaty ary ny aingam-panahy tsy mamela ahy hampatory azy. Masa-bary maito kitoza hoy ny fitenenana satria izaho tia mianatra sy mamolaka ny teny vahiny ary ny fifaninanana miantso ahy handray anjara.

    • Manana tetikasa momba ny haisoratra malagasy ve ianao ato ho ato na ao aoriana kely ?

     

    Ny tetikasa moa dia eo foana, faniriana ny hamokarana boky saingy matetika ny fotoana hanatanterahana azy no miandry noho ny asa aman-draharaha ary ny ho enti-manana moa vato misakana hatrany. Isan'ny ezaka ombam-panamby anefa ny fanatontosana izany ao aoriana kely ao.
    Mandram-pahatonga izay anefa dia ho hitanao ao anatin'ny Boky "Tatamo Manokana" izay havoakan'ny Havatsa-Upem ny santionany amin'ireo tononkaloko.

    • Eo ampiandrasana ny boky "Tatamo Manokana" dia firarian-tsoa no atolotra anao Thina Andriafaly hahavita be eo amin'ny poezia malagasy. Manantitra ny fisaorana anao ny tranonkala poeta.webs nahafoy fotoana tamin'izao tapatapak'ahitra izao.

     

    Misaotra ny tranonkala poeta.webs

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety


Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×