Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

15 Septambra 2016

Bade RaAnRaMa, vahinin'ny Pôetawebs

 

Efa nivahiny teto amin'ny tranonkalantsika Pôetawebs i Bade RaAnRaMa tamin'ny 7 novambra 2015 ka noresahany ny momba ny HABAKY NY FANAHY. Tafaverina soa aman-tsara eto indray izy anio, tsy sanatria mateti-piavy akory fa tsapa ny risika itondrany ny kantony ka amaliany ny hetahetan'ireo mpakafy azy. Misy dia misy tokoa ny voan-dalana entiny, anisany ilay antsoiny hoe TSONTSA. Manambara inona aminao àry izany?

 

Léa Fandresena
Miarahaba anao izahay Bade RaAnRaMa tongasoa ato amin'ny Pôetawebs.

Bade RaAnRaMa
Miarahaba anareo mpikirakira ity tranonkala ity sy ianareo mpisera rehetra.


Léa Fandresena
Efa nivahiny tato amin'ny Pôetawebs ianao kanefa sitrakay raha ampatsiahivinao ny mombamomba anao.

Bade RaAnRaMa
Rajo MAHERY Andrianavalona no anarana nasalotr'ireo nofo namolavola ahy ho olona, zanak'iny faritra Vonizongo iny, saingy manovo fahalalana sy fahendrena eto Iarivo, natopatopan'ny onjam-pandrosoana teto dia niverina ho mpanoratra indray ary izao nisafidy ho Bade RaAnRaMa izao.

 

Léa Fandresena
Azonao hazavaina ve io anarana diam-penina io?

Bade RaAnRaMa
Bade raanrama (vakina amin'ny teny malagasy).
Bade, maro tokoa ireo manontany ny momba io anarana entiko io. Ao ny mieritreritra fa teny anglisy. Mahagaga ihany ny hoe maninona moa rehefa mahita teny toa io no avy hatrany dia teny vahiny no ao an-tsaina? Tsy deba navadika koa izy io. Ny tena marina dia anarana napetaka tamiko izy io izay izaho ihany no nahaforona azy tsy nahy, tsy ho hitanao anaty rakibolana malagasy izy io fa anaty rakibolako. Ny dikany? Bilorajo.
Ny raanrama indray dia anarana manoritsoritra ny momba ahy tanteraka.

 

Léa Fandresena
Oviana ianao no nanomboka nanoratra?

Bade RaAnRaMa
Vao nahay abidia aho dia efa nanoratra. Tononkalo, poezia? Tany amin'ny kilasy fahavalo tany ho any no nahatadiavako fa nahavita tononkalo aho. Faly ery fa tafavoakako ihany ny tao an-tsaiko, saingy... Zaza miala sakana matahotra sy menatra hampiseho ny "rediredy" sao ihomehezan-dry zalahy na akorainy amin'iny eo ka ho loza, mamy mahatsiravina e! Izany indrindra no nijanonako tanteraka tamin'izany tononkalo izany. Ny taona 2012 vao niditra, notairin'i Ny Hariaina indray ilay bilo natory tao anatiko tao, soa fa nisy habaka malalaka ivelarany koa, sady tsy menatra intsony maneho asa soratra. "Ny soratra manova, ny soratra ivelarana!"

 

Léa Fandresena
Inona no azo lazaina momba ny dingana efa vitanao teo amin'ny soratra?

Bade RaAnRaMa
Ny dingana efa vita hoy ianao? Tsy mbola nahavita zavatra toa inona aloha e! Dingana voalohany ny niverenana nanoratra ny taona 2012, ny taona 2015 no niditra bebe kokoa tamin'izany famoahana boky sy fiseharana izany :

- Ny volana aprily 2015, niara-nirombo tamin'ireo andiana poeta 25 tetsy amin'ny Cemdlac Analakely, Rombom-panahy andiany voalohany izy io, boky sy antsa. Tao no nisy ny soratro voalohany. Tamin'io no niseharako voalohany (tsemboka tanteraka).
 
- Jona 2015 no niseharako fanindroany tamin'ny antsa Tany Giazana,

- Namaranako iny taona iny ny rindran-tononkalo an-tsehatra HABAKY NY FANAHY niaraka tamin'ireo rahalahy sy anabavy tao amin'ny VKHM (R. DEGRA , IARANTSOA, VETSO, NY ROVAKO, ANJARATIANA).

 

Léa Fandresena
Ary ny ho avy?

Bade RaAnRaMa
Izay indrindra no antony ivahinianay ato aminareo. Manomana teatra poétika izahay io, aseho ny mpanaraka antsan-tononkalo sy ny olon-drehetra ny 1 oktobra etsy amin'ny Ivokolo Cemdlac Analakely, ho famoahana indrindra ny boky tononkalo nosoratanay mianadahy Bade RaAnRama sy Niaina Sakaiza, nampitondrainay ny lohateny hoe: TSONTSA.

Mifoka miafina ity teatra ity izay mifandraika indrindra amin‘ireo zava-misy miseho eo amin'ny fiaraha-monina. Avy amin'ny tononkalo ao anaty boky ihany no nananganana ny teatra.


Léa Fandresena
Hifoka miafina, hoy ianao, ny rehetra. Azonao azavaina ve ny anton'io dia ahoana no mety ho fisehon'ny sehatra, ny votoatin'ny tantara, ireo mpandray anjara?

Bade RaAnRaMa
Aleo angamba izay tonga any no ahita azy tsara, manjary tsisy tsirony mantsy raha tantaraina dieny izao.


Léa Fandresena
Mba omeo santionany hampilendalenda ny mpijery kosa re e!

Bade RaAnRaMa
Santionany? Mmh, ampahany kely! Aza hadinoina anefa ilay "kôzin"'i R.degra hoe: "fa ny singam-bolonao dia ampy hitiavanao ahy".

Marihiko kely fa fiaraha-miasa eo aminay mianadahy sy ny Ajac (Association des jeunes animateurs culturels) io teatra io, izany hoe mpanao teatra avy ao no hamelona ny Tsontsa miampy anay mianadahy.


Léa Fandresena
Mahafinaritra izany ary mba asio resaka kely àry ny momba ny boky.

Bade RaAnRaMa
Tononkalo ao anatin'io boky Tsontsa io mihitsy no fototra ijoroan'ilay teatra, ankoatra ny dihy sy ny hira lalaovina miaraka. Ny boky tsy lafo raha ampitahaina amin'ny ao anatiny, ariary 90 isaky ny pejy iray na ariary zato isaky ny tononkalo iray, ny pejy miisa 113.


Léa Fandresena
Ahoana indray ny endriky ny boky?

Bade RaAnRaMa
Ny endriky ny boky ve? Olona milalao fanorona ny eo amin'ny fonony. Tsotsam-paika ka matim-bela. Izay no nahatonga io sary io.
Nanja RAZAFINDRAKOTO izay mpiandraikitra sy mpanolotra ny fandaharana KORIRA KANTON'NY HAISORATRA ao amin'ny onjam-peo Aceem no nanao ny teny fanolorana.


Léa Fandresena
Ampatsiahivo kely hoe ilay fotoana?

Bade RaAnRaMa
Ny sabotsy 1 oktobra etsy amin'ny Ivokolo Cemdlac Analakely no haseho vahoaka izy ity. Amin'io koa no hivoaka amin'ny fomba ofisialy ny boky TSONTSA nosoratanay mianadahy NIAINA SAKAIZA sy BADE RaAnRaMa. Manomboka amin'ny roa ora io teatra io ka tandremo sao tara.


Léa Fandresena
Manana hafatra atolotra amin'io andro io angamba ianao ô?

Bade RaAnRaMa
Tongava dia hahita! Sarotra ny mandoka fa ny masonao hahita. Ny saina hahazo fy no aoka handoka na hanaratsy azy amin'io fotoana io, aza tara fotsiny . Amin'ny 2 ora tsy diso izy io no manombaka, tsy misy vidim-pidirana fa boky tononkalo TSONTSA no amidy ao.


Léa Fandresena
Afaka mamaritra ny atao hoe poeta ve ianao?
Bade RaAnRaMa
Ny poeta amiko dia olona itoerana bilo, mamoaka ny sary ao an-tsainy sy ao am-pony ho soratra mampamelovelo fanahy, manaitra ny matory ao anatin'ny mpamaky. Rehefa izay dia poeta izy amiko, tsy mila resabe.


Léa Fandresena
Afaka manora-tena ho poeta izany ny olona, ary afaka tendrena koa?

Bade RaAnRaMa
Aleo izy hisora-tena fa tsy maninona. Ny fotoana sy ny mpamaky eo hitsara azy.


Léa Fandresena
Mankasitraka anao nandany fotoana nivahiny tato amin'ny Pôetawebs. Mirary soa anao ary manentana ny rehetra ho tonga avokoa.

Bade RaAnRaMa
Ianareo no tena ankasitrahana nandray anay, mahafinaritra e! Efa izay voalazanao izay ny fanentanana.


Léa Fandresena
Misaotra tompoko

Bade RaAnRaMa
Mandra-pitafa indray o!

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 16/09/2016