Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

23 janoary 2017

TAPATAPAKAHITRY I LOVA SY I IKALOYNA

Lova, poeta zandriny indrindra tamin'ireo poeta nivahiny teto amin'ny tranonkala poetawebs; izy no misantatra ny fivahiniana amin'izao taona vaovao 2017 izao. Hiaka-tsehatra izy ato ho ato. Mitapatapakahitra miaraka aminy i Ikaloyna avy amin'ny Poetawebs.

 

Ikaloyna
Faly mampiantrano anao izahay. Iza moa izany Lova izany ?
 
Lova
Faly miarahaba anao koa Ikaloyna Vony a, dia faly miarahaba anareo mpanjohy ny rohy Poetawebs
koa ny tenako ary faly miarahaba antsika nahatratra ny taona vaovao. Lova, anarana amin'ny Facebook ihany iny fa Lova no solonanarana entiko manoratra, Mpiraifaribolana Sandratra Fianarantsoa ny tenako.

 

Ikaloyna
Vehivavy sa lehilahy aloha e satria sady azo atao anaram-bavy izany no azo atao anaran-
dehilahy ihany koa?

 

 

Lova
Lehilahy kosa e,

 

Ikaloyna
Mipetraka any Fianarantsoa izany ianao?
 
Lova
Eny, mipetraka ary lehibe tany Fianarantsoa aho.

 

Ikaloyna
Eny ary, mpiraifaribolana Sandratra, hoy ianao, efa ela ve no nisy io faribolana io any
Fianarantsoa?
 
Lova
Eny, efa tany amin'ny 1994 tany no nisy ny sampana Fianarantsoa ka, ary izy mbola mijoro izao
hatrany na maro aza ny olana nosedraina.

 

Ikaloyna
Firy izao ny mpikambana ao? Iza moa no filoha any izao?
 
Lova
Nisy ny olana, hoy aho teo. Nisedra fahasarotana ny sampana taorian'ny nahafatesan'i Joseph Raymond. Tany amin'ny farampararan'ny 2015 vao nivory indray, tamin'izany aho sy i Hasi-Noro
ary i Antsa Baliaka no noraisina Sandratra. Raha ny isanay kosa dia 18 amin'izao ora izao (vaovao ny akamaroany) ary i Pée kosa no Filohan'ny sampana, izaho no lefitra manampy azy.

 

Ikaloyna
Izay ny lasa, ahoana ny ho avy sy izay vinavinanareo ?


 
Lova
Ny ho avy hoy ianao? Be tokoa ny vina fa ny akaiky indrindra dia ny "Fitia Gasigasy" izay
hotontosaina ny 11 Febroary izao, misy hetsika mety hiarahana amin'ny Ministeran'ny Kolontsaina koa ny 29 Marsa izao, manaraka eny ny fitrandrahana ny literatiora betsileo, fiezahana hametraka tsara ny rafitry ny Sandratra ety amin'ny sampana, tsy hadinoana koa ny mitady ireo akama taloha mba hiverina hanohy ny lalao.

 

Ikaloyna
Ahoana ny fandrosoan'ny tononkalo any amin'iny renivohitra betsileo iny amin'izao vaninandro
izao?
 
Lova
Araka ny fahitako manokana dia maro mpanakanto ny foko Betsileo, fa toy ny rehetra ihany, tsy
mahazo vahana ny zava-kanto eto amintsika ka vitsy no tena miroso lalindalina mampandroso ny talentany. Ny ankoatr'izay dia misy talenta maty momoka any fotsiny noho ny tsy fisian'ny mpanohana.

 

Ikaloyna
Isika tsy hoe milaza fotsiny ny olana fa manolotra vahaolona koa. Inona ny vahaolana azonao
atolotra ary ?
 
Lova
"Izay tsy mihetsika mihitsoka", toe-tsaina hitako fa tena tsara ity, tsy mila
mifampiandriandry eto isika, tsy mila resa-be fa tonga dia asa, izay aloha no tena fomba fiadinay Sandratra Fianara aty e! Ny ketrikay rehetra rehefa hita fa tsy mivaona amin'ny tanjona dia tanterahina avy hatrany. Ohatra amin'izany ny fanisiana taninketsa amina sekoly maro iarahanay miasa. NEFA kosa, tokony hitsinjo ity sehatra ity koa ny fanjakana ary tokony hahazo ny anjara fanohanany ny mpamorona eto amintsika.

 

Ikaloyna
Misaotra anao Lova. Tsy dia fahita firy loatra moa ny poeta avy any amin'ny faritra toy izao
ka araraotina tokoa ny miresaka aminy mba hahafantarantsika ny poezia sy ny poeta manerana ny Nosy. Ndao hiverina amin'izay amin'ny Lova manokana isika. Inona no nahatonga anao hanoratra? Ary inona avy ireo karazana asa soratrao?
 
Lova
Eny, hoteneniko mialoha an'izay koa aloha ny momba ahy eo amin'ny fiaraha-monina:
ANDRIATINASOA Mario Dino no tena anarako, teraka ny 30 Aogositra 1999, zandriny indrindra amin'ireo vahinin'ity rohy ity angamba, RAMAHAZOSOA Jean Henri no raiko ary i ANDRIATINIAINA Bodofaramaminirina no reniko. Ny fahatsapana fa misy talenta tokony hovoizina ao anaty no tena nahatonga ahy hanoratra, ary tena tiako ny manoratra: "tononkalo no fiainako" hoy i R Jasmin Darmond izay. Tany am-piandohana (2013) dia tononkalo sy sombintantara no vetsoiko, nanomboka tantara foronina taty aoriana (2016) izay mbola tsy vita ary nanomboka niangaly riankalo koa tamin'io taona 2016 io.

 

Ikaloyna
Tanora dia tanora tokoa ianao. Raha vao miresaka tanora dia mby ao an-tsaina avy hatrany ny
fitiavana, ka moa fitiavana foana ve ny hevitra voizinao ao amin'ny soratra sa misy hafa koa?
 
Lova
Tena mpivoy ny resaka fitiavana tokoa aho, fa tsy izay ihany, tena mpitolona ho an'ny taniko
aho, manoratra ho an'Andriamanitro aho ary mikalo ny fikambanana roa mamiko indrindra (Tily eto Madagasikara sy Faribolana Sandratra).

 

Ikaloyna
Tokoa! Toy ny inona moa ny endrika hisehoan'ny hetsika amin'io 11 febroary io? Iza avy ireo mpiantsa, ireo mpanohana na mpiara-miasa...?
 
Lova
"Fitia Gasigasy" no anarana nasalotray azy, amin'ny andron'ny St Valentin , fetin'ny
mpifankatia, no tena kinendrinay tamin'io, nefa maro no tsy ho afaka ka naleo naroso ny Sabotsy 11 Febroary. Amin'izay koa mba afaka mividy boky hatao fanomezana ho an'ny tiany ilay tia, misy boky amidy izany, io aloha no nahatonga ilay hoe "fitia". Manaraka izany dia izahay Mpiraifaribolana ihany no mpiantsa, homena endrika mitaratra ny maha malagasy ny fitafy sy ny sehatra, izay no nahatonga ilay hoe "gasigasy". Ny mpiara-miasa dia  nanaiky ny Alliance Française Fianarantsoa sy ireo tompon'andraikitra ara-panjakana. Ireto avy ny mpiantsa Pée, Irà, Lova, Monja SIDOANA, Pi-gasy, Ny Andry Afo, R Jasmin Darmond, Angola, Ari-Zoh, Fehizoro, Ranomainty, Stéphania fa mety hisy poeta hafa avy any amin'ny faritra.

 

Ikaloyna
Ary ahoana ny fifandraisanareo amin'ny foibe aty Antananarivo?
 
Lova
Any Antananarivo ny foibe, ry zareo izany manana andraikitra goavana amin'ny fandrindrana
ireo sampana sivy manerana ny Nosy. Eo amin'ny lafin'ny fiofanana fanoratana dia mbola ts'isy aloha hatreto, ny fifampizarana traikefa kosa dia tena misy, ohatra amin'ny antsa. Manome fahafahana anefa ny foibe ny mba hiainan'ny sampana ny kanton'ny tontolony, satria mety misy fy an'Antananarivo izao tsy azoazon'ny aty, na ny mifanohitra amin'izay, ankoatr'izay dia amporisihina izahay sampana hitrandraka ny literatioran'ny faritra misy anay.

 

Ikaloyna
Mazava izay, Lova, mazava koa fa hisy ny asa soratrao io boky havoaka io izay hahafahantsika
mahita bebe kokoa ny aingany sy hanohanantsika ireo poetantsika malagasy.
 
Lova
Marina mihitsy izany ka, ny soratray 18 mianadahy ireo no handrafitra io boky io.

 

Ikaloyna
Satry ihany, hoy aho, hiresaka aminareo poeta avy any amin'ny faritra ireo saingy sao ho
monamonaina isika ka apetraho ary ny hafatrao.
 
 
Lova
Amin'ny manaraka ary izany e, aleo fa hapetrako ny hafatra. Satry tokoa ny hitafatafa eto fa
ny fotoana koa manam-petra.

Hafatra fohy
'Ndeha hasandratra ny teny malagasy fa raha tsy isika ireto no hanao izany dia iza indray? Ny
vahiny anie ka tsy hiraharaha an'io e!

 

Ikaloyna
Dia io hafatra mafonja io koa no ametrahan'i Ikaloyna Vony ny mandra-pitafatafa aminao, Lova,
sy isika mpiserasera rehetra !
 
Lova
Mankasitraka antsika rehetra e, hitombo hasina anie ity teny mamintsika ity.

Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com
×