Fantaro i Di...

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja

15 jona 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
Di..., sary nomen'i Hanitr'Ony Fantaro i
DI...
(1938 - 2016)
Pôeta - Mpanoratra
Mpikaroka - Mpampianatra
Akademisianina
 
— Fandalinan'i Hanitr'Ony —

Misasaka mihitsy izao ny Iray Volan’ny Teny Malagasy 2019, dia ny volana jona izany izay ankalazaina toy ny isan-taona. Tsy zoviana amintsika angamba ilay Olomanga namorona izany andro natokana ho an’ny Tenindrazana izany nanomboka ny taona 1993, roa andron’ny Teny Malagasy (25 sy 26 jona) no niantombohany, dia niitatra ho iray volana noho ny fitakian’ny maro tia ny tenin-drazany. Aleo ampiana kely ny torolalana amin’ny ankamantatra, fa io taona io ihany koa no namoronany ny fitenenana malaza hoe "Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko". DI… no anaran’izany andrarezina izany.
Fa iza moa i Di… ? (DI... misy teboka telo)
RAHAINGOSON Henri  no tena anarany. Teraka ny 26 novambra 1938 tao Antananarivo izy. Ny rainy dia poeta sy mpanao gazety malaza tamin’ny fotoan’androny, Rahaingoson Eugène Bella, izay nanana solon’anarana maro teo amin’ny fanoratana (Belahy, Rabesapaoritra, Phare de l’hémisphère, Virginie Bella Rahantamalala). Ralinirina Perle no anaran-dreniny. Ny Ray aman-dReniny ary koa ny Renibeny no nanintona azy fatratra tamin’ny fitiavana ny teny sy ny haisoratra malagasy. Araka ny nambarany kosa dia i Jean-Joseph Rabearivelo izay novinakiny tany an-tsekoly tamin’ny taona fahafito (T7 na 5eme) no mpanoratra nanosika azy handalina fatratra sy hankafy ny haisoratra malagasy sy vahiny miaraka.

Pôeta, mpanoratra, mpampianatra, mpandika teny, mpikaroka, mpandinika momba ny voanteny sy ny voambolana, filohan’ny Fikambanan’ny Poety sy ny Mpanoratra Malagasy HAVATSA-UPEM (Union des Poètes et Ecrivains Malagasy) nandritra ny sivy taona (1999-2008), filoha am-boninahitry ny fikambanana, mpandrindra mivantana ny sahan’asa momba ny fandikana Haisoratra sy ny Haivolan-tsehatra, talen’ny Gazety VALIHA avoakan’ny Havàtsa-Upem isam-bolana (tao amin’ny Gazety Tribune de Madagascar tamin’izany ary ao amin’ny Gazetiko ankehitriny), mpikambana mahefa ary Filoha lefitry ny Sokajy Voalohany ao amin’ny Hailaza sy Haikanto, ao amin’ny Akademiam-pirenena Malagasy i DI...

Nampakatra an-dRAMASIARISON Bangoniaina ho vadiny izy ny volana Novambra 1968. Niteraka dimy mianadahy izy ireo, telo vavy, roa lahy. Nahazo zafikely sivy, fito vavy, roa lahy.
Nodimandry tampoka ny 13 aprily 2016 i DI… raha mbola nanana vinan’asa maro be hotanterahina sy amperim-panomanana, toy ny fankalazana ny faha-150 taonan’ny Gazety voalohany amin’ny Teny Malagasy nokasainy hatao tao Parisy.
Di..., sary nomen'i Hanitr'Ony
Diplaoma sy fianarana nodiaviny 
Hatramin'ny Bakalorea (1959) : Nianatra tao amin'ny Kolejy Masina Misely Amparibe
1959 : Bakalorea, taranja "Filôzôfia", Antananarivo
1964 : Bakalorea momba ny Fahaizan-dalàna, Oniversiten’Antananarivo, Madagasikara
1967 : Licence de "Lettres modernes", Oniversiten’Antananarivo, Madagasikara
1971 : Maîtrise de "Lettres modernes", Oniversiten’Antananarivo, Madagasikara
1973 : Licence d’Histoire, Oniversiten’Antananarivo Madagasikara
1977 : Mari-pahaizana DEUG avy amin’ny Oniversite "Sociologie", Antananarivo, Madagasikara
1981 : diplôme d’études approfondies (DEA) eo amin’ny sehatry ny Fampita sy Serasera (Sciences de l’information et de la communication), Université de Bordeaux III

Asa niandraiketany
1967-1973 : Mpampianatra taranja Malagasy sy taranja Frantsay tao amin’ny Lycée Gallieni  Antananarivo sy ny Lycée Antsirabe
1973-1976 : Mpandrindra jeneralin’ny tao amin’ny Bureau d’études des programmes et de l’Organe technique d’élaboration des programmes (BEP/OTEP), Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena
1977-1979 : Mpampianatra mpikaroka teo anivon’ny Département d’Études françaises, sy tao amin’ny École normale niveau 3 (EN 3), Oniveristen’Antananarivo : fianarana sy fandalinana haisoratra, fianarana sy fampiharana ny fandikana teny, na "Cours d’initiation aux études littéraires et Cours d’initiation à la théorie et à la pratique de la traduction"
1979-1986 : Talen’ny fikarohana sy fanapariahana tao amin’ny EACROTANAL (Eastern African Centre for Research on Oral Traditions and African National Languages), Zanzibar, Tanzanie
1986-1994 : Tale Mpanatanteraka (directeur exécutif) tao amin’ny EACROTANAL, Zanzibar, Tanzanie
1995-2012 : Mpampianatra mpikaroka tao amin’ny Sampam-pianarana Haifiarahamonina na "Sociologie", Oniversiten’Antananarivo : Fianaranaa ny haiteny ama-monina na "Initiation à la sociolinguistique" (fampianarana tamin’ny teny malagasy)
1991-2012 : Mpampianatra mpikaroka tao amin’ny Departementan’ny Fianarana ny Frantsay, Oniversiten’Antananarivo: Fianarana mandika teny Malagasy-Frantsay
2010-2013 : Mpampianatra mpikaroka tao amin’ny Departementan’ny Fianarana ny Frantsay, Oniversiten’Antananarivo : Fianarana ny haikanto an-tsehatra "Initiation aux arts dramatiques"
2007-2016 : Mpampianatra tao amin’ny Sekoly ambony momba ny Fampita sy ny serasera / École supérieure de l’information et de la communication (SAMIS-ESIC) : ny Fandikan-teny Malagasy/frantsay/anglisy "Théorie et pratique de la traduction (malgache/français/anglais)"
Di..., sary nomen'i Hanitr'Ony
Andraikitra notanany ivelan’i Madagasikara

- Manam-pahaizana manokana na "Expert-consultant" teo anivon’ny UNESCO, Paris
- Manam-pahaizana manokana na "Expert-consultant" teo anivon’ny OUA ary avy eo teo anivon’ny Union Africaine, Addis Abeba, Etiopia
- Manam-pahaizana manokana na "Expert-consultant" teo anivon’ny "Agence de coopération culturelle et technique (ACCT), Paris : Interface culturelle de la Francophonie"
- Mpikambana tao amin’ny "Conseil international pour la recherche en linguistique fondamentale et appliquée (CIRELFA), Commission spécialisée de l’ACCT – Francophonie"
- Mpikambana tao amin’ny Comité d’experts pour le fonds international pour le développement des langues et civilisations africaines (FIDELCA) - Francophonie
- Mpandinika na Consultant teo anivon’ny "Agence internationale de la Francophonie (AIF), expert au sein du Réseau international des langues africaines et créoles (RILAC) de l’AIF Francophonie"
Andraikitra hafa niantsorohany 
1959 : Mpikambana mpanorina ny Fikambanamben’ny mpianatr’i Madagasikara, Association générale des étudiants de Madagascar (AGEM)
1961-1962 : Filohan’ny Association générale des étudiants de Madagascar (AGEM)
1963-1964 : Filohan’ny Fédération des associations d’étudiants de Madagascar
1966-1969 : Filohan’ny Faribolan’ny Mpianatra kristianina malagasy (MPIKRIMA)
1967 -1970 : Mpanolotsaina tao amin’ny Farimbon’asan’ny tanora protestanta (Coopération de la jeunesse malgache) ; Filohan’ny Filankevitry ny Firenen’ny Tanoran’i Malagasikara, na Conseil national de la jeunesse de Madagascar (FIFITAMA) ; Filohan’ny Birao mpanatanteraky ny Comité National Malgache de la Campagne Mondiale Contre la Faim (CNM/CMCF)
1993 : Nanangana ny Foiben’ny teny eo anivon’ny Akademiam-pirenena Makagasy (Science de l’Art et du langage)
Jona 1993 : tompon-kevitra sy namorona ny Roa andron’ny teny malagasy, nanjary Iray volan’ny teny malagasy ; namorona ilay fehezanteny hoe : "Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko"
1999-2008 : Filohan’ny Fikambanan’ny Poety sy ny Mpanoratra Malagasy, HAVATSA-UPEM (Union des Poètes et Ecrivains Malgaches. Nandritra ny naha filoha azy no nandraisana tamin'ny fomba ofisialy ny Sampana Frantsa rehefa avy nankalaza ny Marché de la Poésie teo amin'ny Place Saint-Sulpice, tao Parisy; fikambanana haisoratra malagasy voalohany nanana sampana an-dafindriaka (2005).
Nanangana ny Centre de Rencontres et d’Actions Culturelles Di (CRAC Di)
Nanorina ny Ivon-kolontsaina na "centre culturel" SERAKOLO DI
Nanorina ny tranoprinty Editions Vohitsera
Niandraikitra ny sehatra Haisoratra sy ny Valandresaka ara-kolontsaina teo anivon’ny RNS (Rencontres Nationales Sportives), Frantsa (2010-2016)
Fototra niaingan’ny RNS-Kolontsaina (RNSC Rencontres Nationales Sportives et Culturelles)
Nandray anjara tamin’ny Revio Literera samihafa eran’ny vazan-tany (ohatra ny Sud, RFI, …)
Ary maro tsy ho voatanisa.

Miezinezina ny vitan’i DI… na RAHAINGOSON Henri teo anivon’ny Haisoratra Malagasy, tsy latsa-danja ny fanabeazana sy ny fampianarana. Nametraka lova lehibe dia lehibe tokoa izy ho an’ireo zanaka Malagasy.
Di..., sary nomen'i Hanitr'Ony
Asa sorany
Tsy nahatonta boky misy ny asa sorany manokana i DI… na misy maro aza ireo boky mirakitra ny sangan’asany, toy ny niarahany tamin’ny mpikambana Havàtsa (Santa-bary, Tatamo, Tatamo manokana, Havatsa notsongaina sns.). Maro koa ny tononkalo nivoaka an-gazety na nantsainy ampahibemaso sy tamin’ny onjam-peo. Azo ambara ho boky velona izy na "Encyclopédie vivante", hoy ny fiteny vahiny. Ary raha mihaino azy dia tsy tafala eo intsony fa sondriana mihaino ny fampitany ny fahalalana lehibe dia lehibe. Tsy hitahita ny fikorisan’ny ora maromaro amin’izany. Misy voaray feo, misy voavoaka sary eo amin’ny tranonkala na aterineto "Youtube".
Nisy ihany koa ny tantara an-dampy na tsangan-tononkalo nolalaovina efa imbetsaka, toy ny Harivariva an-tanin’olona, ny Rary ho an’ny Tanindrazana, ny Soa,…
Tsy hadino ny AGENDI… na FITSIAHY natontany nandritra ny taona 2000 maromaro izay nahitana ny diary miaro pejy misy "Kolo Saina sy kolontsaina" izay ahitana lahatsoratra, ohabolana, ankamantatra, fanadihadiana, tsiahy vanim-potoana lehibe na olomangam-pirenena efa lasana. Izay hoy izy no maha Fitsiahy azy, fitaovana entina mahatsiahy. Momba ity lohahevitra ity ihany dia nahazo ny solon’anarana hoe Mpanangana ny maty i DI… satria dia mahavatra manatontosa hetsika ho an’ny vanim-potoana rehetra ahatsiarovana ny Mpanoratra fahiny sy ny vanim-potoana lehibe izay efa mila ho resin’ny fanadinoan’ny mpamaky izy. Mamerina ny fireharehan’ny tanora Malagasy amin’ny maha izy azy izany tsiaro ny nisy sy misy izany.
Nandray anjara tamin’ny fanomanana sy fanatontosana Rakibolana samihafa koa i DI… na RAHAINGOSON Henri :
- 2000 – RAHAINGOSON (Henri). Rakibolana randran-telo. Rakiteny ahitana teny mitovitovy fanonona na fanoratra arahin’ireo teny mitovitovy aminy avy sy ny mety ho dikany amin’ny teny frantsay. (eo andalam-pamitana)
- 2005 – Rakibolana malagasy sy Rakipahalalana momba an'i Madagasikara / Dictionnaire encyclopédique
Tao koa ireo boky kely maro be novokarin’ny Editions VOHITSERA nosoratan’i DI… izay mamehy ny karazana toromarika samihafa, na ny fanomezan-danja ny teny malagasy, ho an’ny lehibe sy ny ankizy, ho an’ny mpianatra sy ny mpamaky, ny mpampianatra sy ny mpanao Gazety, toy ny :
- Tsipelina fitsiahy (nangonina sy narindran’i DI…) RAHAINGOSON Henri (2013)
- Ny ankizy sy ny tanora ao amin’ny ohabolana sy fitenenana malagasy (2015)
- Rarin-teny (2015) niarahany tamin’ny Zanany Milay Rahaingoson
- Fahazato taonan’ny V.V.S (1913)
- Ny Japana sy ny Japanesa (Ravelojaona), naverina natonta…

Fanairana
Ireo asa nataony tsy niato ireto dia noho ny fahatsapan’i DI… fa mandalo fotoan-tsarotra ny Teny Malagasy. Araka ny teniny, raha tsy misy ezaka atao manoloana ny fikororosian’ilay tenindrazana fahana ankehitriny, tsy haharitra am-polo taona firy dia ho faty izany teny malagasy izany. Miara-very amin’ireny teny maty ireny ny haren-tsaina raketiny, ny fombafomba sy ny maha izay ny firenena iray, ny maha izy ny mponina ao aminy. Izay no nahatonga an’i DI… hanokana ny fiainany manontolo ho an’ny fanandratana ny haisoratra sy ny teny malagasy, izay samy tena tiany rahateo.
Tompon-kevitra amin’ny hetsika maro izy, toy ny "Tononkalo sy Tonon-kena" izay namoriana poeta sy mpanoratra maro hifanakalo hevitra sy hifampizara momba ny haisoratra ankehitriny. Niroborobo koa ny famokarana noho ny fanentanany ny fifaninanana manoratra fony naha filohan’ny HAVATSA-UPEM azy (Sombintantara Folo notsongaina, fifaninanana manoratra tantara foronina, Loka Nirhy-Lanto, Loka Célestin Andriamanantena, Lokan’ny Akademia,…) miampy atrikasa samy hafa.
Marihina fa ankahereziny ny olona, ny mpanoratra sy ny mpamaky, tsy hikatona eo anivon’ny Nosy ihany fa hisokatra amin’ny teny sy kolontsaina hafa. Kanefa tsy afaka hifehy ny an’ny hafa ianao raha tsy mahafehy ny anao, raha tsy manaja sy manome hasina ny tenindrazanao.
Hoy izy ao amin’ny ILO… TOA VERY- DI…

"Moa matory va ny Razana
Ao ambany rangolahy ?"
Dox

Moa tapa-porohana sisa tsy may
Ireo hanitra kanto navelan’ny razana
Ariana satria efa tsy andron-kitay
Lalovam-pandalo tsy misy mpitazana ?
Moa efa maso voatototra tany
Ireo tompon’ny hafatra soa sarobidy
Ka vizana foana raha toa manontany :
"Nankaiza, eny lahy, ny kitay anjavidy ?"
Injay rivo-mandalo malefaka, mora
Toa bitsika reraky ny andro fahiny…
"O ! Ho inoko izany" , hoy ireo tanora
Sodokan’ny randrana nentim-bahiny !
Raha ho tapa-porohana sisa tsy may
No hany tavela amin’ilay fehizay
Ho inona intsony ny maha Malagasy ?
Tsiriry vorona…. Nandao an’Itasy !

DI… (1969)

Di..., sary nomen'i Hanitr'Ony
Dia izany no nahatonga an’i DI… hanambara amin’i Solofo Ranaivo (nocomment.mg), raha nitafatafa tamin’ny 2015, ny antony namoronany ny fehezanteny malaza hoe "Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko", sy ny Iray Volan’ny Teny Malagasy tamin’ny taona 1993 :
"Fony aho nanorina io teny io dia ilay ohabolana manao hoe Izay marary andrianina no tao an-tsaiko. Raha ny fijeriko dia marary ny teny malagasy, mila antsika hitsabo sy hikarakara azy izy. Izay no anton’ny Iray volan’ny teny malagasy : hitana ny ainy sy hamelombelona azy tsikelikely indray".
Mivoatra sy miaina ny teny hoy izy indrindra amin’izao fotoanan’ny fanatontoloana izao, ka isan’ny fampivoarana azy ny famoronana teny vaovao mifanaraka amin’ny toetrandro, teny antsika Malagasy, fa tsy hoe nadika feo tamin’ny an’ny hafa fotsiny akory.
Di..., sary nomen'i Hanitr'Ony

Tapatapakahitra nifanaovana tamin’ny zanak'i DI... vavimatoa
Rtoa RAHAINGOSON Saholy

________________________

Hanitr’Ony Pôetawebs (H'O) : Miarahaba anao Saholy, faly mandray anao eto amin’ny Pôetawebs izahay.
Rahaingoson Saholy (RS) : Faly miarahaba anao Hanitr’Ony, miarahaba ny mpamaky ny Poetawebs ihany koa.
H’O : Maro dia maro ny zavatra azo ambara momba an’i DI… fa amin’ny maha Rainareo azy, inona no teny fanaony aminareo ?
R.S : Tena fiainan’i Dada andavanandro mihitsy ny literatiora, ny fitiavana ny teny malagasy. Hafarany matetika izahay mba hikajy ny kolontsaina sy ny teny malagasy, mba hiezaka hampiasa teny gasy ranoiray, tsy manao vary amin’anana. Dia zava-dehibe ho azy koa ny misokatra amin’ny an’ny hafa, manaja ny kolontsain’ny hafa, avy any Azia, Afrika, fa tsy Eoropa na Amerika ihany.
H’O : Marina tokoa fa efa nipetraka tany Afrika ianareo. Nanao ahoana ny fiainanareo tany ?
R.S : Ie, somary mbola kely ihany izahay tamin’izany, ny tena nataony tany moa dia fandalinana sy fikarohana momba ny teny afrikana. Nisy angano sy tantara malagasy nadikany teny swahili, anglisy ary frantsay, ohatra i Fara Ihosy, Imaitsoanala. Tena zava-dehibe taminy izay fizarana izay, ary fomba ahazoana manao izany ny dika teny.
H’O : Dia mora taminy ve ny nanao izany ?
R.S : Rehefa nipetraka tao Zanzibar, Tanzania, izahay dia nianatra ny teny Swahili izy, dia nandeha ho azy ny fikarohana. Nandrindra fihaonana ho an’ny fikarohana amin’ny hay teny "terminologie" koa izy, atrik’asa ho an’ny mpikaroka momba ny teny. Teo no nahitany fa efa nandroso be ny Tanzaniana amin’ny sehatra Rakibolana sy fanomezan-danja ny teniny, efa natanjaka be ny "Institut du Swahili" tamin’izany. Inoako fa isan’ny nanentana azy tao amin’ny Akademiam-pirenena Malagasy izany ka nanorenany ny Sokajy momba ny Teny, mba hampivoatra ny Malagasy.
H’O : Nisy fientanana nateraky ny fifandraisan’ny firenena roa tonta izany ?
R.S : Eny, izay mihitsy, toy ny hoe nanetsika kely ny hambom-pony ny fahitana ny firoborobon’ny an-dry zareo, ka nahatonga azy nanetsiketsika ny tao amin’ny Akademia koa. Nanohy nivezivezy foana moa izy avy eo, mankany Afrika, mankany Eoropa, sy ny hafa koa.
H’O : Marina tokoa fa isan’ny fomba nanazavany ny solon’anarany DI… tamin’ny horonantsary nalain’i Marie-Clémence Paès ao amin’ny Fahavalo 1947, io izy lava tongotra io, hoe olon-dia, mandeha foana, hono ?
R.S : Tiany ary rivotra iainany ilay mivezivezy, satria izy tia miresaka amin’olona, tia mifanakalo hevitra, ny sokajin-taona rehetra, ny karazan’olona rehetra dia tia miresaka aminy avokoa. Mandritra ireny fandehanany any ivelany ireny dia misy tebiteby ihany eo aminay, tsy mora ilay izy ho anay ankohonany.
Sarotsarotra satria misy fisarahana, indraindray koa tsy mandry fahalemana ny tany misy anay, nefa dia lasa ny lehilahy aron’ny tokantrano, Neny sy ny ankizy sisa ao an-tanàna. Efa nisy izany fony izahay an-tanin’olona, mandry tsy lavo loha ihany ka.

Di..., sary nomen'i Hanitr'Ony
H’O : Inona no tena lova napetrany, raha ny fahitan’i Saholy ?
R.S : Manana zavatra noraisina taminy izahay tsirairay avy. Fa ny ahy ilay fitiavana ny teny malagasy no hitako lehibe indrindra. Eo koa ilay toetra liana amin’ny zavatra maro be, sy ny an’ny hafa, tia karokaroka. Mivelatra amin’ny hafa fa tsy mikatona, na ireo zafikeliny aza dia efa nampitany io toetra io. Nandova ny karazam-boky tiany koa ireo zafiny satria rehefa miara-mankany amin’ny tranomboky izy ireo dia mifamantatra ny boky tiany. Indray mandeha nianaran’ny ankizy tany an-tsekoly ny tononkalon’i Ronsard, dia niara-nanonona ny tononkalo teo izy miafy.
H’O : Tononkalo efa ela anefa izao izany an ! Tena marina fa mahay ankandrina lahatsoratra maro be i DI…
R.S : Tena tsaroan’i Hanitr’Ony tsara ! Manana fitadidiana lehibe izy, ny daty rehetra, ny tantara, ny lisitry ny boky sy ny taona nivoahany nosoratan-dRajemisa Raolison, na mpanoratra hafa tsy dia mahazatra aza, dia variana ianao mihaino azy.
H’O : Marina fa dia eo ilay maha mpampianatra azy, tia mizara fahalalana lalandava, firifiry ny mpanoratra tsy fantatsika ankehitriny fa resahiny hatramin’ny daty nahaterahany sy nahafatesany, andalan-tononkalo nosoratany, ny boky navoakany, sns. Tena misy hanitra manokana ilay mitafatafa aminy anaty hehy sy hanihany kely lalandava. "Rakibolana velona"
Ary toy ny ahoana ny fiainana andavanandro miaraka aminy ?
R.S : Miaina ny Kolontsaina izy, vao mifoha mandra-patory, mihaino Radio foana izy, ireny onjam-peo misy ny Kolontsaina ireny no henoiny, ny vaovao no henoiny amin’ny Teny Malagasy, dia noho ny havitsian’ny fandaharana malagasy manandratra ny Kolontsaina dia mihaino RFI, Chaîne 2 Anthologie dy mystère, France Culture, France Inter izy. Misy Radio kely izay tsy misaraka aminy, mandeha tontolo andro  ka raha sendra vonoina satria hita ho reno-tory izy, dia taitra izy manao hoe : "Alefaso ilay Radio, fa aza vonoina", mandra-mparaina ny andro, ondanana ilay Radio kely.
Ilay fandrisihana anay hamaky boky vahiny koa, apetrany eny mba hisarika anay. Izaho ohatra nasainy namaky an’i Maryse Condé (Avy any Guadeloupe), na i Wole Soyinka  (Nizeriana, mpanoratra mainty hoditra voalohany nahazo Prix Nobel 1986). Na teo aza ny klasika avy any Eoropa dia nitia manokana sy nirehareha tamin’ny mpanoratra Afrikana i Dada.
H’O : Iza ny mpanoratra malagasy nankafizin’i DI… ?
R.S : Maro izy ireo, ary nadikany tamin’ny teny frantsay na anglisy na espaniola ny ankabeazany. I Jean-Joseph Rabearivelo, ry Andriamanantena mirahalahy Rado sy Célestin, ny Avana Ramanantoanina, i Dox, Andry Andraina, E.D. Andriamalala, sy ny hafa koa.
Faly izy mahita ny mpanoratra aty aoriana miezaka sy manoratra, sitrany ry Iharilanto Patrick Andriamangatiana, ry HAJAINA. Matetika izy miteny hoe mila mandalina bebe kokoa ny tanora, mbola maro be no tokony horantovina : mba jerijery, "soyez curieux" hoy ny fiteniny.
Ny zavatra tiany dia ny mampita fahalalana, ilay mampita ny fanilo mihitsy e "Transmission", na taminay zanany, na tamin’ny HAVATSA mpiara-dia taminy, na tamin’ny mpianany. Tiany koa ny mankahery rehefa mahavita kely ny tanora.
H’O : Isan’ireo nahazo hery tamin’ny fankasitrahany ny maro amintsika Saholy, olona azo ambara ho feno fahatsorana sy fanetren-tena i DI… na dia Olomanga sy andrarezina aza, moa tsy izany ve no tsy nahavitany nanonta ny bokiny, ny an’ny olona no hitany ho maika indrindra hasandratra. Ka ianareo izany ve manana fikasana hanonta ny bokiny ?
R.S. : Izy moa tsy lany hevitra, miboiboika sy miketrika iny, mipetraka eo izy dia efa misy vaovao mitsiry indray, ka izahay zanany soa fa maharaka tsara ilay fientanany. Azo ambara koa fa i Neny, i Bango vadiny dia nanohana azy hatrany, ary andry nijoroan’ny ankohonana, satria tena mila mpanohana i Dada.
Eny, efa nanomboka nanangona ny asasorany ihany izy satria efa nikasa hamoaka mihitsy, efa nampirisihinay foana, saingy hafa moa ny lahatra, dia tsy tratrany. Misy teny malagasy, misy teny frantsay ny voasorany sy voavoriny. Tsy nanam-potoana nilazana taminay ny eritreritra hanaovany azy izy, fa na izany aza amin’ny fotoanany dia inoanay fa hivoaka ny bokiny.
H’O : Inona àry, Saholy, ny hafatra mba tianao hampitaina amin’ny mpamaky ny Poetawebs ?
R.S : Ny hafatra dia mitovy amin’ny an’i DI…. Ihany, ndeha hohajaina sy hotiavina ny teny malagasy, nefa andao tsy hikatona loatra amin’ny samy Malagasy, fa hivelatra mba hampahafantarana ny hafa ny antsika koa etsy ankilany, ary hahazoantsika avy amin’ny hafa etsy andaniny.
Ny vazaha no manao zavatra betsaka kokoa momba ny kolontsaina malagasy noho isika Malagasy. Tokony hampita amin’ny zanaka ny harena toy izany isika. Tsaroako ny hafalian’i Dada niara-nanao "Colloque momba ny Transboarder Language, langue transfrontalière" niarahan’ny Akademia sy ny Malagasy miteny Swahili, ka niara-nandray anjara izahay mianaka. Nirehareha izy nanandratra ny teny Afrikana sy Malagasy miaraka amin’ny zanany. Tokony hanome lanja ny tenintsika sy ny haisoratra, ny poezia, eo anivon’ny ankohonana mihitsy izany isika, mba hiampitan’ny voaforona. Efa niady mafy ny hahazoan’ny Teny Malagasy toerana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ry DI... sy ry Juliette Ratsimandrava, ry Narivelo Rajaonarimanana, sy ny hafa. Ka tokony hampiely sy hampahalala ny teny malagasy isika.
H’O : Voaray ny hafatra, Saholy, isan’ny ezaka lehibe nataon’i DI… hatramin’ny farany tokoa ny hanaovana ny teny malagasy ho teny ibeazana, ka antsika indray no manohy ny hahatontosa izany faniriana izany. Dia misaotra indrindra anao nivahiny teto amin’ny Poetawebs sy nizara momba an’i DI…
R.S : Ianao no tena isaorana indrindra, Hanitr’Ony, nandray ahy. Dia mankasitraka anareo mbola mamelona an’i DI…. Tsy mamela azy ho hadino. Mankatelina ny mpamaky Pôetawebs koa.
H’O : Tsy hohadinointsika velively raha i DI…, veloma indrindra, Saholy.
R.S : Veloma tompoko!
____________________________
Hafatra mafonja ho an’ny pôeta ny "HAFATRA HO AN’NY P.M" tao amin’ny Santa-bary (1995) nohadihadin'i St Tsiadino teto amin’ny Pôetawebs. Hamaranantsika ity tafatafa ity kosa ny tso-drano nomen’i DI… tao amin’ny Rary ho an’ny Tanindrazana :
INTY NY TSODRANO
(…)
Indro ny tso-drano afafiko lehiroa !
Mahaleova ! Mahalasàna ! Saingy izao :
Aoka tsy haningantsingana na hizahozaho ianao
Tsy hitera-bokatsoa ny tolona atao irery
Ny mita be tsy lani-mamba, ny firaisana no hery
Ataovy tsara ho an-doha
Ataovy an-tsaina lalandava
Raha tanteraka izany dia hiova ny Tantara
Ho tany sambatra ny Nosy, ho avotra i Gasikara
(Di….)

Tahirin-kevitra
1. Henri Rahaingoson mitafatafa amin'i Solofo Ranaivo, aprily 2015 www.nocomment.mg
2. https://www.revues-litteraires.com/articles.php?lng=fr&pg=1919 : revue littéraire Sud
3. http://neonegritude33.afrikblog.com/archives/2016/04/18/33680163.html
4. Tatamo, Havatsa-Upem (2007)
5. https://www.newsmada.com/2016/04/18/rahaingoson-henri-mandria-am-piadanana-fa-todinao-ny-di/
6. Santa-bary, 1995
7. Fitsiahy Agen…DI 2005
______________________
Lahatsoratra : Hanitr’Ony
Sary : Hanitr'Ony sy Rahaingoson Saholy
Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja
poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 15/06/2019

×