Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanamarihana ny faha-80 taonan’i J. Nalisoa Ravalitera ny velakevitra roa sosona izay nokarakarain’ny Faribolan’ny mpanoratra sy poeta Sandratra, notontosaina tao amin’ny Tranombokimpirenena Anosy, ny alarobia 14 janoary 2026 tolakandro. Nizara roa miavaka ny velakevitra.
Ny fizarana voalohany dia natolotr’i Mahefa, mpandrindra ny sampana Sandratra Antananarivo, mitondra ny lohateny hoe "J. Nalisoa Ravalitera tsy ho saron-javona". Tao no namelabelarany ny maha olona marolafy an’i J. Nalisoa Ravalitera izay poeta, mpanoratra, mpikabary, mpanabe, mpampianatra, olon’ny fiarahamonina, tily hatramin’ny fahatanorany, sady isan’ireo nanorina sy niandraikitra ny Skotisma teto Madagasikara ka iray amin’izany ny tao Ambohitantely. Malagasy nisolo tena ny firenena tany amin’ny tany maro ihany koa izy, sady akademisiana, nahavita fikarohana tamin’ny teny malagasy ranoray, izay nahazoany ny mari-pahaizana Docteur-ès-Lettres.
Ny fizarana faharoa no nanoloran'i Mahefa Kantomboahary fanazavana ny lohahevitra hoe "J Nalisoa Ravalitera sy Benaina : loharano roa samy hafa mihaona". Notsongainy tao fa endrika roa mifameno no ijoroan’ity mpanoratra zokiny ity: ny Ramose sy Zoky Naly eo amin’ny fiainana andavanandro sy ny fanabeazana, ary Benaina eo amin’ny tontolon’ny riankalo sy ny famoronana poetika. Loharano roa samy hafa ireo, saingy mihaona ao anatin’ny fitiavana ny teny, ny olona ary ny maha olona.
Nanaingo manokana ny velakevitra ireo antsa sy riankalo nentina nifandimby. Nirihaja namelona ny “Zo”; Lova Santatra namelona ny “An’iza?”, ary ny riankalo "Nankaiza ny tanteliko teto?" novelomin’i Meva ka nahatonga ny fotoana ho feno fihetsehampo sy hakanton’ny zavakanto.
Taorian'izany dia nomena sehatra ireo mpanatrika izay liana tokoa. Fametraham-panontaniana, fanehoan-kevitra no porofon'ny fahalianan'ny maro amin'ireo haikanto noraketin'i J.Nalisoa Ravalitera. Ny masoandro mody no nampalahelo ka nofaranana teo ny fotoana na dia mbola nisy hetaheta ara-tsaina sy ara-po aza.
Nanamafy indray ity velakevitra ity fa poeta maroloko tsy lefin’ny taona i J. Nalisoa Ravalitera ary mbola loharano iainana sy ianarana ho an’ny taranaka maro, ankehitriny sy hoavy.
Lahatsoratra sy sary: Nirihaja
• J. Nalisoa Ravalitera : Poeta maroloko, tsy lefin’ny taona
• J. Nalisoa Ravalitera : Poeta maroloko, tsy lefin’ny taona







