Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

07 febroary 2018

TAOMBAOVAO HAVATSA 2018

Behoririka ! Tao amin’ny efitrano Fitahian’A, io indray no nandray ny taombaovaon’ny Havàtsa-Upem 2018. Niavaka ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao izay notanterahina ny 27 janoary lasa teo, niavaka na teo amin’ny efitrano filanonana na teo amin’ny haingo na teo amin’ny fanentanana. Lanonana manan-danja ary voarakitra ao amin’ny tantaran’ny Havàtsa izay vao avy nankalaza ny faha 65 taonany tamin’ny taon-dasa.
 
  Lanonana izay notarihin-dRamatoa Filoha Hajaina Andrianasolo sy ny Birao Foibe. Jao anjara izay Birao Mpitantsoratra rahateo no Tonian-danonana. Lanonam-pifaliana natrehin’ireo Filoha am-boninahitry ny Havàtsa dia ny Jeneraly Ramakavelo Desiré "Madera" sy Ramatoa vadiny ary Andriamatoa Iharilanto Patrick Andriamangatiana "I.P. Andriamangatiana" sy Ramatoa Ramanambelina Henriette (FARA H) vadiny izay Talen’ny Ecole Normale Supérieure ary Mpikambana Havàtsa rahateo. Aman-jatony maro ny fianakaviam-ben’ny Havàtsa tonga niara-paly tao.
     
  Nisy ny Fanolorana solombodiakoho ho an'ireo Raiamandreny ao amin’ny Havatsa narahin’ny kabary nifandimbiasan’ny Filoha sy ireo Filoha am-boninahitra. Nanamarika ity taombaovaon’ny Havatsa ity ny jeritodika ireo zava-bita ary ny nibanjinana ny ho avy ka namoaboasan-dRamatoa Hajaina Andrianasolo ny soridalana sy tetikasa mandritra ity taona 2018 ity, ka ny lohahevitra amin’izany dia ny hoe: “Mamololona ny Haisoratra zary Havàtsa“.
     
  Araka ny fanao isan-taona dia nisy hatrany ny fandraisana mpikambana vaovao, ka nahatratra 24 mianadahy indray no nanatevin-daharana ny Fikambanan’ny Poety sy ny Mpanoratra Malagasy "Havàtsa-Upem".
     
  14 mianadahy kosa ireo nanterina ho mpikambana ka notolorana mari-pankasitrahana ho mariky ny fandraisana azy ireo; fa mialoha izany anefa dia nisy ny fanomezan-toky ataon’izy ireo ampahibemaso, izay teny hentitra sy mafy ary redonina mafy miaraka, ary miteny tsirairay ny anarany kosa rehefa eo amin’ny hoe IZAHO...

TOKY ATAON’IREO NAHAVITA SEDRA

Eto anatrehan’ny FIKAMBANAN’NY POETY SY NY MPANORATRA MALAGASY HAVÀTSA-UPEM sy ireo Mpankafy ary ny fianakaviam-ben’ny Kolontsaina sy Haisoratra. IZAHO…
dia manao izao toky izao ho an’ny tenako sy ho an’ny rehetra manatrika sy mihaino mba ho vavolombelon’ny teny aloaky ny vava avy ato am-poko, fa izaho dia mitazona ny maha HAVATSA ahy, mankato sy manaja ny ambaratongan-drafitry ny Fikambanana, manaraka izay voalazan’ny fitsipika fototra sy fitsipika anaty, mijanona ho Havàtsa ary hanavàtsa hatrany ho an’ny teny sy ny haisoratra malagasy. Vonona hisalotra hasina am-pamendrehana ao anatin’izany rehetra izany ho voninahitr’i Madagasikara.
Ho Zahatry ny Kolontsaina tsy safotry ny ranomasimben’ny kitoatoa
Fa… Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko
Afafiko ny teny hanjariany ho asasoratra
Velona ho velona ny Teny sy Haisoratra Malagasy.
     
  Rehefa vita ny firedonana ny toky dia nambaran’ny Filoha am-boninahitra RAMAKAVELO Désiré Philippe izay nisolotena ireo vavolombelona maro nanatrika ny lanonana fa voaray izany toky izany. Dia notsofin-drano hanavàtsa hatrany ireto Havàtsa ireto.
Ary anisany mampanetriketrika ity lanonana fifampiarahabana ity rahateo koa ny fametrahana Salotrasina rehefa naharitra tamin’ny fisedrana nandritra ny taona iray farafahakeliny ny mpikambana hisalotra izany hasina izany.
     
 
     
 
Efa mahazatra isan-taona, teny antsefantsefan’ny fotoana no nandidiana ny KOBA, mofomamy, natolotry ny Filoha am-boninahitra sy Ramatoa vadiny, hany ka toa very anarana amin’ny hoe "Koba madera", dia maderadera sy mamimamy mampilela-molotra tokoa anie izany!
     
 
Nanamarika ity lanonana ity ihany koa ny fahatongavan’ny Tarika Fangia Kalo Gasy izay nanome seho miavaka sy kanto. Maro ireo hira natolotr’i Voara sy ny Dadany (Fiphie izay Mpikambana Havàtsa rahateo), hira nampamelovelo sy nahaontsaontsa, nefa koa nampientanentana sy nampitotorebika ny mpanatrika taombaovaon’ny Havàtsa. Hita niharihary teo fa hay tsy ny mihira BA GASY ihany no hain’ity zazavavy ity fa ny mitendry gitara ihany koa. Tsy diso anjara seho koa anefa ny mpiantsa sy ny mpankafy antsa tononkalo fa dia nanaram-po niangaly izany ireo mpikambana vaovao sy tranainy, na dia voafetra aza ny fotoana.
     
 
Rehefa izany dia nisy hatrany ny tsakotsako omban’ny kalokalo sy hira ary dihy nanafanàna ny fotoana. Nalain-kisaraka ny rehetra, ny masoandro mody no nampalahelo, eny fa na dia ireo Filoha am-boninahitra mirahalahy aza dia naharitra hatramin’ny farany tsy niala tamin’ny fitoerany raha tsy nilazana hoe vita tompoko.
     
Henin-kaja, nitafy voninahitra ny Fikambanan’ny Poety sy Mpanoratra Malagasy. Noho izany dia isaorana manokana ny mpampiantrano i ANTSA Lillac Flower izay mpikambana Havatsa ihany, isaorana ihany koa ny mpikarakara ny tsakotsako dia i Dol’Aj sy ny vady aman-janany. Fa ny lehibe indrindra dia ny Mpikambana Havàtsa rehetra tonga nanatrika iny lanonana iny, nomban’ireo havana aman-tsakaiza. Ho ela velona hatrany anie ny Fikambanan’ny Poety sy Mpanoratra Malagasy Havàtsa-Upem ary "Mamololona ny Haisoratra zary Havàtsa".

Tatitra an-tsoratra : Jao Anjara
Sary : Hajaina, Lillac, Mamie

Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 07/02/2018