Créer un site internet
Lalasoa Berinson

poeta_malagasy

ikopa


LALASOA BERÏNSON
07 novambra 2010

Lalasoa Berïnson dia mpampianatra eo amin'ny fiainana andavanandro. Fantatra koa anefa ny maha poeta aza ary miely eto anivon'ny serasera ny asa sorany. Vao namoaka boky koa izy izay nampitondrainy ny lohanteny hoe "Anakampoko". Efa tamin'ny 2004 izy no nandao an'i Madagasikara ary niorim-ponenana any Soeda. Maniry hahafantatra azy misimisy ny tranonkalan'ny poeta malagasy ary niantso azy hiaraka mitapatapak'ahitra mba hizarany amin'ny mpamaky ny traikefany.

Miarahaba anao Lalasoa Berïnson ary misaotra indrindra namaly ny antsonay ka netezanao miaraka mitafatafa aminay eto amorom-patana. Tany Mahajanga no nanombohanao nanoratra. Tamin'ny taona firy ary inona no anton'ny nanainga ny fanahinao tamin'izany?

Miarahaba anao, Toetra RAJA, ary ianao no isaorana nanasa ahy hitafatafa.
Tany ho any amin'ny 1988 tany aho no tsaroako nanomboka nanoratsoratra. Rehefa tsingerinandro nahaterahan'i Mama dia manoratra tononkalo kely foana aho omena azy. Eny anelanelany eny dia ny fiatombohan'ny anarako no amoronako tononkalo anaovako fanazarana. Taty aoriana, misy fotoana ny tononkalon'i DadaRabe no anaovako fanazarana. Mamaky ny tononkalony aho dia manoratra toy ny hoe valiako indray iny.

Vao avy namoaka boky ianao araka ny voalaza etsy ambony. Azonao hazavaina ve ireo lohahevitra dimy manodidina ny FO izay mivelatra ao amin'ny boky "Anakampoko" ?

Misy lohahevitra dimy tokoa raketin'izy io dia ireto avy : fon-janaka, fo manantena, fo mitia, fo mamoy ary fon-dreny. Rehefa nifantina ireo tononkalo aho dia ireo amin'ny ankapobeny no hitako azo nisokajiana ny tononkaloko. Angamba rehefa hanoratra aho izany dia miteny amin'ny maha-zanaka, na amin'ny maha-reny, na amin'ny maha-olona tia, na amin'ny maha-olona tsy tiana !

Mora ve ny manonta boky any Soeda ?

Mora amin'ny heviny hoe misy maro isafidianana ireo tiana hanontana ny boky. Ny sarany indray arakaraky ny hoe ny fanontana ve no hivarotra hanaparitaka ny boky sa ny mpanoratra.

Ny nandaozanao an'i Madagasikara tamin'ny 2004 ve mety ho nisy fiantraikany tamin'ny firoboroboan'ny aingam-panahinao ?

Eny... noho ny fiainana lalovana, ny taona mihamitombo, ny andraikitra mihabetsaka saingy indraindray tsy mamela foana ny fotoana satria ny mahasoa foana aloha vao ny mahafinaritra.   

Manana tranonkala ianao ary vao avy nanavao izany. Inona no maha samy hafa ny teo aloha amin'ito farany ?

Ilay teo aloha betsaka kokoa ny tononkalo napetrako tao sy nahitana ny sarin'ny fianakaviako sy ankohonako. Ilay vaovao misy pejy fanazavana amin'ny teny frantsay sy soedoa. Izany hoe mbola eo an-dalam-panamboarana azy aho fa eritreretiko asiana lahatsoratra hafa momba ny kanto sy ny asa fanoratana koa ao anatin'izy io rehefa mandeha ny fotoana.

Mirary soa ho an'io tranonkala io ny poetawebs. Misy fomba hafa ve entinao ampielezana ny sanganasanao : gazety, boky hafa manokana na niarahana taman'olona, sehatra sns ?

Io tranonkala io no vao hanombohana azy aloha androany fa alefa miadana eo ihany ny tohiny. Ahoana no nataon'ny mpanoratra zokiny teo aloha rehetra?

Ireo mpanoratra zokiny tany aloha dia tsy mba nanana serasera sy facebbok izay efa ampiasainao. Ny saran'ny famoahana boky koa moa tsy arak'olombelona. Misy ireo mivondrona anaty sehatra isankarazany. Efa niditra tamin'ny fikambanan'ny poeta sy mpanoratra malagasy ve i Lalasoa Berïnson ?

Tsia. Mbola betsaka ny zavatra tokony ianarako amin'io lafiny io... 

Misy fihetseham-po mipololotra ao amin'ny tononkalonao hoe "Maty tia anao". Raha tsy mahadiso, niainanao ve ny zava-boalaza ao ?

Eny, ny ampahany manontolo.

Betsaka Malagasy ve any Soeda, ary misy liana amin'ny haisoratra sy poezia malagasy ve ?

Vitsivitsy ihany ny Malagasy mipetraka eto, saingy ny any akaikin'ny renivohitra azoko antoka fa betsaka kokoa noho ny eto Göteborg aloha. Ny hoe liana amin'ny haisoratra malagasy ve izy ireo, mino izany aho.


Anisan'ireo Malagasy mavitrika mifandray amin'ny Malagasy ao amin'ny facebook ianao. Mametraka diam-penina ao koa ve ianao ?

Eny. Misy tononkalo anankitelo koa angamba ao raha tsy diso aho.

Toy ny mahazatra ato amin'ny takelaky ny tapatapak'ahitra, azonao atao ve ny manonona andinin-tononkalo iray izay matetika miverimberina eo imolotrao ? Tononkalonao na an'ny hafa?

    Tsarovy fa fihodinkodinana
    Ny didy mitondra ny tany
    Fiakarana sady fidinana
    Korontana ambony sy ambany.
     
    Ny ketraka mora mivarina
    Miroraka tonga kanosa.
    Ny potraka nefa tafarina
    Ireny ka olona kosa.


Misaotra anao nampahatsiahy an'izany tononkalon'i Avana Ramanantoanina izay tsy afaka am-bavan'ny Malagasy maro. Ahoana kosa ny fahitanao an'ireo tononkalo malagasy voasoratra ankehitriny?

Tolagaga aho matetika mahita ny harentsika Malagasy : zavatra iray ihany no ambara, ohatra hoe fitiavana, nefa dia samy manana ny fomba kanto anehoana azy. Manan-talenta isika!

Misaotra anao ny tranonkalan'ny poeta malagasy tamin'ireo antsipirihan'ny fanazavana nentinao androany. Mirary soa anao hahavita be eo amin'ny haisoratra malagasy.

Ianao no isaorana ary indrindrindra ireo mpankafy ny tafatafa rehetra.
________________________________
Tranonkalan'i Lalasoa Berïnson
http://www.lalasoa.se/Fifandraisana.html

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×