Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

25 avrily 2018

NY BOKY?

 

  "Ravin-taratasy maro misy sora-printy voatambatra ho iray" hoy RAJEMISA ao amin’ny RAKIBOLANA MALAGASY takila 154. Mirakitra inona àry izany ravin-taratasy maro nisahiranan’ny mpanoratra izany? Mitondra inona ho antsika koa izy izany?

Voalohany, tsy am-pihambahambana no ilazana fa mamolavola antsika ho amin’ny tsara ny boky. Loharanon’ny fandrosoana izy ary tsy hahalala izany fahabadoana izay fatra-pitia azy.

Hoy i Griffine tao amn’ny HETAHETAKO nilaza izany:
“Raha misy fivoarana
Mandrobona malaky:
Ny boky no iakarana
Meteza re hamaky.”

Izany hoe fitaovana ahafahana mampivoatra ny tenantsika ny boky. Noho ny fanatontoloana ankehitriny anefa dia misy ireo olona mihataka amin’ny boky fa sodoka amin’ny zava-baovao isan-karazany. Ny pôety Gaby Kely anefa dia nilaza fa: “Ao ny fahendrena no hita hotarafina.” Mirakitra fanabeazana sy fitaizana tokoa ny boky. Azontsika raisina amin’izany ohatra ny Filôzôfia Malagasy nosoratan’i Antoine de Padoue RAHAJARIZAFY. Boky izay mirakitra ny fahendren’ny razana Malagasy.

Loharanom-pahalalana koa ny boky. Hoy i Hanitr’Ony naneho ny heviny momba izany:
“Ny haren-tsaina izay talaky
Fahendrena ô, azo toky
Ho voka-tsoa avy amin’ny boky.”

Mbola nanamafy izany koa i Gaby Kely nanao hoe:
“sakafon’ny saina
Foto-pahalalana.”

Maro ny fahalalana azontsika avy amin’ny boky. Isan’izany ohatra ny boky fianarana toy ny Lovako, Takelaka Notsongaina, Fary Mamy, sns.

Tsy ny boky fianarana ihany no ahazoam-pahalalana fa na ny amboran-tononkalo sy ny amboaran-tsombintantara ary ny boky hafa koa aza. Ny boky literatiora toy ny amboaran-tononkalo; tantara foronina, amboaran-tsombintantara sns. dia mety hanampy antsika amin’ny fahalalana ny tantaram-pirenena na ny kolontsaim-piarahamonina na koa fahaizana tenim-pirenena.

Mifampitohy amin’izay, firakitra tadidy sy tsangambaton’ny lasa ny boky. Noho izany tsy tokony ho maimaika hamoaka boky noho izany ny mpanoratra raha tsy efa hita tokoa fa efa lavorary sy tomombana tsara ireo hevitra voarakitra ao anatin’ilay ravin-taratasy maromaro. Jerena tsara raha mahaliana, dinihina tsara raha mitondra fanabeazana sy fahalalana ho an’ny mpamaky. Hoy mantsy i Joséclaudio:
“Lova tsara indrindra
Ny boky voarindra.”

Raha tsy ahitana io firindrana io dia tsy atolotra ny mpamaky aloha. Hoy koa i Gaby Kely:
"Fa io dia tsangambato
Na ratsy io na tsara."

Mety ho ny boky voalohany navoakan’ny mpanoratra koa no antoky ny fitohizan’ny fankafizan’ny mpamaky ilay mpanoratra. Noho izany, tokony hikatsaka izay manakaiky ny lafatra izy mba hatolony ny mpamaky fa ireo no mpitsara azy.
Io boky io koa dia fananana sy harena dimbasan’ny fara aman-dimby. Hoy Randrianihasimanana Lova:
“Ny singa mandrafitra ny tahirin-kevitro
Navadiko ho boky holovain-jafy.”

Noho izany izahay eto amin’ny Pôetawebs dia mamporisika antsika hatrany hamaky boky fa io no fahavalon’ny habadoana sy sompitry ny fahalalana. Amporisihina koa isika pôety sy mpanoratra rehetra hanao tsara kaly ny boky avoakany ho tena mpamolavola mahasoa tokoa.

Nangonin'i Heriarilala Ratsimbazafy


Loharano nanovozan-kevitra
- Griffine. 2012. "Hetahetako", Antananarivo

- Gazety Valiha (Havàtsa-Upem), laharana 266

Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 06/05/2018

×