Hiredareda poezia indray ny tapany avaratry ny faritra Vakinankaratra afaka andro vitsy. Hotanterahina ny sabotsy faha-31 janoary 2026 ho avy izao ny seho izay nampisalorina ny anarana AFONAKANGA. Eo an-tokotany malalaky ny lapan'ny tanàna Ambatolampy no handrehetana ny afo amin'io. Hetsika izay karakarain'ny Akanga Tsara Soratra sampana Ambatolampy moa izy ity. Hanomboka amin'ny valo ora alina ny fotoana ary tsy hitsahatra raha tsy ny ampitso marainan'ny 1 febroary. Harehitra eo afovoan'ny tokotany ny afo hodidinin'ireo mpiangaly soratra sy mpankafy ary ny mpanotrona rehetra. Hifandimbindimby amin'izany ny tononkalo, hira, tafatafa miaraka amin'ny tsakitsaky isan-karazany. Handrasana amin'io ny fahatongavan'ireo mpanoratra mpifanolobodirindrina avy eo amin'ny faritra manodidina tahaka an'Antananarivo, Antsirabe, sy Vakinankaratra manontolo.
Marihina fa ho avy hanotrona sy handray anjara amin'io fotoana io ny Akanga Tsara Soratra avy ao amin'ny foibe ary hankalazaina ny antoandron'io daty io ihany ny fifampiarahabana tratran'ny taona vaovao 2026 ho an'ny Akanga Tsara Soratra rehetra.
Tiana ny mampahatsiahy fa vao nijoro ny 21 desambra 2025 lasa teo ny Akanga Tsara Soratra sampana Ambatolampy ary i Orima Andrilalaina no mpitantana any an-toerana.
Faniry Ezeckiel - Poetawebs
• Hirehitra ao Ambatolampy ny afonakanga
• Hirehitra ao Ambatolampy ny afonakanga

