"Ny Poeta indrindra no fantsom-panovana ny tontolo bobongolo", izany teny izany no voizin'ny Poetawebs mandritra ity taona 2026 ity mba hisarihana ny olona hanova toe-tsaina. Mety hisy halaim-panahy hihevitra angamba fa sarotra tanterahina izany. Mamaly izany indrindra i Hery Rakotonirainy amin'ny hoe:


Ny poeta indrindra
Miezaka mandrindra
Ho fantsom-panovàna
Ny làlana ombàna
Manova ny tontolo
Ilay zary bobongolo
Hanjary hiova volo
Voajary sy voakolo
Ny poeta akory
Tsy olona mpitory
An'efitra mangina
Na olona variana
Sy lasalasa saina
Fa olona miaina
Ny hay sy ny tsy fantatra
Mifono ankamantatra
RIANALY