Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

10 mey 2018

"PENINA", tononkalon'i Toetra Ràja, nofakafakain'i Lalasoa Berïnson
Nivoaka tao amin'ny tranonkalan'i Lalasoa Berïnson tamin'ny 06 mey 2018. Misaotra azy ny Pôetawebs nanome alalana ka nahafahana mampiely azy eto.

Endrey izany hakanton’ny tononkalo izay hofakafakaintsika anio, tononkalon’i Toetra Ràja, poeta miangaly ny rafitra “teny fohy isan’andalana”.
Ny tononkalo dia miresaka ny fahatapahan-kevitra hanambara ny ao am-po sy ny ao an-tsaina. Eny, na ny miafina indrindra tsy ho voaresaky ny molotra aza, dia azo antoka fa haboraky ny “penina” eny ihany. Asehony fa tsy misy hanakana azy tsy hanoratra, na fisaonana, na hamoanana, na fahosana sns. Rehefa mavesatra sy mafonja tokoa ny mihatra amin’ny tena ara-batana, izany dia mety ho sakana lehibe tsy mahate hiloa-bava akory.

 

PENINA

Na hisaona
aho rahavako,
ho moana
koa ny vavako,
ary ho osa
ny famindra...
mbola hisosa-
sosa indrindra
izato penina
ilazany
ireo afenina
eto an-tany.

Toetra Ràja
05 novambra 2013
Miady rima ababcdcdefef ny tononkalo ary ny andininy tokana nandrafetana azy dia tsotra sy mazava, tsy be safary sy mivantana amin’izay hiantefany, “rahavako”. Ny olona antsoina hoe “rahavako” dia olona akaiky ny tena, olona mora amborahana ny ao anaty. Koa na eo aza ny antony maro mety hanakana ny molotra tsy hiloaka, dia hahita fomba hafa hamoahana izay miafina sy “afenina” foana ny tena. Noho ny antony iray na hafa, na noho “rahavako” ihany aza, dia hikorisa ny "penina", hakorisa, hasosa hilaza izay tokony hambara.

Tsy milaza toerana sy fotoana nitrangan’ny resaka ny tononkalo. Izany dia mahatonga ity tononkalo ity handaitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra, n’aiza n’aiza ary na rahoviana na rahoviana ahatsapana tohitra tsy ahafahana milaza ny ao am-po mangina. Ny “penina” no ho vava miteny sy mibitsika ny lalina indrindra tsy vita hotovozina. Ny “penina” no tsy hihambahamba hisosa rehefa tsy afaka mamindra intsony.

Ny fanontaniana manitikitika ny saiko ihany eto am-pamaranana dia ny hoe: inona àry ny hafatra tian’ny mpanoratra hambara amin’ny alalan’ny tononkalo? Azo raisina hoe manome toky izy, nefa azo adika koa hoe mampitandrina. Na ahoana na ahoana, noporofoin’ny mpanoratra tokoa fa nisosa ny penina ary nahasoratra boky mihitsy aza. Efa anananao ve ny bokin’i Toetra Ràja Tiako, tiako foana? Ny fitiavana manoratra tokoa no misesika mahatohitra izay mety ho sakana rehetra.

Lalasoa Berïnson

Loharano: http://blaogy.lalasoa.se/#post105

 

Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 11/05/2018