Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

15 mey 2017

Pôetawebs 2017

13 mey 1972 - 13 mey 2017
André Rakotondranaivo sy ny fanagasiana

45 taona taty aorian'ny hetsika, mbola mitohy ny adihevitra momba ny fanagasiana. Mihodinkodina tsy mahita lalan-kivoahana ny Malagasy. Namosaka ny heviny manokana tao amin'ny tranonkala Poetawebs (Oktobra 2015) i André Rakotondranaivo, mpampianatra sady poeta, tamin'ny alalan'ireo fanontaniana napetrak’i Toetra Ràja.

Vao tamin'ny sabotsy teo no nitsingerina ny faha 45 taonan'ny tolom-bahoaka 13 mey 1972 ka nampirodana ny fitondrana tamin'izany. Anisan'ny notakiana ny fiverenan'ny fiandrianam-pirenena amin'ny alalan'ny fahaleovantena "tena izy" ka nametrahana ny fanagasiana teo amin'ny ivon'ny fitakiana. Nohenoin'ny mpitondra vaovao ny hetahetan'ny mpitolona ka nirosoana ny politikan'ny fanagasiana ny fampianarana. Niteraka adihevitra tsy mbola vita hatramin'izao anefa ny fampiharana azy. Nitranga nihemotra toy ny lelon-jaza ny fanagasiana satria mbetika nofoanana, mbetika niverenana, arakaraka ny safidy politikan'ireo mpitondra nifandimby.

Maro ireo anarana tokony tsy hohadinoina amin'ny fanagasiana fa andeha hotsongaina manokana ry E.D. Andriamalala noho ilay bokiny "Ny fanagasiana" (1974) sy André Rakotondranaivo, loharano nipoiran'ny bokim-pampianarana maro tamin'ny teny malagasy, ary hatramin'ny niantombohan'ny fanagasiana mihitsy.

Namosaka ny heviny manokana tao amin'ny tranonkala Poetawebs (Oktobra 2015) i André Rakotondranaivo, mpampianatra sady poeta, tamin'ny alalan'ireo fanontaniana efatra napetrak’i Toetra Ràja.

______

Toetra Ràja. Azo ampahatsiahivina eto ve ny nahatonga anao hanoratra boky?

André Rakotondranaivo.

Tsoriko fa tena fitiavana ary adidiko amin'ny fireneko ny nahatonga ahy hanoratra boky, indrindra ho amin'ny fampianarana. Rehefa nitaky ny fanagasiana ny fampianarana eto Madagasikara mantsy ny Mpianatra, notarihin'ireo zokiny teny amin'ny Anjerimanontolo, tamin'ny taona 1972, dia neken'ny fitondram-panjakana tamin'izay ny maha-rariny izany ka dia notanterahina. Izao anefa no olana: ny Mpampianatra nilaza fa tsy nofanina hampianatra teny malagasy, ary marina tokoa izany. Ny boky hoenti-mampianatra koa tsy nisy rahateo. - Koa ny tenako izay nampianatra tany Antsirabe tamin'izay fotoana izay no anisan'ny voaantso ho aty Antananarivo hamolavola ny fandaharam-pianarana. "BEP-OTEP" na "Bureaux d'Etudes de Programme" no anarana nomena anay tao amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazana tamin'ny taona 1973.

Na dia navesatra sy sarotra aza ny adidy, dia izaho no nanana fahasahiana hamoaka boky voalohany indrindra ho amin'ny fampianarana ny teny malagasy. Ataoko fa nisy taminareo no nampiasa ny boky natao hoe "Kajy Fototra" sy ny "Fiarahamonina" ary ny "Fahalalana Tsotsotra".

Toetra Ràja. Nampiasainay tany amin'ny T4 sy T5 tokoa izy ireo fa misaotra. Araka ny hevitrao, inona no mety ho fomba mahomby hanohizan'ny mpikaroka ankehitriny an'io fanagasiana io?

André Rakotondranaivo. Inona no atao hoe "mpikaroka ny fanagasiana" ? Moa tsy ny mpikambana ao amin'ny Fizarana "Haikanto sy Hailaza" amin'ny Akademia Malagasy" sy ny mpikambana amin'ny "Havatsa/UPEM" ve ? Ary ampiako koa ny Mpampianatra teny malagasy rehetra, na amin'ny Ambaratonga Faharoa, na amin'ny Ambaratonga Ambony, tsy mpikarama fa mpankafy ny Tenindrazana malagasy.

Matoa mikororosy fahana ny Teny malagasy ankehitriny dia noho ireto antony telo ireto:

- tsy miray hina ny Mpampianatra teny malagasy amin'ny Ambaratonga rehetra hanohy ny fanagasiana ny fampianarana.

- noho ny fibosesehan'ny teny vahiny be loatra eto amintsika, dia mahery vaika ny an'ny mpanam-bola ka imatimatesan'ny Tanora ny fianarana azy. Tsara izany saingy ny an'ny tena no tokony ho andrianina ary ny an'ny hafa tokony hofehezina tsara satria Nosy ny Tanintsika ka be vahiny, izay tsy tokony hanambaka antsika!

- ny mampalahelo dia ataon'ny Tanora vao misondrotra "valalan'amboa, ka ny tompony aza tsy tia" ny Teny malagasy.

Koa araka ny hevitro dia tokony hiray hina, samy hankafy ny Tenindrazana ny Mpanabe rehetra. Tokony hampianarina ny Tanora ho tia Tanindrazana (fanabeazana izany) fa efa Firenena lehibe anie izany misy mponina 20 tapitrisa mahery izany e, ary ny Firenena mandroso rehetra dia samy mampiasa ny tenin-drazany avokoa, (ny Arabo, ny Àngilisy, ny Frantsay, ny Sinoa sy ny sisa) ary ireo vahiny dia tokony hahay miteny malagasy vao azo ekena hipetraka eto (Misionera, Diplômaty, Mpandraharaha...). Ary farany tokony hatao teny malagasy daholo ny fifanekena amin'ny vahiny, ny lalàna eny amin'ny Tribonaly sy ny lalàm-panjakana misy rehetra amin'izay dia hirehareha amin'ny maha-Malagasy azy ny Tanora! Izany no hisian' ny tena fiandrianam-pirenena marina mba tsy hotsabatsabahan'ny firenen-kafa ny atao eto Madagasikara. Tokony ho sarotiny koa ny Fanjakana amin'ny fampiasana ity "SMS" ity, fa ao no tena ahitana ireo fanimbana ny teny malagasy, ka tokony harovana sy hosazina izay manao izany. Manahy aho fa aoriana kely ao dia hanjary hisy "créole-gasy" koa eto Madagasikara: ho levona tanteraka ny Teny malagasy. Enga anie tsy ho tonga amin'izany ity Nosy malalantsika ity!

Toetra Ràja. Mbola betsaka ve ireo asa maika miandry ireo mpikaroka bokim-pianarana amin'izao fotoana izao?

André Rakotondranaivo. Raha tena maika ny fampandrosoana ny toe-karen'ny Malagasy, dia tsy latsa-danja amin'izany ny asa miandry ireo mpikaroka sy mpanoratra bokim-pianarana amin'izao fotoana izao!

Mibosesika eto amin'ny Nosintsika mantsy ny teny vahiny ankehitriny ka ifanotofana ny fianarana azy ireny, ary mila ho hadino na tena ilaozana mihitsy aza ny "Teny malagasy" ka tonga amin'ny fitenenana hoe : "Valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia"! Ny an'ny tena tsy hay, ny an'ny hafa tsy voafehy, satria mihinam-bary amin'akotry amin'izay. Raha mihinana "vary amin'anana" mantsy dia mety ihany fa mbola andrenesana tsiro izany, fa ny "amin'akotry" dia tena mankarary vavony mihitsy.

Noho izany dia maika tokoa ny asa, betsaka ny mbola hatao, mba tsy amin'ny alalan'ny fitenenana no anasan'ny vahiny ny atidohan'ny tanorantsika, eny, ny Malagasy manontolo mihitsy aza.

Koa ireto araka ny hevitro no azoko omena ny mpikaroka sy ny mpanoratra bokim-pianarana ankehitriny hisorohana izany loza mitatao izany:

1)- Tokony homena lanja ny fampianarana ny "Teny malagasy" any am-pianarana. Tsy midika akory izany fa hatao an-tsirambina ny teny vahiny, fa toy izay ataon'ny Firenena hafa rehetra : Arabo, Sinoa, Anglisy, amin'ny fanabeazana ny taranany amin'ny "tenin-dreny" koa.

2)- Tokony hogasiana tsotra izao araka ny fanononana efa mahazatra ny olona ireo teny vahiny fampiasa andavanandro : Ohatra:

la table (fr.) = latabatra ;
chaise (fr.) = seza ;
moteur (fr.) = môtera ;
fête (fr.) = fety ;
total (fr.) = tontaly ;
volcan (fr.) = volkano ;
tar (angl.) = tara (godrao) ;
geese (angl.) = gisa ;
cement (angl.) = simenitra ;
cigar (angl.) = sigara ;
slate (angl.) = solaitra ;
carpet (angl.) = karipetra

3)- Ny teny frantsay miafara amin'ny "ie" raha gasiana dia tokony ho "ia" no hanoratana azy, na anarana io, na siansa io, na matematika io, mba tsy hanahirana ny mpianatra na ny olona ny fitadidiana azy na ny fampiasana azy, saingy ilain'ny mpanoratra bokim-pianarana, na ny mpikaroka, na ny mpampianatra ny manazava ny hevitr'ilay teny, fa tsy omena anarana vaovao.

Ohatra :

Géographie = Jeografia;
Philosophie = Filôzôfia;
Géométrie = Jeometria;
Trigonométrie = Trigônômetria

Toetra Ràja. Momba ny fanagasiana ny fampianarana ve nety ho nisy paik'ady tsy nifandraika tamin'ny fiaraha-monina tamin'ny fotoan'androny ?

André Rakotondranaivo. Azo lazaina ho kihon-dalana teo amin'ny fiainam-pirenena malagasy tokoa ny taona 1972, izay nitakian'ny mpianatra ny hanagasiana ny fampianarana. Tsy ny fomba fampianarana amin'ny teny malagasy ihany anefa izany, fa ny fampianarana ny fomban-drazana, ny kolontsaina, ny tenin-dreny, ny lalàna eny amin'ny tribonaly, ny asa aman-draharaha, ny fitaovana, fa leon'ny fandaharam-pianarana ataon'ny frantsay ny olona, mbamin'ny kolontsaina vahiny.

Faly ny ankabeazan'ny olona satria maneho ny fiandrianam-pirenena ny fanajana ny tenin-drazan'ny tena. Nahoana tokoa moa ireo firenena hafa toy ny Arabo na Sinoa na Frantsay sy ny hafa no tsy mindrana ny tenin'ny firenena hafa hampianarana ny zanany? "Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha!" hoy ny fahendrena Malagasy.

Nisy koa anefa ireo vitsivitsy no tsy faly tamin'ny fanagasiana ny fampianarana. Tsy azo entina mianatra na miasa any ivelany hoy izy ireo ny teny malagasy fa firenena kely ny Malagasy.

Tsy nahakivy ny fitondram-panjakana tamin'izany fotoana izany anefa izany dia ny Repoblika II, ka nanangana ny "B.E.P." (Bureau d'Etudes de Programme" na koa ny "OTEP" (Organe Technique d'Elaboration de Programme" izy hanatanterahana ny fanagasiana ny fampianarana. Tamin'izay dia nisy taratasy voarain'ny "BEP-OTEP" nanao hoe : "Malgachisation veut dire Mernisation!"

Nandefa iraka tany amin'ny Faritany rehetra teto Madagasikara ny "BEP-OTEP" hanazava sy hanentana fa hahasoa antsika ny fanagasiana amin'ny lafim-piainana rehetra. Nitsangana ny mpiofana iray nilaza fa izy no nanoratra ilay taratasy. Nanambara izy fa "tsy fankahalana foko akory no nataony, fa tsy misy boky azo ampiasaina amin'izany satria nofanina hampianatra amin'ny teny frantsay ny mpampianatra malagasy ary tsy fisakanana ny fanagasiana izany. Ary tsy antony pôlitika koa akory no nanaovany izany taratasy izany". Noho izany no antony nampalaina azy amin'ny fanagasiana ny fampianarana.

Koa rehefa tafavory ny mpanofana rehetra tao amin'ny "BEP-OTEP", dia nanapa-kevitra fa hamoaka boky fianarana amin'ny teny malagasy, ka izay afaka hanao izany dia amporisihana tokoa. Ny tenako no lohalaharana amin'ny famoahana boky fianarana ho an'ny S.F.F. (Sekoly Fanabeazana Fototra), toy ny "Fianarana manoratra teny malagasy" ; ny "Kajy Fototra" ; ny famakian-teny atao hoe "Malagasy tokana" - ny "Fahalalana tsotsotra" sy ny sisa, izay nankasitrahan'ny Mpampianatra sy ny Ray aman-drenin'ny mpianatra tokoa. Voambolana niarahan'ny mpampianatra mpikambana notsongaina avy tamin'ny Faritany rehetra eto amin'ny Nosy no nampiasaina fa tsy hevitr'olon-tokana.

Nony nivoaka ny boky dia nisy ny fanakianana mivaivay nilazana fa tsy mety ny fanagasiana satria misy voambolana tsy fampiasa, fa teny ratsy amin'ny faritra sasany eto amin'ny Nosy. Ho vahaolana dia navoaka ny boky natao hoe "Malagasy iombonana", niarahan'ny mpikambana amin'ny "BEP-OTEP" nandinika.

Nampalahelo fa na dia nanezakezaka aza ny tao amin'ny Ambaratonga voalohany, dia nikatso tao amin'ny Ambaratonga faharoa satria tsy nisy ny boky hampiasaina. Na dia tsy nofoanana aza ny fianarana teny frantsay, dia variana nianatra teny malagasy ny mpampianatra, ka zary toa natao an-tsirambina ny fampianarana ny teny vahiny. Ankoatra izany koa dia lasa Minisitry ny fampianarana ny lehilahy iray nanambady vazaha frantsay, izay namporisika ny vadiny hanafoana io fanagasiana io, ka dia naverina indray ny fampianarana amin'ny teny frantsay. Ny S.F.F. naverina ho E.P.P. (Ecole Primaire Publique). Nomena fanampiana (subvention) ny Sekoly tsy miankina mampianatra amin'ny teny frantsay, ka nifandrombahana tokoa ny hampiana-janaka tamin'ireny!

Izany no paik'ady nampiasain'ny mpanjanatany sy ny mpanaraka azy hanafoanana ny fanagasiana ny fampianarana. Tsy mbola tafarina izany hatramin'izao andro izao, ka lasa vary amin'anana ny tenin'ny zatovontsika. Ny vary amin'anana aza mbola misy tsirony ihany, fa lasa "vary amin'akotry" mankarary vavony mihitsy.

Ho tafaverina ary ho ela velona anie ny Tenindrazantsika!

______

FEHINY

Ampahany tamin'ny tapatapakahitra nifanaovan'izy mianaka io naroso io ary azontsika atao tsara ny mamaky azy manontolo ao amin'ny Poetawebs, efitra tapatapakahitra, misy lisitra ahitana ny anarana hoe AéRa (André Rakotondranaivo).

45 taona taty aorian'ny hetsika, mbola mitohy ny adihevitra momba ny fanagasiana. Mihodinkodina tsy mahita lalan-kivoahana ny Malagasy. Efa an-taonany maro sahady izao no nanovana ny SFF ho EPP. Tafaverina ve ny tena fiandrianam-pirenena? Nisondrotra ve ny fari-pahaizan'ny mpianatra araka ny hetahetan'ireo namingana ny fanagasiana?

"Nirodana teo
ilay fanagasiana,
na dia tsy leo
ny olo-mangina!

Aiza ho aiza
ny firaisan-kina
rehefa mitaiza
ny eso sy kiana?
"

Toetra Ràja

Mety ho nisy tsirambina sy tandrevaka ny fomba nanatanterahana ny fanagasiana. Raha misy finiavana vaovao hamerina ny fiandrianam-pirenena amin'ny alalan'ny tenin-drazana dia tsara raha ifanarahan'ny rehetra izany amin'ny alalan'ny fifampiresahan'ny samy Malagasy.

"Eo amorom-patan'eo, ny fo toro aninkeheo, voavinda ka nisaona... dia hisinda raha mihaona amin-dresaka mafonja, mampitresaka ny fonja."

(...)

"Na dia hoe
mahasanganehana,
aleo re
hifanatrehana
eo imaso
mba hazava,
fa ny andraso
andraso lava,
mampitresaka
ati-doha..."

Ka ny RESAKA
aloha
no hamahana
ny rehetra,
fa hadalana
ny herisetra"

(...)

Toetra Ràja
in TIAKO - TIAKO FOANA! p126

"Tsy miray hina ny Mpampianatra teny malagasy amin'ny Ambaratonga rehetra hanohy ny fanagasiana ny fampianarana", hoy i André Rakotondranaivo.

Efa voalazan'i Emilson Daniel Andriamalala ny mety ho antony: "Satria ireo lehibebe... tsy nisaina izay hampisondrotra ny mpiray foko aminy, fa ny niray petsapetsa tamin'ny vahiny mpangoron-karena." in Ny fanagasiana, 1974, p. 22.

Mbola ny nofinofiny ihany anefa no nantefany tany amin'ireo avara-pianarana Malagasy manao hoe: "Mifantoka eny amin'ny manam-pahaizana vokatry ny taniny ny mason'ny Malagasy tsivakivolo... Angamba aza tsy ny mason'ny Malagasy ihany, fa ny mason'izao tontolo izao koa." (p. 59)

Mpianatra teny amin'ny anjerimanontolo no loharano nipoiran'ny tantara. Nanao ny ainy tsy ho zavatra izy ireo satria nisy ireo nalefa sesitany, 40 no lavo teo amin'ny lapan'ny tanànan'Antananarivo. Nanana hazon-damosina sy fanamby tokoa izy ireo fa tsy nanaiky ho voarebirebin'ny tolotra vita paika tsy mifanaraka amin'ny toe-panahy maha Malagasy sy ny kolontsain'ny Malagasy.

Toetra Ràja

www.lakroa.mg

poetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

×