"Ny Poeta indrindra no fantsom-panovana ny tontolo bobongolo", izany teny izany no voizin'ny Poetawebs mandritra ity taona 2026 ity mba hisarihana ny olona hanova toe-tsaina. Manamafy izany i Il'Aina Herinandrasana amin'ny hoe:
Miaboa
fisaina fa ny olona miiba fisaina dia tsy vitan'ny manimba ny tenany fa
mandò ny fiarahamonina misy azy.
Vaovao ny taona. Ny taona nivalona dia zana-tohatra voadingana. Koa na
toy inona na toy inona endriky ny lasa dia mampianatra, mitondra
lesona, manefy hatrany ireny. Amin’izao andron’ny firimorimoana izao
dia hita fa mitady ho faninin’ny sangodim-piainana ny olona hany ka tsy
mahita izay hodiavin’ny tongony. Na ny sainy aza dia tafalatsaka anaty
honahonan’ny fiibana. Ny olona miiba fisaina anefa dia tsy vitan’ny
manimba ny tenany fa mandò ny fiarahamonina misy azy.
Rehefa ny fisainana miiba no mameno ny fiainan’ny olona, izany hoe
tototry ny fanahiana, feno fisalasalana, rakotry ny tahotra, temerin’ny
tsy fahatokisan-tena izy, dia mihitsoka ny fiainany, izay rehetra
manodidina azy dia lasa olana avokoa. Vokatr’izany, sarotra ho azy ny
hivoatra sy hampivoatra ny fiainany. Tsy ny tenany ihany anefa no
voafatotr’izany fomba fisainana izany fa mipaka any amin’ny
fiarahamonina mifampikasoka aminy izany. Lasa mpanatsatso ireny olona
ireny, mpitsikera tsy mitondra fanatsarana fa fandravana na sakana tsy
hanombohan-javatra. Dia miaraka mihitsoka aminy ao ny rehetra raha tsy
manana saina mandanjalanja.
Fa rehefa ny fisainana miabo kosa no tafina, izany hoe ny fananana
lamina maty paika, ny herim-po, ny fahavononana, ny fikirizana, ny
fitozoana ombam-panantenana izay ravahan’ny fahatokisan-tena, dia
mihodina mora ny fiainana, toa mikisaka mora any amin’ny fahombiazana
izay atao. Raha miampy ny finoana an’Andriamanitra izany, moa misy
zava-mahagaga izay tsy ho vitany tokoa va? Teny fohy fa mafonja no
lakilen’ny fahombiazana:
VITAKO IO.
VITANAO IO. VITANTSIKA IO. ANATY FISAINANA MIABO!

