Heverin'ny fiarahamonina ankehitriny fa faralahin'olona ny poeta ka tsy omen-kasina na aiza na aiza iseharany. Maro aza no manaraby azy ireny amin'ny eson-teny mandratra sofina. Mifanohi-kevitra amin'izany anefa ny ambaran'i RIANALY ao amin'ny tononkalony navoakany tao amin'ny taria tanatin'ny rantin'ny tranonkala Poetawebs ny 19 janoary 2026 mitondra ny lohateny hoe "POETA". Aharihariny fa manana ny anjara toerany eo anivon'ny fiarahamonina ny poeta. Hamahavahana izany dia hambara mialoha ireo fomba fijerin'ny fiarahamonina ny poeta. Ny andraikitry ny poeta kosa no avohitra aorian'izay. Ezahina hovelabelarina mifanesy ireo fizarana roa miavaka tsara ireo.
*
* *
Fijery miiba hatrany no andinihan'ny mpiara-monina ny poeta. Olona
adala, tsy ampy fiheverana no basy atifitra ireo mpiangaly tononkalo ka
ilazan'ny mpanoratra hoe:* *
"olona mpitory
an'efitra mangina".
Ny olona very fanahy no miteny irery sy tsy mihaino satria toy ny fehezanteny tsy tonga volana na rediredy tsy hay faritana no ambarany. Sary tahaka izany no ampitahan'ny manodidina ny toetran'ny poeta izay milaza ny zava-misy iainana. Misy aza dia mitsara ivelany azy ireny ka ambarany fa noho ny zava-maha domelina noraisiny dia lasam-borona sy mitoka-monina izy ireny. Porofon'izany ny hoe:
"Na olona variana
Sy lasalasa saina"
Tsy azo dinihina imaso avy hatrany ny olona iaraha-miaina fa tsara indrindra raha tomorina akaiky ny tontolo ivelarany.
Raha hita teo ny fijerin'ny mpiara-belona dia andeha hasongadina fa olombelona tompon'andraikitra ny poeta.
Ireny toetra amam-pihetsiky ny poeta eo amin'ny andavanandro ireny dia mifono hevi-dalina entina andaminana ny fiainam-piarahamonina efa miharava. Hoy indrindra ny kalo:
"Miezaka mandrindra
Ho fantsom-panovana".
Ny angalin-tsoratry ny poeta no vatsy sy fitaovana mamatsy ny rehetra ho amin'ny fanavaozana toe-tsaina.
Ankoatra izany dia mahatsiaro manana adidy ny poeta hamohitra ireo tsy voalazan'ny besinimaro ka manoro sy mitari-dalana ny amin'ny hoavy tokony hobanjinina:
"Fa olona miaina
Ny hay sy ny tsy fantatra
Mifono ankamantatra".
Mitovy amin'ny olon-drehetra ihany araka izany ny poeta; fa ny hakingana ananany no ahafahany maneho imaso izay tsy takatry ny fiaraha-mivelona.
*
* *
Hita tamin'ny famelabelarana natao fa tsy olom-poana ny poeta fa olona
miavaka. Na ny fihetsiny na ny fijeriny na fomba fanorany dia midika
hevitra mahasoa ho an'ny mpiara-belona. Ny akon'ireny any amin'ny
fiorenan'ny foto-pisainana vanona no andrasana hampandroso ny tontolo
ivelaran'ny maha olona.* *
Poeta, tononkalon’i Rianaly
Fanadihadian’i Tsikimilamina Rakotomavo - Poetawebs
Fanadihadian’i Tsikimilamina Rakotomavo - Poetawebs
