Fantaro i JJ Rabearivelo

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja

15 marsa 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

Rô Andriamaneva, sary nomeny an'i Toetra Ràja Fantaro i
Jean-Joseph RABEARIVELO
(1901 - 1937)
Poeta
Mpanoratra
Akademisianina

— Fandalinan'i Tsikimilamina Rakotomavo 

Hoy Rabearivelo tao amin’ny Fandrosoam-baovao lah. 3 ny 19 septambra 1931 raha nieritreritra ny hanangona ny haren-tsaina malagasy isam-paritra : ”mangataka indrindra ny mpanoratra any an-tsiraka aho mba hanangona sy handika ny fitenintsika izay tonon-kira aman-kalo tanindrana mety ho hitany ary handefa azy aty amiko.”

Teraka ny 4 marsa 1901 tao amin’ny Hopitalin’ny Dokotera Villette tetsy Isoraka  i Joseph-Casimir Rabearivelo. Io anarana io moa no nasalotra azy fa izy no nanova azy ho Jean-Joseph Rabearivelo taty amin’ny taona 1924. Ambatofotsy Avaradrano no niaviany.
Nanambady lehilahy mpanjaitra Rabozivelo reniny tamin’ny fahatanorany ary tsy niteraka afa-tsy tokana monja dia i J.-J. Rabearivelo. Manaporofo ny fitiavana niredareda teo amin’izy ireo izany.
Anisan’ny firazanana nanana ny tantarany teto Imerina ny Zanadralambo niaviany. Ankohonana isan’ny hajain’io firazanana io ny loharano nipoirany avy amin’ny reniny dia Andriambelo izay Mpitandrina tao Anatirova sy Amparibe. To teny tamin’ny Mpanjaka sy Praiminisitra ary reharehan’ny Malagasy Kristiana izany lehilahy izany. Tany Ambatofotsy tanindrazany no nitaizana azy.
Niditra nianatra tao amin’ny Sekolin’ny Frera tao Andohalo i J.-J. Rabearivelo  raha vao 5 taona monja ary nanohy tao amin’ny sekoly Flacourt Faravohitra. Taorian’izany dia nianatra tao amin’ny kolejy Saint-Michel Amparibe izy. Teo amin’ny faha 13 taona anefa dia naato tamin’ny fianarana ary nandao ny sekoly ny tovolahy. Nampiana-tena izy nanomboka teo nefa dia nigagan’ny olona ny zava-bitany.
Maro ireo asa nosahaniny : mpandika teny, mpitantsoratra tao amin’ny faribohitra Ambatolampy. Efa niandraikitra ny trano famakiam-bokin’ny Faribolan’ny  fampiraisana ary efa mpiasa tao amin’ny tranoprinty Imerina i J.-J. Rabearivelo. Ankoatra ireo dia nanao sary an-tanana fanao amboradara ihany koa izy. Tsy nisy resaka diplaoma na sekoly ambony niofanana ny lehilahy fa notefen’ny fiainana sy vakiboky hatrany.
Nanambady an-dRabako Marguerite zanaky Razafitrimo mpaka sary malaza izy ny 1926. Dimy mianadahy no naterak’izy ireo dia i Solofo, Sahondra-Rabako, Voahangy (izay maty mbola kely), Noro, Velomboahangy.

J.-J. RABEARIVELO NISETRA OLANA
Maro ireo lalan-tsarotra niaretan-dRabearivelo teo amin’ny fiainany :
- Fahadisoam-panantenana teo amin’ny zava-maro nampanantenaina azy
- Fahasarotam-piainana teo amin’ny fitadiavana
- Fahafatesan’ny zanany vavy
- Sohika izay aretina nitaiza azy (asthme)
- Tsy firehan’ny olona loatra tamin'ny tari-tsaina vaovao ho an’ny Pôeta malagasy

J.-J. RABEARIVELO MANINGANA
Tena nanao ho anton-draharaha ny fanoratana mihitsy J.-J. Rabearivelo fa tsy nitsapatsapa na nanao izany ho fanalana andro fotsiny.

Maro mpahalala izy noho ny fanandratany avo an’i Madagasikara teo anivon’izao tontolo izao. Mitory fahasahiana ara-tsaina izany nataony izany satria tao anatin’ny vanimpotoana nanosihosena sy nanapempoan’ny hafa antsika Malagasy. Hita taratra hatrany am-pitan-dranomasina ny velovelom-po, ny vetsovetson-tsaina amam-panahy atosany amin’ny sorany. Maro ireo tononkalony no efa nadika tamin’ny teny frantsay, Sinoa, Japoney, Romaniana, ary Tsekoslovaka...

Mpampianatra tamin’ny oniversite samihafa toy ny tany Amerika, Frantsa, Soisa no nandalina ny asa sorany ary nampita izany tamin’ireo mpianany avy. Nisy tahirin-kevitra mihitsy aza navoaka izay nitantara fohifohy ny pôeta amin’ny teny frantsay  ka nampitondrainy ny lohateny hoe : ”Representative French Lyrics”.
Indray taona dia nisy fivorian’ny fikambanana malaza niombonan’ny pôetan’izao tontolo izao tany Vincennes. Nandritra izany no nanomezana anarana sy andraikitra mankadiry an-dRabearivelo ho filohan’ny foiben’ny Hirakanto aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana sy ny nosy manerantany. Nahatalanjona azy fatratra izany fanendrena goavana izany.
Isan’ny manavaka ity pôeta ity ny toetrany izay tsy dia rototra loatra. Rehefa misy fivoriam-pianakaviana ohatra dia maka zorony ary mamaky boky hatrany izy. Rehefa mamaky tononkalo kosa anefa izy dia mahavariana ny mihaino ny feony miakatra sy midina toa mangovitra na mihararetra. Mpanoratra ngezalahy Rabearivelo eo amin’ny sehatry ny haisoratra malagasy. Tsy dia miankina loatra amin’ny halavan’ny andro iainana no maha ngeza na tsia eo amin’ny seha-pitolomana.
Maningana mihitsy Rabearivelo raha mitaha amin’ny mpanoratra namany. Hafa tahaka izany ihany koa ny fialany teto an-tany ny 22 Jona 1937.

Rô Andriamaneva, sary nomeny an'i Toetra Ràja
J.-J. RABEARIVELO NANOVA LALA-MASAKA
Nokendren-dRabearivelo ny fitadiavana ny very amin’ny maha iray amin’ireo mpitarika ny fironan-tsaina "mitady ny very" azy. Tanjony tamin’izany ny :
  • Fanairana ny saim-bahoaka izay rendrika tamin’ny zavatra nampiharin’ny vahiny.
  • Fampahafantarana ny olona fa manana ny maha izy azy ny riba malagasy ary tsy latsa-danja raha mitaha amin’ny hafa
  • Fitodihana amin’ny fiandrianam-pirenena
Tian-dRabearivelo haposaka amin’ny tanora fa malalaka ny habakabaky ny literatiora ary fomba maro no hanandratana azy ireny. Tena mpialoha lalana sy mpisava lalana ho an’ny taranaka aty aoriana izy eo amin’ny fanomezana hasina ny an’ny tena, dia ny teny malagasy. Koa niezahany nadika tamin’izany ny teny hoe "poesie". Nalainy avokoa ireo fitenim-paritra mety ho azo handikana azy toy ny :
  • Tonon-kira amin’ny  fiteny Merina
  • Ventin-kira amin’ny Sihanaka
  • Andravana amin’ny Betsileo
Teo amin’ny vanimpotoana nampalaza ny  fitondrana anaram-bazaha no nisehoan-dRabearivelo ho tena Malagasy. Koa raha nisalotra anaram-bazaha ny  zanaky ny olona tamin’ny androny dia nohaingoiny anarana malagasy kosa ny ankohonany izay efa voalaza anarana tetsy ambony. Nanomboka nanao fanagasiana araka izany Rabearivelo teo amin’ny vanimpotoana nandrarana izany.
Nialoha lalana hatrany ity pôeta ity tamin’ny fanaingana ny mpanoratra miely patrana mba hanangona ireo literatiora isam-paritra. Hoy izy tao amin’ny Fandrosoam-baovao lah. 3 ny 19 septambra 1931 : ”mangataka indrindra ny mpanoratra any an-tsiraka aho mba hanangona sy handika ny fitenintsika izay tonon-kira aman-kalo tanindrana mety ho hitany ary handefa azy aty amiko.”

Ankoatra ireo sanganasany  maro dia nihevitra izy fa tsy feno ireny raha tsy tovonana zavatra hafa.
  • Nanam-pikasana hanatsara ny Tantara ny Andriana nosoratan’i P. CALLET tamin’ny andron’ny Praiminisitra Rainilaiarivony izy saingy tsy tontosa satria noraran’ny fitondrana kolonialy.
  • Nanam-pikasana hamoaka tononkalo malagasy taloha sy tamin’ny androny izy (anthologie de la poésie malgache) saingy tsy vita ihany koa.

J.-J. RABEARIVELO NANDIA VANIMPOTOANA
Niaina tamin’ny sokajim-banimpotoana roa i J.-J. RABEARIVELO.
  • Voalohany dia talohan’ny 1930 izay nanjakan’ny embona sy hanina. Vanimpotoana izay mitovy amin’ny romantisma metafizika nahazatra ny mpanoratra frantsay tamin’ny taonjato faha 19, izany hoe vanimpotoana nitantarana ny  fiainana anaty ka nanjakan’ny fihetseham-po.
Ohatra  amin’izany ny hoe :

“eritreritra nofy mangina
Hovitrovitra saika tsy re
Kopak’elatra ho aiza hiampita
Any an’inona tany tsy hita”
Nosoratana tao anatin’ny fangorakorahana, Ny mpandinika n° 128, 7 mai 1926
  • Vanimpotoana taorian’ny 1930 kosa ny faharoa izay nampisy fiovana teo amin’ny ankamaroan’ireo mpanoratra malagasy. Nisongadina tamin’izany ny filazana mihoatra noho ny zava-misy sy ny fanehoana an’ohatra. Niala tamin’ny tontolo anaty Rabearivelo ka niditra tamin’ny tontolo ivelan’ny tena. Hoy indrindra izy :
“Ny foko nanidina ambony dia ambony
Ary saika hisetra izay faran’ny avo
Kanefa voadona, ka tsy afaka intsony
Naratra ny elany ka indro izy lavo”
Ny foko nanidina, Lova, tak. 28

Raha nanokana ny heriny mba hitolomana amin’ny lafiny politika ry Ralaimongo, Rabearivelo kosa dia nandany ny ron-dohany tamin’ny literatiora. Mifameno ihany anefa ireo satria ny politika dia mampiasa ny haisoratra hanehoana izay takina; ny literatiora dia azo itarafana ny politika sy ny tsangan-kevitra tamin’ny fotoan’andro.

J.-J. RABEARIVELO MIVENTY
Azo heverina ho mpitondra tenin’ny vahoaka ara-panoratana i J.-J. RABEARIVELO. Naompany tamin’ny fikaloana ny hasin’ny firenena ny asa sorany. Antananarivo sy ny manodidina no fiventiny satria tao no nitoerany. Marihina fa Ambatolampy no farany atsimo hitany. Miventy izany izy :
“Ory manjavona - Ankaratra izany?
Onena misento - Ankaratra ihany
Ny tsy anilan-tiana no tena tomany
Ny lehilahy kosa tsy lavon’izany”
Tanala very Sampy

Tsikaritra ny fitodihana amin’ny lasa, fanomezana aina ny lasa izay nokasain’ny sasany hofoanana. Voafaritra ao anatin’izany ny fahadisoam-panantenana, ny fahatsiarovana, ny fahakambotiana, ny aloky ny fahafatesana sy ny fasana.
Hoy indrindra ny kalony :
“Ranomaso tsy mivoaka, mamonto ny aty fo
O ry lasa, ô ry lasa, ô ry lasa mba andraso
Henoy ny manjo”
Nankaiza ianao ry lasa, in Lova
 
Ankoatra ireo dia manasongadina an-dRabearivelo ny fikaloana ny Fanahy. Fitenintsika Malagasy ny hoe "Fanahy no olona" fa amin-dRabearivelo kosa dia ampitahainy amin’ny ranovelona manala hetaheta izany. Vetsoiny hatrany ny fanahy taona vitsivitsy nialoha ny fahafatesany. Tsy dia nampitainy loatra tamin’ny olon-drehetra izany. Aminy ny fanahy no loharanon’ny fahaiza-mamorona tononkalo.
Hoy Rabearivelo :
“Ry fanahy, ilay nofinofy izay namonto antsika teo?
Avia mamoaka feo
Ka lazao am-bitsibitsika ao am-poko kely ao
Izay tena teninao
Dia ho fantatrao avokoa izay rehetra afenina ahy...
Mitenena ry Fanahy”
Eritreritra fahavaratra, Kalokalo Tatsinanana tak. 10-11
 
Resahiny ihany koa ny alina ho mariky ny fanehoana an’ohatra ny zava-misy marina eo amin’ny fiarahamonina. Miteraka ratram-po sy alahelo lalina anefa ny fahitana taratra izany.
“Naniry hihoatra anao ry masoandro
Mazava! Naniry tsy hijanona akory
Na toa dia mandroso ho hariva aza ny andro
Ny alina tamy ary koa sorisory”
Ny foko nanidina, Lova tak 28

Rô Andriamaneva, sary nomeny an'i Toetra Ràja
RAKI-TADIDY
1915 : nanomboka nanoratra tamin'ny gazety
1919 : nisalotra ny solon’anarana K. Verbal tao amin’ny Gazety “vakio ity”, anarana hafa ihany koa ny Amance Valmond
1924 : namoaka boky "La coupe des cendres"
1927 : namoaka boky “Sylves”
1928 : namoaka boky “Volumes”
1929 : voaray ho mpikambana tao amin’ny  Université internationale de culture intellectuelle sady notolorana medaly volafotsin'ny "officier de l’ordre Universel du Mérite humain"
1931 : namoaka boky "Enfants d’orphée"
15 oktobra 1931 : voaray ho mpikambana tao amin’ny Akademia Malagasy
1934 : namoaka boky "Presques - songes", "Ephémeride"
1935 : namoaka boky "Traduit de la nuit" izay natonta tany Tunis
1936 : namoaka ny “chant pour Abéone”.
Tsy hodian-tsy hita Imaitsoanala opera goavana, Ambaravaram-bohitra. Iray amin’ireo mpanoratra nitarika ny fironan-tsaina "mitady ny very".
22 jona 1937 : famonoan-tena
24 Jona 1937 : fandevenana tany Ambatofotsy Avaradrano

IREO ASA SORATRA HAFA NAVOAKANY SAINGY ANKAVITSIANA
"Le Prince s’amuse", "Ny fitiavana mpandresy", "Le Bijou rose et noir", "Adèle et Arthur", "Tao Tanamanga", "Fiainana feno nofy" (tantara foronina), "Resin’ny faharesena" (tantara tsangana), "L’Aube rouge", "L’interférence", "Contes de la nuit", "Snoboland", "Trèfles de toujours et de jamais", "Le vin lourd", "Anthologie de la poésie Hova", "Calepins bleus" (diary), "Vientos de la Mañana" (boky tamin’ny Espaniola izay natonta tany Amerika Atsimo, Rio de Janeiro).

SANTIONAN’NY ASA SORATRA NADIKANY
"Ilay mpamonjy" no nandikany ny "La fileuse" an’i Paul Valéry
"Misy ranomaso ato am-poko" no nandikany ny "Romances sans paroles" nosoratan’i Verlaine
"Tsy azo atao" no nandikany ny "Sanglot de la terre" an’i Lafogue
"Tononkira dimy" no nandikany ny asa soratr’i Rabindranath Tagore…

IREO GAZETY SY REVIO NANAPARIAHANA NY ASA SORANY
MADAGASIKARA : Mpandinika, Diavolana, Ranovelona, Kalokalo tatsinanana, Tsarahafatra, Fandrosoam-baovao, 18è latitude Sud, Le Journal de Madagascar, Mpanolotsaina, Cahiers Malgaches, Revue de Madagascar, Capricorne, La Tribune de Madagascar, Calam, Cahiers littéraires de l’Océan Indien.
 
ALGERIE : Terre d’Afrique illustrée, Revue d’Afrique

MAROC : La Bougie

TUNISIE : Les Cahiers de Barbarie

MAURICE : Zodiaque, L’Essor

FRANCE : Anthropos, Les Cahiers du Sud, Le Mercure universel, Revue des troupes coloniales, Esprit, La Muse française, Le Mercure de France, Rythme et Synthèse, Sagesse, Les Nouvelles littéraires, Marsyas, Le Bon Plaisir, La Revue littéraire, L’Hermitage, Le Feu, Montparnasse, latinité, Point et Virgule, Méditerranée, Poésie, La vie, La Proue, Le Journal des Poètes, Le Dépêche de Toulouse, Le Divan.

Tononkalon-dRabearivelo izay mbola tsy nivoaka ary voadikany tamin’ny teny Frantsay.

ASARA

Mamafy, mamafy ny Asara
Mamafy voan-drano mamiratra
Mamboly, mamboly ny Asara
Mamboly tahon-drano malefo
Mamafy, mamafy, mamboly, mamboly
Mamafy, mamboly anaty somamby?
Zovy ary ino’ no hijinja salohy?
Zovy ary ino’ no hioty ny voa?
Moa ny voron-kely izay main-ketaheta
Avy any amin’ny ala feno rano madio
Sinaingy miafina ao ambany-na tsilo?
Sa ny tantely toa mamo masoandro
Ka fanimpanina anaty sampaho?
Sa ny ankizivavy vao namaha volo
Fa avy nanasa tany amoron’ny ony?
Sa loharano any ho any no ritra
Ka manina ny ony ny boikany maty?
Sao dia ny ony ninaona any kosa
No tsy tody vinany
Ka tsy afa-manampy ny faran’ny riaka?
Sao dia ny volin’ny ao ambanin’ny tany
No indroa aloka ao anatin’ny aizina?
Izaho kosa mino fa ny zava-maniry
Izay may mba hanolotra ho an'ny masoko manga
Sy may mba hanolotra ho an'ny andro vao foy
Izay hikombon'elatra eo an-tokonan'ny alina
Salohy amam-boa novonokatr'Asara

ETÉ

Sème, sème l’été
Sème des grains d’eau lumineux
Plante, plante l’été
Plante des tiges d’eau frêles
Sème, sème, plante, plante
Sème et plante dans le crépuscule
Qui ou quoi moissonnera les épis?
Qui ou quoi cueillera les fruits?
Est-ce  le petit oiseau brûlé de soif
Venu des sylves gorgées de cours d’eau pure
Celée, sous des ronces?
Ou l’abeille qui est comme ivre de soleil
Et qui titube au cœur des branches?
Ou la femme-enfant qui vient de dénouer sa chevelure
Et qui a lavé des effets au bord du fleuve ?
Ou bien une source, quelque part s’est–elle tarie
Au point que son jaillissement éteint regrette les fleuves?
Mais n’est ce pas plutôt qu’un fleuve bruissant
Ici ou là, n’arrive plus jusqu’au golfe
Et n’arrive plus à grossir la mer?
Ou que la plantation de ceux qui sont sous la terre
Devient deux fois ombre dans les ténèbres?
Je crois, moi, que ce sont les plantes
Qui brûlent d’offrir à mes yeux parfois bleus
Et brûlent d’offrir au jour frais éclos
Qui fermera ses ailes au seuil de la nuit
Des épis et des fruits fécondés par l’été.

LOHARANON-KEVITRA 
Andriamalala, E.D. (1967). J.-J. Rabearivelo, Hehy, lah 1774, tak 2
Bemananjara, J.F. (1939). La Poésie malgache d’expression française, Revue de Madagascar, n°27 p73-79
Boudry, R. (1939). Jean-Joseph Rabearivelo : Poète malgache, Revue de Madagascar, lah 25 
Ny Avana Ramanantoanina, (1932). Jean-Joseph Rabearivelo, Ranovelona, lah  72 31  tak 866- 867
Rajaofera, M. (1932). J.-J. Rabearivelo, Ranovelona, lah  72 31 mars  tak 866- 867
Ralaimihoatra, E. (1960). J.-J. Rabearivelo, Bulletin de Madagascar n° 169- Juin  pp 523 à 527
Ralaitafika, P. (1987).  Jean-Joseph Rabearivelo, sakaizan’ny Tanora lah 1166 tak 11-12
Ratsimandrava, R. (1987). Jean-Joseph Rabearivelo, sakaizan’ny Tanora lah 1171, tak 9-11
Ratsimandrava, R. (1987). Jean-Joseph Rabearivelo, sakaizan’ny Tanora lah 1172   tak 12
Ravoajanahary, C. (1967). Nikomy tamin-dRabearivelo ny fiainana, Fanasina lah 503 tak 1, 4
Razafiarivony, W. (1964). Ny lovan-dRabearivelo, Hehy, lah 1187
Razafintsambaina, G. (1967). Jean-Joseph Rabearivelo, Tantara sy hevitra, n° 289, p 44.52

Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja
poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 24/03/2019