Tononkalon'i Thina, nofakafakain'i LALASOA BERÏNSON.

poeta_malagasy Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

ikopa

02 Novambra 2013

 
 
 
"Kajinao", tononkalon'i THINA efa natolotra teto amin'ny tranonkala tamin'ny 27 septambra 2013, no nofakafakain'i LALASOA BERÏNSON. Nivoaka tao amin'ny tranonkalany tamin'ny 27 Oktobra 2013 ity famakafakana ity ary nanomezany alalana ny Poetawebs hizara izany ho an'ny mpisera. Misaotra azy ny poetawebs amin'ny ezaka ataony ho fampandrosoana ny poezia malagasy.

 

THINA

Iarivo
10.05.13
16.16
 
KAJINAO

Nalaiko sary an-tsaina
Ianao tsy nandondona
Tao am-bararavako

Tsy hoe ianao malaina
Na tahotra hifona
Hiantso koa ny anarako

Fa vonona hitaraina
Maika ny hirona
Hiondana eto an-tratrako.

Vinaniako miomanomana
Mamorona ireo teny
Atosakao ho ahy

Ireo hery hitolomana
Nangoninao ombieny
Hambabo ny fanahy

Mailo ao an-takonana
Mikajy mba ho eken’
Ny foko, te-ho sahy.
 
Fanontaniana ifametrahan’ny mpiara-mianatra ny hoe: Inona ny taranja tianao indrindra? Dia samy mamaly izay tiany eo ny mpianatra. Ny ahy Malagasy. Ny ahy Fizika. Dia inona no tsy tianao indrindra? Zava-boahary. Matematika. Fa raha taranja koa ny fitiavana, iza no tsy niteny hoe Ny ahy Fitiavana? Na dia hita ao daholo aza ny taranja tiana sy tsy tiana rehetra. Ilay fo midobodoboka mahita ilay tiana io, Zava-boahary. Ilay tongotra mihazakazaka hitsena ilay tiana io, Fanatanjahan-tena. Ilay teny mamy mipololotra ny vava io, Malagasy (na Frantsay; na Anglisy). Fa ny fitiavana koa Matematika. Kajy, hoy i THINA ANDRIAFALY ao amin’ny tononkalony hofakafakaina eto.

Aorian’ny vakiteny voalohany ny mpamaky dia mahazo sary an-tsaina varavarana iray mihidy manelanelana olona roa samy tia. Ilay vehivavy no ao anatiny ary ilay lehilahy no ao ivelany. Nefa mety ho ny mifamadika amin’izany koa. Na, mety ho samy lehilahy. Na, samy vehivavy. Miankina amin’ny mpamaky tsirairay ny sary hitany. Saingy varavarana iray no manelanelana azy roa samy tia sy samy mikajy. Olana samy hafa anefa no hovahany.

Ny lohatenin’ny tononkalo hoe Kajinao dia milaza “kaji”n’olona tokana. ‘Anao’, ilay ao ivelan’ny varavarana. Saingy rehefa mamaky ny tononkalo manontolo isika dia lasa “kaji”n’ilay miandry ao ambadika izany. Dia ilay ‘izaho’ ao anaty tononkalo. Satria “Ianao tsy nandondona” na dia hoe “miomanomana”, “mailo” sy “mikajy” dia nanjary ilay ‘izaho’ indray no mikajy “te-ho sahy”. Tena ho sahy tokoa ve anefa?

Andininy enina samy manana andalana telo avy miady rima ABC, ABC, ABC, DEF, DEF, DEF no nandrafetana ny tonokalo. Hain’i THINA ery ny nikajy sy nandrafitra ny tononkalo hahatonga izany indray ho olan’ny mpamaky. Tsy nolazainy mantsy ny fiafaran’ny tantara fa napetrany amintsika mpamaky ny maminavina ny tohiny. “Nahazo kajy aho ity”, hoy aho avy namaky ny tononkalo manontolo.

Ahoana moa raha tsy “niomanomana”, “mailo” sy “nikajy” izany akory ilay ‘ianao’ ao ivelan’ny varavarana fa ilay ‘izaho’ tia no naminavina diso? Ahoana raha tsy “ny hirona hiondana” eo an-tratra no tena anton-diany? Ary raha andeha atao hoe tena nikajy tokoa izy ny “hiantso ny anarako”, ny “hamorona ireo teny” “hambabo ny fanahy”, nahoana izy no tsy sahy?

Na ahoana na ahoana dia misongadina ny hafatra ampitain’ny mpanoratra. Varavarana iray mihidy no manakona ny ao anatiny sy ny ao ivelany tsy hahita ny zava-misy ao ambadika tsy hitan’ny maso. Mampiseho inona ny varavarana raha fitiavana no resahina? Eo amin’ny andalana farany ao amin’ny tononkalo ny valiny. Ny fo no tiana ambara amin’ny hoe varavarana eto. Eny, raha tsy ny tsirairay tokoa no mamboraka ny ao am-pony dia tsy hisy hahalala izay kobonin’izany fa dia vinavina ihany ny kajin’ny manodidina.

Koa tsy ny matematika any an-tsekoly àry ve moa no mora vahana kokoa noho ny kajin’ny fitiavana?

Lalasoa Berïnson
poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety
×