Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

12 Aprily 2016

TSANTA - AFOM-PITIA


Ny fitiavana azo tany ampakana kitay hono rava eny ampisoronana afo; ny fitiavana mitsiry teny ambony taxibe hoe rava rehefa tonga eny amin'ny fiantsonana; ny fitiavan'ny vola sy paosy miaraka anio fa misaraka rahampitso ary ny fitiavana teraka ato anaty Facebook rava rehefa mivoaka. Fa ny fitiavana atolotry ny fikambanana Tsanta kosa eto amin'ny Pôetawebs no ahitanao ny fiafarany.

 

"AFOM-PITIA", izany no lohatenin'ny seho notanterahany tao amin'ny CEMDLAC Analakely ny 6 aprily 2016 nanomboka tamin'ny 2 ora sy fahefany. Andriamatoa Aina Nirina filohan'ny fikambanana no nanokatra ny fotoana. Nilaza ny mombamomba ny fikambanana izy toy ny antom-pisiany, tanjony, karazan'olona afaka miditra ao sy ny zavatra maro tanterahin'ny fikambanana.

"Arahabaina", tamin'ny alalan'izany hiran'i Tiana izany no nentin'ny fikambanana niarahaba ny mpijery, hira narahana fihetsika tena gasigasy.

Fiantsana tononkalo no nanohizana azy. Nanombohana izany ny teny fanevan'ny fikambanana, "tiako sy andrianiko ny teniko sy taniko", izay noventesin'ny mpikambana maromaro.

 

Nifandimby nantsaina ireto tononkalo ireto.

- Iny diapeniko iny (Ranja Hery Mayam)
- Adala (Kanto Sombiniaina)
- Manorata (Tiana Miandrisoa)

Mikanto sy Batsola Silapanahy no nanelanelana izany tamin'ilay hira hoe "Mba te hiantefa".

Niroso tamin'ilay tena antsoina hoe "Afom-pitia" ny rehetra izay ahitana fizarana telo:

1) fitsirian'ny fitiavana
2) firedaredany
3) fahafatesany

 

FITSIRIAN'NY FITIAVANA

 Tononkalo enina no nisantarana izany.

- Misy pejy vaovao (Aina Nirina, Kanto Sombiniaina)
- Aza miditra (Miary Fanahy)
- Na aza ianao tia (Niks Aloka Fanahy)
- Vao manopy (Batsola Silapanahy )
- Ny faniriako (Nirim-panahy)
- Ny faniriako (Riantsoa Rajoelison)
- Eny (Niks sy Miary).

Taorian'izay dia nisy ny fanalana hamohamo tamin'ny fanentanana nataon'i Tsanta Mikanto, ary notohizana hira.

-  "Vao mifoha" nataon'i Avotra Lemada
- "Mialatsiny" niangalian'i Kanto Sombiniaina.

Nitohy indray ny antsan-tononkalo.

- "Asakasakao" (Nirim-panahy)
- "Raha izaho no filoha" (Riantsoa Rajoelison)
- "Hira ny feonao" (Aina Nirina)


FIREDAREDANY

 Teo ampiandohana dia tononkalo telo no nentina nandresen-dahatra ny amin'ny firedaredany. Nisy aza no nifampiako.

- Fo tia (Niks, Aloka Fanahy)
- Mamiko (Batsola Silapanahy)
- Nofy ve?/tsy nofy akory (Aina Nirina/ Miary Fanahy)
- Ianao/Diso tia (Manda, Tiana Miandrisoa).

 

 

 

Tantaram-pitiavana
Raha ny tena marina dia tantaran'olon-droa miaraka no novelomina. Hoy ravehivavy: "sao dia tsy mety amitsika ny miaraka". Ralehilahy kosa naneho ny faniriany hitambatra mandrakizay. Nananatra an-dravehivavy reniny fa tsy mety ny manambady Poeta. Ny rainy koa etsy nanazava tsara ny hevitry ny atao hoe fitiavana.

Mpilalao:
- Aleo amin'izao/Hitohy mandrakizay (Sombinin'aina/Tsanta Mikanto)
- Tsy poeta (Miary Fanahy)
- Ny fitiavana (Ranja Hery Mayan)
- Efa vita mariazy (Tsanta Mikanto).

Ankoatra ny hiran'i Avotra dia tononkalo vitsivitsy indray no niandrasana ny fahafatesany.

- Fiangaviana (Ranja Hery Mayam)
- Indrisy (Tsanta Mikanto)
- Rediredy (Batsola Silapanahy)
- Aza ianao mihevitra (Manda)



FAHAFATESANY

Tononkalo valo no nalahatra nanehoana izany.

- Tsy mila intsony (Tsanta Mikanto)
- Iny rafilahiko iny (Niks Aloka Fanahy)
- Vela-pandrika (Riantsoa Rajoelison)
- Aleo (Batsola Silapanahy)
- Fiangaviana farany (Ranja Hery Mayam)
- Intsony (Miary Fanahy)
- Mitadiava olon-tiana (Tsanta Mikanto)
- Samy masina an-taniny (Kanto Sombiniaina)

Nofaranana tamin'ny hiran'i Avotra io fizarana io "Ny any aminay".

Nigadona ny tamin'ny 4 ora sy sasany. Nofaranana tamin'ny fampahafantarana ny mpikambana rehetra ny fotoana.

AFTER

Ny sehatra no tapitra fa tao aorian'izay dia mbola nifanome fotoana teny amin'ny Espace GOOD IS LIFE ireo mpikamban'ny TSANTA ny alahady tontolon'ny andro, niharaka nikorana. Araka ny voalazan'ny filohany Aina Nirina taminay dia fiarahana misakafo, karaoke, antsa sy dihy no zava-niseho teny.

Tatitra: Léa Fandresena

Sary: Aina Nirina

 

   
   
   

 

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 12/04/2016