Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

18 avrily 2017

Pôetawebs 2017Poety sy ny finoana
Nankalaza ny alahadin'ny Paka aho satria...

Ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Paka isika izao. Maro ny zavatra azo resahina momba izany fa andeha ny toeran’ny finoana ao amin’ny tontolon’ny fihetseham-po faratampony no hifantohantsika. Poety iray no mitafatafa amin’ny www.lakroa.mg.

Mitohy hatrany ny fitafatafana amina mpanoratra iray. Ka i Toetra Ràja no mivahiny eto ary tafatafa mitohy izy ity no sady laha-dinika mifandraika amin'ny vanim-potoana diavina.

www.lakroa.mg.
Miarahaba anao Toetra Ràja. Alahadin’ny Paka no malaza. Nankalaza izany ve ianao ?

Toetra Ràja. Miarahaba ny gazety www.lakroa.mg sy ny mpiserany, indrindra moa amin’izao nahatratrarantsika ny fetin’ny Paka izao.

Araka ny fahalalako azy dia ny Paka no fety lehibe indrindra amin’ny Kristianina ka ankalazana ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Tsy nahatohitra Azy ny fasana. Fandresena miezinezina izany satria noporofoiny fa Izy no zanak’Andriamanitra lahitokana nidina niara-konina tamintsika ho famonjena antsika noho ny fahotana.

Raha ny tena marina aza dia isak’alahady no ankalazana izany satria noho io andro fahatelo tao aorian’ny nanohomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana io no nahatonga ny andro fiangonana ho alahady fa tsy sabotsy (na sabata) intsony. Tsarovy fa ny alahady isika dia maharay fiantsoana hanatona ny Tompo.

Eny, anisan’ireo nankalaza ny fetin’ny Paka aho io Alahadin’ny Paka io. (TTF : marihina fa ny vahiny dia manonona Paska sy Jesoa fa isika kosa manoratra izany ho Paka sy Jesoa)

www.lakroa.mg.
Natsidikao teo ny resaka fasana. Tokony hatahorana ve?

Toetra Ràja. Voalaza fa nandresy ny fasana i Jesoa ary niakatra any an-danitra. Miandry izay hiverenany isika ary mivonona hatrany mba handresy ka hanara-dia Azy koa rehefa migadona izay fotoana hiverenany izay. Io ilay antsoina hoe "miambina" satria tsy fantatra na ny andro na ny ora hiaviany indray. Tokony hatahorana ve ny fasana na ny fahafatesana ? Amin’ny maha nofo sy ra ny tenantsika dia eny. Saingy izao, raha ny ara-panahy dia tokony tsy hohadinoina ilay hira hoe "Efa resy izao na dia ny fasana aza".

FASANA

Ankona
aho... gina,
tankina
sy sina,
sady montsa-
montsana
no ontsa
voahontsana
ka resy
nianjera...

Nisesy
tsy niera
mantsy ny ady
tsy nandrasana
am-bavahadim-
pasana!

Eny, maty
ny aina,
ny ao anaty
maina.
Tsy misy
azo ovaina!
Indrisy
na lalaina
ny toerana
eto an-tany:
noferana
ka lany!

Itambaran’
ireo lasana
ny varavaram-
pasana!

Kanefa
ny finoako
dia efa
nokoloiko
hahay
manantena
an’ilay
famonjena!

Ekena
ka andrasana
ny faharesen’
ny fasana!

Toetra Ràja
12 septambra 2016
in TIAKO - TIAKO FOANA!


www.lakroa.mg.
Eny am-piandohan’io tononkalo io, mampivarahontsana ny hetraketraky ny fasana. Iombonan’ny poety ve ny tahotra azy?

Toetra Ràja. Mitombina tokoa ny tahotra. Maro ny asa soratra poety maneho ny fangirifiriana ateraky ny fahafatesana. Misy amin’izy ireo mantsy no nandevin-janaka, nitondra tena ary namono tena aza. Izany indrindra angamba no nahatonga an’i Samuel Ratany naneho ny ahiahiny amin’ilay tononkalo hoe: "Izay ho feoko eo am-pialana aina".

www.lakroa.mg.
Fa misy ihany ny poety mety tsy mirona any amin’izay ahiahy izay !

Toetra Ràja. Ny fantatro aloha dia tsy vitsy ireo poety misahana asan’ny Pasitera toa an-dry Ravelojaona sy ry Rô Andriamaneva. Misy Mompera sy Masera poety koa angamba.

www.lakroa.mg.
Ary ianao manokana ?

Toetra Ràja. Sarotra ny mandainga fa anisan’ireo voakasiky ny tahotra aho. Kanefa efa namboariko ny saiko ary vonona hiatrika izany aho amin’ny fotoana higadonany araka ny efa nisaintsainako azy hoe :

“Tony aho, tena tony, eto am-bodifiakarana. Vonona hiatrik’ady, fiandohan’ny ora farany. Eto mantsy - tena eto - ilay toerana hisarahana. Tony aho ary sahy hiatrika ny famaranana”.

Ny zava-dehibe ao anatin’izany dia izao : ilaina mandrakariva ny fahavononana hitsena ny Tompo amin’ny alalan’ny fo amam-panahy voadion’ny fibebahana sy famelan-keloka.

"Raha ‘za(ho)
no voataona
hanara-dia Azy,
angaha
tsy ho foana
ho azy ny sazy ?
Hibebaka hatrany
aho no dikan’izany :
izay no mba hany
lala-mankany!"

www.lakroa.mg.
Miverimberina matetika ao amin’ny bokinao TIAKO - TIAKO FOANA! io hoe "lala-mankany" io. Toy izany koa ny "lalantsara" sy ny "lalan-tiako". Ahoana marina io lalana tianao hitondrana ny mpamaky io ?

Toetra Ràja. Misy sarintany izay miverimberina ato an-tsaiko rehefa irery iny aho.

Ao antsefatsefak’efitra, ao an-dalantsara ao, no miantefa ny eritreritra, iheverana ny atao, anapahana ny haleha. Aiza hoy ny mpanontany. Sarintsarin’arabe ao an-tsaina no iandohany”.

www.lakroa.mg.
Asehoy anay mazava hoe io sarintsarin’arabe io.

Toetra Ràja. Rehefa tonga eo ambodin-tsampanana izay isika dia roa ihany no lalana azo isafidianana.

1- Misy an’ilay lala-masaka aloha, ilay fanaovana hitsin-dalana, araka ny fitenenana. Malalaka sy mora idirana iny ka be olona. Tandremo anefa fa mety hanjakan’ny "hazakazaka ambany farafara" any ka samy manao izay ho afany ny olona. Ny mahazendana koa dia toeran’ny korontana sy ny samy maka ho azy ary ny tsy rariny ao anatiny.

2- Ny faharoa kosa dia lalana ety ary vitsy olona. Any anefa no ahafahana "miambina" ny fiverenan’ny Tompo izay ho tampoka dia ho tampoka araka ny efa voalaza.

"Eo anoloako
misy sampanana,
tsy hitsofohako
ny miankavanana:
lala-mivaona
mandavan-taona."

www.lakroa.mg.
Misy ohatra azo omena ve ny momba io "lala-mivaona mandavan-taona" io ?

Toetra Ràja. Any amin’ilay voalohany, izany hoe ilay "manavanana" ny maro ohatra no misy ny halatra amin’ny endriny maro toy ny:

hala-bato
tsy miato,
hala-bady
alahady,
"hala-jaza"
mihitsy aza...

Halako re! Resy lahatra aho satria...

Hitako izao
ny lalan-kaleha,
tsy mba fanaon’
ny daholobe,
misy tsy marina
sy mampivarina...


www.lakroa.mg.
Azo lazaina fa tsy mora izorana anefa izany lalanao izany!

Toetra Ràja. Entina am-bavaka, am-pifaliana sy am-pitiavana ny zavatra rehetra ary arahina asa sy finoana.

MAMAFAZA VOA

Mamafaza
voa
ka aza
mamoy fo,
raha tojo
sarotra
sy rojo
hamatotra.


Mahereza
saina
meteza
sombin’aina,
mitrakà
faingàna,
hizaha
izay ombana.

Hahazo
voka-tsoa,
hazo
fihinam-boa,
fanatitra
amin’ny fo,
rakitra
avo loha.

Mamafaza
voa,
hilaza
Teny soa,
handrobona
tsy hadino,
hampiombona
ny mpino.

Raha vao
maraina,
hany atao
an-tsaina,
mazava
be tokoa:
"MAMAFAZA
VOA!"

Toetra Ràja
28 martsa 2008

www.lakroa.mg.
Mamafaza voa, hafatra napetraky Toetra Ràja ary ametrahany mandra-pihaona amintsika mpisera indray. Misaotra tompoko!

Toetra Ràja. Misaotra ny tranonkala www.lakroa.mg
sy ireo mpitsidika ny efitra fandraisana ny pôety ity.

www.lakroa.mg

 

poetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 08/06/2017

×