"Ny Poeta indrindra no fantsom-panovana ny tontolo bobongolo", izany teny izany no voizin'ny Poetawebs mandritra ity taona 2026 ity mba hisarihana ny olona hanova toe-tsaina. Manamafy izany i Ny Malodohasaha amin'ny hoe:
Aoreno any ifotony
amin'ny soatoavin'ny Ntaolo ny fihavaozam-panahy, ny fihavaozan-tsaina
ary ny fihavaozam-pamindra tianao hotanterahina.
Miavaka ity tenin'i Ny Malodohasaha avy ao amin'ny tranonkala Poetawebs ity izay ampahatsiahivina fa sady poeta no profesora ela nihetezana ao amin'ny INALCO Parisy, oniversite ivelan'i Madagasikara ahitana sampana malagasy. "Aoreno any ifotony" hoy izy, izany hoe tsy ilay fototra teo aloha intsony no iaingana fa fototra vaovao mifanaraka amin'ny soatoavin'ny Ntaolo. Amin'ny alalan'izany no ahafahana manavao ny fanahy sy ny saina ary ny famindra, nanoloany ny "vatana" mahazatra ny sofina. Azo heverina fa fanehoana fandrosoana izany, fandrosoana katsahina amin'izao fotoana mampikatso ny raharaham-pirenena izao.
Eritreritr'i Toetra Ràja

