Créer un site internet

Tenin'i Ny Avo Elabakaka

Tenin'ny Poetawebs 2026
Ny Avo Elabakaka — 02/02/2026

"Ny Poeta indrindra no fantsom-panovana ny tontolo bobongolo", izany teny izany no voizin'ny Poetawebs mandritra ity taona 2026 ity mba hisarihana ny olona hanova toe-tsaina. Manamafy izany i Ny Avo Elabakaka amin'ny hoe:

Poetawebs

Mijoroa amin'ny toe-tsaina marina,
fa ao no iorenan'ny hoavin'ny firenena.

Ny firenena tsy atsangana amin’ny teny feno fanantenana, fa amin’ny olona manana eritreritra madio sy safidy mahitsy; avy amin’ny fahamendrehana no mipoitra ny rariny sy ny fitokisana. Rehefa mazava ny fijery, madio ny tanjona, voalanjalanja ny fihetsika, dia miorina ny fiarahamonina ary misokatra ho azy ny lalan’ny fandrosoana.

Avy amin’izany fototra izany no mitsangana ny fahamarinana, andry tsy azo soloina; izy no manilika ny kolikoly, manapaka ny tahotra, manandratra ny andraikitra, ary mitarika ny firenena ho amin’ny fahombiazana. Tsy haharitra kosa ny fahefana miorina amin’ny fitaka; tsy hananam-bokatra ny fandrosoana tsy ara-drariny.

Andeha àry hijoro tsy hihemotra, ho safidy hentitra ny fahitsiana, ho fitsipika velona ny rariny, ho hasina iombonana ny fahamarinana. Rehefa mahitsy ny tsirairay, mazava ny lalana hombana. Koa mijoroa amin’ny toe-tsaina marina, fa ao no iorenan’ny hoavin’ny firenena.

Ireto manaraka ireto kosa ireo mpikamban'ny Poetawebs mifarimbona amin'ity taona 2026 ity:

Poetawebs










 Ny Avo Elabakaka
• TENIN'NY POETAWEBS 2026

Ajouter un commentaire