Créer un site internet

Solofo-Antenaina Mahandrimanana

Fantaro i SAM    

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja

15 mey 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
Rô Andriamaneva, sary nomeny an'i Toetra RàjaFantaro i...
Solofo-Antenaina Mahandrimanana (S.A.M.)
(1919 - 1997)
Mpanoratra

Poeta

Mpitsabo

— Fandalinan'i Heriarilala Andriamamonjy 

RABEMILA Jean-Jacques no tena anarany, Solofo-Antenaina Mahandrimanana kosa na i S.A.M. no solon’anarana nisalorany teo amin’ny sehatry ny asa soratra.


RABEMILA Jean-Baptiste sy RAMARY no Ray aman-dReniny izay niteraka valo mianadahy : 5 lahy sy 3 vavy. RAININANDRASANA sy RASIKIMBAHY no raibe sy renibeny avy amin-drainy.

Ny taona 1919 tao Ambohibeloma Arivonimamo no nahalatsahan’ny tavoniny ary ny 25 jona 1997 tao Mahamasina kosa no nikimpy ny masony roa. Mpitsabo no anton-draharahany. RAHARIVELO Justine mpampivelona no vadiny.

Niteraka 10 mianadahy izy ireo fa ny iray, RABEMILA Fara Antsa Avisoa Raherivola, teraka ny volana oktobra 1961, dia nodimandry ny volana janoary 1963 rehefa nivahiny 15 volana monja.

Ireto avy àry ireo zanany 9 mianadahy araka ny fizokiany,
ankoatra ny iray maty fahakely :
- RABEMILA Solofonavana Andriamihangimanana
- RABEMILA Toda Laolao Andrimihantarisoa
- RABEMILA Salohy Niriana Mialiarivelo
- RABEMILA Maro-Zo Andriamanankoazy
- RABEMILA Manohisoa Andriamarodimby
- RABEMILA Jaosoa Tsitohaina Andriamampiandra
- RABEMILA Modisoa Tsiampiry Herivola
- RABEMILA Landivola Harijoro Mampionona
- RABEMILA Volahanta Dina Harivelo

NAHAVITA FIANARANA AMBONY
Tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra Ambohibeloma Arivonimamo no nanombohany nianatra. Niakatra taty Antananarivo kosa izy ka nandranto fahalalana teny amin’ny "Lycée Gallieni" (Lisea Andohalo ankehitriny) ary tao no nitsimohan'ny faniriany ho lasa mpitsabo.
Tafiditra tao amin'ny Institution de l’Ecole de Médecine tao Befelatanana Antananarivo izy ny taona 1942. Dimy taona no faharetan'ny fianarana ka nahazoany ny "Diplôme de Médecine de l’Assistance Médicale" tamin'ny taona 1947. Iray tarika tamin-dRazafindrazaka José (Andry ANDRAINA mpanoratra) izy tao.
Eo ankavanana, sary nindramina tamin'ny http://medecine-madagascar.blogspot.com

sary nindramina tao amin'ny : http://medecine-madagascar.blogspot.com/2012/05/page-135-photos-1946-1947.html

FIFINDRA-MONINA MATETIKA NOHO NY ASA
Voatendry hiasa tamina toerana maro teto Madagasikara i S.A.M. ka ireto no filaharany.
Tany Befandriana Avaratra no nanombohany. Nifindra tany Ambatomanoina Anjozorobe nony avy eo ary tafaverina tany Befandriana Avaratra indray. Nidina tany Mahasolo Tsiroanomandidy ary tafaverina tao Ambatomanoina Anjozorobe indray. Tao izy no nangataka ny hifindra toerana noho ny tsy nahazakany ny fahitana zanak’olona kely nitovy tamin’ilay zanany maty. Nekena ny fangatahany ka nanendrena azy hiasa tany Fihaonana Ankazobe talohan'ny nisotroany ronono tamin’ny taona 1980. Tao Mahamasina Antananarivo no nisotroany ronono fa ny vadiny kosa dia mbola nanohy niasa 6 taona tao amin’ny CSBII Mahamasina Atsimo. Teo ankatoky ny fisotroany ronono kosa ny vadiny dia tsy niandraikitra ny asana mpampivelona intsony saingy mbola nanohy nampisafo hatrany.

Noho ny asany izay nitety tanàna maro teto Madagasikara dia nahalala kolontsaim-paritra maro izy ka ny kolontsaina Tsimihety no tena nankafiziny indrindra. Hita taratra amin’ny anaran-janany izany. Ny anarana "Toda Lalao" ohatra dia avy amin'ny fiteny Tsimihety.

Nodimandry tamin'ny 25 jona 1997 i S.A.M. rehefa nivahiny 78 taona. Nisara-maty izy sy Raharivelo Justine vadiny ary naharitra 50 taona izany fanambadiana izany.

Rô Andriamaneva, sary nomeny an'i Toetra Ràja


NY ASA SORANY
Fony izy mbola tao amin’ny "Lycée Galliéni" no nanombohany nanoratra tononkalo. Amin'ny fotoana famonjeny fodiana any amin’ny Ray aman-dReniny koa no tena anoratany. Notezaina tamin’ny tontolo ambanivohitra izy ary hita taratra ao amin’ny asa sorany ireny. Ankoatra izay dia nanainga ny fanahiny hanoratra tononkalo maromaro koa ilay zanany nindaosin’ny fahafatesana mbola zaza izay hitantsika ao amin’ny fizarana fahatelon’ny boky "Vary zato". Na dia tononkalo aza no maro an'isa amin’ny asa sorany dia nanoratra angano vitsivitsy sy tantara an-tsangana izy.

Ny boky "Valiha mamatonalina" dia miresaka bebe kokoa mikasika ny natiora, ny tontolo ambanivohitra, ana-dray aman-dreny, hafatra ho an’ny zandry, fahatanorana, fitiavana, fahanterana ary fahafatesana. Mivalampatra kokoa ny firesahana ny zava-panahy ao amin’ny "Vary zato" na dia izany aza dia mbola ao ihany ny tononkalom-pitiavana sy ireo tononkalo mifono anatra.

Nankafy mpanoratra vahiny i SAM. Nisy tamin'ireny sanganasany ireny no vokatry ny dika malalaka nataony tamin'ny teny malagasy na nakany aingam-panahy hoentiny mamorona. Anisan'izany ny an'ny pôeta frantsay roalahy, Alphonse de Lamartine sy  Victor Hugo, ny pôeta anglisy Jane Taylor...

Boky misy ny asa sorany
- Ny Amboarako (1964)
- Fary mamy
- Ny Voary

VOKATRA
Namoaka ny amboaran-tononkalo "Valiha mamatonalina" i SAM tamin’ny taona 1949, natontan’ny taranany fanindroany kosa izany tamin’ny 2016 ary tsy nisy novaina ny tononkalo tao anatiny izay miisa telopolo mahery.

Maro kosa ireo tononkalony no tafiditra ao amin’ny fandaharam-pianaran’ny ankizy any amin’ny ambaratonga fototra izay sokajiana ho anisan’ny fitaizam-pitadidiana sy fikoloan-teny (tsianjery) dieny mbola mpianatra madinika.

Eo am-panomanana ny bokiny faharoa izay boky hampitondraina ny lohateny hoe "Vary zato" ny taranany.

Marihina fa tsy mba niditra tamin'ny fikambanana pôeta sy mpanoratra i S.A.M.

Santionany amin'ny tononkalony mihira ny tontolo ambanivohitra
HANINA

Tsaroako ankehitriny! tsaroako ankehitriny
Ilay tanàna kely fonenanay fahiny,
Fahiny, fahizay
Tanàna saro-kenatra, mitokana sy miery
Anaty ravin-kazo, miova tsy ny very
O! 'Lay tanànanay.

Fa kely maorimaorina an-tampon-tendrombohitra,
Anaty vero ngita, fonenan'ny sorohitra
Sy mamin'ny kibobo
Miravaka taretra, misatroka ala vory
Ka io manalokaloka ny razana matory.

SOLOFO-ANTENAINA MAHANDRIMANANA
in Ny Amboarako, tak. 129

Santionany amin'ny tononkalo miantsa ny voary.
ZAVABOARY

O! Tiako ny mijery ny habakabaka manga,
Ny tendrombohitra avo izay manangasanga
Ny rano mikoriana, miadana fisosa,
Ny rahon-takariva miangona miavosa.

FAHAZAZA

Fahiny fahazaza raha tany ambanivohitra
Miara-mikarenjy amin'ny fody sy sorohitra
Miaraka mifoha amin'ny fitatra sy goaika
Ka mifarimbon'asa amin'ny mpiasa tany  maika.
Jean-Jacques RABEMILA in Ny voary, tak. 53
Jean-Jacques RABEMILA in Ny Voary, tak. 50

Loharanon-kevitra

* Resaka nifanaovana mivantana tamin'ny taranany
- Rabemila Ialivola Hery, zafikelin’i S.A.M.

* Aterineto
- SAM, Poety atolotr'i Mahatsangy Milavera hita ao amin'ny :
http://poetawebs.e-monsite.com/…/tapatapakahit…/page-95.html
- Lisitr'ireo mpianatra dokotera teto Antananarivo misy an'i SAM, hita ao amin'ny :
http://medecine-madagascar.blogspot.com/2012/05/page-135-photos-1946-1947.html

* Boky
- Rajoelisolo Ch., Ravelomanana H. (1964). Ny Amboarako (boky famakian-teny ho an'ny Cours moyen taona voalohany sy faharoa). Antananarivo : Edisiona ny Salohy
- Ministeran'ny fampianarana ambaratonga faharoa sy fanabeazana fototra. (1991). Ny Voary (Lahatsoratra sy tononkalo T4-T5). Antananarivo : Imprimerie de CNAPMAD
- Solofo-Antenaina Mahandrimanana. (2016). Valiha mamatonalina.

Fisaorana

Isaorana Rabemila Ialivola Hery nanaiky nandray anay sy nanome fanampim-panazavana momba an'i Solofo Antenaina Mahandrimanana.
_______________________________
Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja

poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 15/05/2019

×