Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
30 avrily 2009
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

AINGAM-PANAHY

Ny famaritana ny aingam-panahy dia tsy azo moramoraina amin'ny fiovan-toeran'ny fanahy mamonjy ny ambonimbony kokoa. Ny aingam-panahy dia hevitra tonga tampotampoka ka manentana ny poety iray hanoratra toy ny mpanao sary hosodoko handray borosy na koa ny mpamoron-kira handrangotra ny valihiny. Mety ho tongatonga ho azy ny hevitra  rehefa irery iny ny poety, izany hoe rehefa izy ao anatin'ny tontolo keliny toy ny rindrin'efatra sy torimaso. Tongatonga ho azy koa ny hevitra rehefa izy mivenjivenjy ao anatin'ny tontolony midadasika iny : an-jaridaina na arabe, ampamakiana boky, ampitazanana fivelaram-boninkazo, manoloana vaovao miely ka mahasintona ny sarambam-bem-bahoaka. Satria ny hevitra hitany dia ilay hevitra tsy mba hitan'ny olona, ka mampanontany tena indraindray hoe "mpaminany ve ny poety ?". Tsy mpaminany ny ho avy akory araka ny fahita matetika ao anaty Baiboly fa mpaminany ny ankehitriny sy ny iarahantinazana kanefa tsy omba-mahafantatra.

Aingam-panahy sy talenta

Raha hevitra ary ny aingam-panahy, izay tsy manana azy dia tsy manana ilay hevitra mampipololotra ny mpanan-talenta hamorona. Ary izay voaforona dia tsy mba ho asa kanto raha tsy itoeran'ny talenta ihany koa. Ekena hatreto fa tandra vadin-koditry ny aingam-panahy ny talenta. Ny aingam-panahy tsy misy talenta dia tsy inona fa hevitra mitsingevaheva fotsiny eny, ka zary toy ny fanehoana ny nofinofin'ny tsy tanteraka fotsiny. Ny asa teraka amin'izany dia tsy mba mety ho voaray ao am-pon'ny mpamaky satria tsy mba itoeran'ny fahatsarana miova tsy voninkazo fanaperana ! Araka ny finoana kristianina, ny talenta no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra tonga dia hay fa tsy nianarana. Izay manana azy dia mora mahaforona tononkalo, mora mahavita hosodoko na mora mahaforon-kira ka mahagaga ny olona avy hatrany ny hakantony.

Poetin'ny saina

Misy olona te hianatra ny ho poety, manam-piniavana ny hanao hosodoko na te hisandratra ho mpamoron-kira kanefa tsy mahatafavoaka rehefa tsy eo ny talenta. Tsy be mpiteny loatra ny aingam-panahy rehefa manan-talenta : rehefa mahay manoratra dia manan-talenta ; rehefa mahay manao sary dia manan-talenta ; rehefa mahay mamoron-kira dia manan-talenta. Kanefa aza hadinoina fa ny talenta dia fitaovana fotsiny ampiasaina hampisy endrika an'ilay aingam-panahy ho tononkalo na sary ; ny talenta miara-dàlana amin'ny aingam-panahy no mahakanto tanteraka ny tononkalo na sary iray. Ny famaritana voalaza eto no ahafahana milaza fa ny saina no vavahadin'ny aingam-panahy fa tsy ny fo akory. Misy araka izany ny poetin'ny saina toa an-dry Randja Zanamihoatra sy Racine ohatra.
 
Poetin'ny fo

Voalaza tetsy ambony fa hevitra ny aingam-panahy. Na izany aza anefa dia azo ambara ihany koa fa fihetseham-po ny aingam-panahy. Eto indray kosa dia ny fo no loharanon'ny aingam-panahy. Ny tononkalo avy amin'ny fo dia voasoratra haingana satria iainana na tsapa. Tsy ny tononkalo rehetra vokatry ny fo anefa izany fa izay zavatra nampahory, nampijaly, nampitomany, nitondrana sedra sy fitsapana hany ka mora hita ny teny manambara ireny na mora tafavoaka. Vitsy ny poety (indrindra) no mahatafavoaka tononkalo ao anatin'ny fifaliana sy ny hasambarana. Zara raha hita ny teny hamoahana azy ireny ao anatin'ny tononkalom-panambadiana. Ankoatra izay dia tsara raha fantatr'ilay poety ny hetahetam-pon'ny mpanambady. Ny tononkalo toy itony mantsy dia atolotra manokana ho an'ny fanambadiana iray fa tsy voatery hifanaraka amin'ny hafa rehetra. Ny poety mamosaka fitiavana niainany dia afaka milomano ao anatin'ny voambolana mifandraika amin'izany sady afaka mitondra ny mpamaky hamakivaky ny lala-nombany. Mahagaga fa mbola lasa lavitra noho izany kokoa ny tononkalom-pahoriana na fitomaniana ! "Ny tononkaloko tsara indrindra dia voasoratra tao anaty adin-tsaina lalina, ranomaso sy fijaliana tsy hay tantaraina toy ny nahatsapan'i Alfred de Musset ny azy koa". Hoy indrindra izy :" Mes plus beaux poèmes, je les ai écrits dans les moments de larmes et de désespoir". Ireo poetin'ny fo hafa azo tanisaina etoana dia Rado, Le Myosotis, Fredy Rajaofera, Ny Avana Ramanantoanina, Dox, Alfred de Vigny.

Ny aingam-panahy dia zavatra tsara sy mahavariana hahafahana mamorona asa kanto iray. Mila miara-dalana amin'ny talenta anefa izy mba hahakanto tsara ny zava-poronina. Mety ho vokatry ny fo no mety avy amin'ny saina ihany koa.

Tatitra : Fredy Jaofera

 

 

poetawebs@gmail.com

 

 

Date de dernière mise à jour : 29/12/2018

×