Créer un site internet

2   

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

05 marsa 2017

"Andron'ny haisoratra malagasy tao Parisy 25/02/2017


Journée de la littérature malgache
LITTERATURE ET ENGAGEMENT À MADAGASCAR – NY HAISORATRA SY NY TOLONA AO MAGADASIKARA

Nankalazaina ny 21 febroary toy ny isan-taona ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindrazana, andro talata io. Niara-nikarakara ny fankalazana azy ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa sy ny INALCO CROIMA ASIEs (Institut National des Langues et Civilisations Orientales - Centre de Recherche sur l’Océan Indien Occidental et le Monde Austronésien – ASIEs) ary nanolotra ny andron’ny Haisoratra Malagasy : Ny Haisoratra sy ny tolona ao Madagasikara, ny sabotsy 25 febroary 2017, nanomboka tamin’ny 10 ora maraina tao amin’ny INALCO 65, rue des Grands Moulins, Parisy.

« Journée internationale de la langue maternelle » na « ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Tenindrazana »

Tsiahivina fa ny taona 1999 no nanapahan’ny UNESCO ny hankalazana izany andro izany. Ny foto-keviny dia ny hoe « Tenindrazana teny ibeazana », ary omena fahafahana hiteny maro ny mponina amin’ny tany iray. Fahatsiarovana indrindra ny Hetsika ho an’ny Teny ny 21 feborary 1952, nitakian’ny mponina miteny Bengali ny zony hampiasa izany teny izany, raha mbola teo ambany vahohon’ny Pakistane izy ireo ka noteren’ireo tsy hampiasa ny teny Bengali ho tenim-pireneny ; nandatsaka aina maro tamin’ireo mpianatra nitokona ny mpitandro ny filaminana, rehefa nisy ny korontana naterak’izany fitakiana ny zo hiteny ny teniny tao Bangaladesy izany. Dia io tolona io no tsarovana ka ankalazana isan-taona ny « Journée internationale de la langue maternelle » na ny Andron’ny Tenindrazana nanomboka ny 21 febroary 2000.

« Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko » DI… - 1993
Taona maro talohan’io anefa , 1993, dia efa namorona ny teny filamatra eto ambony Atoa Rahaingoson Henri na i DI… izay tsy zovina amintsika fa olomanga nanandratra ny maha Malagasy sy ny Teny ho amin’ny toerana avo dia avo, nefa tsy nanao ho ambanin-javatra ny fahaizana teny vahiny izay antoky ny fivelarana amin’ny firenen-kafa, nomeny ny toerana voalohany anefa ny Tenindrazany. Efa am-betimbavan’ny  maro izany teny filamatra izany, ary betsaka no mampihatra azy amin’ny fiainany andavanandro.

Ity hetsika tamin’ny sabotsy 25/02/2017 ity àry dia nanomezan-danja ny teny malagasy eo amin’ny fikarohana, any am-pitandranomasina, saingy natao teny roa satria nadika teny frantsay mba ho azon’ny mpanotrona rehetra sy ny mpianatra ao amin’ny INALCO ny famelabelarana sy ny lahatsoratra. Mahaliana ny vahiny tokoa mantsy ny momba an’i Madagasikara, ary tsy vitsy izy ireo no manaraka ireny fizarana ireny. Ny Profesora Malanjaona Rakotomalala, talen'ny CROIMA, no nanokatra ny fotoana.

« Fanomezam-boninahitra ny mpanoratra F-X. MAHAH »
Nizara roa ny fotoana ka ny maraina dia notarihin-dRamatoa Louise Ouvrard, Maître de Conférences ary Tompon’andraikitry ny sampana Malagasy ao amin’ny INALCO CROIMA ASIEs, ny tolakandro kosa dia notarihin-dRamatoa Hanitr’Ony Salomon, filohan’ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa.

Taorian’ny lahateny fanokafana dia natao ny fanomezam-boninahitra ny mpanoratra F-X. MAHAH na François-Xavier Razafimahatratra tamin’ny alalan’ny fitsidihana amin’ny sary mihetsika ny tantaram-piainany, ny asa sorany sy ny tontolony, biografia natolotr’i Hanitr’Ony. Nifanakalo taminy mivantana avy eo ireo mpijery ary nambarany tamin’izany ny aingam-panahy tonga ao aminy, amin’ny maha mpanoratra na mpanao hosodoko azy, amin’ny teny frantsay na amin’ny teny malagasy, fa mifantoka amin’ilay Tanidrazany hatrany, dia ny Nosy Madagasikara. Niranty ny tontolo andro ny hosodokon’i F-X MAHAH ary teo anilan’izany ny fampirantiana momba ny HAVÀTSA – UPEM izay feno 65 taona amin’ity taona, nanombohana ny fankalazana any Frantsa.

« Ny Haisoratra sy ny tantaran’i Madagasikara »
Nanohy ny fotoana ny velakevitra momba ny fifandraisan’ny Haisoratra sy ny tantaran’i Madagasikara, natolotr’i Abel Andriarimalala sy i F-X Mahah. Nambaran’izy ireo fa tsy ivelan’ny tantara akory ny literatiora izay nanomboka tany amin’ny literatiora am-bava, ny Kabary ohatra dia tantara mijoro, izy Malagasy miteny mihitsy no tantara, mifanindran-dalana ireo noho ny lanjan’ny teny eo amin’ny fiainan’ny Malagasy. Na ny ohabolana aza tsy fe ho sarin-teny fotsiny, na ny hiran’ny Ntaolo aza dia tsy fe hira fotsiny fa nampita ny toe-panahy sy ny fiainany mihitsy ka azo raisina ho vavolombelon’ny tantara.

Nisesy teo ny fandalinana ny asasoratra tamin’ny andron’ny Misionera anglisy (1820) izay nisantatra ny literatiora malagasy tamin’ny alalan’ny fanoratana ny « Cantiques » ho tononkira nampiady rima. Rehefa voadika ho amin’ny teny malagasy ny Baiboly (1835), dia niseho ny taona 1866 ny Gazety amin’ny teny malagasy voalohany « Teny Soa fanalan’andro », nandalo tao koa ny tononkalon'ny mpanoratra malagasy voalohany, tsy mikasika ny fivavahana kristianina « Abidian’ny toaka » an-dRajaonary,  sy  ny tolon’ny Menalamba, ny V.V.S izay nahalasa sesintany ny mpanoratra maro toy Ny Avana Ramanantoanina, notsiahivina ny tolona mivaivay tohin’izany tamin’ny 1947 izay niteraka tantara foronina sy asa soratra maro be ; isan’ny niresaka ny Miaramilam-potaka nandritra ny Fanjanahantany i Andry Andraina ao amin’ny « Mitaraina ny Tany », izay mitantara ny nisy tamin’izany. Teo koa ny anjara toeran’ny Gazety Hehy izay nanome sehatra malalaka ny mpanoratra Malagasy amin’ny fanehoan-kevitra niainga tamin’ny tsindry hazo lena sy ny fahatsapana samihafa, ka nananan’ity Gazety nosahanin’i Célestin Andriamanantena sy  ny rahalahiny RADO ity toerana lehibe teo amin’ny fampitana ny vaovao, nanodidina ny raharaha 1972. Nandà tsy hitifitra ny vahoaka nitokona tamin’ny 13 mey 1972 ny Kolonely Ratsimandrava, saingy maty nisy nitifitra ny 11 febroary 1975. Boky maro no teraka manodidina io tantara io, toy ny « Maty ve Ratsimandrava ? ». Dia mbola nitatitra ny tolon’ny vahoaka amin’ny fahantrana indray koa ny haisoratra malagasy hatreo ka hatramin’izao.

Taorian’io velakevitr’izy mirahalahy io dia nifarana tamin’ny antsan-tononkalo nandraisan’ny mpikambana Havàtsa Frantsa sy hira niaraha-niredona « Vorom-potsy miara-dìa » ny fotoana maraina. Ny Tarika Sorajavona no nandravaka feom-baliha sy hira ny seho maraina sy hariva.

« Ny toeran’ny Gazety eo amin’ny fanelezana ny asa soratra »
Nanolotra io velakevitra io kosa ny Pr Rajaonarimanana Narivelo ny tolakandro, ary nahaliana fatratra ny nitetezany ny tontolon’ny Gazety Malagasy nanomboka tany amin’ny Teny soa fanalan’andro, ny Sakaizan’ny Tanora, ny Fandrosoam-baovao nisantaran’i Charles Rajoelisolo, Jean-Joseph Rabearivelo sy Ny Avana Ramanantoanina ny vanim-potoana « Mitady ny Very », ny Lakolosy Volamena, ny Antson’ny Nosy, ny Hita sy Re, sy ireo hafa maro be, ary naompany manokana tamin’ny Gazety HEHY avy eo ny fandalinana noho ny toerana lehibe noraisin’ity Gazety ity teo amin’ny fanomezan-toerana malalaka ny haisoratra malagasy. Mpanoratra efatra mianadahy no nantsoiny hijoro ho vavolombelona hitafatafa momba ny traikefan’izy ireo teo amin’ny famoahana lahatsoratra tao amin’ny Gazety HEHY, dia i Abel Andriarimalala, i Ramy Laza, i F-X Mahah ary i Antsiva. Niroboka tao amin’ny tontolon’ny taona 50, 60 sy 70 izay nanatrika raha nahare ny fomba nifandraisan’ny samy mpanoratra sy fifamaliana tononkalo teo amin’ny Gazety HEHY, nahakasika azy ireo koa ny fiainam-pirenena. Mbola mila ambara ve ny lanjan’ny tolona sy fitiavan-tanindrazana, fiadiana amin’ny tsy rariny, teo amin’ny asa soratr’i RADO izay isan’ny nikarakara ity gazety ity ? Farany dia nanamarika ny fahasahiranan’ny mpanoratra Malagasy mamoaka boky i Pr Rajaonarimanana ary nitanisa ny fomba samihafa ampiasain’izy ireo anelezana ny asa sorany, rehefa lafo sy sarotra ny mandalo amin’ny mpanonta matihanina. Mbola ao anaty tolona ankehitriny ny mpanoratra mba ahazoany mamoaka ny asany.

« Ny masoandro mody no mampalahelo »
Narahana takalo tamin’ny mpijery koa iny, dia nombain’ny antsan-tononkalo natolotry ny mpianatra ao amin’ny INALCO CROIMA ASIEs, taona voalohany izay nandika ho amin’ny teny malagasy ny « Slam » nanokafan-dry Caylah sy ny namany  ny Fihaonamben’ny tany miteny frantsay tamin’ny novambra 2016 tao Antananarivo, mpianatra fito izy ireo no nifandimby niventy ary nisy Malagasy, Frantsay, Sinoa sy hafa. Niantsa tononkalon’i Zakarandahy nadika teny frantsay koa ny mpianatra taona fahatelo, ary nampihetsi-po ny tononkalo nofinidin’izy ireo. Tsy diso anjara ny mpikambana Havàtsa Frantsa izay niantsa tononkalo mikasika ny Tenindrazana, ny fitiavan-Tanindrazana, ny tolona samihafa, dia i MRG, i Antsiva, i Rani, i Dila, i Hanitr’Ony, i Lalah, i Abel Andriarimalala, i F-X Mahah, i Ramy Laza, i Dédé Sorajavona, i Andrymann, i Toetra Raja ary i Andry Salomon. Nisy mpijery ihany koa afaka niantsa ny tononkalony, ka teo indrindra dia nafana ny kilalao nentanin’i Antsiva sy i Dédé Sorajavona izay natao hoe lalao teny na « jeux de mots » nampandraisana anjara ny mpijery ary tena nahatsapana ny havitrihany.

Ny masoandro mody no mampalahelo satria rehefa avy nanolotra ny boky vaovao ireo mpanoratra teo, "Tiako – Tiako foana" Toetra Raja, "Eritrelatra" Volatiana Rahaga, "Rasalama" Ramy Laza, "Ireo soratro voarindra notsongaina" Andrymann Dorian, "Rakay 2" Antsiva,  ary "Deux fois une" Hanitr’Ony, dia naseho koa ny Revio Tsara Soratra vokarin’ny Ranjasoa Publishing izay eo am-pahatanterahana. Ny fiaraha-nizara ny vatsy, niala hetaheta sy nitsakotsako, nitapatapakahitra tamim-pifaliana, no nialoha ny fifanaovana veloma.

Sitraka feno ho an’ny Madaplus, ny Radio Echos du Capricorne, ny Radio Bitsika ary www.croissance.com. Ralf Mifalia. Fisaorana no atolotry ny mpikarakara ny mpijery tonga maro be nandritra ny tontolo andro ary manasa antsika rehetra mba hanaraka ny fandaharana Feom-baliha vokarin’ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa sy ny Radio Bitsika ao amin’ny www.radiobitsika.com, isaky ny alatsinainy sy alakamisy amin’ny 10 ora maraina (FR) sy 9 ora alina, fa mitohy any ny fankalazana e !

« Velona ho velona ny teny sy ny Haisoratra Malagasy ! » Manentana antsika ho sahy, hiroso amin’izany famelomana azy izany, Tompoko ô !

https://www.youtube.com/watch?v=YBWc_bN6nS8&feature=youtu.be

Tatitra sy sary :
Hanitr’Ony Salomon, Filohan’ny Sampana Frantsan’ny Havàtsa UPEM

 

 

 

 

Rtoa Louise Ouvrard, Maître de conférences, mipetraka eo anoloana no tonian'ny lanonana - fizarana voalohany.
Mitsangana eo akaikiny kosa ny Profesora Ramalanjaona izay nametraka fanontaniana an'i F-X Mahah (mitsangana miaraka amin'ny mpanotrona.
Mandray fitenenana ny Profesora Narivelo Rajaonarimanana nanazava ny toeran'ny gazety tamin'ny fanelezana ny asasoratra. Etsy ankilany i Hanitr'Ony, filohan'ny Havatsa sampana Frantsa, tonian'ny lanonana - fizarana faharoa
   
F-X Mahah mamaly ny fanontanian'ny mpanotrona Ireo mpikamban'ny Havatsa Sampana Frantsa miantsa tononkalo. Miankavanana: Dédé Sorajavona (mitendry zavamaneno), Andrymann, Andry Salomon, M.R.G., Toetra Ràja, Abel Andriarimalala, Rany, Antsiva ary Hanitr'Ony
   
Ramy Laza, anisan'ireo mpanoratra efatra nijoro ho vavolombelona tamin'ny fifandraisany tamin'ny gazety HEHY,
eo anilan'ny Profesora Narivelo Rajaonarimanana
Ny tarika Dédé Sorajavona nanafana ny fotoana
 
Anisan'ireo mpianatry ny NALCO niantsa slam, miaraka tamin'ny mpampianatra iray Ireo mpianatry ny INALCO. Ery akaikin'ny varavarakely no ahitana an'i Francine Ranaivo, mpanoratra

 

 

 

Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 23/03/2017