poetawebs sy Haingo

poeta_malagasy Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

ikopa

10 aogositra 2011

TAPATAPAK'AHITRA IARAHANA AMIN'I HAINGO

Haingo Razafiarijaona fantatra amin'ny anarana diam-penina HAINGO no atolotry ny poetawebs ho an'ny mpiserany. I Toetra RAJA no mitapatapak'ahitra aminy eo amorom-patana. Poeta sy mpanoratra ary mpamoron-kira izy. Bessa sy Lola, Solo, Bodo, Malala, Tovo J'Hay, Dadah Mahaleo no efa nihira ny hira na ny tononkalo noforoniny. Eo amin'ny poezia kosa dia namoaka ny boky "ILO" izy tamin'ny 1993 izay tafiditra amin'ny fampianarana eny amin'ny Anjerimanontolon'Antananarivo. Lavalava tsy tahaka ny mahazatra eto amin'ny takelaka ny tafatafanay mirahalahy satria matevina ny traikefany ary ampitiavana sy ampahatsorana tokoa no izarany amintsika ny momba azy.

 

Miarahaba anao Haingo ary misaotra anao manaiky mitapatapak'ahitra amin'ny poetawebs. Oviana ianao no nanomboka nanoratra ary nisy antony manokana ve?

 

29 taona lasa aho no nanomboka nanoratra, izany hoe tamin'ny taona 1982. Tsy naniry ny hanoratra aho, fa nisy trangam-piainana nanjo ahy no nahatonga ahy hiriaria eo amin'ny tontolon'ny Soratra. Izay dia ilazako fa "ANTSO" ny fanoratana, ka tsy azoko nihodivirana.

 

Tsy mbola miely am-patrana eto anivon'ny aterineto ny sanganasanao. Paik'ady ve sa misy antony manokana?

 

Miasa amina Orinasa tsy miankina aho, ka ny fahateren'ny fotoana noho ny asa aman-draharaha angaha no azo lazaina ho antony manokana.

 

Nahazo ny loka faharoa tamin'ny fifaninanana "Ny Avana Ramanantoanina" ny boky "ILO". Noeritreretinao ho lasa lavitra ve ity boky ity tany ampiandohany?

 

Tsoriko ny marina : tsy nieritreritra an'izany aho. Tiako ny Soratra, ka nandray anjara tamin'ny fifaninanana aho.

 

Azonao fintinina amin'ny teny fohy ve ny tianao lazaina amin'io lohatenin'ny boky io?

 

Ny "ILO" dia menaka, fa raha itarina ny heviny momba ny Soratra, dia manamandina ny mpamaky efa makianan'ny isan'andro atrehina izy, mba ho taitra sy handalina ary handinika ny lafim-piainana isan-karazany...

 

Tafiditra amin'ny fandaharam-pianarana any amin'ny Anjerimanontolon'Antananarivo izy (taona fahatelo sy fahefatra). Inona, araka ny hevitrao, no tombony manokana mitaha amin'ny boky hafa?

 

Tsy manan-kambara amin'izany aho fa aleo angamba ny mpamaky no hamaly ny amin'iny. Amiko manko, tsy misy avo sy iva ny Mpanoratra rehetra, fa samy manana izay nomena azy fotsiny.

 

Betsaka ve, araka ny fahalalanao, ireo boky na tononkalo hafan'ny poeta "zandriny" tafiditra amin'ny fandaharam-pianarana?

 

Ny anaran'olona aloha mety tsy ho voafaritro, fa araka ny finoako, saiky ianarana ao amin'ny fandaharam-pianarana avokoa ny Poeta ankehitriny.

 

Efa niaraka namoaka boky tamin'i Arikaomisa koa ianao: "Mpirahalahy mianala". Azonao asiana fanazavana fohy ve ny momba izany?

 

Fiaraha-miasa iny, toy ny mpamorona miara-mamoaka sy miangaly ny kantony avy. Ny an'i Arikaomisa "Angano", ny an-dRaholdina "Kabary hatsikana", ary ny ahy kosa saika ireo andiany voalohany amin'ny tononkaloko tonga hira. Fifamenoana izany no foto-kevitray telo mirahalahy raha namoaka iny boky iny.

 

Azonao hazavaina amin'ny mpisera ve ny angalim-panoratanao "Telo noho ny Dimy"?

 

Mbola hisy vela-kevitra, izay efa nokinasako, hanazavana ny amin'io satria raha tsy mihaona mivantana amin'ny mpisera, sarotra ihany ny mivaofy azy etoana.

 

Ny naha mpianatry ny Lycée Andohalo (Antananarivo) anao taloha ve mety ho nanampy ny famolavolan'ny fiaraha-monina anao ho lasa poeta?

 

Angamba kosa ampahany ê ! Satria ny taona famaranana ihany aho no tao, fa talohan'izay, nanomboka ny taona faha enina (Classe de 6è) ka hatramin'ny faha roambinifolo (Classe de 1ère) dia nianatra tao amin'ny Collège Moderne de Madagascar, antsoin'ny maro hoe MADA, izay lasa ISCAM ankehitriny. Izaho ange efa afaka Baccalauréat vao nanoratra ê ! Fa tia ny Literatiora malagasy na vahiny kosa, efa hatramin'ny fahakely, noho ny fitaizan'ny mpampianatra tao amin'ny MADA. Ankoatra an'izay, tia mamaky boky aho.

 

Tamin'ny fankalazana ny faha 25 taona nanoratanao tao amin'ny Cemdlac Analakely (mey 2008) dia niantsa tononkalo ianao. Fanaonao ve ny miantsa ny tononkalonao eny an-tsehatra?

 

Eny, fa tsindraindray...

 

Tamin'io fotoana io dia nanotrona anao i Ny Eja. Maro ve ny poeta malaza ankehitriny mahay mamoron-kira koa toa anareo?

 

Izaho aloha, lazaiko anareo, tsy mihevitra ny tenako ho malaza sy mahay. Manaraka an'izany, heveriko fa misy mihitsy afaka manao tonon-kira na mamoron-kira mihitsy, fa mety tsy fantatra fotsiny aloha.

 

Voalaza tamin'ny gazety aza (Les Nouvelles 19-05-08) fa niainga tamin'ny fandalàna ny sanganasanao no naha poeta sy mpamorona tononkira an'i Ny Eja. Azonao hamarinina ve izany?

 

Ny amin'izay indray kosa angamba aloha dia  Ny Eja no tena afa-mamaly an'izany mivantana, fa ny azoko lazaina dia ny hoe, tsy ilaozan'izany izay zandry mpamorona taty aoriana. Lalana andalovan'ny mpanakanto rehetra izany.

 


"Haingo sy ny gitara ary ny hira, mpisakaiza hatramin'ny ela..."
 

Misy koa anefa mpamoron-kira malaza manisy feony ny tononkalonao. Mifanaraka amin'ny ngadon'ny tononkalo nieritreretanao azy ve ireny feony ireny?

 

Tsy misy ny afa-po tanteraka, fa hatreto aloha ankasitrahako, ry zareo.

 

Miara-tonga ve ny feony sy ny tonony rehefa mamoron-kira ianao?

 

Misy izany. Fa ny tena fanaoko dia mamorona ny tonony aho aloha vao mitady ny feo apetraka eo amboniny.

 

Momba ny tononkalonao "SATRIA", niainanao ve ny fihetseham-po nipololotra tao?

 

Eny, niainako iny !...

 

Nomenao nohirain'i BODO io hira io. Ao an-tsain'ny maro hatrany ve hoe ianao no namorona ny tonony rehefa heno amin'ny Radio ny hira sa toy ny manakona ny mpihira?

 

Izaho aloha mino fa mbola be dia be dia be dia be no tsy  mahafantatra hoe tononkaloko iny, kanefa, amiko, tsy izay no zava-dehibe fa ny fielezan'ilay tsangan'asa masina tao anatiko, mba ho Soratra hamelona ny mpiara-monina sy ny taranaka mandimby. Izany tsy manakana ny tsy ampahafantarana ny olona ny mpamorona... Izao koa ange, ny aty amintsika, aty Madagasikara, na mividy kapila mangirana mbamin'ny raki-kira aza ny olona, tsy mamaky ilay fampahafantarana ny mpamorona akory ao amin'ny takelaka anatiny izy; ny mihaino fotsiny no ataony... Ny hevitr'izany, mbola mila fifampitaizana mandavan-taona isika. Ny ahy raha misy tononkalo na hira mambabo ahy, tsy ny mpiantsa na ny mpihira no mahamaika ahy hofantarina fa izay namorona azy. Tokony ho toy izany isika rehetra, amiko...

 

Misy hetsika kasainao hatao ve ato ho ato (sehatra, boky sns)?

 

Mbola eo am-piketrehana aloha izao...

 

Eto ampamaranana, mangetaheta andinin-tononkalo iray na roa ny mpisera. Misaotra anao ny poetawebs sy ny mpisera mianoka ny resadresaka mafonja nentinao. Mirary soa.

 

Mankasitraka an'i Toetra RAJA sy ny mpamaky rehetra tsy an-kanavaka fa "MIVADY NY FITIAVANTSIKA" !...
Atolotro ny mpisera ary ity tononkalo ity ê :

 

MIVADY


Nanjary adinao ny adim-pitarainako.
Nanjary fiainanao ny fiainana iainako...
Rimbona ny aiko raha marary ianao,
ny masina aminao no lalaiko izao !

Ny antony ? Satria
mivady ny fitia !

Mahatratra ahy izay mahazo anao,
Tonga alokao ny ratram-poko ao...
Miaraka na faly na ory isika roa,
izany ka fanahy mifankatia tokoa !

HAINGO
poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021