Créer un site internet
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T.Ràja


28 jona 2010
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

HAVATSA FRANTSA SY NY FETIM-PIRENENA

Noho ny fitsingeran'ny fahadimampolo taonan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara dia nisy tsena (tsena malagasy mihitsy) tany Savigny-le-Temple Frantsa izay nahitana taozavatra sy entam-barotra malagasy nahaliana na ny Frantsay na ny mpizaha tany hafa firenena nandalo tany. Naharitra hatramin'ny Asabotsy 26 Jona 2010 hariva ny tseana.

Ankoatra izany moa dia tamin'ny talata 22 Jona 2010 teo no niditra an-tsehatra ny HAVATSA UPEM FRANTSA na ny Fikambanan'ny Poeta sy Mpanoratra Malagasy sampana Frantsa ka namelabelaran'ny Filohany, Andriamatoa François-Xavier RAZAFIMAHATRATRA (tamin'ny teny frantsay) ny momba ny FAHADIMAMPOLO TAONAN'NY FAHALEOVANTENA MALAGASY. Marihina etoana fa ity famelabelarana ity dia saika niompana tanteraka amin'ny lafy ratsin'izany dimampolo taona izany na ny fahadimampolo taonan'ny fijaliam-bahoaka : risoriso, halatra, vono olona etsy sy eroa, fahalafosan'ny vidim-piainana, tsy fivoarana amin'ny lafiny rehetra. Navoitra tao koa ny fahatsapana fa tsy tonga any amin'ny vahoaka ny tombontsoam-pirenena fa any amin'ny olom-bitsy ao amin'ny fitondrana sy ny governemanta. Voatantara ny lalana nodiavin'ny firenena malagasy nanomboka tamin'ny nahazoana ny fahaleovantena tamin'ny 26 Jona 1960 mandraka ankehitriny. Mampalahelo fa nivandravandra toy ny vay an-kandrina tamin'ny adihevitra fa nihemotra indrindra i Madagasikara.

Tao aorian'izay famelabelarana narahina adihevitra izay dia nisy ny antsa tononokalo RARY HO AN'NY TANINDRAZANA nantsain'i Miora sy Ny Kanto. Tononkalon'i  Rado, IPA, Ranjatohery Harilala, Fredy Jaofera...no nantsaina tao.Tsy diso anjara tamin'ny Kalon'ny Fahiny koa ireo nanatrika satria nanafana ny lanonana i Hery RAMANDIAMANANA sy Mée. Tamin'ny roa amby ny folo alina vao tapitra ny lanonana.

Tatitra : Fredy Jaofera

poetawebs@gmail.com