Notanterahina tao amin'ny lapan'ny tanànan'Ambatolampy ny sabotsy 31 janoary hifoha ny 1 febroary lasa teo ny AFONAKANGA, hetsika izay nokarakarain'ny Akanga Tsara Soratra sampana Ambatolampy. Nanomboka tamin'ny valo ora alina ny fotoana. Maro dia maro ireo mpijery sy mpankafy nanotrona ity hetsika ity na nosembanin'ny orana aza noho ny fandalovan'ny rivodoza. Nafindra tao amin'ny efitrano malalaky ny lapan'ny tanàna manko ny seho rehefa tena nikija ny orana. Ankoatra ny antsa tononkalo dia noravahina hira sy dihy ny fotoana. Nanomboka tamin' ny efatra maraina dia nisy ny famelabelaran-kevitra narahina fanontaniana mikasika ny toe-tsaina ifampitondrana ao anatin'ny Akanga Tsara Soratra, noentin'ny mpitantana nasionaly Faniry Ezeckiel.
Tiana ny manamarika fa nandefa solon-tena telo ny Akanga Tsara Soratra avy any Antsirabe. Nanohana tamin'ny fampitaovana ny solombavambahoakan'Ambatolampy sy ny ben'ny tanàna ao an toerana ary ny "Chef d'arrondissement" Sabotsy Namatoana. Nanampy teo amin'ny serasera kosa ny onjampeo Mimosa Radio sy ny Radio 104.
"Fanombohana fotsiny ity fa mbola maro ny hetsika hifanesy" hoy ny filohan'ny Akanga Tsara Soratra Ambatolampy Orima Andrilalaina.
Poetawebs
• Niredareda tao anaty orana ny Afonakanga






