poetawebs
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
16 janoary 2018

Fantaro i... Clarisse ANDRIAMAMPANDRY RATSIFANDRIHAMANANA

(1926-1987)
Pôeta, Mpanoratra tantara foronina, tantara tsangana, andrana

— Fandalinan'i Hanitr'Ony1

Clarisse Hortense Ravaoarisoa Andriamampandry2 no tena anarany feno. Mpanoratra malagasy amin’ny teny malagasy izy, teraka ny 5 desambra 1926 tao Fenoarivo-Atsinanana, Madagasikara, zanak'i Dokotera Andriamampandry Pierre sy Ramatoa Razafindrabodo3. Nanambady ny Dokotera Henri Ratsifandrihamanana izy ny taona 1946 ary niteraka valo mianadahy izy ireo. 


Nanoratra hatramin’ny fahatanorany izy (16 taona) ary nifantoka feno tamin’ny fanoratana taorian’ny namoizany ny zanany vavy fahatelo tamin'ny taona 19504.

Hoy indrindra izy :

“Ny tambatry ny tononkalo voalohany eto am-pelantanako dia nosoratako teo amin’ny faha-16, faha-17, faha-18 taonako”

Hoy koa izy mikasika ny tantara FAHAVARATRA:

“Ny taona 1947, nahavoa famaizana anay mivady tany Grandes Comores no nanoratako ny tantara FAHAVARATRA. 21 taona aho tamin’izany”

Mpanoratra tena mamokatra tokoa izy ary manoratra ny karazana haisoratra rehetra, isan’ireo manome lanja indrindra ny literatiora malagasy ny vokatr’asasorany, efa mihoatra ny telo amby roapolo isa (tantara foronina, sombintantara, tononkalo, tantara an-dampy na an-tsehatra, angano, andrana sy fanadihadiana...) ary mbola maro no tsy voatonta. Fantatra amin’ny maha mpanoratry ny tolona amin’ny alalan’ny teny izy, fa miresaka momba ny fitiavana, ny fiainana ihany koa. Nahazo loka maro ny asasorany. 

Fikambanan’ny Mpanoratra nisy azy, na ny teto amin’ny firenena, na teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena4

  • Ny Vondron’ny Poeta sy Mpanoratra Afro-Asiatika (Union des Poètes et Ecrivains Afro-Asiatiques)
  • Ny UPEM (Union des Poètes et Ecrivains Malgaches)
  • Ny KOMAAA (Comité des Ecrivains Malgaches pour le développement de la littérature Afro-Asiatique)
  • Ny FIMAMIRE na FIkambanan’ny Mpanoratra sy Artista MIaro ny Revolisiona (Organisation des Ecrivains et Artistes en soutien à la Révolution Malagasy), izay izy no Filoha mpamorona
  • Ny Akademiam-pirenena Malagasy tamin'ny 1975

Santionany amin’ireo boky sy asasorany nalaza indrindra, na nahazoany loka

  • Amboara (1960), amboaran-tononkalo : Loka faharoan’ny Pôezia, Kaominin’Antananarivo
  • Fahavaratra (1969), tantara foronina, Loka Akbaraly 1964
  • Tamberintany (1972), tantara foronina : Loka voalohany AJEM 1966 (Association des Journalistes de Madagascar)
  • Ny Zanako I & II (1970), tantara foronina : Loka voalohany Syndicat des Professeurs Malgaches
  • Taratasy misokatra ho an’i Lobo (Lavakombarika, 1974), sombintantara : Loka voalohany Organisation Démocratique de Madagascar 1973
  • Tany vao (1979), tantara foronina: Loka faharoa natolotry ny Ministeran’ny Kolontsaina 1979
  • Velanangano (1980), tantara an-dampy : Loka voalohany natolotry ny Ministeran’ny Kolontsaina 1979
  • Salohy, amboaran-tononkalo,
  • Ratompokovavy, tantara an-dampy, 
  • Tohi-vakana
    Angano
  • Ravahiny (1975)
  • Irojo tsy nety afa-po (1977)
  • Ifelamboahangy (1977)…

Ny asa nosahaniny4

  • Mpitan-tsoratra tao amin’ny Faritanin’Antananarivo (1952-1955)
  • Mpampianatra taranja Malagasy (1965-1975) tao amin'ny Kolejy Rasalama
  • Taorian’ny taona 1973 dia niompana tanteraka tamin’ny asa soratra izy

Andraikitra ara-piarahamonina4

  • Mpikambana tao amin’ny Fifanampiana Malagasy
  • Mpanolotsainan’ny tanànan’Antananarivo ny taona 1968-1972
  • Mpikambana tao amin’ny Komitim-panatanteraky ny Fokontany Ambohitrakely (1981-1985)
  • Antoko Politika: Antoko Kongresin’ny Fahaleovantenan’ny Madagasikara (AKFM)

Fivoriana iraisam-pirenena natrehiny amin’ny maha-Mpanoratra azy4

-

-
-
-
-
-

-

-
-
-
-
-
-
-
-
-
-

Leningrad, Rosia (1971): Fankalazana ny faha-150 taona nahaterahan’i Pouchkine. Ny famelabelarana nataony tamin’izany dia voarakitra ao amin’ny “Karoka ho fampandrosoana ny literatiora”.
Kazakhstan (1973): Fihaonambe iraisam-pirenena faha-dimin’ny Mpanoratra Afrô-Asiatika
Armenia (1973): Fihaonamben’ny Tononkalo (Symposium de la Poésie)
La Réunion (1975): Fankalazana ny taona iraisam-pirenena natokana ho an’ny vehivavy
Rosia (1977): fitsidihan-tany
Angola (1979): Fihaonambe iraisam-pirenena faha-enin’ny Mpanoratra Afrô-Asiatika
Maorisy (1979) : Fivoriana iraisam-pirenen’ny Mpanoratra nokarakarain’ny Vondron’ny Mpanoratra Maorisiana
Georgia (1980) : Fitsidihana ny « Palais de repos et de création de l’Union des écrivains soviétiques»
Mongolia (1980) : Fihaonambe iraisam-pirenen’ny Mpanoratra Afrô-Asiatika
Vietnam, Kampuchéa (1980) : Fivorian’ny Vondron’ny Mpanoratra Afrô-Asiatika
Alzeria (1983): Fihaonan’ny Mpanoratra Arabo sy Afrikana
Ouzbekistan (1984): Fihaonan’ny Mpanoratra Afrô-Asiatika
Bolgaria (1984): Fihaonan’ny Mpanoratra Afrô-Asiatika
Rosia (1985): Fihaonan’ny Mpanoratra Sôvietika sy Malagasy
Alemaina (1985): Fitsidihan-tany (visiteur international)
Korea (1986) : Fihaonan’ny Mpanoratra Afrô-Asiatika
Congo Brazzaville (1987): Symposium international des Poètes et Ecrivains contre l’apartheid

Voafaritra ao amin'ny fandaharam-pianarana ho an'ny ambaratonga faharoa ny fandalinana an'i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana.
Nahazo ny mari-boninahitra Officier de l'Ordre National izy.

Nodimandry ny 28 jona 1987 tao Antananarivo i Clarisse
Andriamampandry Ratsifandrihamanana. Mitoetra ao am-pon'ny maro anefa ny asasorany ary mbola mitohy ny fanapariahana izany hatramin'izao fotoana izao araka ny voalazan'i Bodo Tantely zafikeliny:

"Ny boky farany navoaka taona vitsivitsy lasa izay dia "roman" 2 mitondra ny lohateny hoe "lohataona sy ririnina" sy "ramose". Efa namoaka boky tononkalo misy ireo potipotika tononkalo nosoratany teny amin'ny sombin-taratasy rehetra eny, mitondra ny lohateny hoe "Pitik'onja"".

Marihina fa manana fifandraisana manokana taminy tokoa ity zafikeliny ity araka izao voalazany izao:

"Tena betsaka aloha raha ny fahatsiarovana taminy, azon'ny tena akaiky taminy aho, notantarainy ny fiainany rehetra. Ny nenifarako Lila Ratsifandrihamanana no efa manoratra boky momba azy mivady ary efa an-dalana ny fivoahany".

Indro misy tononkalo iray anehoany ny toeran’ny Vehivavy eo amin’ny tantaram-piainana sy ny tantaran’izao tontolo izao.

ATi-SITRAKA HO AN’NY VEHIVAVY

Ny vehivavy ve? – Moa tsy bikabika
Sady sarisarin’ny tany onenantsika?

FA NY VEHIVAVY ROAPOLO TAONA
No tanin’i Afrika tsy mbola notrandrahana,
Misaly zava-miafina, mpikaro-pahafahana.

NY TELOPOLO TAONA
No Inde – rentirenty manintona ho hanitra
Mirado rojovola, miravaka andriamanitra.

NY EFAPOLO TAONA
No Eoropa mihetsiketsika anaty fandrosoana
Sy ny helatrelatry ny fiaina-manoloana.

NY DIMAMPOLO TAONA
Dia hipoka sy zina – tahaka an’i Amerika
Tahiry saro-bidy ara-teknika.

NY ENIMPOLO TAONA
No velatr’i Rosia takarina hidirana,
Mpanavotra sahirana, kanefa manahirana.

NY FITOPOLO TAONA
No Nosy mipariaka nomena fanambinana
Anti-mitanisa amboaram-bolan-tsinana.

NY VALOPOLO TAONA
No Tendrontany roa tsy takatra polorina,
Vaingan-dranomandry sarotra antomorina

Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana

Indreto koa misy ampahan-dahatsoratra notsongaina tao amin’ny "Lavakombarika" izay mitahiry sombintantara enina ambin’ny folo nosoratan’i Clarisse Ratsifandrihamanana, maneho an-tsoratra ny amin’ny teny tsotra voafantina ny hakanton’ny Teny Malagasy, ny toetry ny Olombelona ary ny rafi-piaraha-monina sy ny rarim-piainana nisy teo amin’ny vanim-potoanany:

"Nihorohoro ny vahoaka, nanombinana ny tahiry ambata; izay tsy nanana ny vonona dia nivarotra kely: vokatry ny tany, ankoho amam-borona"
(Ramaitsoakanjo, p. 76)

"Tsy matahotra mpamosavy aho, Miandry razana, ary indrindra moa Iza aho ?"

"I Sely? - tena renibeko mihitsy! Ary satria ny vadin'ny renibeko dia dadabeko... dia vonjeo aho rey olona, ampahafantaro ahy: Iza aho? ... ny tenako vadin'i Sely, renibeko i Sely ka moa Dadaben'ny tenako aho? Mila ho adala ny lohako: Iza aho?" (Iza aho?, p. 151)

"Taizan-drenikely, hono, i Dadabenay, dia iray amin'irony renikely tsy mataho-voamason-jaza, mpanongo mangina, mpanao zara-vilana eo am-pisakafoana." (Ny taolan'i Mampikomy, p.124)

"Toy ny rivotra mihevaheva eny amin'ny rindrin'efitro ny matoatoan'i Dada, ny masoko mandavaka ny haizina dia indreo mahita ny halohalon'ny tsanganany ary ny tara-pahazavan'ny diavolana misisika eny amin'ny elanelam-baravarankeliko dia toy ny hanatitra ny fijeriny..." (Matoatoa, p. 35)

Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana

___________________________________
1Nisy fanitsiana tamin'ny 22/02/2021 araka ny toromarik'i Lila Hanitra Ratsifandrihamanana
2Araka ny fanampim-panazavana nentin'i Bodo Tantely zafikeliny, "ny anarany tena feno dia Clarisse Hortense Ravaoarisoa Andriamampandry".
3Araka ny fanampim-panazavana nentin'i Bodo Tantely zafikeliny, ny anaran'ny reniny dia Ramatoa Razafindrabodo
4Araka ny fanitsiana nentin'i Lila Hanitra Ratsifandrihamanana

Pôetawebs©2018

Date de dernière mise à jour : 28/02/2021

×