Créer un site internet
Fantaro i Samuel Randria
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

15 ôktôbra 2020
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 Toetra Ràja
Samuel Randria - Pôetawebs Fantaro i

Samuel Randria


(1910 - 1985)
Pôeta
Sefo skoto
Mpampianatra
Mpamoron-kira

— Fandalinan'i Toetra Ràja

"Raha hifandao isika izao
 Moa dia ho kivy fo?
 O! sanatria fa andrandrao
 Ny mbola hihaona soa"

Ankamamian'ny Skoto, hirain'ny maro, tsy afaka am-bavan'ny taloha sy ny ankehitriny ary ampoizina ho tsy lefy laza mandritra ny taonjato hifanesy izany andinin-teny mampiontana sy mandona fo manoloana laim-pisarahana faratampony izany. "Veloma soa" ny lohateniny; noforonin'ny pôeta Samuel Randria, ilay nandao tamin'ny 11 jona 1985 kanefa nampitoetra ny asan'ny sainy holovain'ny taranaka fara aman-dimby ary loharano tovozin-tsy ritra raha mbola fanandratana ny literatiora ihany no ventin-dresaka.


1. NOTEFEN'NY HAFALIANA
Tsapa ho nanana sy nizara hafaliana hatrany i Samuel Randria nandritra ny androm-piainany. Taratra ao amin'ny asa soratra voiziny izany ary mampahalasa eritreritra momba ny fomba nanefen'ny tontolony azy. Tsara araka izany ny handinihana izay hafaliana izay dieny any an-doharano, dia ilay nahitany masoandro ka nanomezana azy anarana, ny vohitra nitetezany ny fahazazany ary ny sekoly nanefy azy ho tonga olom-banona.

  1.1. Randria Samuel André

Taratra ao anatin'ny anarany, Randria Samuel André, izay fiainany milona anaty fifaliana izay, fifaliana tsy koboniny ho azy samy irery fa hainy zaraina. Hainy koa ny miasa sy mifikitra amin'ny tanjony sy ny foto-kevitra ijoroany. Nobeazina tao anatin'ny tontolon'ny finoana rahateo izy.

"Randriana" no anarana mifanakaiky amin'ny "Randria" voarakitra ao amin'ny Rakibolana, mitovitovy hevitra amin'ny "Andriamatoa" na "Randriamatoa" izay nofaritan'i R. Rajemisa-Raolison (1985) hoe "teny manaja fanao amin'ny lehilahy". "Ria" kosa no fototeny mety ho azo tsoahina ao anatiny. Araka ny Rakibolana ihany, ny "ria" dia midika "fandehanan'ny rano izay mafy firiotra; fanetsiketsehana zavatra ao anaty rano". Ny "riaria" indray dia "fandehandehanana etsy ery amin-kafaliana" (R. Rajemisa-Raolison, 1985).

Ny "Samuel" kosa dia anarana tsikaritra ao amin'ny Baiboly (1), bokin'i Samoela 1, anarana nomen'i Elkana sy Hana ny zanany nangatahana ary nomen'ny Tompo (I Sam 1:20), anaran'Andriamanitra amin'ny teny hebreo "shemu’el". Voalaza ho olon'ny fahatapahan-kevitra, manam-paharetana, azo ianteherana ary mampihatra ny heriny rehetra ho an'ny fahombiazana ny olona antsoina hoe Samuel (2).

Hevitra miabo ihany koa no hita ao amin'ny "André", niainga avy tamin'ny teny grika "andros" (lehilahy), maneho fanatanterahana adidy goavana sy fitiavana manampy olona ary fitandroana fihavanana.

Ny fitsinjovana ny ampitso no mahatonga azy hiasa mafy. Tia mitety tany izy, madio fo sy tsy mpanao ratsy ary fatra-panaja fitsipika (3).

Teo amin'ny asa soratra sy ny asa fanaovan-gazety no nampiasany ny Samuel Randria, anarana nomen'ny ray aman-dreniny azy. Nisy ihany koa anefa ireo lahatsoratra an-gazety nosoniaviny hoe Samuel André Randria na Samy Gasy na Ra – Ess na S.R. Eo amin'ny skotisma moa dia tsy zoviana intsony ny anarana "Sefo Randria" sy ny "Requin Bolide". Ireo mpifanerasera taminy teo amin'ny fiainana andavanandro kosa no mpiantso azy hoe "Tsy maty afo".

Raha tany amin'ny taonjato faha-16 no tena nampiasain'ny Protestanta ny anarana Samuel, taty amin'ny taompolo faha-60 kosa vao nironan'ny ray aman-dreny nampiasaina indray. Randriamalazavola sy Ravolamitsirilaza anefa, tao Manantantely Tôlagnaro, no nampisalotra io anarana io ny zanany Samuel Randria, tamin'ny 22 jolay 1910, daty voamarina ao amin'ny kara-diany (sary eo ankavanana).

Samuel Randria - Pôetawebs

1.2. Manantantely, mamolavola ho olona

10km eo ho eo no manasaraka an'i Tôlagnaro sy ny vohitry Manantantely, ampifandraisin'ny lalam-pirenena RN13 izay, raha tohizina, dia mandalo an'Ambovombe, Isoanala, Betroka... ary miafara amin'ny RN7, tsy dia mifanalavitra amin'i Ihosy.  Aloha kelin'i Manantantely no ahitana ny QMM (QIT Madagascar Minerals), orinasa lehibe mitrandraka fasimainty. Voalaza fa ao aza no toeram-pitrandrahana fasimainty lehibe indrindra eto ambonin'ny tany. Raha nanova ny endrik'iny faritra iny sy ny fiainan'ny mponina ao aminy io fitrandrahana io dia tsara raha hitodihana kely ny zava-nitranga tany amin'ny 110 taona lasa.

Voatendry ho mpampianatra tany Randriamalazavola rain'i Samuel Randria fa avy any Ambalavao Ivondro (Ambalavao Tsienimparihy), Faritanin'i Fianarantsoa, kosa no tena fiaviany. Fianarantsoa koa no fiavian'ny reniny, Ravolamitsirilaza, ao Atsimo Andrefan’Ambohimandroso, tsy dia mifanalavitra amin'Ambalavao raha ny marimarina kokoa. Mpikarakara tokantrano no asany. Niorim-ponenana tao Manantantely izy mivady ary tany no nahitan'i Samuel Randria masoandro ka niainany ny fahazazany sy ny fahatanorany. Zaza faha-7 amin'ny 12 mpiray tam-po izy (5 lahy sy 7 vavy).

Mampiavaka an'i Manantantely ireo faritra maitso mavana (4), ny havoana manodidina voarakotra ala sady omban-drenirano eny antsefatsefany. Singanina manokana ny rian-drano eo am-pototry ny havoanan'i Bezavona, izay mahasarika mpizaha tany sy mampitony noho izato hakantony antsoina hoe "Domaine de la Cascade". Tsy mahagaga raha tao Manantantely no nofidiana ho foiben-toeran'ny Misiona loterana sady nananganana sekoly loterana koa. Taty aoriana dia natao semineran'ny mpianatra teolojia ny trano sasantsasany tao. Nisy kosa ireo zary haolo sy fonenan'ny tantely remby, fa betsaka azy ireny moa iny faritra iny ka nahatonga an'i Manantantely ho Manantantely.

Samuel Randria - Pôetawebs

Manantantely, tanàna kely vitsy olona saingy itoeran'ny tsio-drivo-pahatsorana mandavan-taona, no tany lonaka nanabe an'i Samuel Randria ka nahatonga azy ho olona miavaka sy ho tompon'andraikitra lehibe teto amin'ny firenena. Tao amin'io tanàna io no nianarany ny abidia. Niatrika ny fanadinana CESD (Certificat d’Etudes du Second Degré) tany Farafangana izy ka nahazo an'izany diplaoma izany. Niakatra tao Antananarivo nanohy ny fianarany tao amin'ny Paul Minault, sekolin-dry Dox sy ry Charles Ravoajanahary ary ireo sangany amin'ny literatiora, fitsaboana sns.

 1.3. Paul Minault, sekolin'ny sangany

Ny mpanjaka Ranavalona III no nanome lalana ny Misionera Joseph Sewel tamin'ny 1870 hanangana tranon-tsekoly tao Antananarivo (5), nantsoiny hoe Ambohijatovo (vohitry ny zatovo), nanjary Ambohijatovo Atsimo ary fantatra amin'ny anarana hoe Vohipiraisana taty aoriana, misy ny foiben'ny FFPM ankehitriny, tsy alavitra ny tsangambato nahafatesan'ny Kôlônely Ratsimandrava. Misioneran'ny FFMA na "Friends’ Foreign Missionary Association" (nadikan'ny Malagasy hoe Frenjy araka ny fanononany ny "Friends") i Joseph Sewel. Ny mpianatra tafavoaka avy tao indray dia noheverina fa afaka manohy fianarana ao amin'ny sekoly vao natsangan'ny LMS (London Missionary Society) tao Faravohitra (Ministeran'ny fitsarana taty aoriana) tamin'ny 1896 kanefa nobodoin'ny mpanjana-tany sahady tamin'io taona io ihany.


Taty amin'ny taona 1901 vao nahatsangana sekoly niraisana ny FFMA, LMS ary ny MPF (Mission Protestante Française) ka nampitondraina ny anaran'i Paul Minault, ilay misionera novonoin'ny Menalamba na ny miaramila frantsay ihany (araka ny mpilaza). Marihina fa niaraka novonoina i Paul Minault sy i Benjamin Escande, ilay tompon'ny anaran'ny sekolin-dry Bolespara sy S. Bem tao Ambositra. Niovaova toerana ny sekoly Paul Minault tamin'io taona 1901 io: Ambatobevanja (tranon'ny rahavavin-dRanavalona III), Antaninandro, Ambondrona. Tamin'ny taona 1915 vao tafakatra tao amin'ny sekoly antsoina ankehitriny hoe Ambohijatovo Avaratra ny sekoly Paul Minault. Mpianatra efa manana CESD no voaray tao ka anisany i Samuel Randria. Fanomanana fifaninanana hidirana amin'ny sekolin'ny fitantanana sy ny fitsaboana no nimasoana tao. Nanala ny fanadinana bakaloreà tao i Samuel Randria tamin'ny 1937 saingy tsy afaka. Ny taona 1938 kosa no nanaovany fifaninanana hiditra tao amin’ny Sekoly Michelet ary voalaza fa ny taona 1942 no nitsaharany tamin'ny fianarana ka nirosoany teo amin'ny tontolon'ny asa fivelomana.

Samuel Randria - Pôetawebs

Na izany aza dia tafaverina soa aman-tsara tany amin'ny dabilion-tsekoly izy tamin'ny 1966 raha nandalim-pahaizana manokana momba ny asa fanaovan-gazety tany Etazonia, nomban'ny vatsim-pianarana nomen'ny Centre Culturel Americain (CCA). Manamarina ny fivahiniany tany ny fitomboka fanomezana lalana eo amin'ny kara-dia (sary eo ambony).

2. FOTO-PISAINANA, FOTO-PIAINANA
Amin'ny maha Samuel azy dia olon'ny asa sy fahombiazana i Samuel Randria. Ambetinteniny ny hoe "Raha asa no hatao dia antsoy aho". Mbola kely izy dia efa nahalala nitaiza tena tamin'ny fahatsapana ny lanjan'ny asa satria fialamboliny ny mihaza, mitono ary mihinana izay remby azony. Misy fahafaham-po ao anatiny mitango ny vokatry ny fahasahiranany. Tsy karazan'olona mpanenjika asa hampanan-karena anefa izy araka ny nambarany hoe "fantatro fa tsy nataon’Andriamanitra ho ahy ny hanan-karena". Any amin'ny asa fanasoavana ny mpiara-belona, indrindra fa ny asa fanabeazana sy finoana, no tena nifotorany: fampianarana, fanaovan-gazety, skotisma.

2.1. Mpikolo sy mpampita 

Nahay nandray fanabeazana maha olom-banona avy tamin'ny ray aman-dreniny sy ny fiarahamonina i Samuel Randria ary nahay nikolo sy nanatevina izany teo amin'ny androm-piainany:

"Dia nitombo teny ny fahaizako
 Haiko ny niteny toy ireo mpitaizako"
 
 Sombin'ny tononkalo "Tenin-drazako" (6)

Tsy nokoboniny ho azy samy irery anefa izany fa hainy nampita tamin'ireo mpiara-belona taminy. Voalohany amin'izany ny zanany antsoina hoe Randria Aina Andrianina, teraka tamin'ny 16 septambra 1968 tao Tôlagnaro, lahitokana niarahany nioty tamin'ny vadiny antsoina hoe Ranaivoson Aimée Charlotte, teraka tamin'ny 03 septambra 1931 tany Mahabibo Mahajanga ary nodimandry tamin'ny 2018. Any Ankadinanahary, atsinanan'Antsahadinta no fiaviany ary tamin'ny 1954 no nanatanterahana ny fanambadian'izy ireo. Marihina fa samy skoto avokoa ny zafikeliny roa.

Nanara-dia ny rainy i Samuel Randria teo amin'ny asa fivelomana satria ny taona 1942 no nanomboka nampianatra tao Ambohijatovo Atsimo Antananarivo. Nitaiza kilasimandry koa izy. Talen’ny "Akanin’ny Tanora" tao Tôlagnaro tamin'ny (1963-1971) izay notohiziny tamin'ny fitantanana ny kilasimandry zazalahy tao Ampandrana Gilping Antananarivo (1975-1985).


Fanabeazana ombam-pampitana koa ny asa fanaovan-gazety nosahanin'i Samuel Randria, izay tonian-dahatsoratry ny Gazety "Etsy Babeko", gazety niompana tamin’ny fampifalifaliana ny ankizy ranofotsiny.

Samuel Randria - Pôetawebs

Samuel Randria sy ny vadiny
Efa tonian-dahatsoratry ny Gazety "Samy isika ihany" koa izy ary efa natsidika tetsy ambony moa ny fianarana ambony norantoviny momba izany.

Ankoatra ireo dia anisan'ny nameno ny androm-piainany ny "Asa soa" ary mbola izay hatrany no maha André azy, manokana fotoana sy hery amin'ny fanampiana ny mpiara-belona aminy. Araka izany dia tsy dia nanana harena sy lova napetraka ho an'ny taranany izy, araka ny famerimberiny hoe :

"Ataon-karena inona moa aho?"

Fa ny lova napetrany ho an'ny Malagasy ary ho an'ny taranany manokana dia ny fitiavana sy fitandroana ny hasin'ny teny malagasy araka ny fanazavan'i Aina Randria:

"... tena nahasarotiny an'i Dada mihitsy mantsy ny fanoratana sy ny fitenenana, ary ahitsiny avy hatrany aho na amin'ny zava-madinika aza. Ohatra ny fampiasana ny androany sy ny anio".

Ny hevitra voizina amin'izao fotoana izao momba ny tenin-dreny dia efa niainan'i Samuel Randria hatramin'ny ela araka ny voalazany ao amin'ny tononkalo "Ny tenin-drazako" (6):

"Teny
 Niarahako nibada
 Nianarako ny Dada
 Nahaizako ny Neny
 Teny
 Namoronana ny hevitro
 Eny,
 Nilazako
 Ny feon’ny fon’ny hazazako
 Te hahay
 ‘lay teninay
 Tamin’izany, hasambarako
 Ny tenin-drazako..."


Namaranany an'ity tononkalo ity ny voady miendrika vavaka matotra dia matotra:

“Tompo o, tapaho re ny lelako
 Raha tenin-drazako no avelako
 Eny, foano ny hoaviko
 Rah’ty teny taminao no tsy hotiaviko,”

S. Randria

Raha misy ny fahombiazan'ny fikajiana ny teny malagasy dia ampoizina ho i Samuel Randria no anisan'ny antony, ilay pôeta modely, mpitarika... antsoina hoe Sefo Randria.


2.2. Sefo Randria

Teo amin'ny sehatry ny skotisma sy ny Tily eto Madagasikara no naha sefo an'i Samuel Randria. Skoto navitrika mandra-pahafatiny izy satria tamin'ny 1984, taona mialoha ny nahafatesany, no mbola nanatrehany ny lasy faha-60 taona tao Betsizaraina. Niditra Tily izy tamin'ny 1930. Izy no namorona ny Lovitao malagasy voalohany tamin'ny taona 1936, ho tohin'ny fiantsoan'ny Cheftaine Beigbeider sy ny Chef Charles azy. Izy araka izany no nanagasy ny fitaizana skoto. Efa tsapa hatreto ilay maha André azy, izany hoe olon'ny asa, sy ny maha Samuel olon'ny fikirizana azy. Nantsoina hoe "Commissaire Louveteaux" izy tamin'ny 1941 ary "Commissaire professionnel" tamin'ny 1945.

Nanamarika izay maha "Commissaire Professionnel" azy izay ny nanatanterahany "explo" sokajiana ho "mafy be" toy ny tamin'ny 1943, niainga avy tany Soanierana Ivongo mandra-pahatonga tany Ambatondrazaka. Telo taona taty aoriana indray ny "mafy be" tany Imerimandroso nankany Fenoarivo Atsinanana, samy niarahany tamin'ny Sefo Paul Rakotovololona. 

Samuel Randria - Pôetawebs

Ny Sefo Randria

Sokajiana ho "Mafy be" tokoa satria raha atao sidim-borona fotsiny itsy voalohany dia mahatratra 160km kanefa tsy ahitana soritra lala-masaka io faritra io manomboka eo Vavatenina ka hatrany Ambatondrazaka fa mamakivaky ny alan'ny Atsinanana ary manapaka an'i Zahamena izay voafaritra ho Valan-javaboary ankehitriny.

Ny antsoina hoe "explo" na "exploration" raha ny marimarina kokoa, dia fizahan-toerana an-tongotra iarahan'ny andiana skoto na tily na mpanazava sns. araka ny lalana haleha, ny fe-potoana, ny toerana ahatongavana... izay samy efa voafaritra mialoha. Raharaha anisan'ny lehibe indrindra amin'ny fiainana skoto ny "explo", entina hamefena ny mpandray anjara ho sahy sy hanana fahavitan-tena ara-piainana araka izay tranga rehetra mety hiseho. Olona ananana fahatokisana hahefa no alefa amin'izy ireny.

Nanamarika ihany koa ny toera-miavaka nisy an'i Samuel Randria teo amin'ny sehatry ny skotisma ny fandraisany anjara tamin'ny sehatra iraisam-pirenena. Tena nivezivezy sy nahita tany tokoa izy araka ny famaritana ny "riaria" tao amin'ny anarany hoe: "fandehandehanana etsy ery amin-kafaliana". Ireto ny santionany.

Samuel Randria - Pôetawebs

Hafaliana lalandava

- 1947, "Jamborée Mondial de la Paix" tany Frantsa, niarahany tamin-dRakotomalala Pierrot (skoto katolika) ka nahazoany ny "Tison de Cappy" (marika maha mpitarika azy). Ny "Jamborée" dia fihaonam-be mampiombona ny skoto maneran-tany, na ireo mpifanandrina omaly, na ny samy hafa finoana, manodidina ny afon-dasy tokana natao ho famantarana ny firahalahian'ny samy skoto.
- 1948, "stage" momba ny skotisma tany Frantsa, Beljika, Soeda, Alemana, Danemarka ary Norvejy. Nahazoany ny solon’anarana "Requin Bolide" tany Frantsa noho izy kinga teo amin’ny lomano. Ampahatsiahivina fa niaina ny fahazazany tany amoron-tsiraka izy ary io angamba ilay hoe "fanetsiketsehana zavatra ao anaty rano" hita ao amin'ny fototeny "ria" amin'ny anarany.
- 1954, "Jamborée" tany Kanadà
- 1955, nitarihany ny Skoto rehetra tao amin’ny "Communauté d’Outre Mer"


Marihina fa nahaleo tena ny Tily Eto Madagasikara tamin'ny 1958 ka izy no Malagasy voalohany Filoha Foibe Tily. Izany andraikitra makadiry notanany izany no anisan'ny nampisandrahaka ny seha-pifandraisany.

2.3. Pôetan'ny fifandraisana

Tsy nifidy sokajin'olona nifandraisana i Samuel Randria fa nivelatra tamin'ny rehetra. Ny tanora no anisan'ny lehibe indrindra tamin'izany noho izy mpitaiza skoto sady mpampianatra.

Nifandray tamin'ireo sangany teo amin'ny literatiora izy ka anisany i Dox araka ny nambaran'ny zanany, Aina Randria:

"Dox no tena namany akaiky. Nifamangy matetika izy roalahy, tsaroako tsara fony izahay tao Ampandrana"

Tsy voalaza raha tafahaona tao amin'ny sekoly Paul Minault izy roalahy fa ny fantatra aloha dia zandriny telo taona i Dox. Anisan'ny nanamarika azy tao amin'io sekoly io ny fisongadinan'ny Pasitera Ravelojaona araka ny tatitra nampitain'ny zanany hatrany:

"nampianatra azy tao i Pasteur Ravelojaona izay tena nodokafany manokana fa tena lehilahy hendry sy manam-panahy io mpampianatra io".

Namany koa i Rado (Georges Andriamanantena) izay niara-namorona taminy ilay hira hoe "Eny ambanivohitray", niampy an'i A. Andriantsoavina (7). Samy tily rahateo moa izy roalahy. Namany akaiky koa i Prosper Rajaobelina izay resy lahatra tamin'ireo tononkalony ka nampiditra ny maro tamin'izy ireo tao amin'ny bokiny "Gramera malagasy". Teo amin'ny sehatry ny fampianarana no tena nifaneraseran'izy roalahy araka ny fanazavan'i Aina Randria:

"Namany akaiky koa i Prosper Rajaobelina sady tale tao Ambohijatovo-Avaratra fony izy nampianatra"

Araka ny nambarany tamin'i Aina Randria dia efa nahita maso an'i J.-J. Rabearivelo izy ary Ny Avana kosa no pôeta tena nahasodoka azy.

Farany kanefa manan-danja koa dia ny fifaneraserany tamin'i Nalisoa Ravalitera, tily toa azy, hany sisa velona tamin'ireo akaikiny teo amin'ny soratra.


2.4. Pôetan'ny famoronana

Sehatra manan-danja hatrany no manamarika ny foron'i Samuel Randria. Tsy vitan'ny hoe mpamorona izy fa nitantana sy nanabe voho ary nahay nampita izany tamin'ny fotoana mahamety azy.

  - Andraikitra makadiry

    . Namorona ny Lovitao Malagasy voalohany
    . Nanangana ny antoko mpihira Amboarampeo FJKM Tranovato Faravohitra ary lasa mpiangona tao na dia loterana aza. Anisan'ny nampiavaka azy tao koa ny fitsofana "saxophone".
    . Nanagasy ny fitaizana skoto

  - Olon'ny sehatra

    . Mpanoratra sy mpandrindra an-tsehatra ireo tantara kanto sady nampihetsi-po filalaon’ny Tily isan-taona tao Antsahamanitra, ary  ny "art dramatique" no tena nanavanana azy tamin’izany
   . Anisan'ireo namolavola ny Pow Wow tao Antsahamanitra tamin'ny 1950 izay tsy natrehiny noho ny antony ara-pahasalamana

  - Mpamorona ny hiran'ny skoto

Manamarika ny asan'i Samuel Randria ny fahamaroan'ireo hira noforoniny voarakitra ao amin'ny bokin-kira antsoina hoe "Railovy" fampiasan'ny Tily hatramin'izao.

  - Fanapariahana amin'ny boky aman-gazety

    * Gazety sy bokim-pianarana
Mpampiely ny tononkalony amin'ny gazety i Samuel Randria. Tsy vahiny amin'ny tononkalony koa ny mpianatra satria hita amin'ny bokim-pianarana toy ny Gramera malagasy, Lahatsoratra voafantina, Fary mamy.

    * Bokiny manokana
   . "Frida", boky roman, 1953. Natontan'ny trano printy Rajaobelina Frères
   . "Tonom-bavaky ny biby sy ny vorona", boky momba ny zava-mananaina, mirakitra tononkalo
   . "Ibontsia", angano natonta ho B.D.

Samuel Randria - Pôetawebs
Samuel Randria - Pôetawebs
  - Pôeta misandratra

Azo lazaina ho asandratry ny asany i Samuel Randria satria anisan'ny pôeta lehibe manana ny toerany eto amin'ny firenena. Ianarana any an-tsekoly ny tononkalony ary fantatry ny maro ny hirany. Na izany aza anefa dia mety ho vitsy no mahafantatra ny tantarany sy ny maha izy azy noho ny fahavitsian'ny tahirin-kevitra momba azy.


Singanina manokana anefa ny voka-pikarohan-dRaveloarimanga Marie Soa tao amin'ny INALCO (Institut NAtional des Langues et Civilisations Orientales), Parisy, mitondra ny lohateny hoe "Samuel Randria: mpanoratra", ka nahazoany ny mari-pahaizana "Maîtrise" tamin'ny taom-pianarana 1986-1987. Voatahiry ao amin'ny trano famakiam-bokin'ny INALCO io voka-pikarohana io (THE0232).

Ankoatra ireo tononkalony miely amin'ny bokim-pianarana dia iainan'ny skoto mandrakariva ireo asa sorany ao amin'ny bokin-kira "Railovy" voalaza etsy ambony, ary saika azy avokoa ny ankamaroan'ny votoatiny.


Amin'ny andavanandron'ny vahoaka indray dia tsikaritra etsy Anosy Antananarivo, eo amin'ny "Office Nationale Malgache des Anciens Combattants" akaikin'ny lalana miakatra mankany Antsahamanitra iny ny toerana mitondra ny anarana Kianja Sefo Randria.


Notoloran-dRtoa Rabesahala Gisèle, Ministry ny Kolontsaina sy ny fanolokoloana ny zavakanto revolisionera ny mari-boninahitra "Chevalier de l'Ordre National Malagasy" izy tamin'ny fotoam-pahavelomany.

Samuel Randria - Pôetawebs

Ny fanaovana ny asany am-pitiavana anefa no tena zava-dehibe taminy, araka ny hafatra famerimberiny tamin'ny ankohonany (Aina Randria).

Mamy hoditra eo amin'ny fiarahamonina tokoa i Samuel Randria. Porofon'izany ny isan'ireo naneho alahelo tamin'ny taona 1985 nahafatesany. Firifiry aza moa ireo lehilahy lehibe nahavatra nigogogogo nitomany tamin'ny fotoam-pamangiana araka ny fitadidian'i Aina Randria azy.

3. SAMUEL RANDRIA, MPIHIRA HAFALIANA
Taratra amin'ny tononkalo sy ny tononkiran'i Samuel Randria ny fifaliana voiziny eo amin'ny fiainana, hany ka vatrany zaraina ho an'ny mpiara-belona amin'ny alalan'ny fampaherezana sy fampiravoravoana. Ny tena marina koa dia hainy ny mamboly fihetseham-po amin'ny fanehoana hafatra sy trangam-piainana. Fa mialoha ny handinihana an'izany dia andeha hofaritana aloha ny angalim-panoratan'i Samuel Randria.

3.1. Tononkalo misosa antsaina

Mpampita hafatra i Samuel Randria hany ka noraisiny ho vaindohan-draharaha ny hahamora raisina ny tononkalony, izany hoe natao ho an'ny sokajin'olona rehetra mahay mamaky teny. Mora tadidy sy mora antsaina izany ary tsy mahagaga amin'ny maha mpanabe sy mpampianatra azy.

Maro ireo tononkalony mirakitra andalana fohy toy ny hita ao amin'ny "Taona hody":

"Ry taona
 Himaona
 Fa vita ny natao
 Ka handao".

 S. Randria
 In Gramera malagasy, t. 72

Mora tadidy ihany koa ny tononkalony noho ireo tamberin-teny na tamberin'andalana fahita toy ny:

"Tsy kivy anie aho,
 Tsy ketraka aho"

Miverina isan'andininy ireo andalana roa ireo ka vao mainka mahakanto ny asa soratra. Mbola hiverenantsika etsy ambany ny tohin'io tononkalo io. Mahavariana mihitsy koa ny fahavarany mifantina ny voanteny fa toy ny hoe voafatra sy voakajy avokoa ireo voalahatra hany ka satry haverimberina:


"Rano an'ala,
 Mangalahala,
 Tsy manan-tsahala,
 Mampahalala
 Fa tiany hotsarovana
 Ny fahadiovana".


 S. Randria
 Gramera malagasy
 t.122
Azo lazaina koa fa sompitra mitahiry voambolana tsy fahita firy intsony ny asany toy ny "jonitra" sy "hovitra" ao amin'ny "Ririnina", na koa ny "jamoka" ao amin'ny "Ilay sahona be hambo" sy ny "onja am-bory fotsy" ao amin'ny "Fijery samy hafa amoron-tsiraka"...

Tsy mikaroka lavitra i Samuel Randria fa indraindray dia andinin-teny tsotra miainga avy amin'ny andavanandrony dia efa ampy hampifalifaliana sy hampilalaovana ankizy toy ny "Ko! Ko! Ko!"


"Ko! Ko! Ko!
 Ry zanakakoho
 Ko! Ko! Ko!
 Tongava avokoa
 Izay tonga aloha
 Mahazo ny soa,
 Kankana kely
 Atolotr'Ineny".

 (...) 


 S. Randria
 Gramera malagasy
 t.31
Mbola mampiavaka an'i Samuel Randria koa ny fikajiana ny endri-tononkalo nolovana antsoina hoe hainteny. Hoy indrindra mantsy izy ao amin'ny "Raha rivotra mantsy aho ka rivotra":


"Raha rivotra mantsy aho ka rivotra
 Ny ravina no ho valihako
 Hitendreko ny kalo sy hirako;
 Ka ny anamangako ny feoko,
 Ho fahafinaretanareo". 


 S. Randria
 Gramera malagasy
 t.88
Mifanaraka tsara amin'ny endri-tsoratra ny lohahevitra voiziny. I Samuel Randria mihitsy no azo lazaina ho pôetan'ny "tsoraka" satria mipololotra mazàna ny fihetseham-po iainany sy tiany hiainan'ny mpamaky. Saika isan'andalana no miafara amin'ny tsoraka ny andininy faharoa ao amin'ny "Veloma soa":


"Mandra-pihaona ihany re!
 Veloma soa zareo!
 Hifankahita indray anie!
 Masina hianareo!" 


 S. Randria
 Gramera malagasy
 t.174
Misy amin'ireny tononkira mandona fo ireny no asan'ny pôeta izay miavaka indrindra amin'ny fahaizana manoratra.

3.2. Tara-pifaliana miavaka

Fahita matetika amin'ny tononkalon'i Samuel Randria ny voambolana mifototeny hoe "faly". Ialohavana sary sy loko anefa izany indraindray toy ny hita ato amin'ny "Fijery samy hafa amoron-tsiraka" izay mampahatsiahy ny endri-toerana nahalehibe azy:

"Hitanao ny hatsaran'ny tora-pasika botsiaka
 Ka falehanao ny eny, maminao ny moron-driaka,
 Sy ny onja am-bory fotsy, sesilany, miparasaka,
 Milelaka ny sisina, mandroso dia mihataka.
 Faly hianao misangy eo,
 Fa izao kosa mitoreo".

 S. Randria
 In Lahatsoratra voafantina, t.160

Na eo aza ny alahelony noho ny tranga tsy voalaza eto amin'ity andininy ity dia nanompanany teny maro aloha ny hatsaran'ny tontolo sy ny hafalian'ilay niantefan'ny aingam-panahiny.

Mahavantana an'i Samuel Randria ny famoronana karazana tononkalo ahatsapana hevitra miabo sy maneho ny hasoan'ny fiainana toy ny hita ao amin'ny "Lohataona" izay azo itsimponana voambolana mifandraika amin'izany: mahafinaritra, malalaka, mahafatifaty, mavana, mangilohilo.

Mitantana ny andavanandron'ny olona ny tononkalon'i Samuel Randria mba ho finaritra hatrany. Manamarika izany indrindra ny ao amin'ny "Raha rivotra mantsy aho ka rivotra" rehefa tena zohina. Voalohany, mampifampikasokasoka ny ravin-kazo mantsy ny rivotra ka miteraka feom-baliha manaraka ny feony. Izay fifandrindran'ny feo izay no heveriny ho fahafinaretan'ny maro. Faharoa, mampita ny fofo-manitry ny vony ny rivotra, hanomezana fahafinaretana ny orona. Fahatelo, samy handray ny loharanom-pifaliana avokoa ny sokajin'olona rehetra.

Mbola ao anatin'izay maha pôetan'ny hafaliana azy izay ny fironany amin'ny tononkalon'ny fampiravoravoana. Mpanentana sy mpampilalao mantsy i Samuel Randria amin'ny maha mpanabe azy. Zava-dehibe aminy mihitsy firaisan-tsainan'ny ankizy na ny andian'ankizy raha ny marimarina kokoa. Tafiditra ao anatin'ny fanabeazana ho olona izany ka vatrany ny manitsy ireo tsy voasarika, amin'ny alalan'ny andalan-teny voarindra sy feno ohatrohatra toy ny hita ato amin'ny "Izay tsy milalao sain-kanina!":

"Takariva mahamanina
 Izay tsy milalao sain-kanina,
 Kely ati-doha fa mora fanina,
 An-dakozy no mba maka rivotra,
 Mihiboka an-trano na tsy avy orana,
 Sakaizam-bilany sy kendan-koditra,
 Hoditra kely iny ka nahatahorana ô!"

S. Randria, in Gramera malagasy, t.146

Mivantana eto ny fampitan-kafatra amin'ny alalan'ny hevitra sy ny endrika izay ahatsapana gadona mampientanentana toy ny taratra amin'ny tononkalony sy ny tononkirany hafa.


3.3. Mampahery lalandava

Raha samy manana ny heriny sy ny kilemany avokoa ny olon-drehetra dia misy kosa ireo iharan'ny tsy zakan'ny aina amin'ny fotoana iray na mandritra ny androm-piainany manontolo. Hain'i Samuel Randria anefa ny mampitony azy ireny amin'ny alalan'ny fampaherezana. Ny fampaherezana dia teny na fihetsika atolotra ny olona mandia fotoan-tsarotra toy ireo misedra fahoriana, ady, fanadinam-pianarana, alahelo, halemem-panahy, dona samihafa... Anisan'ny fanatanterahana izany ny teny mamy, vavaka, hira, hafatra sy anatranatra, fandraisan-tanana, vola na tolo-tanana... Andeha tsy hohadinoina koa ny herin'ny teny amin'ny alalan'ny tononkalo toy ny hita ao amin'ny "Tsy kivy anie aho". Na dia mahakivy aza ny kilema ara-batana avohitra arak'endriny dia vahaolana miharo hatsikana no tambiny:

"Tsy kivy anie aho,
 Tsy ketraka aho
 Mitondra ny oroko petaka;
 Ifalifaliako
 Sy tena tiako
 Ny molotro iray mivareraka".

S. Randria, in Gramera malagasy, t.19

Misongadina eto hatrany ny maha pôetan'ny hafaliana ny mpanoratra. Izany molotra mivareraka izany anefa dia faran'izay mahamenatra sy manimba endrika tokoa araka ny famaritan-dRajemisa Raolison (1985) azy hoe: "miborotsaka mirefarefa". Sarin-teny miendrika "fanovana endri-javatra" no nampiasain'ny mpanoratra eto satria sarotra inoana ny isian'izany molotra mirefarefa izany kanefa niniana nampiasaina mba hanasongadinana ny kilema, na faratampony aza, dia tsy tokony hahakivy.

Hainy ny mampahery ireo iharan'ny hetraketraky ny fiarahamonina amin'ny alalan'ny teny mafonja toy ity hevitra voatsonga tao amin'ny Fary Mamy, taona voalohany ity:

"Tsy maintsy misy manenjika ianao amin'izay ataonao... kanefa aza hadinoina fa ao aoriana mandrakariva no toeran'ny mpanenjika, fa tsy ao aloha akory".

Mahay mampitony ny hirifirim-piainana i Samuel Randria toy setran'ny toetr'andro. Ohatra iray ity "ririnina" mety hampitaraina ity:

"Ka ny jonitra
 Ny hovitra
 No hita hojerena,
 Fa samy indray serena
 Ny tany sy ny lanitra.

 Tsy maninona
 Izany...
 Ho lasa ihany
 Ny ririnina".

S. Randria
Gramera malagasy, t.142

Anisan'ny misongadina amin'izany fampaherezana izany koa ireo hira skoto maro be noforoniny. Miatrika ady mantsy ireo skoto rehefa mamakivaky toeran-tsarotra. "Manainga ny hirako aho" (8), hoy indrindra mantsy izy, na andro migaingaina, na alina maizin-kitroka:

"An-dalan'mandoro feno hafanana be,
 Manainga ny hirako aho;
 An-dalan'mandoro, ihafio, andao, ry ise!
 Venteso ny hira hanako.

 An-dalana maizina, ny kintana tsy eo
 Manainga ny hirako aho;
 An-dalana maizina, henjano izany feo!
 Venteso ny hira hanako"

Skoto i Samuel Randria, ilay "miriaria" mpitety vazan-tany sy mpitantana ny dian'ireo toa azy, mpandia tany, amin'ny asa soratra.


3.4. Pôeta mandia tany

Tsy dia nironan'i Samuel Randria loatra ny fitetezana ny kintana amam-bolana teo amin'ny asa soratra. Taratra matetika ao aminy ny fifikiran'ny tongotra amin'ny tany diavina, ilay iainana sy tiavina isan'andro. Ankoatra ny maha tia tany azy dia tia tanindrazana izy. Manana fitondran-tena mendrika izy araka ny maha mandia tany azy, izany hoe tsy mihhevitra ny tenany ho manantombo amin'ny hafa.

   - Fitiavan-tany

Akaikin'ny zavaboary izy raha ny marimarina kokoa, angamba noho izy teraka sy nobeazina tany amin'ny toerana mihataka amin'ny rotorotom-piainana.

Tafiditra ao anatin'ny lisitry ny fialamboliny rahateo ny fandravahana zaridaina, fiompiana ondry aman'osy, akoho amam-borona, bitro... sy ireo tsy dia mahazatra ny maro toy ny tsipoy, fody, angely... ary hatramin'ny voalavo aza. Fatra-pandinika ny zavaboary izy ary avy ao no akany singa enti-mampita hafatra momba ny fitondran-tenan'ny olombelona. Ao amin'ny bokiny "Tonom-bavaky ny biby sy ny vorona" no ahitana tononkalo toy izany. Singanina manokana eto "Ilay sahona be hambo":

"Nentanim-pitiavana te-hahazo doka
 Ity sahona iray, ka niezaka mafy
 Nibontsina, hono, ho toy ny jamoka,
 Kanefa indrisy, nipoaka ka maty".

Samuel Randria
In Gramera Malagasy, t.110


Voapaingotra ankolaka eto ireo mpizahozaho sy avo vava tafahoatra eo anivon'ny fiarahamonina ka azo ampitahaina amin'ny fanaon'ny sahona. Mibontsina izaitsizy ny faritry ny tendan'ny sahona lahy rehefa mampiaka-peo heverina ho heno hatrany amin'ny iray kilaometatra. Mila vavy izy amin'izay ary mifaninana amin'ireo lahy manodidina. Sarin-teny maneho "fanovana endri-javatra" eto no ampiasain'ny mpanoratra satria habe tsy fampitaha ny fibotsin'ny sahona sy ny toe-batan'ny jamoka, anarana ilazana ny omby.

Mbola izy koa ohatra no nanoratra ny "Ny goaika sy ny fosa" (9) mampahatsiahy ny "Le corbeau et le renard" an'i Jean de la Fontaine:

“Tsaràva tompoko, ny andriana Ragoaika,
 Fatratra hianao raha hihaingo hianjaika
 Fa sady bikàna no mahay mitafy
 Ka mahafinaritra, marina mafy.
 Raha ny feonao no mba torak’izao
 Dia hianao angamba no ilay voromanga,
 Be mpahalala, mpanjakan’ny ala”

Samuel Randria

Manasongadina ny hasoan'ny tontolo izay tsy eritreretina loatra amin'ny andavanandro i Samuel Randria satria fahasoavana mirotsaka zary efa mahazatra toy ny hita ao amin'ny "lohataona", "Rano an'ala"...

   - Fitiavan-tanindrazana

Efa voazanaka i Madagasikara tamin'ny taona nahaterahan'i Samuel Randria (1910) ary niaina izany nandritra ny 50 taona izy. Anisan'ny nanamarika izany vanim-potoana izany ny tolona tamin'ny 1947 izay tsy nahavahiny an'ity pôeta tsy lefy laza ity. Anisan'ireo pôeta nodinihin'ny mpampianatra mpikaroka Andriamanantsilavo Seth (1995-1996) i Samuel Randria, toa an-dry Rafanoharana, Andry Andraina, Clarisse Ratsifandrihamanana... ao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe "Ny raharaha 1947, araka ny ahitana azy ao amin'ny literatiora malagasy" (10). Ny "Tantaran'Ibointsy" (11), angano nosoratan'i Samuel Randria no nifantohany. Endrika literatiora fanao ny tsy fanononana mivantana anaran'olona tiana hotsikeraina ao amin'ny tantara satria mety ahitan'ny mpanoratra fanenjehana, indrindra moa fa vanim-potoanan'ny hotakotaka ny taona manodidina ny 1947. Izay mamaky anefa dia hahatsapa avy hatrany fa paik'adin'ny tolona ho an'ny fahafahan'i Madagasikara no avohitra. Raha fintinina ny tantara dia ady amin'i Ikakabenify mpamono ankizy tao an-tanàna no foto-dresaka. Tsy misy azo antenaina ny herin'ny olon-dehibe voalaza ho kanosa. Tsy maintsy miantehatra amin'ny herin'ny tenany, araka izany, ny ankizy amin'ny alalan'ny paik'ady napetrak'i Ibointsy, izay niafara tamin'ny fandresena. Na dia mari-drefin'ny tanàna aza no nitondrana ny tantara dia tsikaritra ihany fa raharahan'ny Nosy iray manontolo no ao ambadika, araka ny teny hentitr'i Ibointsy hoe "Tsy ekena na oviana na oviana ny hanimba ny hoavin’ity tanàna ity, ny hamongotra ny taranak’ity firenena ity".

Tao anatin'ny fahaleovan-tena indray dia mbola nanohy nanoratra mivantana momba ny fitiavan-tanindrazana i Samuel Randria. Anisany ny tononkalo "Tanindrazako ô!" (12) izay mety ho nanehoany ny alahelony manoloana ny tolona tany atsimon'ny Nosy tamin'ny 1971 momba ny tsy rariny sy tsy hitsiny. Misy "nahavanon-doza sahy" mampijaly ny tanindrazany, araka ny fiheverany, amin'ny alalan'ny "hery isan-karazany" sarotra ambara na ny fizorany na ny fombany. Voambolana mampisaina no nanehoany izany toy ny "ibosesehana, ifanosehana, mifampitolona, samy te-ho tompon-daka.

Ahitana izay fanehoana fitiavan-tanindrazana izay koa ao amin'ny tononkirany toy ilay hoe "Ho tiavinay mandrakizay" nampiarahany tamin'ny feon-kiran'i Haendel (13):

"Hotiavinay mandrakizay madagasikara
 fa lova soa napetrak'ireo razanay
 voasoratra mazava ao am-po ny anarany
 irinay ho soa
 hiadana tokoa
 fa nosy maminay
 Madagasikara"

 Samuel Randria

Mampiavaka ity tononkira ity ireo tamberin'andalan-teny ao aminy ka ny fiandohan'ny andininy dia miavaka amin'ny fampidirana lohahevitra: fitiavana ny tany, fitiavana ny Malagasy, fanoloran-tena sy vavaka.

Tsy voatery ho mirona any amin'ny tolona sy ady anefa akory vao azo sokajiana ho tafiditra ao anatin'ny fitiavan-tanindrazana ny tononkalo. Anisan'izany ny fitiavana ny tany sy ny fiarahamonina ao aminy, ny zavaboahariny...

Ambarany ao amin'ny "Orana" ohatra ny maha marefo ny asa tanan'ny olombelona manoloana ny mety ho herin'ny natiora.

   - Fitondran-tena madio

Azo lazaina ho tso-piainana i Samuel Randria, manao ny raharaha rehetra ao an-tokantrano toy ny kanonkanona nahandro. Na dia efa nitety firenena maro aza izy dia nifikitra tamin'ny sakafo "gasigasy" toy ny ron'anamamy, kitoza, ravitoto. Ny fahaizana mahandro hazandrano moa dia nolovainy tamin'ny androm-pahatanorany tany amorontsiraka. Toy ny Malagasy maro dia fisotrony ny ranon'apango.

Na dia maro mpahafantatra sy mpanaraka aza i Samuel Randria dia tsy mba niserana tao an-tsainy mihitsy ny fanaovana politika.

ORANA

Mirotsaka, mirotsaka!
Atahorana
Hihotsaka, hihotsaka
Na tamboho na ny trano,
Fa he ity rano
Mandriaka isan'alina;
Ary efa tena lalina
Ny ony
Tsy mitony
Fa mitrena te-handrava
Indraim-bava
Ny fefiloha indray
Eny ambanivohitray.

Fa ny mankarary,
Izato tanimbary:
Nanjary fotaka ao,
Farihy tsotra izao!

S. Randria
Gramera Malagasy, t.84


Tsy mba anisan'ireo olona tafaroboka tao anatin'ny faribolan'ny rendrarendra sy ny fanimban-tena izy satria nohalaviriny ny toaka sy rongony, eny fa na dia anisan'ny niantsoan'ny olona azy ny "Tsy maty afo" noho ny setro-tsigara mipololotra matetika tamin'ny vavorony. Nahalany sigara "Bastos filtre" hatrany amin'ny iray fonosana isan'andro hono izy ary nitarika ny fiantranoany tany amin'ny tobim-pitsaboana tamin'ny 1982, izay antony nahafahany tanteraka tamin'izany olana izany.

Ny fanatanjahan-tena no fototry ny fialamboliny hatramin'ny fahazazany toy ny hazakazaka sy lomano izay nifandraika tsara tamin'ny toerana nahalehibe azy: Manantantely. Noho io fahakingany io indrindra no nisalorany tany Frantsa tamin'ny 1949 ny solon'anarana hoe "Requin Bolide". Nanana toe-batana salama sy mavitrika izy araka izany, mijoro, iray metatra sy fitopolo, ary tsy nahagaga ny nankafizany ny "rugby" izay nantsoiny hoe "lalaon-dehilahy".


*
* *

Raha fehezina dia azo lazaina fa tsy tongatonga ho azy teto an-tany akory ny pôeta Samuel Randria fa nirina araka ny maha Samuel azy. Hafaliana hatrany no nandrakotra ny fiainany ary mbola izay koa no nozarainy ho an'ny mpiara-belona taminy holovain'ny taranaka mifandimby. Fahombiazana tokoa izay fizarana nataony izay amin'ny maha pôeta, mpamoron-kira, mpampianatra ary skoto mpitarika azy.


Loharano nanovozan-kevitra

* Fifanakalozana tamin'ireo akaikin'i Samuel Randria ary tolorana fisaorana manokana
- Randria Aina Andrianina, zanany
- Nalisoa Ravalitera, namany sady tily

* Boky samihafa
- Baiboly sy fihirana, (2002). Antananarivo. Trano Priinty Fiangonana Loterana Malagasy.
- Fivondronana faha 118
- FJKM Zoara Fanantenana Ambohipo, (2004). "Iza moa i sefo Randria?"
- Ministeran'ny Fampianarana ambaratonoga faharoa sy fanabeazana fototra. "Ny voary, Lahatsoratra Sy Tononkalo T4 . T5". Cnapmad
- Rajaobelina, P. (1958). "Gramera Malagasy ao amin'ny Cour élémentaire. Taona voalohany sy faharoa". Antananarivo. Edisiona Salohy
- Rajemisa-Raolison R. (1985). "Rakibolana malagasy". Fianarantsoa Ambozontany

* Aterineto
- Andriamanantsilavo S. (1995-1996). "Ny raharaha 19478, araka ny ahitana azy ao amin'ny literatiora malagasy".
  Revio "Omaly sy anio", lah 41-44, t.322. Tsikaritra ao amin'ny:
  http://madarevues.recherches.gov.mg/IMG/pdf/omaly41-44_25_-2.pdf
- Elle, manazava ny anarana André, tsikaritra ao amin'ny:
  https://www.elle.fr/Astro/Personnalite/Prenom/Homme-André
- Fleurbleue-Tritriva, tononkalo "Tenin-drazako", tsikaritra ao amin'ny:
  http://fleurbleue.unblog.fr/2014/02/21/tononkaloni-samuel-randria-ny-tenin-drazako
- Kolejy Paul Minault. (2020). "Tantaran'ny Paul Minault", tsikaritra ao amin'ny
  https://www.paul-minault.com/historique-pata/
- LEBIGRE, J.-M. (2009). QMM et l'ilménite de Tôlagnaro. Tsikaritra ao amin'ny:
  http://paesaggio.over-blog.com/article-32022100.html
- Magicmamanfamili, manazava ny anarana Samuel, tsikaritra ao amin'ny:
  http://prenoms.famili.fr/,samuel,2277,15499.asp
- Manantantely, saritany tsikaritra ao amin'ny:
  https://mapcarta.com/fr/W344275522
- Rakotonirainy MS. Taranaka Ramaroson sy Rahely firaisan-kina. Tononkalo "Ny goaika sy ny fosa"
  Tsikaritra ao amin'ny:
  http://fianakavianatrrf.e-monsite.com/pages/poemes-tononkalo/tononkalo.html
- Siony Firanitra. Nametraka tao amin'ny Youtube ny "Manainga ny hirako aho", Hira Tily Eto Madagasikara.
  Tsikaritra ao amin'ny:
  https://www.youtube.com/watch?v=2IJtfu-BwB4&list=PLKxEmcRbldIZJ0npAXuZ6v46bmKiyaXDQ&index=9
- Siony Firanitra. Nametraka ao amin'ny Youtube ny ""Hotiavinay mandrakizay madagasikara"
  Hira Tily Eto Madagasikara. Tsikaritra ao amin'ny:
 https://www.youtube.com/watch?v=z0MQGXJm9vs&list=PLKxEmcRbldIZJ0npAXuZ6v46bmKiyaXDQ&index=2

* Fisaorana manokana ho an'ireo nanampy tamin'ny tahirin-kevitra
- Andriamanjato Faramalala, Railovy mahatoky, filohan'ny Komity lehibe MTEM
- Rahaingo Toky, Tantana Mikolo, Foibe Tily eto Madagasikara
- Rakotomavo Tsikimilamina

______________________________
(1) Baiboly sy fihirana
(2) Araka ny fanazavan'ny Magicmamanfamili
(3) Araka ny fanazavan'ny Elle
(4) Fandinihana niainga avy tamin'ny saritanin'ny Mapcarta
(5) Araka ny hita ao amin'ny tranonkalan'ny sekoly Paul Minault
(6) in Fleurbleue-Tritriva
(7) In Ny voary, t.82
(8) Hira Tily Eto Madagasikara, naelin'i Siony Firanitra
(9) Rakotonirainy MS, tao amin'ny tranonkala "Taranaka Ramason sy Rahely firaisan-kina"   
(10) Andriamanantsilavo Seth (1995-1996)
(11) "Tantaran'Ibointsy". Samuel RANDRIA (2 marsa 1946). Iarivo, Jan. 1947, tak. 22-24. Tsikaritra ao amin'ny:
https://www.culture.nosymasina.com/ibointsy
(12) In Fary mamy kilasy fahatelo, (1973), t.141
(13) Hira Tily Eto Madagasikara. Feony : Haendel. Boky HIRAO 75, Pejy faha-79


TONONKALO
TSY KIVY ANIE AHO!

Tsy kivy anie aho,
Tsy ketraka aho
Mitondra ny oroko petaka;
Ifalifaliako
Sy tena tiako
Ny molotro iray mivareraka.

Tsy kivy anie aho,
Tsy ketraka aho
Mitondra ny masoko njola re;
Ifalifaliako
Sy tena tiako
Ny nifiko banga ridana e!

Fa ahy izany,
Ka ahy ihany,
Tsy atakaloko ny anareo;
Tsy kivy anie aho,
Tsy ketraka aho
Fa izaho no izaho noho izy ireo!

S. Randria
Gramera malagasy, T. 19



VELOMA SOA

Raha hifandao isika izao
Moa dia ho kivy fo?
O! sanatria fa andrandrao
Ny mbola hihaona soa

Mandra-pihaona ihany re!
Veloma soa zareo!
Hifankahita indray anie!
Masina hianareo!"

Ny tanantsika mifandray
Mifampitohy izao,
Mampita ny fitia iray
Am-po mitepo ao.

Ny Tompo nampifankatia
Ka tena nampiray
Anie hitantana ny dia
Mba hampihaona indray!

S. Randria
Gramera malagasy, t. 174

RANO AN'ALA

Rano an'ala,
Mangalahala,
Madio mangamanga,
Mielo ampanga,
Mangarangarana,
Amboary karanana.

Rano an'ala,
Madio mamanala,
Mamy ao am-bava,
Mamin'ny tava,
Ka manamorona
Misotro ny vorona.

Rano an'ala,
Mangalahala,
Tsy manan-tsahala,
Mampahalala
Fa tiany hotsarovana
Ny fahadiovana.

S. Randria
Gramera malagasy, t.122
TANINDRAZAKO Ô!

(...)
Tanindrazako ô, aty aho aminao!...
Fa mba iza loatra lahy
No nanao izao...,
Nahavanon-doza..., sahy
Nanapoizina anao ho lasa adala?
Ka tsy maka saina, tsy afaka hahalala,
Eny, tsy afaka hahatsiaro
Fa misy zava-maro
Feno hafetsena,
Sesehena,
Vaovao,
Indray miantoraka aminao
Ho toerana ibosesehana,
Ho faritra ifanosehan'
Ny olona
Sy hery isan-karazany
Izay mifampitolona
Araka ny heviny sy ny anarany,
Samy te-ho tompon-daka,
Hanova, haka, hiorim-paka,
Dia hitsentsitra ny tsiron'ny ainao
Mba hahafoana ny ao anatinao ao...
Tanindrazako ô, mba iza loatra lahy
No nahavanon-doza sahy... tena sahy
Namosavy anao?
(...)

S. Randria
20 septambra 1971
In Fary mamy, kilsay fahatelo (1973), t.141


RIRININA

Fihinina
Sahady ny hatsiaka...
Fa santarina masiaka
Ny ririnina.

Ka ny jonitra
Ny hovitra
No hita hojerena,
Fa samy indray serena
Ny tany sy ny lanitra.

Tsy maninona
Izany...
Ho lasa ihany
Ny ririnina.

S. Randria
(nalaina tamin'ny vorona)
Gramera malagasy, t.142

LOHATAONA

Lohataona!...
Eny, vao niala saona
Androany
Ny tany
Sy ny lanitra
Ka tena mahafinaritra.
He izato habakabaka
Mitafy taratra malalaka
Manify hatsarana,
Asa-tanan'ny hafanana
Mbola matimaty,
Ka mahafatifaty
Ny mitazana
Hatrany am-para-tsinjo
Samy mavana
Miravaka mangiloilo.

S. Randria
Gramera malagasy, t. 56

NY TENIN-DRAZAKO
Teny
Niarahako nibada
Nianarako ny Dada
Nahaizako ny Neny
Teny
Namoronana ny hevitro
Eny,
Nilazako
Ny feon’ny fon’ny hazazako
Te hahay
‘lay teninay
Tamin’izany, hasambarako
Ny tenin-drazako…
 
Dia nitombo teny ny fahaizako
Haiko ny niteny toy ireo mpitaizako
Nahavatra, tena vantana amiko
‘Lay teny gasy tena mamiko,
 
Nitombo ny fisainako
Fa namboarin’ny fiainako
Dia tazako
Ny fahalehibeazako
Dia fahombiazako
Tato am-poko nitambolona
Natakaloko ny an’olona
Navelako fa nivadika ny lelako,

Tsy afeniko
Fa ‘lay tenin-drazako, lay teniko
Asa lahy
Tonga nahamenatra ahy,
Tsy antonona ny lazako
Ny tenin-drazako
Ka nafoiko
Fa ny tsy ahy no hamboiko
Dia hoy aho : Teny maty,
Tsy mahalaza ny ato anaty!
Teny ambany
‘Zany teny gasy izany
Nefa ahy, tena ahi-ko
Toy ny nofo sy fanahiko
Moa rehefa ambony ka azo izay nirina
Dia ny an’ny tena
no tsy tiana sy ariana?
Tsia, dia tsia!
Sanatria :
Ry tenin-drazako o, ry teniko
Neniko e, ka neniko
Ny nanambany anao
Ary izao,
Hoy ny vavaka mialoatra
avy ato anatiko :
 
“Tompo o, tapaho re ny lelako
Raha tenin-drazako no avelako
Eny, foano ny hoaviko
Rah’ty teny taminao no tsy hotiaviko.”


S. Randria, in Fleurbleue


RAHA RIVOTRA MANTSY AHO KA RIVOTRA

Raha rivotra mantsy aho ka rivotra
Ny ravina no ho valihako
Hitendreko ny kalo sy hirako;
Ka ny anamangako ny feoko,
Ho fahafinaretanareo.

Raha rivotra mantsy aho ka rivotra
Ho rivotra hifaly hitatitra
Ny fofon'ireo vony manitra
Ho entiko hamalifaliana
Ny oron'ireo havan-tiana.

Raha rivotra mantsy aho ka rivotra
Ho rivotra soa mitambolina :
Ny ambony ho lambolamboiko;
Ny mahantra ho safosafoiko;
Raha izaho aza mantsy mba rivotra!

S. Randria
Gramera malagasy, t.88



Sary : Aina Randria
@poetawebs

Date de dernière mise à jour : 15/10/2020

×