Tranga tsy maintsy lalovana eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona ny fahafatesana. Mandia izany avokoa rehefa voahary mitoetra eto ambany masoandro. Miresaka izany indrindra i Toetra Ràja ao amin’ny tononkalony mitondra ny lohateny hoe "Mateti-piavy". Ambarany amin’izany fa hery tsy azo ihodivirana ny fahafatesana ka tsy azo ferana na sakanana. Koa avohitran’ny poeta fa misy tokoa ny fisarahana aman’aina eo anivon’ny fiarahamonina. Eo anatrehan’izany dia asehony ny fomba fiatrehana izany. Ezahina hodinihina mifanesy ireo fiheverana ireo.
*
* *
* *
Fotoana mangidy tsy hay tohanana eo amin’ny fihodidin’ny fiainana ny fisarahana aman’aina. Toy ny anarana fiantso no nanehoan’ny poeta ny fahafatesana ka nambarany amin’ny hoe "rahafahafatesana" sy "rafahoriana". Fomba filazana toa maneso kanefa voambolana feno tahotra tsy te hiatrika ilay zava-misy no tiana hambara amin’izany.
Rehefa zohina dia toy ny mitady sy mikaroka izay olona tiana halaina eto amin’ny tanin’ny fahavelomana ny mpandahatra ka ambaran’ny tononkalo amin’ny hoe:
"Mateti-
piava
rafahoriana,
mitety
mandrava
fianakaviana"
Na ny mpanoratra aza eto dia vahotra ka tsy ahitan-teny firy ary manoratra amina voambolana tokana isan’andalana. Fitenintsika Malagasy ny hoe "tsy izay marary mafy no mety maty fa izay tapitra andro". Araka izany dia tsy misy ny kajikajy eo amin’ny fahatongavan’ny fahafatesana fa mety iharany avokoa na ny antitra olo-mody na ny tanora vao misandratra. Hamarinin’ny poeta izany amin’ny hoe:
"Tsy ray
tsy zanaka,"
Eo anatrehan’ireny fisehoan-javatra tampoka ireny àry dia ahoana no fomba fiatrehana izany?
Rehefa diso misesy loatra ny fahafatesana eo anivon’ny fianakaviana dia manontany tena ny tsirairay ny amin’izay antony nahatonga izany. Toa mampiteny ny moana manko raha toa ka matetika ny trangam-pahavoazana.Teraka eo ny adihevitra izay mety hiafara amin’ny fanomezan-tsiny ny loharano nipoirana. Eo ihany koa ny fitantarana ireo fandikana fady samihafa nataon’ny sokajin’olona tanatin’ny fianakaviana.
"Izy
ireo
no sisam-paty!
Ny ankizy
efa leo
mitanisa daty!"
Tsikaritra fa tahaka ny endri-pinoana rehetra dia tsy misy azo atao afa-tsy ny mionona sy manaiky ny fandaharana rehefa tojo fahoriana.
"Mateti-
piavy
rafahafatesana,
hitety
ny hoavy
tsy irafesana!"
Ny fahaiza-mionona no fihetsika entina hampaherezan-tena ka tsy vahaolana hampiverina ny maty ny fanomezan-tsiny na iza na iza fa manaiky hatrany ny anjara ratsy izay eo anatrehana.
*
* *
* *
Raha fehezina izay rehetra nambara teo dia tsapa fa vanimpotoana mafaitra eo amin’ny fiainana ny fahafatesana. Ny Malagasy aza dia miezaka miala manalavitra izany amin’ny fandalana ny aina. Rehefa tonga anefa izay fetra izay dia tsy maintsy eken’ny fo sy ny saina na dia tsy mifanaraka velively amin’izay drafi-piainana efa nokajin’ny isam-batan’olona aza. Araka izany dia ilaina ny fahaiza-mitraka noho ny fitohizan’ny fiainana miatrika ny anio sy ny hoavy.
Tsikimilamina Rakotomavo
• Fandalinana ny tononkalon'i Toetra Ràja "Mateti-piavy"

