Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T.Ràja


26 febroary 2013
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

Pôeta sa Pôety?

Efa fantatsika fa ny mpanoratra tononkalo dia antsoin’ny mpandinika sy ny olona maro hoe pôeta na pôety, izay nadika avy amin’ny teny vahiny hoe « poète ». Araka izany, misy ireo miantso azy hoe pôeta, misy koa ny manonona hoe pôety ary misy ny mampiasa azy roa miaraka. Raha jerena tsotra sahala ny hevitra tian’izy ireo ambara. Rehefa ifotorana anefa dia toa azo heverina ihany ny fahasamihafany.

Voalohany, ny teny hoe pôeta izay maro mpampiasa kokoa sy raha vao renesina dia ahatsapana fahafenoana, maivana eo am-pandraisan’ny sofina azy. Isan’ny mpampiasa azy io i Randja Zanamihoatra ao amin’ny tononkalony : « poetanao mitsiky », « poeta eritreritra », sns… Ny teny hoe « pôeta » izay ambaran-dRabearivelo fa mpanao tononkira ihany koa dia azo eritreretina ny handikana azy ho ireo mpanoratra tononkalo efa andrarezina, eken-teny, efa tena maharesy lahatra ny rehetra ka manana ny mahaizy azy. Mpanoratra tononkalo efa nilona ela teo amin’ny tontolon’ny haisoratra, miaina izany ka ankatoavin’ny rehetra (olon-tsotra, mpankafy, mpandinika, …) oh. : Dox, J.J.Rabearivelo, Rado, Elie Rajaonarison, Niry-Solosoa, Lydiary, … sns marobe.

Ankilany, ny pôety dia enti-milaza ireo tanora vao misondrotra sy manatevina ny lentany eo amin’ny tononkalo ary mitozo amin’izany, mahatsapa fa manana ilay « aingam-panahy » fototry ny famoronana. Na izany na tsy izany, miankina amin’ny fivoaran’ireny mpanoratra ireny ihany no ivelaran’ny kanto sy ny famoronany… (fahalalana, fahamatorana, habaka, fotoana…)

Mpanoratra : Liantsoa
Nampita : Rado Ramaherison

poetawebs@gmail.com