Tenin'i Patrick Raveloarison

Tenin'ny Poetawebs 2026
Toetra Ràja — 15/02/2026

"Ny Poeta indrindra no fantsom-panovana ny tontolo bobongolo", izany teny izany no voizin'ny Poetawebs mandritra ity taona 2026 ity mba hisarihana ny olona hanova toe-tsaina. Mifantoka amin'ny fototry ny hasambarana ny eritreritr'i Patrick Raveloarison hoe:

Poetawebs

Ny fahasambarana dia tsy miankina amin'izay anananao, fa amin'ny fomba fijerinao ny fiainana.

Iza tokoa moa no tsy maniry an'izany fahasambarana izany mba hitoetra mandrakariva ao aminy? Saika natao ho antom-pahavelomana mihitsy aza izany fahasambarana izany ka itadiavana ny fomba rehetra hahatanteraka azy, ho an'ny tena manokana aloha, ary ho an'ny hafa koa raha toa ka tsy maningotra ny ampahany na ny manontolon'ilay heverina ho anjaran'ny tena. Eo amin'ny fatran'izay anjara izay indrindra matetika no miteraka olana satria sarotra faritana ny fetran'ny marimaritra iraisana.

Raha dinihina ity fomba fijerin'i Patrick Raveloarison iy dia tsy ny vola aman-karena izay ihazakazahan'ny fiarahamonina no refy famaritana ny halalin'ny fahasambarana fa amin'ny "fomba fijerinao ny fiainana", hoy izy. Samy manana ny fomba fijeriny anefa ny tsirairay. Mety ho harena na fahantrana ho an'ny fiarahamonina anefa ny fahasamihafan'ny solomaso sy ny fanitajery ampiasain'ny isam-batan'olona. Kanefa raha hisafidy ny tena fanovana ny fiarahamonina ho tsara isika, tsy aleo ve eritreretina ny kalitaon'ny fomba fijery vaovao?
Samia mandinika!

Eritreritr'i Toetra Ràja

Ireto manaraka ireto kosa ireo mpikamban'ny Poetawebs mifarimbona amin'ity taona 2026 ity:

Poetawebs










 Ny Malodohasaha
• TENIN'NY POETAWEBS 2026

Ajouter un commentaire

 
×