Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

07 Martsa 2016

FO VATO, antsan-tononkalo nokarakarain'i Diary sy Ramihary

«FO VATO», io no anaran'ilay hetsika nokarakarain'ny pôeta roa lahy, Diary sy Ramihary, tetsy amin'ny Cemdlac Analakely ny 2 martsa 2O16 teo. Nanampy azy ireo teny an-tsehatra i Doda sy Ragasy ary ny Avaradrano Mpikabary.

Ny Avaradrano mikabary no nanomboka ny fotoana tamin'ny vakodrazana malagasy dia ny hira dihizina afindrafindrao. Rehefa izany dia i Rado no nampiditra an-kabary, mialoha ny nanaovana ny hiram-pirenena malagasy: "Ry tanindrazanay malala ô!"

Manaraka izany dia nankinina am-bavaka ny fotoana, izay tokoa moa no maha mpikabary ny mpikabary, tsy mba manadino ny manome hasina an'ilay Nahary.

Nandray fitenenana Andriamatoa RAMIHARY ho fampahafantarana ny mpanatrika ny antom-pivoriana dia ny hetsika FO VATO izay antsa tononkalo ravahana kabary sy vako-drazana.

Rehefa vita ny fampahafantarana dia nandeha avy hatrany ny antsa ka tononkalona pôeta telo no natao: Ragasy, Diary ary Ramihary.

Baiboly "tablette"

Nahatonga saina tokoa  ireo tononkalo nantsaina maneho ny fahasamihafana eny amin'ny fiaraha-monina, eny fa na dia any am-piangonana aza. Anisan'izany ny tononkalon'i Diary iray izay maneho ny karazam-Baiboly entin'ny olona mivavaka: ny an'ny sasany Baiboly taratasy, ny an'ny hafa kosa Baiboly "tablette". Nolazain'ny tononkalo tao fa samy manana ny fitoerana misy azy avy ny tompon'ireo Baiboly ireo rehefa ao am-piangonana fa tsy mifangaro.

Baibolin'i Balita

Ragasy indray dia niantsa ny Baibolin'i Balita izay tsy hita raha tsy rehefa alahady, izany hoe tsy mba vakiana mihitsy rehefa andavanandro ka ny Genesisy aza efa tsy ao intsony, efa niongotra.

Fetsiboky

Ny an-dRamihary dia ny zava-misy eo amin'ny tambajotran-tserasera "facebook" no nasehony dia novainy anarany hoe "fetsiboky" satria ahitana an'io hafetsifetsena maro io, na lainga na fitaka, mahavita mampifandray ny eto an-toerana sy ny any ivelany...

Ireo vadiko roa

Teo ihany koa ny tononkalon-dRamihary izay toa manabe ny raim-pianakaviana rehetra dia ilay hoe "ireo vadiko roa": ny any ivelany karakaraina, ny ao an-trano mikarakara izany hoe mifameno ka tsy misy azo avela. Ny asa sy ny vady ireo: tsy hanjary ny famelomana ny vady raha atao kitoatoa ny asa, fa na miasa tsara koa aza dia hafa ihany ny manana vady mpikarakara.

Nantsaina koa ny  fananaran'ny anadahiny ny anabaviny, ny fifamalian'ny mpivady rehefa mody alina ny lehilahy.

Fanamasinana fanambadiana

Nisongadina ny fanamasinana ho mpivady mpifankatia teny an-tsehatra ary ny ratram-pon'ilay tiany taloha rehefa naharay fanasana avy aminy, fo vato tokoa ka tsy mba mitsetra ny tia azy fa midehaka aminy ny fahasambaran'ny tena indray aza . I Doda RAZAFINDRAVELO no nanampy tamin'ny fiantsana.

Nanelanelana ireo antsa ireo ny vako-drazan'Avaradrano, naneho ny dihim-paritra rehetra manerana ny Nosy, izany hoe sady nihira no nandihy. Nahafinaritra tokoa ny hetsika satria nahalalana ny kanto rehetran'i Madagasikara na ny kantom-bolana na ny haisoratra na ny dihin-drazana.

Tatitra: Heriarilala
Sary: Ikaloyna

 

Izy ny Ramihary Diary, eo am-pihirana
   
Nanolotra ny fotoana, Tojo Patrick Ratovoarimanga Ragasy, nanampy betsaka tamin'ny fiantsana
   
Ramihary, Ragasy ary Diary Nanampy i doda - naseho an-tsehatra koa ny rindra
   
Kanto koa ny rindran-tsehatra Diary nanao sarim-bavy sy Ragasy Ragasy
   
Ireo mpijery Avaradrano milalao mpandihy nanafana ny fotoana tamin'ny vako-drazana

 

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 07/03/2016

×