Sorapiainan'i Randja Zanamihoatra

Sorapiainan'i Randja Zanamihoatra, fandalinan'i Tsikimilamina Rakotomavo
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

15 febroary 2020
Pôetawebs Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
Pôetawebs

Sorapiainan'i Randja Zanamihoatra, fandalinan'i Tsikimilamina Rakotomavo ho an'ny Pôetawebs Fantaro i

Randja Zanamihoatra

(1925-1997)
Pôeta
Mpanoratra
Akademisianina

— Fandalinan'i Tsikimilamina Rakotomavo


Hoy i Randja Zanamihoatra tao amin’ny Vainafo tononkira tak 9 :
"Ny teny sy ny sain’ny firenena iray dia mifaningotra aina hatrany".
--------------------
"Ny Poeta anefa dia manana izao toetra izao : mora tohina, mora mientana, malady kokoa amin’ny feon’ny zava-boahary manodidina azy, ary mahiratra kokoa amin’ny fahatazanana izay tsy tratry ny ara-mason’ny sarambabe". Ny Poeta malagasy sy ny asany tak 6

Teraka ny 29 mey 1925 tao Vatovory Ambositra RANDRIAMANANJARA Edmond na i Randja Zanamihoatra ary nodimandry ny 11 Jolay 1997  tamin’ny folo ora maraina teo amin’ny faha 72 taonany tao Ambohipo. Tao Ambohimarina Andoharanofotsy kosa no nandevenana azy. Rafaramalala no reny  niteraka sy nikolo azy.

Zanamihoatra dia anarana firazanana ao Atsimondrano - Ambohimarina hatrany Ambohijanaka - kanefa azo halalinina ny hevitry ny teny. Kamban-teny avy amin’ny zanaka sy mihoatra izany.

Ny zanaka dia izay rehetra nateraka na ny natsangana noho ny antony maro samihafa. Manana ny maha izy azy sy manan-danja eo amin’ny Malagasy  ny zanaka  satria oharina amin’ny lamba ka  irakofana ary mitondra hafanana ho an’ny tokantrano sy fiarahamonina araka ny hoe : "Ny zanaka no lamba itafiana". Ilaina amin’ny lafim-piainana ny zanaka noho izy mahavonjy amin’ny andro sarotra, azo antenaina amin’ny androm-pahanterana. Ny zanaka ihany koa no mandova ny Ray aman-dReny.

Fitenin’ny Malagasy ny  hoe "izay adala no toa an-drainy". Ny fiezahana ho tafahoatra izay toetra tsara efa nasehon’ny ray no hamafisin’izany fomba fiheverana izany. Ny mihoatra indray dia midika ho lasa aloha na tsara kokoa. Ny fandrosoana sy fivoarana no antenaina hananan’ny taranaka handimby.


Sorapiainan'i Randja Zanamihoatra, fandalinan'i Tsikimilamina Rakotomavo ho an'ny PôetawebsRandja sy ny reniny Rafaramalala

Ny zanamihoatra araka izany dia firariana mba hahavita ny tsara lavitra miohatra amin’ny nataon’ny teo aloha na aiza na aiza toerana iseharana.

RANDJA ZANAMIHOATRA MANDALINA
Sekoly Benjamin Escande no nanovozany fahalalana. Nampiavaka azy ny fankafizany sy fahazotoany mamaky boky. Mpivaro-dandy izy teo amin’ny fahatanorany na dia naniry fatratra ho mpiasam-panjakana aza.

Taty aoriana dia niara-niasa akaiky tamin’ireo mpampianatra mpikaroka teny anivon’ny Oniversite i Randja Zanamihoatra ary mpikambana teo anivon’ny Akademiam-pirenena.

Nanao fanandroana izy ary nandalina ny zava-miafina. Na izany aza anefa dia nandalina ny Baiboly i Randja Zanamihoatra, nahavatra namaky sy nitsimpona  ary nandrakitra an-tsoratra ireo andinin-tSoratra Masina nanaitra azy.


Sary eo ankavanana : Randja Zanamihoatra, nitsidika ny sekoly Benjamin Escande tamin'ny taona 1970

Sorapiainan'i Randja Zanamihoatra, fandalinan'i Tsikimilamina Rakotomavo ho an'ny Pôetawebs
RANDJA ZANAMIHOATRA MIARITRA

Nanorina ny fiainam-pitiavany tamin-dRavaosolo Jeannette i Randja Zanamihoatra ny  2 aogositra 1947. Nampalahelo anefa ny tsy fanatrehan’ny reniny izany noho ny tsy fahasalamany. Andro vitsy taorian’izay fotoana izay, izany hoe ny 23 aogositra 1947, dia nodimandry ny reniny. Ny herintaona taorian’izay dia maty ny zanak’izy ireo voalohany  noho ny aretina nahazo azy. Nahakivy azy tanteraka izany ka saika namoizany ny ainy ihany koa. Na izany aza anefa dia niteraka dimy mianadahy izy ireo dia Randriamananjara Marc Edmond, Randriamananjara Jean Michel, Rafamantanantsoa, Rafaramalala Harinirina, Randriamananjara Harinosy. Nodimandry anefa  ny vadiny tamin’ny 1964. Roa taona mialoha io fotoana io dia efa nialoha lalana azy ny zanany faralahy.

Nanorin-tokantrano tamin-dRaveloarisoa Jeannette indray anefa izy taty aoriana ka niteraka an-dRandriamananjara Nobel.

Randja Zanamihoatra - Pôetawebs.
Sary mariazin'i Randja Zanamihoatra sy Raveloarisoa Jeannette

Sehatry ny varotra hatrany no foto-pivelomany. Anisan’izany ny varotra landy tamin’ny 1945. Ny taona 1946 indray dia nanao varotra tao amin’ny zaodahiny izy ary nirona tanteraka tamin’ity asa ity.  Nanorin-dasy tao Ankazomiriotra - andrefan’Antsirabe - izy ny Jolay 1946 ary nifototra tamin’ny fikirakirana vatosoa. Nahatsiaro nanana ny ampy izy nandritra izany fotoana izany. Nantsoin’ny reniny  tampoka anefa ny lehilahy ka nankany Ambositra ny 29 marsa 1947 ary nampivalaketraka azy. Mafy taminy ihany koa ny fahamaroan’ny trosany tamin’ny olona ka tsy nahatafarina ny fiainany ny taona 1952-1953. Niakatra teto Antananarivo indray izy tamin’ny 1954 ary nivarotra ireo fitaovana ilaina andavanandro tao Ambatomitsangana, lalana Maréchal Joffre tamin’izany fotoana izany.

Maro ireo ngidim-piainana nogohany teo amin’ny fiainany. Ankoatra ny tsy fiarahany niaina tamin-drainy sy ireo tranga samihafa tsy nampahomby ny fivelomany dia nizaka ny tsy telina teo amin’ny lozam-piarakodia mahatsiravina nihatra taminy ny aogositra 1979  raha nankany Alaotra izy ireo. Fiara lehibe (kamiao) no nifandona tamin’ny fiara R16 nitondra azy ireo  ka nitarika ny fahafatesan’ny vadiny. Notsaboina tany amin’ny Hopitaly Befelatanana kosa i Randja Zanamihoatra sy i Nobel zanany  ary naharitra ny fitsaboana ity pôeta ity.

RANDJA ZANAMIHOATRA MANORATRA

Fony nitoetra tao Ankazomiriotra i Randja Zanamihoatra dia nanoratra ny tononkalo "Manina" :

"Malala any am-pita  ka mahamanina !
Ny sento azy ihany no mahafanina !
- nahoana ny saina no korontanina ?
Hanoatra hankaiza fa aleo mba mianina"
Ako sy Feo tak 15


Voamarika fa tononkalom-pitiavana avokoa no nosoratany tamin’izany fotoana izany. Na dia teo aza ireo adim-piainana samihafa nolalovan-dRandja dia tsy nahasaraka azy ny boky.

Nanana ny  nampiavaka azy ny taona 1956 ho an-dRandja satria nanomboka nitondra ny anarana Randja Zanamihoatra izy io taona io. Hita taratra amin’ireo fanehoan-kevitra arosony anefa ny solon’anarana hoe : "DJ. Z". Tamin’izany fotoana izany no nanorenany ara-panjakana ny "Collection" Ako sy Feo izay revio manasongadina ny literatiora, fiteny sy ny foko ary ny tantara ao aminy, fahalalana samihafa.

Toy izao no nambarany fa nahasarika azy hitozo amin’ny fanoratana :

"Anisan’ny fitiavako lehibe indrindra ny tononkalo sy ny nanoratra tononkalo ary namaky tononkalo".

Talenta nifandovana ny famoronana tononkalo hoy ihany izy satria be mpanoratra ny fianakaviana nipoirana ary nianarana mihitsy. Raha ny fotoana nanoratana indray no nasian-teny dia tsy mahavantana an-dRandja Zanamihoatra loatra ny manoratra amin’ny alina.  Hoy indrindra izy :

"Bedin’ny vadiko aho raha manao izany"

In Harivan-tafasiry tak 9

Fa rehefa miboiboika tsy hay tanana iny ny aingam-panahy indraindray dia te hanoratra mafy ity pôeta ity kanefa tsy nankasitrahan’ny vadiny loatra izany noho izany fihetsika izany toa manelingelina ny fifankatiavan’izy ireo. Hoy ihany izy manohy :

"Ary dia toy ny olona efa mihirim-belona amin’io soratra io aho : tsy tiany izany - ny vadiko -, fantatro rahateo fa manembantsembana ny fiainana ara-pilana".
In Harivan-tafasiry tak 9

Na izany aza anefa dia tsy mba nandrara azy hanoratra ny reniny  fony fahavelony, nividy karazana boky  misy poezia ho an’ny zanany  hatrany ity farany.

Fanampin’izany dia nahagaga fa toy ny mpaminany  mihitsy ity pôeta ity. Toa nandindona azy ny fahafatesan’ny reniny ka nanoratra mialoha ny tsindrimandriny izy. Tsapany ihany koa fa misy fotoana te hanoratra  tranga iray izy, kanefa seho hafa ankoatra izany no voasoratra izay manambara sahady ny fiainany dimy taona aty aoriana. Manamarina izany ny "Ry valiha" nosoratany tao amin’ny Ako sy Feo :

"Fantatrao ny vita teto sy ny rakitra fihininy
Nefa tano mba ho anao izay rehetra andinindininy
Aketraho ny tadinao, alao ny tohany hipika
Fa ny foko izao marisa ka hatory kely isika"
Ako sy feo Tak 19

Marihina fa nahazo ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana Pôezia nampanaovin’ny tanànan’Antananarivo ny 1958 i Randja Zanamihoatra.

Sary natolotr'i Nobel Randriamananjara ho an'ny Pôetawebs

Samy nahafantarana an’ity pôeta miavaka ity avokoa ny boky nosoratana ankoatra ny tononkalo tan-gazety  toy ny "Vehivavy", "lehilahy", "Ako sy feo", "Ary nihira aho", "tandindona sy rà", "Vainafo tononkira", ny "2003". Nisy boky fandalinana mikasika ny haifitenim-poko milohateny hoe "Avy aiza ny Malagasy" niarahany nanatontosa  tamin’i J.B. Rakotomalala izay nindaosin’ny fahafatesana tampoka.

 Ireto avy ireo gazety namoahany ny tononkalo : Fandrosoam-baovao, Asa vadi-drano, Malagasy Vaovao.

Maro be ny asa soratra hafa nosoratany toy ny lahatsoratra tsotra, tantara foronina, saingy mbola tsy nivoaka: "Alina farany" ahitana 100 takila, "Ny diako tany an-danitra"…  

RANDJA ZANAMIHOATRA MANKAFY
Maro Ireo mpanoratra indray nihira taminy ary nifanerasera akaiky azy toa an’i E.D. Andriamalala, S.BEM, DOX, RADO... Ankoatra ireo dia mirona bebe kokoa amin’ny mpanoratra vahiny toa an’i J. Prevert, Léo Ferré, Baudelaire, Paul Valery, Rimbaud, Lamartine, David Diop, Marcel Proust, Angelus Sileus, izy.

Mankafy boky i Randja Zanamihoatra ary nilaza fa :

"Boky ! boky ! niaina sy nilona tao aminy aho… maro be tokoa amin’ireny no efa novakina sy nahitana izay nahafinaritra tao aminy avy"
Harivan-tafasiry tak 5

Nankafiziny manokana ny Mpanoratra Rivo-Romuald ka nambarany tao amin’ny Boky Vainafo tononkira ny ampahan-kalon’ity farany manao hoe :

"Nofiko hono, ka hianao ilay Anjely tonga teto
Fe indray harivariva fanateran-tonom-bavaka :
Izany olona re miraona mivoaly ny habakabaka
Mian-kira izato "zovy" dia indraika indray misento
Izany maso mifanena !"
In Vainafo tononkira tak 104

Sary natolotr'i Nobel Randriamananjara ho an'ny Pôetawebs

Anisan’ny tononkalo nandona ny fo sy ny fanahin-dRandja Zanamihoatra ny Tononkalon’i DOX "Asa izany":
"Ny masonao no itiavako iny habakabaka iny
Sa ny masonao no tiako dia ny habakaba-manga ?
Asa izany fa ny foko dia mihira ny hafaliany
Anoloan’ny masonao sy ny lanitra mitranga"
In Takelaka Notsongaina tak 25

Ankoatra ireo dia manome lanja ny taozavakanto izay maneho asa tanana vita malagasy izy.

Mitendry gitara  fatratra ny lehilahy ary manamarika ny Talentany manokana izany.

Lalao tena tiany ny daomy  izay  kilalao mampiasa saina. Kilalao misy vato valo amby roapolo misy masony; zaraina mitovy isa amin’ny mpilalao telo ny iraika amby roapolo amin’ireo vato ireo, ka mifandimby mandahatra ny azy raha misy vato miady masony amin’izay mivoaka ny mpilalao. Izay mahalany vato any amin’ny voalohany no mahazo amin’ny indray mihodina, ka dia isaina ho azy ny masom-baton’ireo sisa tsy mbola nahalany ny azy. (Regis Rajemisa Raolison, tak 165). Marihina fa tia ity karazan-dalao ity ihany koa i E.D. Andriamalala izay indray nihira taminy.

Malaza ho saro-takarina ny asa soratr’i Randja Zanamihoatra, ny mpamaky anefa no heveriny fa hanohy ny famoronana izay nataony ka hamantatra ny tian-kambara amin’izany. Ao anatin’ny tsindrimandry matetika no anoratan’ity pôeta ity izay heverina fa manokatra sy manakatra ny sain’ny mpandray izany.

Voambaran’ity pôeta ity fa mitovitovy daholo ny fiainan’ny mpanakanto, ary nasehony fa adala mihitsy aza ka nanehoany fa :

"eny, adala tokoa mantsy izy ireny (izahay), nefa tsy maintsy manana ireny olona adala ireny ny Firenena vao mety ho ngeza sy malaza olo-manga"
Ny harivan-tafasiry tak 12

Randja Zanamihoatra - Pôetawebs.
NANKAMAMY ODY VA NY RAZANA ?

Vodilanitra
Vodiandro
Vodivona
Vodirano
Vodivato
Voditronga
Vodibozaka

Voditrano
Vodilozoka
Voditenona
Vodisobiky
Vodibasy
Vodisosa
Vodilalana

Vodiondry
Vodivorona
Vodivoampelatanana
Vodiahitrarivo
Vodiolona
Dia tody
Soa ny vody

Ambodimita
Ambodimanary
Ambodisakoa
Fa latsa koa
Ny vody
Raha tratra
Ambodiomby"

Sept 72
in 2003 Tak 56
Randja Zanamihoatra mianjaika


RANDJA ZANAMIHOATRA MIKALO
Maro ireo tara-kevitra tsikaritra amin’ireo tononkalon-dRandja Zanamihoatra. Ambaran-dRandja ny adin-tsaina mpahazo ny olona rehefa sendra ny olona tena niantefan’ny fony sy ny safidiny. Miharihary amin’izany ny  fahavarianana sy ny ahiahy sao tsy tafita izay tanjona tian-ko tratrarina. Misy fiantraikany lehibe eo amin’ny fihetsika ivelany, eny hatramin’ny fihetseham-po izany ka ilazany hoe :

"Mandrera-tsaina ny mitia
Manadala mampahia
Tsy ahavitana izay atao
fa manjombon-dava izao
mahalasa ambiroa
mampirediredy koa"

Ny mitia, Vainafo Tononkira, tak 56

Mampiseho ny fitiavana tsy mety maty ihany koa ny kalon’ity pôeta miavaka ity ka mahatsiahy ny lasa izay tsy fanadino satria nitondra fahatsiarovana mamy ireo fotoana niarahana tanilan’olon-tiana

"o ! malalako ! ry tiako ! mitodiha
Fa ny foko sy ny feon’ity valiha
Indreto miantso sy mitory ankehitriny
Fa tsy maty ilay fitiavana fahiny"

Ary nihira aho, in Vainafo Tononkira tak 123

Manamarika ny fandinihan’ity pôeta ity ny zavaboary manodididna azy ny fanehoana ny lanjan’izany eo amin’ny fiarahamonina. Aharihariny fa manan-kasina ary tsy misy izay tsy misaina sy mitoetra anilan’ny vato na ny biby amam-borona eny fa na dia ny mpanao zavakanto aza.

"vato !
Miaina anatinao ilay SAINA MANINTERAKA
Ny ati-fo indrindra tsy takatry ny feo ;
Injany fa voaentana izao voahary izao
Ka taza-mifandimby mankeo an-dohanao
Voronkely indreny miteronterona eo
Raha ny mahery kosa mametraka eo ny akaniny
Poeta sy mpisaina, mpihira sy mpitia,
Samy efa tsinjo teo namonto ny eritreriny"

Vato, in Vainafo tononkira tak 13

Miresaka ny tontolon’ny fahafatesana ny pôeta ka manambara fa misy alahelo, sento noho ny fifandaozana eo amin’ny olona izay nihanerasera tamin’ny tena. Mahakivy ny fo ny mieritreritra ny fiovana sy ny tsy fitovian’ny fiainana anaty fahavelomana sy ny fahafatesana ka mahavalaketraka :

"Ary lasana izy !
Antsoina tsy miteny
Miteny fa tsy heno
Votoatim-peo
Mihararetra anaty
Aina avy amin’ny maty
Mamerina ny tsy eo
Ao anaty fo
Miova tsy tokoa
Satria tsy ny tokoa !"

 Lalamben’ny maty, in Vainafo tononkira tak 99

Sary natolotr'i Nobel Randriamananjara ho an'ny Pôetawebs

Manasongadina ny anjara toeran’ny pôeta i Randja Zanamihoatra. Olona manana ny sata manokana ny pôeta araka ny fiheverany. Noho ny fananan’izy ireny ny fanahy izay  tsy itoviany amin’ny maro no mahatonga izany. Ny pôeta mantsy no afaka mamboraka izay tsy voalazan’ny rehetra eo amin’nyandavanandrony. Ny pôeta no manana fahasahiana mampiseho ireo voambolana tsy fandre matetika eo amin’ny samy mpiara-belona.

"Ianao Poeta irery no manana fanahy,
Raha saina monja ihany no entin’ny rehetra
Fa ankoatr’izao misaina, mitia sy manahy
Dia mbola misy « ianao » fisaina tsy mifetra"

Poeta, in Vainafo tononkira tak 12

Maneho ny hasarobidin’ny teny izay akora fototra iasan’ny pôeta i Randja Zanamihoatra. Avy amin’ny teny avokoa no hipoiran’ny hakanton’ny famoronana. Avy amin’ny teny no hamborahan’ny pôeta ny hetaheta sy ny tsikaritra eo amin’ny fiarahamonina. Ny teny araka izany no mampisy sy mampaharitra ny tononkalo.

"Tsia , ry Poeta !
Izaho no fisiana
Nampisy anao ho ngeza
Fa raha ialako ianao
Dia zava-poana sisa
Sy tena vaingan’aloka"

Izany ka Fitia, in Vainafo tononkira tak 105

Sary natolotr'i Nobel Randriamananjara ho an'ny Pôetawebs

Ny endrika isehoan’ny fitiavan-tanindrazana dia miharihary an-tononkalon’ity pôeta ity. Ny hakanton’ny valiha izay zava-maneno manasongadina an’i Madagasikara no manamarina izany. Ambarany fa mitondra hafatra lehibe ho an’ny fo sy ny saina ary indrindra ho an’ny fanahy ny feo atosaky ny valiha. Izany ako izany no itarafana ny lanjany eo amin’ny fiarahamonina ary mampisy lanja azy ka tsy azo hamaivanina.

"Valiha sombintsombin’ilay FANAHY MANERANA
Fototra mizara no sady koa famato
Mitana tsy ho very  « ny saina sy ain’ny vato »
FANAHIN’NY TONTOLO iompanana, itoerana
Mampitepo hatrany
Ny fo - ny fon’ny tany -"

Ny valihako  in Vainafo tononkira tak 17

Pôeta sarotiny amin’ny fanajana ny soatoavina malagasy i Randja Zanamihoatra ka nisarika ireo taranaka aty aoriana mba  ho tonga saina ary hanome lanja ny maha Malagasy. Tsikaritra amin’ny kalon-dRandja ny fanasongadinana ny fomba malagasy izay efa fanao fahiny ka noheverina fa mampiombona sy mampiorina ny fihavanana. Iray amin’ireny ny famadihana izay asongadiny fa fomba hikajiana ny soatoavina malagasy.

"Nefa mbola misy loatra, eny, fa tsy izany monja
No zavatra azo tsoahana ao, mbola misy iray mafonja
Hevi-dalina sy ambony, lehibe ka tsy azo foanana
Asa raha voadinikao : "FAMELOMAM-PIHAVANANA"

Ako sy feo tak 8

Manafatra ny pôeta ny amin’ny tokony hanomezan-kasina ny teny sy ny fomba amam-panao malagasy. Koa na eo aza ireo fivoarana mety mandalo sy miserana eto anivon’ny riaka dia tokony hanaja sy hitahiry ny maha Malagasy ny rehetra.

"Eny ho’aho, Ramalagasy ! Malagasy be fivoarana !
Tsara haingo tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana !
Tsy hanozona ny Ntaolo n’inona n’inona natao
Saingy MASINA NY SATA IZAY VOAHITSAKITSAKAO"

Malagasy mankany, in Vainafo tononkira tak 23

Ankoatra ireo voambara anefa dia miharihary hatrany ny finoana an’Andriamanitra mpahary sy mpandahatra ny fiainana izay heverina fa manampy sy manohana eo amin’ny ady maro atrehina amin’ny andavanandro. Angatahana fitahiana sy fanambinana izy mba hahazoana fahombiazana tsy tapaka amin’ny ho avy :

"Vokiso famindram-po, aza avela hanjoretra
Mba hihoby sy hifaly amin’ny fiainanay rehetra"

in Vainafo Tononkira Tak 39

Sary natolotr'i Nobel Randriamananjara ho an'ny Pôetawebs

RANDJA ZANAMIHOATRA MIKANTO
Rehefa atao topy maso ny endrika ivelan’ny tononkalon-dRandja dia ahitana andalan-tsoratra Masina notsoahina avy amin’ny Baiboly hatrany aorian’ny fametrahany ny lohateny. Andalan-teny toa misarika ny mpamaky hanohy ny tian’ny voambara hampitaina izany. Ohatra amin’izany :

Ny havandra Mena
"Tefeo ho sabatra ny fangadinareo" Joela 4-10

Ady hevitra
Ady vava
Ady aman’aina
Adim-panahy…

in 2003 tak 6

Sary natolotr'i Nobel Randriamananjara ho an'ny Pôetawebs

Hita taratra tamin’ireo tahirin-dRandja fa nilona tanteraka tamin’ny famakiana Soratra Masina izy. Porofon’izany ny fanoratany ireo andalan-tsoratra Masina izay manohina azy ka soratany anaty kahie fitahirizan-kevitra.

Fanampin’izany dia tsikaritra ihany koa ny tenin’olona heveriny fa azo tsongoina sy ampitana hafatra. Manamarina izany ny "Fa volana no rava" tak 21 izay nahitana ny voalazan’i E.D. Andriamalala hoe "Rahariva, rehefa miposaka ny diavolana"

e.d andriamalala-antso

"fa….
Rahampitso angamba
Hihintsana ny volana
Ary aizina ny lamba"

in 2003 tak 21

Mahavariana ny maso ny mahita ny filalaovan-dRandja ny fiverimberenan’ny teny an-dohan’andalana, izay indraindray toa teny tsy tsaroana kanefa misy ifandraisany amin’ny fiainana andavanandro.

"ady tany
Ady rano
Ady an-trano
Adim-pinoana
Ady firazanana
Adim-pirenena

Ady izao tontolo izao
Nefa ny ady
Tsy mba miady
Fa mampiady
Sy mitady
Hampiady
Ny tsy miady"

Havandra mena, in 2003 tak 6
Sary natolotr'i Nobel Randriamananjara ho an'ny Pôetawebs
Fandaharana tao amin'ny Radio Oniversite
Anisan’ny olana nosetrain-dRandja Zanamihoatra ny tsy fahatafavoahana ny boky sasany kanefa tsy noheveriny loatra ho olana izany.

RANDJA ZANAMIHOATRA MITANDRO

Sary natolotr'i Nobel Randriamananjara ho an'ny PôetawebsHoy i Randja Zanamihoatra teo am-panolorana ny Tontolo Isainana :

"Tamin’ny voalohany ny teny, ary ny teny dia Andriamanitra ; tamin’ny faharoa ny soratra ary ny soratra dia olombelona, ilay mampitontohitra ny fotoana sy tantara."

Anisan’ny sarotiny loatra amin’ny hasin’ny tenin-dreny i Randza Zanamihoatra ka nilazany fa mifamatotra ary tsy afa-misaraka amin’ny fiainam-pirenena sy ny fandrosoan’izany ny teny.

"Ny teny sy ny sain’ny firenena iray dia mifaningotra aina hatrany".
Vainafo tononkira tak 9

Marika hanehoana ny fitiavan-tanindrazana ny fifotorana amin’ny tenin-dreny ary fototry ny fampandrosoana. Koa mandrisika hatrany ny fiainana izany ity pôeta ity.

Marika hanehoana ny fitiavan-tanindrazana ny fifotorana amin’ny tenin-dreny ary fototry ny fampandrosoana. Koa mandrisika hatrany ny fiainana izany ity pôeta ity.

Ampitainy mandrakariva fa ilaina ny fikarohana sy ezaka hanatsarana ny asa soratra. Ny fiezahana mandrakariva hahay tsara ny teny anoratan’ny tena dia ny teny malagasy no voalohany indrindra amin’ izany. Zava-dehibe ny fananana voambolana maro sy ny fahaizana tsara ny hevitry ny teny izay soratana indrindra ny famakiana ny asa soratr’olon-kafa. Ambaran-dRandja Zanamihoatra fa manana ny maha izy azy ny literatiora malagasy izay manasongadina ireo karazana asa soratra manerana an’i Madagasikara. Midika izany fa tokony homena hasina avokoa ireo endri-tsoratra rehetra na ny anivon-tany ny any anindrana. Hoy indrindra izy :

"Koa dia miantso anareo tanindrana izahay, Tompoko e ! fa isika izao no soroka hiara-milanja ary izany ka izany no foto-javatra kendrena, fa isika tsy mahadini raha ela"

Ako sy Feo tak 4

Nambaran’i Randja Zanamihoatra fa tsy dia hita loatra ireo boky na gazety mahatandrina ny teny diso. Manoratsoratra  ny ankamaroan’ny olona ka tsy mahatsikaritra izany. Adidin’ny mpanoratra anefa ny maneho zavatra mendrika ho an’ny mpamaky azy. Mifampitohy amin’izany ny fanaraha-maso ireny any amin’ny trano printy.

RANDJA ZANAMIHOATRA MIHEVITRA

Randja Zanamihoatra dia namaritra ny literatiora hoe SORAMONINA izay nosokajiany ho hery manentana ny olombelona ahafahany nanome hasina ny fiainana, ary namelombelona izay olona mivalaketraka. Maneho sy  nampisongadina endrika sy ny hakanton’ny zavaboary ihany koa izany.

Nambarany ihany koa fa ny literatiora dia :

"ny asan’ny saina mendrika hivela ho an’ny taranaka amin’ny alalan’ny fitadidiana aloha, manaraka ny soratra ary farany ny printy ; raha tsorina dia ny tena asa mendrika ; voarakitra amin’ny soratra manara-dalàna araky ny fitsipiky ny fiteny."

Teny fanolorana, Ako sy Feo

Ny fanandratana ny literatiora araka izany dia ny fitandremana tsara ny fandaharana ny kanto avoaka satria ny mpanoratra dia manana andraikitra lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny firenena amin’ny alalan’ny famoronany. Ao amin’ny haisoratra mantsy no ahitana ireo karazana hery tsy hay refesina mitondra fiadanam-po sy saina ho an’ny mandray azy.

Rehefa nandinika ny karazam-boky sy gazety i Randja Zanamihoatra dia tsikariny fa tsy miova sy efa hita matetika ny endrika isehoany sy ny votoatin-kevitra ambara ao toy ny fisentoana sy ny fahadisoam-panantenana tsy ahafaha-mivoatra eo amin’ny fiainana. Heverin’ity pôeta ity fa ny fifotorana amin’ireny endri-tsoratra ireny dia tsy hampahomby velively ny taranaka amam-para any aoriana. Araka izany dia karazana literatiora tokony hanondrotra ny fomba amam-pisainan’ny mpiara-belona no ampitain’ity pôeta ity fa tsara haroson’ny mpanoratra ankehitriny. Fomba fijery sy fisaina vaovao no aroson-dRandja Zanamihoatra ho fanandratana ny literatiora.

Tsy irery anefa ny pôeta fa mifameno mandrakariva ny anjara asany sy ny mpamaky araka ny hoe :

"na toinona na toinona heverina ho fiezinezin’ny talentan’ny Poeta, dia tapany ihany : ny talentan’ny mpamaky no hanovona azy ho erany"

Vainafo tononkira tak 6

ny teraky ny fo sy ny saina

Raha miresaka ny karazana asa soratra indray i Randja Zanamihoatra  dia nilaza fa misokajy roa izany dia ny teraky ny fo sy ny saina. Mifameno anefa ireo sokajy roa ireo satria misy ny fotoana ilan’ny olona ireny fahasamihafana ireny.

Na izany aza anefa dia notsindriany fa na eo aza ny fahasamihafana dia miavaka na eo amin’ny endrika na eo amin’ny lafiny faharetany sy fitetezana vanimpotoana ny soratra teraky ny saina. Koa na averimberina aza ny famakiana izany dia ahitana zava-baovao hatrany  sy mahafa-po ny maso sy ny saina. Ho an’ny sokajin’olona zatra toloram-potsiny anefa dia mahatsapa fa lalina sy saro-takarina ny soratra teraky ny saina. Izay indrindra no anehoany fa :

"Izay hita ho mampavesa-danja indrindra ny tononkiran’ny Poeta mihoatra noho ny lahateny tsotra dia noho izy mahaseho zava-maro amin’ny fomba mifintina : toa horonan-tsary mivaha ny nahiny ao an-tsaina"

Vainafo tononkira tak 8

Sary natolotr'i Nobel Randriamananjara ho an'ny Pôetawebs


Ity pôeta ity araka izany dia mitarika ny sain’ny mpiara-belona mba hampiasa saina sy hanana fomba fijery lavitra fa tsy miaina ny anio fotsiny ihany. Hoy ihany izy :

"Ny ilaina dia ny hahazatra ny zatovo hahay manakatra hevi-dalina sy hahatsinjo izay miery ao ambadiky ny fisainan’ny hafa, na toinona na toinona endrika isehoan’izany"

Vainafo tononkira tak 9


Marihina moa fa noraisin’ny mpanoratra ao amin’ny Faribolana Sandratra ho zoky mpiantsoroka i Randja Zanamihoatra. Koa tamin’ny fankalazana ny faha 46 taona nanoratany dia nanao tsangan-tononkalo ho azy ny Faribolana Sandratra izay nilohateny hoe : "2003, Andro gaigy" izay notontosaina tao amin’ny tranom-pokonolona Analakely. Tamin’ny 11 jolay 2007 kosa dia nisy ny fahatsiarovana ny fahafolo taona nahafatesany tamin’ny alalan’ny antsantononkalo "Lalambe mihoatra".

HAFATRA MIAMPITA

Randja Zanamihoatra


"Mikiriza hahay ny asa voatendry ho anao : ny antsasany talenta, ny antsasany fahaizana na inona na inona sokajin’ny zavakanto ataonao dia be ny zava-misy hainao momba izany asanao izany. Tsy ny ho olo-malaza araka ny "fankalazana" fa ny ho tonga olo-malaza noho ny fahaizany tsy azo lavina".

Rakotomandimbiarison Holy, Ambioka lah 59

"Fa ny lalamben’ny maty
Mahery sy masiaka
Tsy mamela hitodika
O ! mandrirodrirotra
Tsy ananana safidy"

Ilay
"Midadasika ny tahalan’ny fahaizana sy fahalalan’ity zoky mpanoratra ity ny teny malagasy. Tsy nitsaha-nikaroka izy ary sarotiny dia sarotiny"

Nobel Randraimananjara
"Pôeta nanana ny nampiavaka azy i Randja Zanamihoatra teo amin’ny fomba fanehoana ireo teny malagasy matotra sy mateza jerena. Mampalahelo anefa fa tsy manohy izany ezaka izany ny ankamaroan’ireo mpanoratra aty aoriana"

Sary natolotr'i Nobel Randriamananjara ho an'ny PôetawebsTrano nonenan'i Randja Zanamihoatra teny Ambohimarina

LOHARANON-KEVITRA
   
Boky samihafa 
- Faribolana Sandratra, 1991, Tontolo Isainana, Antananarivo
- Lala-Rakotoson RAOLISOA Julienne Agnès, 2003, Lovako T12, Ambozontany Antananarivo
- Randja Zanamihoatra, 1956, Ako sy Feo, Antananarivo
- Randja Zanamihoatra, 1969, Vainafo Tononkira, Ambozontany Fianarantsoa
- Randja Zanamihoatra, 2015,
* Samy manana ny literatiorany (Fahatsiarovana ny faha-90 taonan’i Randja Zanamihoatra), Antananarivo
* Ny Poeta malagasy sy ny asany (Fahatsiarovana ny faha 90 taonan’i Randja Zanamihoatra), Antananarivo
* Ny harivan-tafasiry (Fahatsiarovana ny faha 90 taonan’i Randja Zanamihoatra), Antananarivo
- Siméon Rajaona, 1972, Takelaka Notsongaina, Ambozontany  Fianarantsoa

    Gazety
- Ambioka, lah 38, septambra 2001
- Ambioka, lah 90, Desambra 2007


    Rakibolana
- Regis Rajemisa-Raolison, 1985, RAKIBOLANA MALAGASY, Fianarantsoa



   Tranonkala
- Issi Heridiny, "Portrait : Randja Zanamihoatra : le poète couturé de cicatrices". Midi Madagasikara. 5 jolay 2019. Tsikaritra ao amin'ny :
http://www.midi-madagasikara.mg/culture/2019/07/05/portait-randja-zanamihoatra-le-poete-couture-de-cicatrices/

- Randriamananjara Edmond. Tsikaritra ao amin'ny :
http://mondemalgache.org/bins/teny2/randriamananjaraedmond
-
Randja Zanamihoatra. Takelaka Facebook "Association A.M.AHO". 11 jolay 2018. Tsikaritra ao amin'ny :
 https://www.facebook.com/764064863704107/posts/11-jolay-1997-no-nahafatesani-edmond-randriamananjara-mpanoratra-poeta-fantatry-/1611549185622333

 

Fankasitrahana
Isaorana manokana  ireto voalaza anarana manaraka ireto tamin’ny fanampim-panazavana :
- Randriamananjara Nobel (zanany)
- Randriamananjara Avisoa Razafindrakoto (Zafikeliny)
- Randriamanjara Nomen-jo Fanilo Razafindrakoto (Zafikeliny)
- Rambelo Nicole

TONONKALO

"Ary indro aho efa nihinana ampongabendanitra, voasary, longoza, voantsilo, sakoa… tamin’ny tany rehetra efa nalehako, dia hoy Jehovah tamiko : mandehana indray, tiava vehivavy izay tian’ny vadiny nefa mijangajanga" (Hosea 3 ,11)

HIDY FOLO


Aza manana olon-tiana fa izaho ihany

Aza manana endrika voarakitra ho anao
Na avy amin’ny topimaso na ny vetsom-po mankany
Na ny embona asampotiny ao anaty miafina ao

Aza mitsiriritra, aza mijangajanga, aza manadino…
Dray !tsia : aza mivoaboaka, aza mijerijery.
Aza saro-piaro, aza… ny eritreritra fihino
Tsy hahalala, tsy handre afa-tsy ny feoko irery

Tovinao ny sitrapoko sy ny adidy momba ahy
Ireo rehetra ireo tsy maintsy tanterahinao daholo
Ny hasambaranao kosa aza ananana ahiahy
Fa efa vita manda mafy sady vita hidy folo

Saotra ! teliko ry lala ! indro kely anafarana :
Raha maty aho tompoko, aza avoaka varavarana :
Zavatrao ny tenabeko ! ary fara
Faniriako : halevina eo am-parafara"

Randja Zanamihoatra
2003, tak 5

Fandalinana : Tsikimilamina Rakotomavo
Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja

 © poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 15/03/2020