"Ny Poeta indrindra no fantsom-panovana ny tontolo bobongolo", izany teny izany no voizin'ny Poetawebs mandritra ity taona 2026 ity mba hisarihana ny olona hanova toe-tsaina. Mifantoka amin'izany indrindra ny an'i Rita Ralamboarijaona ity:
"Vary mangatsiaka", "ampitso lava", "tsy misy vola iasana". Fiteny
efa fandre matetika eo anivon'ny fiarahamonina ireo naverina imaso
ireo. Azo heverina ho takaitra navelan'ny fiankinan-doha izany ka tsy
manaiky raha tsy miantehitra amin-javatra amaharana.
Ny poeta anefa amin'izao fotoana itodihana amin'ny fanavaozana izao
dia milaza hoe:
"Aza miandry ny fotoana mety, fa amboary ny fotoana anananao, ary
atombohy amin'izay eo am-pelatananao."
Toe-tsaina tiana hovolena ao amin'ny isam-batan'olona ny fananana
fahasahiana miatrika ny zava-misy. Tsy vahaolana eo amin'ny fiainana ny
fiandrasana ireo tsy handray andraikitra. Tsy ahitana masoandro
mihiratra ny mandrimandry manana aretina. Ny zava-dehibe sy
takin'ny fampandrosoana dia ny finiavana.
Voambara mandrakariva mantsy ny hoe: "izay kely ananana no
ahiratra". Koa rehefa vonona hisedra ny fiainana miainga amin'izay eo
anoloana ny tsirairay dia azo antoka fa higoka voka-tsoa amin'ny hoavy.
Araka izany, andeha hiainga amin'ny bitika raha hisantatra.
Andeha hamita hatramin'ny farany izay efa natomboka.
Andeha hitozo tsy amin'ahiahy, ka hiroso tsy amin-tahotra.
Ny hery sy ny ezaky ny tena no atokisana indrindra !
Eritreritr'i Tsikimilamina Rakotomavo

