Créer un site internet

Tenin'i Solotiana Nirhy-Lanto

Tenin'ny Poetawebs 2026
Tsikimilamina Rakotomavo — 01/03/2026

"Ny Poeta indrindra no fantsom-panovana ny tontolo bobongolo", izany teny izany no voizin'ny Poetawebs mandritra ity taona 2026 ity mba hisarihana ny olona hanova toe-tsaina. Mifantoka amin'izany indrindra ny an'i Solotiana Nirhy-Lanto ity:

Poetawebs

Aoka samy hanaiky isika fa : tsy tandra vadin-koditra ny fahazaran-dratsy sy ny toe-tsaina tsy mahomby.

‎‎Fanao miverimberina sy matetika ka zary filàna sy toetra raikitra ao amin'ny isam-batan'olona ny fahazarana. Rehefa mitondra voka-tsoa izany dia antsoina hoe fahazarana tsara.Ohatra amin'izany ny fahafaham-panadinana aorian'ny fitozoan'ny mpianatra mifoha maraina amin'ny ora raikitra sy ny fahaizana mianatra lesona sy manao fampiharana. Eo ihany koa ny  fitobahan'ny vokatra eny an-tsaha rehefa mahavatra manara-maso ny fambolena sy fiompiana ny tantsaha.

‎Fahazaran-dratsy kosa no ilazana ny fanao efa raiki-tampisaka eo amin'ny tsirairay izay miteraka fahavoazana eo amin'ilay nanatontosa ny hetsika. Manaporofo izany ny fitrosana amin'olona izay miteraka tsy fahavanonana eo amin'ny fidiram-bola. Tsikaritra ihany koa ny fitenenan-dratsy  na fanompana ny olona izay mifaninana amin'ny tena ka mahatonga ny fijerin'ny mpiara-belona ho ratsy fiantefa. Miharihary eo amin'ny andavandro ny fanariana fako eny an-dalambe, ny fandrehofana etsy eroa, ny fandrezatana tsy arahina azafady..sns.

‎Eo anatrehan'izany no nahatonga ny amboaran-tenin'i Solotiana Nirhy-Lanto hiantefa amin'ny manam-panahy manao hoe:

‎"Aoka samy hanaiky isika fa : tsy tandra vadin-koditra ny fahazaran-dratsy sy ny toe-tsaina tsy mahomby."

‎Toetra tsy mampandroso sy manapotika ny tontolo manodidina ny fahazaran-dratsy. Mety efa ho nolovaina tamin'ireo ray amandreny nialoha lalana izany ka mahatonga ny fiheverana fa "tanana zatra mitsotra ka tsy afaka hivonkina intsony". Ny fihetsika madinika mitambatra anefa no lasa fako mandifotra ny fiainam-piarahamonina, hany ka tsy voaongotra ifotony izay faharatsiana rehetra eo anoloana.

‎Araka izany, rehefa te hihavao eo amin'ny fiainan-ko avy dia zava-dehibe ny fiezahana miala amin'ny ireo fanao tsy mampahomby rehetra. Manomboka amin'ny tsirairay, mitohy eo anivon'ny ankohonana, miitatra eo amin'ny fiarahamonina sy firenena izany fanavaozana toe-tsaina izany. Koa andeha hiaina ny fahadiovana, filaminana, fahamendreham- pihetsika. Izany no maha olom-banona miaina ny vanimpotoana. ‎Ny fahavarana amin'ny tsara no fanalahidin'ny fanavaozam-pisainana sy fiainana!

‎Eritreritr'i Tsikimilamina Rakotomavo

Ireto manaraka ireto kosa ireo mpikamban'ny Poetawebs mifarimbona amin'ity taona 2026 ity:

Poetawebs










 Solotiana Nirhy-Lanto
• TENIN'NY POETAWEBS 2026

Ajouter un commentaire