Mahefa: nampiharihary ny takona

MAHEFA : NAMPIHARIHARY NY TAKONA
Tsikimilamina Rakotomavo — 08/03/2026

Poetawebs

Tontolo nahazendana, nahavariana, nampitsiky ny sorena, nampitraka ireo izay nitanondrika no natrehina tao amin'ny Akademia Malagasy. ‎"Ny lazaina takona ahariharin'ny tononkalon'ny Faribolana Sandratra" no nohalalinin'i Mahefa na Ramahatehotia  antsoina amin'ny hoe ‎Razafimahefa Haja Nalison eo amin'ny sorapiankohonana. Tsy arakaraka ny hevitra mby ao an-tsaina —  toy ny anjara asan'ny teny hoe lazaina amin'ny fitsipi-pitenena malagasy akory — no tiany havohitra amin'ny lohahevitra; fa ireo sary ao an-tsain'ny mpamaky na ny mpihaino rehefa mandray ny tononkalo.

‎Maro tokoa ny hevitra miafitra ao amin'ny ny tononkalo araka ny nambaran'ny mpanao velakevitra. Hoy indrindra izy "Anisan'ny mpanabe an-kolaka ny mpamaky ny mpanoratra". Tsy tambo isaina ireo ambadika avohitran'ny soratry ny Faribolana Sandratra tahaka ity ambaran'i Ranoe ity:

‎"Raha lehilahy ialahy
‎Ho velona ambony
‎Ho velona ambany
‎Fa maty an-tenantenany".

‎Tsikaritra  ny hevitra mifanohitra miendrika tantara ambadika. Ohatra amin'izany ny tononkalon'i Rija Al-Jonah:

‎Aviavia Raorana
‎Mamiko Ilay kotsa
‎Satrinao Ilay lena

‎Re amin'ny fiantsana tononkalo ny teny mitovy fanonona, sahalahala gadona ary heverina ho toy ny feo mananihany. Hoy indrindra i Tahirintsoa:

‎Ity kininina ity
‎Ve hahavita hanafana
‎An'ity ririnina ity?

‎Ankoatra ireo dia misy ny teny miverimberina sy ny rima tapaka miteraka sary ao an-tsain'ny tsirairay izay mamaky sy mihaino.

‎Zotram-pandalinana nihataka tamin'ny fijery mahazatra no naroson'i Ramahatehotia tamin'ny  famelabelarana satria nanokatra ireo tsiambaratelo tany an-tsain'ny isam-batan'olona ny tononkalon'ny Faribolana sandratra. Nidina ifotony tany am-parahatoky ny mpamaky ireo nambaran'ny poeta. ‎Nametraka adihevitra hosainin'ny mpandinika moa i Mahefa ka nanolotra lohahevitra azo trandrahina toy ny hoe: "Kifonofono miboraka ao anaty vazo miteny". Anisan'ny fehezantenin'i Mahefa nanaitra  teo am-pamaranana ny tafany ny hoe: "Misy firaisan-tsoratra miteraka nofy".

‎Antony nahatonga ny safidiny amin'izao lohahevitra izao ny fahatsapany fa ‎adidy ny mamaofy izay miafina ao amin'ny tononkalo ary indrindra ‎andraikitra ny manadihady tononkalo. Tsikaritra tamin'ny famelabelarana fa anisan'ny fetran' ny fikarohana nataony ny fanehoana ireo ohatra avy amin'ny tononkalon'ny Faribolana Sandratra izay miresaka matetika ny taovam-pananahana sy izay tsiambarantelo manodidina izany. ‎Tsy tontosa ny karok'i Mahefa raha tsy teo ireo tahiry samihafa nanovozany ny loharanon-kevitra toy ny Baiboly, poeta hafa, boky sy tahirin-kevitra samihafa, tononkalo Faribolana Sandratra.

Tiana ny manamarika fa nahaliana ny maro ny velakevitra ka nahatonga ireo fanontanian'ireo mpanatrika maro samihafa. Nameno ny efitrano malalaky ny Akademia ireo mpikamban'ny Akademia, mpitondra Fivavahana, mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo, mpiraifaribolana.

‎Tatitra: Tsikimilamina Rakotomavo
MAHEFA : NAMPIHARIHARY NY TAKONA
Niredareda tao anaty orana ny Afonakanga


Poetawebs
Mahefa sy Irène Rabenoro
filohan'ny Akademia malagasy

Poetawebs
Tao an'efitra mangina i Mahefa sy Harilala Ranjatohery

Poetawebs
Eo ankavanana i Nalisoa Ravalitera
nanokatra ny fotoana

Poetawebs
Harilala Ranjatohery teo amin'ny fanamarihana mafonja

Poetawebs
Miankavanana: Nalisoa Ravalitera, Mopera Jérémie mpandala ny teny malagasy, Mahefa, Harilala Ranjatohery

Poetawebs
Ireo nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana

Ajouter un commentaire