Créer un site internet

Tenin'i Toetra Ràja

Tenin'ny Poetawebs 2026
Toetra Ràja — 09/03/2026

"Ny Poeta indrindra no fantsom-panovana ny tontolo bobongolo", izany teny izany no voizin'ny Poetawebs mandritra ity taona 2026 ity mba hisarihana ny olona hanova toe-tsaina. Mifantoka amin'izany indrindra ny an'i Toetra Ràja ity:

Poetawebs

Na fisaka ny marina, katsaho fa manarina!

Tsy afaka mivoatra ny fiarahamonina anjakan'ny tsy fahamarinana satria voasarika hikororosy hatrany. Sarotra anefa ny firosoana amin'ny fahamarinana ka izany indrindra no antony anambarana fa ny fikatsahana azy no antoky ny fiarenam-piarahamonina. Handalanina etoana ny maha fisaka ny marina sy ny tokony hikatsahana azy.

 *
*  *

FISAKA NY MARINA

Etsy an-daniny, tokana ny marina, ilay tsy iadian-kevitra, mifanaraka amin'ny tena izy ary heverina ho tsy diso ka tokony hiarahan'ny rehetra mankatò. Tsy ao anatin'izay fahamarinana izay ohatra ny lainga, ny halatra, ny fitaka, ny tsy ara-dalàna... izay iray fehezana ao anatin'ny bobongolo. Etsy an-kilany, tsy tokana ny marina fa maro endrika isehoana noho ny fahasamy hafan'ny finoana, fomba amam-panao, foto-pisainana, zoro itoeran'ny mpanatrika...

Sarotra raisina izy, araka izany ka voahosy mazàna. Miala maina aminy ny maro noho ny tsy fahitana tombony avy aminy. Fisaka izy, izany hoe manify loatra ka tsy voarain'ny rantsan-tanana ary manelingelina aza ka mety ho voatsipindy. Manampy trotraka ny fironana amin'ny tsy fahamarinana koa ny tsy fahatokisana ny manodidina. Ao koa mantsy ireo mpanararaotra ny marina mitavozavoza mba hampanjakana ny lainga tsara lahatra. Tsy ny toy ireny indrindra aza ve no marinin'ny fitsarana mitongilana indraindray?

KATSAHO FA MANARINA

Tsapa ho mangetaheta fahamarinana ny manam-panahy amin'izao fotoana heverina ho fanavaozana izao. Mitaky fiovana toe-tsaina izany fa mampivarina ka tokony harenina. Mivarina ny fiarahamonina atsingidin'ny tsy fahamarinana. Ilaina, araka izany, ny fikatsahana ny marina.

Poetawebs

Karohina, tadiavina ary atao izay ahitana an'izay sarotra azo no hevitry ny katsahina. Mitaky ezaka, fiovan'ny toe-tsaina ary fanamby lehibe ho an'ny rehetra mihitsy fa tsy ho an'ny ankolafiny ihany izany satria tsy mbola tafiditra ao anatin'ny kolontsain'ny ankehitriny rahateo. Tao anatin'ny kolontsain'ny Ntaolo anefa izany fahamarinana izany raha dinihina amin'ny fomba fiainany toy ny tain'omby mivadika tsy misy mandray satria efa iaraha-mahalala fa manana ny tompony.

Ankoatra izay, tsy tokony ho vato hampikatso ny fandrindrana ny fiarahamonina ny mahamaro endrika ny marina, araka ny fitenenana hoe "tsy misy masiaka toy ny sakay fa rehefa teny ierana lany ihany." Izany indrindra no anton'ny fifampiresahana. Raha samy manana ny feony avy araka ny naoty mozika ohatra ny tsirairay, dia azo arindra ho akorda kanto ny fitambarany. Tsotra indrindra amin'ireny ny Do majora iarahan'ny Do, Mi ary Sol. Azo avadika ho akorda malefaka itomboan'ny fihetseham-po mampiombona izany raha akisaka kely ho Mi♭ (Mi bemola) ilay Mi teo aloha ka ahazoana ny akorda Do minora.

 *
*  *

Fisaka tokoa ny marina ka saro-tadiavina. Antoky ny fialana amin'ny fikororosin'ny fiarahamonina anefa ny fandalana azy ka mitaky fikatsahana amin'ny alalan'ny fanovana toe-tsaina lalina. Ilaina ny fientanan'ny rehetra fa tsy ny ankolafiny ihany mba hiverenan'ny fahamarinana ao anatin'ny kolontsain'ny ankehitriny.

‎Eritreritr'i Toetra Ràja

Ireto manaraka ireto kosa ireo mpikamban'ny Poetawebs mifarimbona amin'ity taona 2026 ity:

Poetawebs










 Ny Malodohasaha
• TENIN'NY POETAWEBS 2026

Ajouter un commentaire