"Ny Poeta indrindra no fantsom-panovana ny tontolo bobongolo", izany teny izany no voizin'ny Poetawebs mandritra ity taona 2026 ity mba hisarihana ny olona hanova toe-tsaina. Mifantoka amin'izany indrindra ny an'i Tsikimilamina Rakotomavo ity:
Teny manavao ny maso sy ny sofina amin'izao vanimpotoana amerenana
ny hasin'ny maha Malagasy izao ny "arahamba". Teny malagasy tsara raha
ampiasaina hameloma-maso ny voambolana ampiasaina eo amin'ny fiainana
andavandro.
Matetika dia izay olona akaiky ny tena eo amin'ny sehatra irotsahana
ihany no tsikaritra fa arahamba. Ilay olona te hifaninana amin'ny
lafiny rehetra, ilay olona mihevitra hanapotika ny tena ka mitady izay
fomba hanaratsiana na hanambaniana na hanarabiana izay ezaka efa
tontosa, ilay olona manala baraka imaso amin-javatra tsy nosainina
akory, Ilay olona mitsiky eo anoloana saingy manao tebaka ao ivoho.
Ny sokajin'olona tahaka izany no atao hoe arahamba na fahavalo.
Ny olon-kendry sy olom-banona anefa dia tsy mamaly ny ratsy vitan'izay
nanao ny tsy mety taminy; fa maneho fihetsika maotina sy mendrika
hahatonga saina izay arahamba manelingelina ny diany efa miroso hatrany.
Na dia tsy ho eo noho eo aza ny vokatra andrasana amin'ity toetra
amam-pihetsika ity dia antenaina fa hitera-bokatsoa ao aoriana kely.
Rehefa averimberina eo imason'izay mpisompatra ny fihetsika feno
fahatsorana maneho fitiavana dia tsy maintsy hiova ny fijeriny sy
ny fanaony.
Koa amin'izao taona diavina izao dia andeha hanatsara ny fomba
fifandraisana amin'ny mpiara-belona. Andeha hanavao ny seraseran'ny
mpiray tanindrazana ho tonga fitaovam-pampandrosoana ny fiarahamonina.
Raha miezaka ny tsirairay hamaly fitia izay nanao fahadisoana taminy
dia hijinja valim-pahasoavana tsy voavidim-bola amin-karena.
Hampihatra izany isika !
Eritreritr'i Tsikimilamina Rakotomavo

