Nangonina sy
narindran’i Narivelo Rajaonarimanana, profesora emerita, mpikambana
mahefa ao amin’ny Akademia malagasy.Alohan’ny hirosoana amin’ny filazana fohy momba azy sy ny asa sorany dia tsy hay ny tsy hisaotra ny profesora Henri Rasamoelina namoaka lahatsoratra fanadihadihana ny momba ny fiandohan’ny raharaha 1947 araka ny filazan’i Emile Rakotozafy ao amin’ny diariny. (Henri Rasamoelina, Témoignages sur le déclenchement de l’insurrection de 1947 à Madagascar in Iray donakafo, iray dinidinika. Hommage offert à Noël Jacques Gueunier (dir. Solo Raharinjanahary et Narivelo Rajaonarimanana). Antananarivo, ALEM et Tezaboky, 2021, pp.293-312). Efa namoaka lahatsoratra fohy koa izy tao amin’ny Revue de l’École Doctorale Fianarantsoa, 2017 : Rakotozafy Emile, fusillé de 1947.
Toa izao no filazan’i profesora H. Rasamoelina momba azy. “Teraka tamin’ny 19 mai 1917 tao Ambohimanatrika Ambohimahasoa (Fianarantsoa) izy. Mpampianatra izy tany amboalohany dia avy eo namboly sy nivarotra. Filoha lefitry ny sampana MDRM tao Sahasinaka izy. Nosamborin’ny miaramila tao an-tranony izy ny 2 avril 1947. Nofonjaina tao Manakara izy aloha ary avy eo nafindra tao amin’ny fonjan’Antanimora ny 1er mai. Ny vesatra nanagadrana azy dia hoe « fandrobana, fandoroana, famonoana olona ary firaisana tsikombakomba ». Tahaka ireo namany hafa, dia nanoratra diary izy nitantarany ny zava-niainany ary nandraketany koa ny henony sy reny tamin’ireo mpiara-migadra aminy. Nisy mpitolona mpanoratra sy poeta tahaka an’i Nirhy-Lanto Rakotonindrina tao ka noraketiny tao amin’io diariny ny tononkalo sasany nosoratan’izy ireo tao am-ponja.
Tao aorian’ny fitsarana azy ireo (fitsarana miaramila ny 8 sy 9 jolay 1948) dia anisan’ny voaheloka ho faty izy ka notofirina teo Andrainarivo ny 31 marsa 1949 tamin’ny 6 ora sy 45 minitra.
Tsy hitan’ny fianakaviana ny toerana nandevenana azy ka ny entan-keliny no nangatahin’ny vadiny ho alevina any am-pasan-drazany. Ireo kahie telo (kahie voalohany mitondra ny lohateny hoe : Be nahoana nosoratan'i Rakotozafy Emile Fitadidiana na Harika satria Ratsy izay maty harika) nanoratany ny diariny anefa notehirizin’ireo zanany vavy ka nasehony sy nomeny ny profesora H. Rasamoelina.“
Indro misy lahatsoratra tsotra iray sy tononkalo iray nalaina tao amin’io diary io (kahie fahatelo sy faharoa) ho fahatsiarovana sy fankasitrahana azy nahafoy ny ainy ho an’ny tanindrazana. Ho ela velona anie ny fahatsiarovana azy. Mbola hasianay tohiny ity lahatsoratra ity ao aoriana kely.
a) LAHATSORATRA TSOTRA : NY FIFALIANA SY NY FAHORIANA (p. 44)
Ny fifaliana sy ny fahoriana dia toy ny fofona roa samy hafa “manitra sy maimbo” izay mamofona eto ambonin'ny tany.Izany fifaliana sy fahoriana izany koa dia toy ny tany sy ny rano izay mifampitsofotsofoka hatraiza hatraiza eto amin'ny glaoby.
Ary izany fifaliana sy fahoriana izany dia toy ny toe-tra[ndro] mafana sy mangatsiaka, na maina sy merika izay mifampisolo[solo] eto amin'izao fiainana izao.
Tsy misy fetra ny fifaliana ary tsy misy hoe anjara-toerana voatondro ny fahoriana. Fa anio mety ho faly, rahampitso kosa mety ho ory. Izay ory anio sy rahampitso kosa mety hifaly aok'izany ambadik'ampitso.
Fotsy botsiaka mamirapiratra ny fifaliana fa kosa mainty-be mitakovana kosa ny sarin'ny fahoriana.
Ny fifaliana dia ankafizin'ny olona rehetra rehetra, fa ny fahoriana kosa itadiavan-dalana sy fanafody mba ho lavitra ny tena.
Tsy antsika olombelona anefa ny fandaharana fa an'ny Any Ambony. Koa izay faly, aoka tsy handatsa ny ory. Ary izay ao anatin'ny fahoriana aoka hitraka fa mbola mba hifaly koa.
Mifandimby sy mifampiondanondana eto an-tany ny mazava sy ny maizina; ny fiakarana sy ny fidinana, ny mafana sy ny mangatsiaka, sy fotsy sy ny maity ; dia toy izany indrindra koa ny fifaliana sy ny fahoriana.
Endrey izany fifalian'ireto Ray aman-dReny raha nahazo zaza, eny nitera-dahy. Fifaliana moa izany ny azy mivady mij[ery] ireto sombin'ny aina salama, bolangina, pisopiso ery, mivoaka sy miditra ny trano: tonga amin'ilay fiteny hoe “Ankizy mahay varavarana”. Mahafangina tokoa fa ny mihirahira izy mihirahira ; ny milalao vovoka mangavoka ery ka sasana kely, ny be lelo fafana, ny rarak'ivy soloan'akanjo matetika. Lany foana ny andro fa fifaliana moa izany.
Tsy ampoimpoizina akory: mafanafana ry Bozy kely, tsy mahalalao izany ry Koto kely fa mikoneta-dava. Manavinavy ny ankizy. Niova ilay fifaliana teo fa someby Ramatoa mamadibadika ireto menaky ny aina : trotroina ka ampandriana, ka ampisotroina tambavy, ka evohina, ets. Rangahy amin'izany tsy maha-asa fa semban-drahona ilay fifaliana mamiratra teo, ka maka dokotera, mividy fanafody, ets. ets. Malomaloka eo ilay tokan-trano, tsy misy fifaliana na kely aza
p. 45,
fa an-tenda ny aina, mamosavy tena ny eritreritra. Tsaboina ireto zaza, aiditra hopitaly. Lasa ny herinandro, tapa-bolana, fotoana feno tebiteby, ora manjombonjombona. – Hoy ny vetson'izy mivady: Ry fiainana ô! inona no ambaranao? – Lany ny roa-tokom-bolana, nihatsara ny zaza, feno ny iray volana, mivoaka ny hopitaly.
Izany izy mivady ilay efa samy mai-molotra teny amin'ny hopitaly iny, niova indray ka tsiky sy korana, hehy sy vavaka fisaoram-pitahiana. Niverina indray izany fifalian'izy mianakavy. “Indraindray mifaly eny koa mijaly.”
Alefa mianatra ny zaza. Karakarain-dRamatoa hoatry ny inona ery. Mitombo, miha-lehibe. Afa-panadinana. Tafita soa. Endrey izany fifalian'ny Masoandro amim-bolana, nitaiza sy nahalehibe zaza.
Endrey ireto solofo sy dimby ary farantsika hoy izy mivady. Tsara ny manana tokantrano izy, ka mba ho feno ny fifaliany dia ampisafidio izay tiany izy ho karakaraina. Eny, hoy Rangahy, tsarovy fa ny Ray aman-dreny manery ny zanany amin'ny tokantrano tsy sitraky ny fon'ny zanany, dia Ray aman-dreny mandatsaka ny menaky ny ainy ao anaty valan'ny fahoriana.
Nifidy Andriamatoa ka nahita ny antenainy fa ahafeno ny fifaliany. Nisy nangataka Rakalakely ka ilay tovolahy mba tena laniny, na ny bikany sy ny tarehiny na ny fiainany sy ny fivelomany.
Teo amin'izany fotoana fienikenenany indrindra amin'ny fidirana ao amin'ny tanimbolin'ny Edena izany no indrisy fa nandom-baravarana azy mianakavy Rafahoriana ka narary mafy Rangahy ary indrisy dia indrisy fa nandao ireto menaky ny ainy sy ny fianakaviana amin'ny varo-tsy mifody.
Izany tokoa lahy no atao hoe mifamaofao ny mamy sy mangidy, ary ny fifaliana sy ny fahoriana.
Ela ny ela, nisava ny rahona, ilay orana mipatrapatraka teo, nanjary hain'andro mamelombelon'aina. Fifaliana moa izany ny an'ireto tanora, miara-mikalo sy mifampitsiky eo amin'ilay VOLAN-TANTELY. Nanomboka nioty ny voakazon'ny fiainana. Eny arapodrapony hatramin'ny voankazo ao ampovoan'ny sahan'i Edena. Izany no atao hoe fifaliana feno : Marin-tokan-trano, mahazo vady sahaza. Na ny lahy na ny vavy samy maitso volo, samy fotsy nify, samy tomady, vory nofo. Endrey samy tia hehy. Mivoaka, miditra : mifanoroka, mifanongo kely, mifanao vosibositra. Fifaliana re izany !
Hoy ny fitenin-dRazana, rehefa hety ny atao na ny saobakaka aza mampidi-drano ketsa.
p. 46,
Mbola fifaliana ihany : mitoe-jaza ny vavy. Miomana hitaiza Ramatoa kely ; misomebiseby itony Rafozana. Faly sahirana ilay toka-trano kely vaovao fa nahazo zaza.
Notezaina herin'andro eo ho eo ilay zaza. Matanjaka, mahafinaritra, mahafaly. Nefa indrisy fa nivelatra izany voalin'ny fahoriana. Tsy azo ilay zaza. Ilay fifaliana teo, ni[ova] ka nanjary alahelo sy toloko : izany no fahoriana.
"Ry fahoriana ô ! mangidy loatra izany kapoaka nefa tsy maintsy misotro moa izay fahanany ka dia mitanondrika.”
Nivadibadika ny andro sy ny ora, ny hafanana sy ny hatsiaka. Nisava ilay rahona. Indreo fa mikorana ny mpifakatia. Ny fidiram-bola moa mandroso tsara ka izany no azo lazaina fa tonga lafatra izany fifaliana. Tsy misy izay irin'i Madame kely no tsy azo : fitafiana va? ananany maro ; firavaka va ? tsy maniry an'olona izy; vola aman-karena va ? kirakiariny toy ny taratasy izany ; sakafo va ? izay tsaroan'ny eritreriny dia miteny fotsiny izy dia vita izany. – Milomano ao amin'ny fifaliana izy mivady. Izay no hoe “Irin'ny olona fa tsy maniry olona.” araka ny fitenenana. Tabiha sy reharehan'ny fianakaviany ary kiady sy voninahitry ny tany ama-monina.
Mbola migororoana ihany ny fifaliana, manampy fifaliana fa nitoe-jaza indray koa Ra-Madame-kely ary nitera-dahy. Izany no hoe naniry zaza ka tera-dahy. Isanandro dia indro mitrotro Ramatoa. Ny harena misy, ny zaza eo rahateo. Izany no vary amin-dronono, tondrahan-tantely.
Andriamanitra mpandahatra hendry ô! Endrey izany fitondranao feno fifaliana.
Firy amintsika no tsy afa nigoka izany atao hoe fifaliana sahaza izany.
Indray fahavaratra, nigororoana toy ny fanaony izany orana. Samy manaiky fa valim-piakarana, fidinana. Setrin'ny lohataona ny fahavaratra. – Hay ao ambadika mifanindra amin'ny fifaliana ao ilay mifanohitra aminy dia ny fahoriana. Tsy nampoizina akory, ilay riaka nitosaka nitosaka teo nanjary nahatondraka ny ony, ary izany ony mpitondra zezika ho an'ny tany lonaka, nanjary nitombo nitombo hatrany ka nanjary ranomasina nandifotra ny tanana.
Izany fananana, vola aman-karena, fanaka, entam-barotra, ets. dia nosaronan'ny rano tao, ka ny aina sisa navotana ary izay entana mora zaka. – Nanjavona izany fiadanana, nihelina izany fifaliana. – Ilay trano feno fanaka teo, difotry ny rano ka nanjary any amin'ny ladina an-tany no farafaran'iretsy mpianakavy
p. 47,
mpitsilailay eny ambony farafara mievotrevotra. Ilay entam-barotra azo itadiavana izay rehetra ilainy iny nanjary nisolo ireto fakon-kitay. Izany commande sakafo teo aloha nanjary nitety tanana iretsy nanana ny ampy vao nahita hatokona.
Raha sendra ny mafy hitanondrika hatrany ao va ? Raha ory dia tsy hitraka intsony va?
Tsia. Eny tsia dia tsia.
Nanorin-trano ry zareo, nanao ny raharaha fanaony ry zareo, eny tsy kivy na nitanondrika. Hoy ny fiteny : Ampio ny tenanao dia hanampy anao Andriamanitra. Tsy ampy toa inona dia feno indray izany fifaliana. Nionitra ny simba, ary vao maika niha-namiratra indray aza.
Ny harena miditra, ny zaza mitombo, ny tena salama. Ry fifaliana ô ! aoka re ny kapoakao ihany no gohinay isan'andro, raha azo atao ny misafidy.
Eo amin'izany fifaliana izany indrindra no injany nietsika ny ady lehibe tany ampita. Eo no ho eo tsy maintsy miditra an-tsitrapo ho miaramila Andriamatoa hamonjy ny Tanindrazana. Tsy maintsy misaraka aloha. Nanjombona ny ora. Nanjombona ny andro. Nitaika ny erika. Nilatsaka ny ranon'orana, eny nanavandra ary endrey fa mbola nitselatra sy nirefodrefotra ny varatra.
Izany no fahoriana.
Andriamatoa lasa any ampita, babon'ny alemana ka voatana. Ramatoa kely : ny zaza manahirana fa ny trotroana, trotroana ; ny babena, babena ; ny tantanana, tantanana ; lasa nandositra niala ilay lapa kely mahazatra. Ao hianao ry fifaliana fa kapoaka mangidy izany toa mikasika ny molotray.
Nitohy ny ady tany ampita dia any Rangahy babo any. Niditra indray ny anglisy aty an-toerana ka zara baomba, poa-basy, fisamborana izao. May ilay tanana, levona ao ny fanaka saro-bidy, vita ao ny firavaka nialam-bola be, kila ao ny fananana. Izany no fahoriana.
Ilay miaramila babo, dia any - … sa fa eo am-pela-tanan'ny fahavalo moa. Izany no fahoriana.
Madama kely sy ny ankizy ity, misitrika anaty bozaka, matetika mandry fotsy, tsy mirakotra, eny tsy
p. 48,
mahita tany atoriana. Ilay fianakaviana tsy nandray ravin-dena teo, nanjary nianjadian'ny fahoriana.
Alefao ny eritreritrao ry mpamaky malala : Ilay Rangahy babo any andafy dia tsy mihinana, kapohina, fatorana, ahiboka, ampiasaina mafy, eny rahonana ho vonoina aza. Ny fianakaviany, ny vady malalany, ny zanany, ny hareny ; any ampita any tsy misy fantany akory. Izany glasinao ry fahoriana dia mangeroka loatra.
Ilay Ramatoa sy ny ankizy misingo-boro-damba, mikiky hodi-kazo hatao fanampin-tsakafo. Ny zaza mitomany, tsy mahalala ny tsy misy, inona anefa no rangotin-dReniny eo. Ny alahelo ireto madinika eo anoloana etsy, ny eritreritra any amin'ilay miaramila silaky ny aina any andafy eroa. Izany kopinao ry fahoriana dia mangidy toy ny vahona loatra.
Endrey izany fifaliana teo aloha. Toa tsy ho toy izao, nefa izany no fomban'ny tany : Izay mihomehy anio, dia mbola hitomany ampitso. Ary izay ory anio dia mbola hitsiky rahampitso.
Nifandimby ny andro sy ny alin'ny fahoriana. Nifanolosolo ny volana sy ny fizaran-taonan'ny fijaliana. Samy efa mila ho rotiky ny fihafiana izany fo no injay re tamin'ny telefona tsy misy tari-by fa resy ny alemana fahavalo tamin'izay fa nikambanan'ny firenena mikambana - ary ireo babo tany, dia efa miverina antsambo any amin'ny misy azy avy.
Hay ny fahoriana tsy azo amoizam-po fa mety manimba, nefa zavatra tsy ho mandrakizay tsinona. Ny hazo maniry tsy hitohy, fa hahatratra ny lanitra izy. Ary tsy misy hery na fahefana ety an-tany maharitra ho doria fa izay mandresy anio, dia mbola mety ho resy ampitso, mbola ho tapahin'ny mahery noho izy avy eo.
Iny hono ny sambo mirimorimo hatrany, feno ireto babo tany Alemaina, manofahofa lamba, mikopakopa-tanana fa hitody eo amoron-tsiraka. Ireny ny mpianakavy maro, misomaritaka samy hitsena ny azy. Ireo koa ry Madama kely sy ny zanany rehetra, toa mavomavo fa tsy mba mitafy soa, toa mahiahia fa tsy zatran'ny tsy fanampiana ; mifampitantana samy hitsena. Iny eny ny azy fa nitsambikina hatrany ka tonga dia nifankahita.
Nifanoroka. Nifamihina. Sady faly no malahelo.
Ry mpamaky malala : Tsy hain'ny penina lazaina ny fidobodoboky ny am-bavafon'izy mianakavy tamin'izany. Fifaliana moa izany, fifaliana moa izany…
p. 49,
Izay fifaliana tamin'ny nahatongavan'ny zanaka adala ao amin'ny Soratra Masina no asa fa ity dia tena fifaliana tokoa.
Teo no ho eo dia niakatra ao ambony auto izy mianakavy izay auto efa noman'ireto fianakaviana maro tsy mba nanan-kavana babo, ka mba ho anjarany kosa ny miatoka ny zavatra rehetra amin'ireto vao tonga. Ao an-tsainao ny tohiny…
Izany tokoa no ho valim-piakarana fidinana. Ny ory mbola hifaly. Mifamahofaho ny fifaliana sy ny fahoriana ka aza kivy fa ao ny andro iomehezana ary ao ny andro itomaniana .
Izay ory ka mitomany anio, mitrakà fa mbola ho tonga ny anjara-fifaliana.
Izay faly ka mandihy anio, mieritreretà fa mbola ao ny andro maha-ory anao.
Ny fahoriana
Sy tsy fisiana
Ho soloana
Ny fifaliana.
Ary koa :
Ny fifaliana
Sy fihobiana
Mety hiodina
Ho fahoriana.
Aza mitoky na kivin'ny anio, fa mihodinkodina eo amin'ny fifaliana sy ny fahoriana ny fiainana an-tany.
Nosoratana tato anaty cellule
Alarobia 21 Oct. 48.
b) ADIDY NO MANDIDY (kahie faharoa, tak. 11)
I- AdidyNo mandidy
Sarobidy
Tsy voavidy
II- Nisy feo
Nitoreo
Hoe « vonjeo »
Ny zonareo
III- Ny firenena
No jerena
Izay nosena
Fa tsy ny tena
IV- Aza taitra
Na dia mafaitra
Sy toa tsy laitra
Ny fanjaitra
V- Fahavitana
Ny fitsapana.
Fa mbola ho alana
Itony fandravana.
VI- Dia homena
An’ity Firenena
Mahonena
Ny Famonjena
VII- Dia hifaly
Ireo nijaly
Fa mivaly
Ny vava omaly
VIII- Fizakàna
Migodana
Fitondrana
Fanjakana
R. Emile
___________________
Mahakasika an-dRakotozafy Emile koa ity lahatsoratra tao amin'ny L'Express de Madagascar (28/03/2023) ity: 29 MARS 1947 - Les témoignages du Pr Henri Rasamoelina. Tsikaritra ao amin'ny:
https://lexpress.mg/28/03/2023/29-mars-1947-les-temoignages-du-pr-henri-rasamoelina
___________________
Emile Rakotozafy (1917-1947)
Poeta mahery fo maritiora tamin'ny tolom-panafahana 1947
Narivelo Rajaonarimanana — Poetawebs