Créer un site internet

Akanga Tsara Soratra sy ny Havàtsa-UPEM

Tsikimilamina Rakotomavo — 16/03/2026

 

Poetawebs‎Teny Ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny poezia, hotanterahina ny sabotsy 21 martsa 2026 ho avy izao ny zara fahalalana tandrify izany ho an'ny eto an-drenivohitr'i Vakinankaratra. Hisy velakevitra manodidina ny tontolon’ny haisoratra ny tolaka andron'io daty voalaza eo ambony io izay hotontosaina ao amin'ny Tranoben'ny Serasera sy ny Kolontsaina Akon'Ankaratra. Ny Akanga Tsara Soratra sy ny Havàtsa-Upem no niara-nisalahy hanamasaka ity hetsika iray eo ambany fiahian'ny Fitaleavam-paritry ny Kolontsaina sy ny Serasera Vakinankaratra ity.
Hibahan-toerana amin'io fotoana io ny velakevitra ka toy izao ny lamina handrindrana izany:

- "Ny tononkalo manara-pitsipika", io no lohahevitra hovelabelarin'i Saina Mahatsangy, filohan'ny Havàtsa-Upem Antsirabe, mpanoratra sady mpikabary. Nisafidy io lohahevitra io ny tenany mba hanampiana ireo mpanoratra manan-talenta manoloana ny hadisoan-tsipelina efa diso tafahoatra miparitaka etsy sy eroa.

- "Ny poezia: vala ara-panahy": Hitsakotsako izany andian-teny manaitra ny sofina izany i Andriamanalina Ni Avatsa, poeta, mpikabary ary mpahay fomba, filoha lefitry ny Akanga Tsara Soratra. Tsy kilalaon-jaza ny poezia fa mifono zava-dalina tokoa, hoentiny mitety izany habaka fanahy anaty poezia izany ireo mpanatrika amin'io andro io.

- "Ny soratra mahatety ny vanimpotoana", izany kosa no handro masaka haroson'i Faniry Ezeckiel an-dambanana amin'io sabotsy io. Mirongatra izay tsy izy ireo mpanoratra amin'izao vaninandro izao kanefa vitsy ny famoronana fa zary manara-drenirano ny maro, mifofo mafy koa etsy an-kilany ny rivo-maherin'ny faharanitantsaina noforonin'olombelona (IA), izay manimba ny tontolon'ny famoronana raha tsy voatandrina. Ny taridalana ho an'ny mpanoratra hamakivakiana izany haizin-kitroka matevina izany ka hamokarana soratra lovain-jafy no holoaran'ity mpanoratra, poeta, mpandalina literatiora ity ho an'ireo mpanotrona.

Marihina fa hiantsa tononkalo sy hivetso slam ireo mpanoratra avy amin'ny fikambanana isan-karazany amin'io mba hanomezana aina ny velakevitra.

Tsy ho diso anjara ireo ho tonga manatrika io andro iraisam-pirenena ho an'ny poezia io, hivoky fahalalana, higoka fahaizana sy traikefa vaovao, ho maso mijery mitondra mody avokoa.


• Akanga Tsara Soratra sy ny Havàtsa-UPEM: handraraka ilom-pahalalana any Antsirabe
Poetawebs
 

Ajouter un commentaire