Poeta
vao misandratra i Haintso Mivetsokalo kanefa tsinjoo ho manana hoavy
mamirapiratra araka ny resaka nifanaovan'i Ny Avo Elabakaka taminy.
Mpianatra ho mpitsabo eny Ankatso izy kanefa mpandala fatratra ny
hasin'ny teny malagasy.Ny Avo Elabakaka
Miarahaba anao, Haintso Mivetsokalo. Faly mandray anao izahay eto amin’ny tranonkala Poetawebs.
Haintso Mivetsokalo
Miarahaba ny Tranonkala Poetawebs, dia misaotra amin'ny fanasana hivahiny.
Ny Avo Elabakaka
Azonao ampahafantarina fohifohy aminay ve ny momba anao sy ny lalana nahatonga anao hisafidy hiditra amin’ny tontolon’ny tononkalo?
Haintso Mivetsokalo
- I Haintso Mivetsokalo dia tovolahy poeta avy any amin'ny kaominina Antsampanimahazo distrikan'i Faratsiho. AMBININTSOA Harilala Maximin no tena anarana fa nisafidy hisalotra ny hoe Haintso Mivetsokalo eo amin'ny tontolon'ny literatiora, nanomboka nanoratra tamin'ny 13 Novambra 2020.
Fa ankoatra izay maha mpanoratra izay ihany koa dia mpianatra ho mpitsabo eny amin'ny Oniversitean'Ankatso aho.
Raha ny lalana nodiavina nahatonga hisafidy sy hiditra amin'ny tontolon'ny fanoratana, indrindra ny tononkalo indray, ho ahy manokana aloha, dia tsy nisy hoe voadonam-pitiavana fa efa tsapako nitsiry hatramin'ny fahazazana fony mbola nianatra tany amin'ny ambaratonga fototra ny fitiavana mamaky tononkalo, nitombo tsikelikely teny izany fankafizana izany. Tany amin'ny taona 2014 tany, nanomboka nampiady rima kely dia tsy hita avy eo. Taty aoriana anefa velona indray ilay hetaheta ao anaty, tsy takatra hoe avy aiza no niaviany, nihaino ny bitsika tonga ao an-tsaina teny ka rehefa lonaka dia teraka sy foy teo ilay aingam-panahy ary nisafidy ny tononkalo hamoahana azy. Dia io tsy nety maty mandraka androany io, irariana ny itohizany hatrany.
Ny Avo Elabakaka
“Haintso Mivetsokalo”, manintona avy hatrany ny sain’ny mpamaky ity anaranao ity. Inona no hevitra fonosiny, ary misy antony manokana ve nanosika anao hisafidy azy io ho solon’anarana?
Haintso Mivetsokalo
Raha ny hevitra fonosin'ilay anarana indray, efa voalazako tetsy ambony fa tsy tena anarako ilay Haintso Mivetsokalo fa solon'anarana.
HAINTSO MIVETSOKALO
- H(Haintso): litera fiatombohan'ny fanampin'anarako (H...)
- H(Haintso): litera fahafito ao amin'ny abidy malagasy, isa fito, isa masina, isa feno.
- H(Haintso): isan'ny tovona vakiny miova rehefa mandrasa teny, matoatenin'ny hoavy. Milaza ny hoavy, manambara tanjona, vina, fikasana.
Ohatra: hanoratra ho anao aho, hikalo sy hivetso tononkalo mamy, sns.
- H (Haintso): misy fanalavana, any anaty tononkalo any izy.
Hatreto Ainga Ihany No Takatro Sy Omeko,
Hanoratra ho Anao, Izay No Toky Soa Omeko.
- Haintso Mivetsokalo: Mivetsokalo fa tsy Miventsokalo, vetso no fototeny, entina manavaka ahy amin'ireo Haintso hafa.
Ny Avo Elabakaka
Misy loharano manokana ve manome aingam-panahy anao? Ary inona avy ireo lohahevitra na tara-kevitra hita ao anatin’ny tononkalonao?
Haintso Mivetsokalo
Raha ny lalam-piforonan'ny Ainga ho ahy dia matetika mandalo dingana telo, indraindray ihany vao mahasoratra eo no ho eo.
- Mitsaika: misy teny na hevitra tonga ao an-tsaina aloha araka ny zavatra hita eny amin'ny fiarahamonina, na koa bitsika tsy fantam-piaviana tonga mamangy ny saina. Tsy teraka eo no ho eo ny tononkaloko fa miandry.
- Mikotrika: miverimberina ao an-tsaina ao foana ilay hevitra, indrindra rehefa tony, na irery iny
- Teraka: eo amin'izay ilay mandrafitra azy an-tsoratra. Rehefa nitambolombolona tao anaty tao ilay Ainga dia teraka ny farany.
Ny tara-kevitra vetsoiko, ny fitiavana aloha voalohany indrindra, ny nofy, ny alina, ny tanindrazana, ny alahelo, ny lasa. Ireo no tena hita taratra any anaty tononkalo any.
Ny Avo Elabakaka
Amin’ny maha tanora anao, ahoana ny fahitanao ny toerana sy ny anjara asan’ny tononkalo eo anivon’ny fiarahamonina ankehitriny?
Haintso Mivetsokalo
- Ny tena moa tanora, ka amin'izay maha tanora izay indrindra dia mahatsapa fa manana anjara toerana lehibe eo amin'ny fiainan'ny tanora ankehitriny tokoa ny tononkalo.
- Ao anaty tononkalo matetika no misy hery azo tovozina hoentina eny amin'ny onjam-piainana andavanandro: araka ny lafim-piainana rehetra. Ohatra : fiandoham-pitiavana, faharavana, famoizam-po, alahelo, adim-piainana. Ny tononkalo no manampy ny tanora hiatrika ireo, zary namana, kiady, toy ny hira ihany. Manala ny sorisorin-tsaina rehetra, lasa fialamboly ny mamaky tononkalo. Ny tononkalo ihany koa dia azo itarihana ny lalan'ny tanora ho amin'ny tsaratsara kokoa satria manaja ireo soatoavina maha Malagasy, tsy mitondra any amin'ny fihoaram-pefy ny tononkalo na dia eo aza ny fanatontoloana izay mahazo vahana ankehitriny, mbola mitoetra amin'ny maha Kanto azy.
- Ny tononkalo no habaka azon'ny tanora hamoahana ny miafina ao anatiny: anatra, tolona, ady amin'ny tsy rariny. Tsy mitaky fandaniana be fa penina sy taratasy dia ampy.
- Ny tononkalo ihany koa dia fitaovam-pifandraisana mahomby ho an'ny tanora, misy aza tononkalo mihitsy no mahalasa mpifankatia. Mamelona sy manamora ny fifandraisana ny tononkalo.
- Ny tononkalo, na ny boky amboaran-tononkalo ihany koa dia manampy ny tanora amin'ny fikarohana sy ny fianarana izay rantoviny, zary loharanom-pahalalana sy loharanon-kevitra.
Ny Avo Elabakaka
Ho fanomezana ho an’ny mpamaky, afaka mizara tononkalo iray avy amin’ny sanganasanao ve ianao?
Haintso Mivetsokalo
Eny, afaka mizara tononkalo iray ho antsika mpanaraka ny tranonkala aho, nampitondraina ny lohateny hoe "sambatra".

Ny Avo Elabakaka
Inona no antony nanosika anao hamorona io tononkalo io, ary inona ny hafatra tiana hampitaina amin’ny mpamaky?
Haintso Mivetsokalo
Ny antony nanosika ahy hanoratra io tononkalo io dia ny fahitana fa maro amin'ny olona no tsy mahay manaraka ny lalana hitondran'ny fitiavana azy, misy ny tsy mahay akory ny ao ambadiky ny safidy iray.
Eo amin'ny fiainana, matoa ny olona iray misafidy dia mikatsaka hasambarana izy izay, velona ao anatiny ny fanantenana. Saingy rehefa tsy to araka ny eritreri-maminy anefa izay dia iny izy tonga eo amin'ny famoizam-po ka mahavita zavatra tsy takatry ny saina maha olombelona, vita hatramin'ny famonoana tena.
Ny lalan'ny fitiavana matetika ahitana izay eo amin'ireo lalam-piainana be dia be mifaningotra amin'ny fisiantsika. Ka izany indrindra no nanosika ahy hanoratra io tononkalo iray io. Ny hafatra dia tsotra: tsy vahaolana ny famonoana tena. Avo fito heny kokoa ny hasambaran'ny fo anankiray nahavita niaritra ny mafy, nisotro ny mangidy saingy nitraka avy eo ka nahay naka lesona ka nahita ilay tena lalan'ny fahasambarana ka hizorany avy eo noho ny fo anankiray tsy mbola nandalo fahalavoana fa nizotra lalana marina teny foana.
Ny Avo Elabakaka
Efa misy boky navoakanao manokana ve na niarahana tamin’olona hafa? Maro amin’ireo mpamaky koa no liana hahafantatra hoe aiza no sehatra ahafahana manaraka sy mahita ny sangan’asanao?
Haintso Mivetsokalo
Hatreto aloha tsy mbola namoaka boky i Haintso Mivetsokalo, tsy mbola misy boky niarahana tamin'ny mpanoratra hafa ihany koa. Araka izany, raha toa ka te hanaraka na hamaky ireo asa soratro ianao dia mbola anaty tambajotran-tserasera ihany aloha hatreto: ao amin'ny rindrina Haintso Mivetsokalo. Koa manasa anao sahady hitsidika izany. Mamoaka asasoratra anaty gazety mpivoaka isan'andro ihany aho fa indraindray. Anaty fandaharana an'onjampeo any ihany matetika no hahenoinao ny tononkaloko.
Ny Avo Elabakaka
Ho famaranana, manana vina na faniriana manokana ve ianao eo amin’ny sehatry ny literatiora malagasy? Azonao apetraka ihany koa ny hafatra ho an’ireo poeta namana sy ny mpanaraka ny tranonkala Poetawebs.
Haintso MivetsokaloNy vina na tanjona ho ahy eo amin'ny tontolon'ny literatiora malagasy moa dia tsy miova fa ny hamelona, hisorona, hiaraka hisorona mba tsy ho faty na hitsilopilopy ity sehatra ity. Manana anjara biriky mavesatra amin'izany tokoa ny mpanoratra ka miezaka mikatsaka ny lafatra mandrakariva fa tsy mivoana amin'ny fironana hafa izay mety hampihena lanja ny literatiora malagasy. Mba ho zava-kanto efa kanto ary ho kanto hatrany ny tononkalo. Amin'ny maha mpanoratra ny mpanoratra iray ihany koa dia manam-paniriana ny hamela tsangambato na ny boky mba hotsidihin'ny taranaka amam-para aho.
Ny hafatra fohy ho antsika mpanoratra na mpankafy izay mpanaraka ny tranonkala Poetawebs dia tsotra ihany: "andao hotiavina, hajaina, harovana ny literatiora sy ny Teny Malagasy". Isika mpanoratra ankehitriny tokoa no mpisorona ny afo mba hamela molaly ho porofo ho hitan'ny taranaka ao afara fa nafana, nirehitra fa tsy maty ilay afon'ny literatiora, izay afo manazava ny fiarahamonina, ary ho afo miampita ka hamindroan'ny dimby sy fara indray.
Ety am-pamaranana dia mamerina ny fisaorana ho an'ny tranonkala Poetawebs tamin'ny fanasana manokana aho. Misaotra amin'ny fanomezana sehatra ho an'ny mpanoratra tahaka izao fa tena ilaina tokoa. Mankasitraka anareo mpanaraka tsy tapaka ny tranonkala Poetawebs ihany koa satria raha tsy eo ianareo dia tsy feno ny fisianay, zary resaka amin'ny moana marenina sy jamba ny resaka teto.
Ny Avo Elabakaka
Mankasitraka anao, Haintso Mivetsokalo, nizara fotoana sy hevitra teto amin’ny tranonkala Poetawebs. Mirary fahombiazana hatrany, ary manantena ny hihaona aminao indray amin’ny resadresaka manaraka.
Haintso Mivetsokalo
Mirary ny soa sy ny tsara ho antsika rehetra dia mametraka ny veloma mandra-piresaka indray.
___________________
Haintso Mivetsokalo, tsy manan-javatra afenina
Notontosain'i Ny Avo Elabakaka — Poetawebs