Sehokaroka miavaka
poeta_malagasy
 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.
(T.Ràja)

19 septambra 2018


SEHOKAROKA MIAVAKA
Tatitr'i Toetra Ràja

Adiny efatra no naharetan'ny fanohanana ny sehokarok'i Tsikimilamina Rakotomavo teny amin'ny Oniversiten'Antananarivo eny Ankatso ny zoma 14 septambra teo ka nahazoany ny mari-pahaizana "doctorat" amin'ny literatiora malagasy. Tao anatin'ny antsasakadiny voalohany no namelabelarany ny sanganasany mitondra ny lohateny hoe: "Ny Fanajariana ny tononkalo ankehitriny entin’ny Faribolana Sandratra". Nivalamparana kosa avy eo ny fotoana ho an'ny tsikera sy ny dinidinika.
 
Tony tokoa ny mpiadina nandritra ny fotoana rehetra. Nijoro izy tamin'ny famelabelarana, nanatrika ireo mpitsara dimy mianadahy, mbetika nanopy maso teny amin'ny efijery nanehoana soratra sy kisary voarindra. Tsy voafatotry ny taratasy mantsy izy fa toy ireny voronkely misidina an-kahalalahana ireny, arahin'ny fihetsehan-tanana mahavariana, nitetezany an'izay rehetra azony antoka itondrana ny mpanatrika. Tamin'izay fihetsiny tony izay hatrany no nandreseny lahatra am-pahasahiana, namaly ireo tsikera lavareny izay azo lazaina ho mahery vaika kanefa vao mainka nampitombo lanja an'ity sehokaroka ity. Araka izany dia nampoizina ny vokatry ny fitsarana farany: Tena heniboninahitra (très honorable) no nandanjan'ny mpitsara resy lahatra an'izany sanganasa izany. Marihina fa na tsy nanatrika aza ny mpampaka-teny anatiny sy ivelany, ny Pr Rakotomalala Malanjaona sy ny Pr Rajaonarimanana Narivelo samy avy ao amin'ny INALCO Parisy, dia nandefa fanamarihana sy fanontaniana ary nanokanana toerana tao.

Nafana ny adihevitra izay nijoroan'ny mpikaroka fa ilaina ny literatiora toy ny tononkalo ka tokony hokajiana satria harembakoka nolovaina sy hajariana mba hivela ho an'ny taranaka mifandimby. Hoy indrindra mantsy i Tsikimilamina Rakotomavo teo am-pamaranana ny lahateniny:
 
"Manana ny anjara toerana eo amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina ny fikambanana mivoy ny literatiora amin’ny fikolokoloana ny toe-tsain’ny mpiara-belona. Ilaina ny fametrahan’ny fikambanana literatiora vina iombonana hahafahana mametraka ny tononkalo amin’ny toerana mendrika azy. Fomba hamerenana ny hasin’ny soatoavina malagasy izay mandala ny fiombonana ny fanajariana. Fiheverana mitarika ny tsirairay haneho ny maha izy azy ary hiezaka hihoitra hatrany eo amin’ny fiainana ny fanajariana. Noho izany, misy akony lehibe eo amin’ny fiainam-piarahamonina ny fiantefan’ny fanajariana eo amin’ny isambatan’olona. Eo an-dalam-pivoarana ny firenena malagasy ankehitriny, mitady ny tsaratsara kokoa, mikatsaka izay hahasoa ny tsirairay sy ny fiarahamonina manontolo. Isan’ireo fitaovana lehibe hahafahana manatratra izany tanjona izany ny literatiora. Mampivelatra ny fahalalana izy, mampijoro ny maha olona, manome saina mamokatra, mamorona ary sahy miady handresena ny tsy rariny sy ny tsy fahampiana amin’ny lafiny rehetra. Koa ilaina ny fampiroboroboana azy, ny fanohanana ny mpanoratra sy ireny fikambanana ireny ary ny fampielezana ny kanto amin’ny teny malagasy".

Ankoatra ny mpitsara nahitana profesora sy dokotera, dia hita teny amin'ny toeran'ny mpanatrika ny Filohan'ny Oniversiten'Antananarivo (Pr Ramanoelina Panja), ny Sojaben'ny sehatra zavakanto sy soratra ary siantsan'ny maha olona (Pr Ralalaoherivony Baholisoa Simone), ny Tale samihafa ao amin'ny Ministeran'ny Kolontsaina niaraka tamin'ny mpiara-miasa vitsivitsy, ny Mpikajy harentsaina, ireo mpanorina ny Faribolana Sandratra sy mpiraifaribolana, ny foibe momba ny teny ao amin'ny Akademia, mpampianatra mpikaroka eny amin'ny Oniversite, mpianatra mpikaroka ao amin'ny zanatsehatra literatiora, ny fianakaviany, ireo namana tsy mahafoy ary ireo Mpanao gazety sy ny Pôetawebs.
 
Tatitra: Toetra Ràja
Sary: Tsikimilamina Rakotomavo

 
 
Teo am-piandrasana ny fanombohana   Nanomboka teto ny fanolorana
     
 
I Tsiky nandamina teo am-pandresen-dahatra tamin'ny sehokaroka   Nilamina hatrany izy nanohy
     
 
"... fa aoka hazava aloha", hoy izy
  Nahasarika ny Filohan'ny Oniversiten'Antananarivo, ny Pr Ramanoelina Panja eo ankavanana, ity sehokaroka ity
     
 
Ireo Mpitsara resy lahatra   Teo am-pamoahana ny fitsarana. Miankavanana: Pr Razafiarivony Michel (Mpitarika), Pr Razanamanana Marie-Jeanne (Mpitarika), Pr Raharinirina Rabaovololona Lucie (Filohan'ny vondron'ny Mpitsara), Pr Ranaivoson Jeannot Fils (Mpanadina), Dr Randriamanalina Daniel Jules (Mpanadina)
     
 
Afa-po angaha no azo ilazana ny rehetra araka ny "tsiky" nandravaka ny tokotanin'endriky ny tsirairay   Mpanorina ny Faribolana Sandratra sy ireo Mpiraifaribolana. Eo afovoany ny Profesora Razafiarivony Michel sy i Tsikimilamina Rakotomavo
     
 
Profesora Razafiarivony Michel sy i Tsikimilamina Rakotomavo   Mpianatra Master 2 ao amin'ny zanatsehatra malagasy sy ny Pôetawebs
     
 
Ny Zokibe Nalisoa Ravalitera   Oliva sy Aina
     
 
Teo amin'ny tsaingoka   Ny Profesora Razanamanana Marie-Jeanne
     


Miaraka amin'i Felana Raveloarison
Tsikimilamina Rakotomavo, tanteraka ny zavatra rehetra!

Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com
×