Misandratra
andro ipariahan'ny aingam-panahy no nanaovan'i Tsikimilamina RAKOTOMAVO
Tapatapakahitra tamin'i Rolly Casimir. Manasa anao hanjohy izany.Tsikimilamina Rakotomavo
Faly izahay mpandrindra ny tranonkala Poetawebs mandray anao eto amin'ny Tapatapakahitra, azonao ambara ve ny mikasika an'i Rolly Casimir?
Rolly Casimir
Miarahaba ny tranonkala Poetawebs.
RANDRIANARIVO Rolly Casimir no tena anarako, ny hoe Rolly Casimir dia anarana entiko misehatra eo amin'ny tontolon'ny literatiora fotsiny. Avy any Manalalondo any ny fiaviako, fokontany Antanimietry, kaominina Alakamisikely, distrika Arivonimamo. Mpianatra ao amin'ny fakiolten'ny teny aman-tsoratra sy siantsan'ny maha olona eny amin'ny Oniversite Ankatso Antananarivo aho, filohan'ny fikambanana "Mpandova mikabary", mpikambana ao amin'ny Havàtsa-Upem.
Tsikimilamina Rakotomavo
Inona no karazan-tsoratra tena manavanana anao?
Rolly Casimir
Manoratra sombintantara, riankalo, tononkalo aho fa ity farany no tena manavanana ahy noho izy tsy mitaky fehezanteny lava fa ny hevitra no ilaina ho mafonja.
Tsikimilamina Rakotomavo
Iza no mpanoratra na olona tena nankafizinao teo amin'ny tontolonao?
Rolly Casimir
Amin'ny ankapobeny, ireo mpanoratra ngezalahy izay heverina ho mpanoratra zokiny amin'ny vanim-potoanan'ny literatiora dia nankafiziko avokoa ny sangan'asany. Fa isany tena nankafiziko manokana taorian'ireo dia i E.D. Andriamalala. Mampiaiky ahy ny fanehoan-kevitra lalina dia lalina taratro ao amin'ny tantara foronina nosoratany.
Tsikimilamina Rakotomavo
Efa nisy sanganasa nivoaka ve?
Rolly Casimir
Eny, efa nisy ny sanganasa navoaka. Tamin'ny faramparan'ny taona 2022 dia nivoaka ny boky "Vaingan-dranomaso" sanganasako voalohany.
Tsikimilamina RakotomavoAzonao lazaina fohy ve ny votoatin'io boky io?
Rolly Casimir
Ireto no tara-kevitra voizina ao amin'ny boky amboaran-tononkalo "Vaingan-dranomaso", araka izany lohateny izany: alahelo, embona sy hanina, ratram-po, fahafatesana. Amin'ny ankapobeny, resaka fitiavana no ifotoran'ny tononkalo ao, saingy fitiavana amin'ny endriny samy hafa: fitiavan'olon-droa, fifandraisan'ny ray aman-dreny sy ny zanaka, sns.
Tsikimilamina Rakotomavo
Araka ny fomba fijerinao amin'ny maha poeta anao, inona no lesoka eo amin'ny sehatry ny haisoratra?
Rolly Casimir
Ny tsapako lesoka amin'ny sehatry ny haisoratra eto Madagasikara dia ny fihenan'ny olona tia mamaky boky. Mety ho olana ara-bola no anton'izany, fa eo koa ny fironan'ny tanora amin'ny tambajotran-tserasera ka lasa takona ny boky ary vitsy no lafon'ny mpanoratra.
Tsy azo hadinoina koa fa ny tontolon'ny haisoratra eto Madagasikara dia tsy mbola asa mahavelona ka sahirana ny mpanoratra rehefa mamoaka boky satria soavaly mianto-bilona izy ireo.
Tsikimilamina Rakotomavo
Inona no hevitra azonao aroso ho fanatsarana ny fomba fanoratra?
Rolly Casimir
Ho fanatsarana ny fomba fanoratra na ny
tontolon'ny haisoratra eto Madagasikara:Ilaina ny fanamafisana ny fanohanana ny mpanoratra sy ny fampiroboroboana ny famakiam-boky mba hampivelatra ny asasoratra malagasy.
Amin’ny ankapobeny dia ny fiaraha-mientan’ny mpanoratra, ny mpampianatra, ny mpanonta boky ary ny Fanjakana no ahafahana manatsara sy mampivelatra ny tontolon’ny soratra eto Madagasikara.
Tsikimilamina Rakotomavo
Hahakanto kokoa izao Tapatapakahitra izao dia afaka manolotra tononkalo iray ho an'ny mpiseran'ny Poetawebs ve ianao?
Rolly Casimir
Eny, afaka manolotra tononkalo ho an'ny mpiseran'ny Poetawebs aho. Ankafizo!
ASAKASAKAO...
Mba saingy vorona manana ny ampy ve
Dia mihambo ho tsy tia vary akotry?
Ka ny antsam-pitiavako kanto
No nolavina fa ondry botry
Mba kibobo ao anaty karepoka
Dia milaza ho tsy mila valala
Saingy mba hoe tian'olona
Dia mianjona tsy te hahalala
Mba saingy zanaka mahitahita
Sy taranaka manan-katao
Ka raha mba nitory fitia aho
Dia nahilika fotsiny izao
Fa ampahafirin'ny voron'ala, roy
No miseho mba ho sarotindrotiny?
Raha Ankadivory no masiaka amboa
Ho lany zara eo ihany ny tompony
Ka asanao niavonavona lahy
Ary asanao nanositosika
Fa izaho railovy mandia vorombola:
Mahatsapa ho ambany ka miondrika
Fa ataonao ho mpiandry omby adala va aho
Ka hatoro sarotro fialofana?
Sa ataonao ho toy ny voangaly
Ka ho faty amin'izay hazo tokana?
Ka veloma madinika lahy,
Veloma soava retsiana!
Fa tatamo manaja tena aho
Ka mahay mipetraka rehefa tsy tiana
Rolly Casimir
Tsikimilamina Rakotomavo
Mankasitraka anao ny Poetawebs nanaiky hitapatapakahitra teto.
Rolly CasimirMankasitraka ny Poetawebs nanasa an'i Rolly Casimir. Mankasitraka anareo koa noho ireo ezaka lehibe ataonareo amin’ny fanandratana sy fampiroboroboana ny literatiora malagasy. Ny asa vitanareo dia manampy amin’ny fitahirizana sy fampivelarana ny harena ara-kolontsaina sy ny tontolon’ny soratra eto Madagasikara ary indrindra manampy amin'ny fikarohana izay ataonay mpianatra.
Mirary fahombiazana hatrany amin’ny dianareo aho!
___________________
Rolly Casimir, poeta mandahatra
Notontosain'i Tsikimilamina Rakotomavo — Poetawebs