Créer un site internet
Pôetawebs misehatra, fanandratana an'Ny Mamaonalina sy Ratsimba Georges
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
01 Nôvambra 2021
Tatitra : Heriarilala Andriamamonjy
RATSIMBA GEORGES SY NY MAMATONALINA POETAN-TSERASERA SADY MPANABE
Tontosa ny alarobia 15 Septambra lasa teo ny Pôetawebs Misehatra, hetsika nokarakarain’ny Tranonkala Pôetawebs iarahany miasa amin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Pôetan’ny serasera sy ny fanabeazana roa no nampahafantarina tamin’izany dia Ny Mamatonalina izay mbola miriria sy mamiratra eny anivon’ny mpiara-belona ary Ratsimba Georges izay efa kintana manjelatra mandravaka ny lanitra.

Ny Tale Jeneralin’ny Tranombokim-pirenena, Njaka Raonison no nanokatra ny fotoana, Doda Razafindravelo mpikamban'ny Poetawebs no tonian-danonana, rehefa nanazava fohy ny antom-pisian'ny tranonkala dia nitanisa ny ho fizotran'ny fotoana. Tapatapakahitra niarahana tamin’Ny Mamatonalina no narahin’ny mpijery voalohany ka namaliany ny fanontanian’i Doda Razafindravelo sy ny an’ny mpanatrika. Nanelanelanana izany tafa sy resadresaka izany ny antsan'ny tononkalony, ny hira niarahany tamin'ny zanany vavy. “Diary mandrafitra ny tantara tamin’ny lasa, manoritsoritra ny ho avy ny maha mpanoratra” hoy ity mpampianatra, mpanao gazety sady mpitandrina. Nilaza koa izy fa mpitondra hafatra ny mpanoratra.

Ny Sorapiainana kosa no nentina tamin’ny tapany faharoa, Tsikimilamina Rakotomavo no namintina ny lala-nodiavin-dRatsimba Georges izay pôetan’ny fikirizana, mpampianatra, mpanao gazety sady mpikabary.  Nisy ny famelomana ny asa sorany izay nataon’ny taranany, anisan’izany ny “madio izahay” izay noventesin’i Miangaly, zafikelin’ny zanany lahimatoa, anisan’izany koa “ny fikirizana”. Nitondra fanampim-panazavana momba azy ny ny fianakaviany ka namaly ny fanontanian'ny mpanatrika. Nanamarika ity hetsika ity moa ny fiaraha-miredona ny hira “Raha ho avy ianao” teny am-pamaranana.



Ny Pôetawebs niaraka tamin'Ny Mamatonalina sy Njaka Raonison
Pôetawebs misehatra tao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy

Zanakavavin-dRatsimba Georges niantsa tononkalo
Fonon'ny "chocolat", fanomezana nozaraina

Ny fianakavian-dRatsimba Georges tamin'ny Sorapiainana

© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja