Créer un site internet
INDRISY RY IARIVO
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
27 Marsa 2022

sary nindramina
"Indrisy ry Iarivo"... Tsapa ho diso fanantenana tanteraka ny mpanoratra teto raha nahakasika an'Iarivo ny tononkalony, tononkalo nalaina tao amin’ny ZARA FANAHY, pejy faha-48. Kilema azo avy amin'ny fahavoazana maro no hita ao Iarivo, araka ny fitanisan'ny mpanoratra azy. Kilema satria miraiki-tampisaka mihitsy ireo aretina ireo, eny aza hatramin'ny ankehitriny itenenana dia mbola ireo no iainanana, toy ny fako misavovona, ny mahantra mitombo, sy ny sisa.

 *
*  *

Raha naka ny toerana avo ny mpanoratra ka nitazana an'Iarivo indray mijery, dia toy izao ny endrika hitany amin'izany. Iarivo dia toerana tery, bodoin'ny mpanambola. Tsy hoe

INDRISY RY IARIVO

Indrisy ry Iarivo fa potehina ianao :
Hozaraina hanjakana no hanjary satanao...
Fako maro miavovona no sisa mba mandravaka...
Ny lalanao rehetra anefa mihafeno lavadavaka...

Ny tonelina aza hono toa ahiana ny hianjerany...
Fitohanana isan'andro efa mila hampitomany...
Tsy mandry fahalemana ny atoandro sy ny alina,
Ny jiro maty lava ka mainka mila malina ...

Ny lemakao rehetra efa tena tondra- drano...
Be dia be ny mihotsaka, mitriatra koa ny trano...
Ny vahoakanao traboina mampikatona sekoly...
Ny mahantranao mitombo, ny mpitondra anao matory...

AINA NIRINA
22 Janoary 2015 tamin'ny 20 : 36
in Zara fanahy, pejy 48
mpanambola ihany fa eo ihany koa ireo sakaizan'izy ireo, izay tsy maintsy omena araka ny fombam-pihavanana na sata hoy ny mpanoratra. Amin'izay no mipetraka ny hoe "havana raha misy patsa". Manindry izany ny mpanoratra manao hoe: "Hozaraina hanjakana no hanjary satanao". Misy ihany koa ireo lazaina fa fako tsy ilaina. Izany hoe ireo tsy ilain'ny vahoaka akory no apetraka sy ataon'ny fanjakana. Tsikaritra amin'izany ireo vaingam-poto-drafitr'asa tsy ilain'ny vahoaka nefa lasa fihinanan'ireo mpiasam-panjakana sasantsasany. Manamafy izany ny mpanoratra manao hoe: "Fako maro miavovona no sisa mba mandravaka". Manoloana izay rehetra izay anefa dia mbola lavitra ny dìa, ary mbola betsaka ny fanarenana tokony hatao eto amin'ny firenena, toy ny toe-tsaina, ny fomba fijery, ny fanabeazana. Eo ihany koa ireo banga tokony hofenoina, ohatra eo amin'ny lafiny sôsialy, ny ara toe-karena, ary manaraka ho azy ny fampandrosoana.
*

Raha naka ny toerana miiba indray ary ny mpanoratra ka nijery an'Iarivo izy, dia toy izao ny sehatra hitany ivelaran'io kileman'Iarivo io. Hita taratra izany eo amin'ny fiarahamonina izay mandry andriran'antsy amin'ny fiainanana andavanandro. Ary lasa fahasahiranana ny mamelona asa ho antom- pivelomana. Mihamafy koa eroa ny vidim- piainana. Eo ihany koa ny amin'ny sehatra hafa, izay mampitaintaina sy mampanahy hatrany ny loza avoakan'ny vaovao isan'andro, ny resaky ny manodidina. Hany ka mankaleo izany rehetra izany na dia efa mahazatra aza.

 *
*  *

Izay rehetra izay dia miara-maneho fa misy ny fitavozavozan'ny mpitondra, indrindra raha eto an-drenivohitra. Ohatra amin'izany ny tsy fanohizana ny asa tsaran'ny mpitondra teo afara. Hany ka mirodana sy miendaka ho azy ny ezaka kely mba efa vita. Tsikaritra koa fa tsy mitsinjo ny andro vody merika ny mpitondra. Izany hoe, mbola tsy tafapetraka ifotony ireo fampandrosoana maharitra, ka lasa ny vonjy maika no asetry hatrany ny vahoaka. Etsy andaniny, variana amin'ny filany ny mpitondra, variana mankafy ny vitan'ny any ivelany ka zary lasa hadino ireo tena filan'ny vahoaka, dia tsy inona fa ny asa, ny fianarana, ny fanabeazana, ny sakafo sy ny sisa.
Vatsy Rkt
© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja
×