Ramananato

Sorapiainana - Ramananato
Narivelo Rajaonarimanana — 19/04/2026

Poetawebs Nangonina sy narindran’i Narivelo Rajaonarimanana, profesora emerita, mpikambana mahefa ao amin’ny Akademia malagasy.
RAMANANATO
POETA TAMIN’NY VOALOHANDOHAN’NY TAONJATO FAHA-19 VOARAKITRA AN-DOVANTSOFINA NY ANARANY

a) Ny tantarany voarakitra an-dovantsofina

Ny reniny Ramarofotsy dia niteraka telo mianadahy, dia Raramarina, Raramalaza ary Rasoamiarinjaka.
Nony tonga ny mosary (marovava) dia natakalo vary an-tsarombana Ramarofotsy mba iveloman’izy telo dahy. Rabemahazenina tao Soavina no nividy azy tamin’ny anadahin-dreniny Ramanandromaitso.
            Dia niteny izy nanao hoe: "Ity tsa mba andevo!". Dia novinadiny ka niteraka an’Ilaikamy (satria teraka alakamisy); izay atao koa Tamboreta.
Nony ho faty Rabemahazenina, dia nomeny anjara lova any Iala Fenoarivo i Kamy ary Ramarofotsy dia nasainy nalefa nody any Ihodiovana tanindrazany. Dia nody Ramarofotsy ary rehefa tody tany izy dia nalain-dRanakandrianohadrazana indray.
            Dia niteny izy telo dahy zana-dRamarofotsy nanao hoe: "Tsa mahavita añay raha tsa tonga Ikamy!". Dia nantsoina izy dia tonga. Sady notabohiny ny romy no nihira izy hoe:
           
    Ny tanimbary leha maty tompo, raha misy tompony,
    Ny mpanambady se maty vady, manambady koa,
    Fa aho maty ray ro levona.
    Ko leha mba varotsa ny ahy
    Nampodiko tahaka ny Ivangà,
    Koa anao Ranakandrianohadrazana
    Hatramin’izao fia sady ray no reny.

            Dia natao vodiondry: omby andranary. Natao koa ny ala fady: omby valanary mavovava. Dia hoy ireto zokiny: "Ndeha hozaraina ireo!". Dia namaly ilaikamy hoe:

    Ity anie lehiretsy, takalon’ny nonoko,
    Vidin’ny fofoako tamin’dRanankandrianohadrazana.

Nony vita izany dia nody Ikamy. Nosakanan’ny tandapan’Andrianantara Ralefona, natao hoe Ramanamienjato anefa izy. Dia niteny Ilaikamy nanao hoe:

    Añao moa ako Ramanamienjato dia soa miravintsara,
    Koa ny ombiko no ilainao angalarina.
    Koa ny omby eny Ihodiovana tsa mba tandratany
    fa akalon’ny nonoko,
    Vidin’ny fofoako tamin-dRanakandrianohadrazana.

Izao no teniko aminao ny Hova Andrianatara Ralefona:
   
    Ity Remanamienjato ity anie soa miravintsara:
    Fotsy ny any anatiny, maitso ny any ivelany.
    Añao moa ny hova hena, mba am-batsa koa.
    Ndao hanao tanàna eny an-tampon’i Mandrombo
    (Ambovombe atsimo)
    Izao ny teniko aminao ry Ramanamienjato:
    Miasà! Miasà laky tian’ny Hova
    Fa ny vary any an-dapa tsa hamelomana anaka.

"Lanonam-be eny Vohimalaza, andeha ary hiniako (hipetra-potsiny)".

        Dia roso ny andriana Andrianatara Ralefona nanao lapa any Mandrombo. Dia mba roso koa Ilaikamy jo any Iala Fenoarivo: 
"Ny andria hena ka mba am-batsa koa".

     Nalaina ny hazo hatao lapa: — lavany avaratra, atsinanana: zaran’ny Sambohery; — lavany andrefana; an’i Taivato; — sakany avaratra: an’i Kalatsara; — sakany atsimo: an’i Marofotsy: — ny andry telo, atsimo sy anivo ary avaratra: an’i Ialanato.
Vita ny tranomena. Nalaina ny andry telo ahatany Kalalao
(Atsinanan’Ambohimahasoa). Navesatra ny hazo, dia hoy Ramanamienjato: Ilaikamisy: "Tapatapaho, fa arafits’i mirahalahy zokiko".

Tonga ny mpanaratsy, nitory tany amin’ny andriana: "Alao i fa napanapahany ny andry!". Tezitra ny andriana dia nanameloka an’Ilaikamy, hotapahin-doha ho saziny. Nony tonga an-kianja dia hoy Ilaikamy hoe:
"Mahazo miteny ve aho ny Andriana ?".
"Ee  Mahazo!".
Dia hoy izy:
"Tsa vao lany ny nato teny Kalalao, na ny merana (hazo voatokana ho an’ny andriana) any an’ala." 
Dia hoy ny Andriana: "Marina ny azy lehiretsy!".
Vita ny lapa, natao ny lanonana. Ny hova nanome zato, isan’ny andevohova eran’i Manandriana: ombilahy sy vositra, isan’anakandriana vositra, isan’andranobe (mananotena): vositra.
"Tsy niary varavarana teto Manandriana ny omby maty ka ny ra no nahamena an’i Manandriana. Ny taim-boraka nanjary vokovokoam-bary".
Dia nalaina ny mpikabary araka ny fomba betsileo, Ilaikamy no nalaina. Dia nikabary izy nilaza ny momba ny lapan’Andrianatara Ralefona.

Ity lanonana ity dia be eto afo nodorana ny omby ary ny anaran’ny hova dia Andriataramanalina, ny zanany atao hoe Roaanakova, ny lapany atao hoe Tranomena, ny aombeny Iarivotrajafe, ny anatranony Tsimaitofasoa, ny tanànany Fihasinankova.

Dia nomena omby i.

     Aho re mba voromanga tsa miova fa manana to an-dapa….

Lovantsofina nangonin-dRajaonarimanana tamin-dRazafiarantsoa teo Ambatomarina, faritr’i Manandriana
(Narivelo Rajaonarimanana, Les sept pilons de fer. Traditions orales du Manandriana (Madagascar), Etudes Océan Indien n° 20, Ceroi-Inalco, 1996, 160 p. )

b) Tononkalony iray hafa

Inty koa misy tononkalony nangonin’ny pasitera Rainihifina Jessé (Lovantsaina betsileo) ary nadika sy nohadihadin’i Lucien Xavier Michel Andrianarahinjaka tao amin’ny gazety-boky Présence africaine (Lucien Xavier Andrianarahinjaka, Ramananato, poète betsileo du début du XIXème siècle, in Présence africaine, n° 55, 1965, pp. 42-72)


Vahao rohy aho

Vahao rohy aho, ry zalahy a!
Fa tsa aombe aho ka ho sominda mirohy,
Tsa ondevo aho ha ho vere mirohy!
Omeo ahy indraike Ivolananahariko,
Fa indrindra ka ho mate aho,
Ka dia mba ho mate mitandra!
Hitandrovaka ny andro fahiny,
Hitaronako ny taona fahito.
Fa ny mate anie ka tsy mivolana koa e!
Fa ny mate ro manam-bava tsa mitarona!
Ny nato e! tsa ho lany,
Fa ny tapa-kazo misy hanovana.
Fa aho zanak'ona tsa mba misy hanovana:
Ny aiko mate tsa hipody koa!

RAMANANATO 
___________________
Ramananato
Poeta tamin'ny voalohandohan'ny taonjato faha-19 voarakitra an-dovantsofina ny anarany

Narivelo Rajaonarimanana — Poetawebs

Ajouter un commentaire